Miarena rahavako
22. diamondra27
(
31/12/2008 09:01)
prime: ok , miarena avy isika e!
marka 14:38 Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

23. prime
(
31/12/2008 09:57)
Tena mitombina izany teny notsongainao izany amin'izao andro faran'ny taona 2008 izao...
24. Andribe
(
31/12/2008 11:42)
OOOkkka isika hivavaka fa samy mpanota daooooly daolyyyyy :idea: :idea:
25. ikaretsaka
(
31/12/2008 16:34)
Toa ao @ dramarka ao koa anefa le misy an le hoe aoka tsy hanahy ny ampitso ianareo...jereo ny voromanidina sns
26. niryna
(
05/01/2009 04:01)
badboy:
Za tsy mbola azon'ny fakapanahy izany, fa miezaka foana aho hahazo izay ilaiko dia ampy ahy zay!!
hay ve e,kristy aza nalain'ny satana fakampanahy kanefa Atra ka maika fa isika olombelona? miambena ,miambena
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=4&andininy=1-4&dika=
27. coopsal
(
05/01/2009 12:24)
==>
1. Ny olona iray milentika ao anaty rano na dia misy rano iray siny aza eo ambony lohany dia tsy henony mavesatra izany, fa ny olona izay tsy ao anaty rano dia mahatsapa tsara na dia seau kely misy rano aza no eo ambony loha ny.
Tahaka izany ny olona milona anaty fahotana, tsy mahatsapa velively ny ota mitambesara eo aminy, fa raha vao tafala ao izy dia conscient amin'ny moindre fahotana.
2. Ny olona miaina ao amin'ny daban-joridira, tsy misy dikany aminy raha voan'ny tasy ny patalohany, fa ny olona madio dia mitandrina mba tsy haloto ary miferotra aina rehefa tratran'ny loto.
Tahaka izany, ny olona mitakosona ao anaty loton'ny fahotana dia tsy mahatsapa akory ny fahalotoana sy ny fahotana ary ny fakam-panahy, fa ny olona nodiovina kosa dia mitandrina ny tenany mba tsy handeha intsony amin'ny fahalotoana ary fiferetana aina ho azy ny ipitihan'ny lotom-pahotana, izay no ahatsapany ny fakam-panahy.
Ho avy anefa ny fotoana, rehefa tonga eo anivon'ny tontolo madio tanteraka ary hita miavaka ny maloto dia ho menatra ary hitady toerana hisitrihana ... à moins que, misy sasany amin'ireo olona madio nifankazatra taminy ka na dia maloto aza izy dia manaiky hodiovina amin'ny fanetren-tena.
Tahaka izany no hahazo izay maloto rehetra ny fanahiny, rehefa tonga eo anivon'ny paradisa madio ka hifankahita amin'ny Anjely sy ny Olona masina rehetra dia ho menatra ary hitady toerana handosirana ... à moins que, nanana fiombonana tamin'i Kristy sy ny Anjely ary ny Olona masina dieny tety an-tany izy ireo ka sahy hanatona amim-panetren-tena hodiovina.
Izany no nitenenan'ny Apostoly Jaona hoe "Raha milaza isika fa tsy manana ota dia mampandainga an' Andriamanitra. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka manadio antsika ho afaka amin'ny tsifahamarinana rehetra"
3. Fakam-panahy :
- "FA Kristy dia nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra, kanefa tsy nanota"
--> Aoka tsy ho diso hevitra, tsy hoe lasa tsy alaim-panahy intsony rehefa mino, au contraire, izay mino an'i Kristy no tena alaim-panahy amin'ny zavatra rehetra ... kanefa tsy manota. Araka ny ambaran'ny Apostoly masina Jaona hoe "Ny zanak' Andriamanitra tsy manohy manota intsony satria ny natioran' Andriamanitra no ao amiNy"