Na Izy koa aza mahay ny tenin'Atra an .

41. ikaretsaka ( 08/01/2009 09:58)
Tsy manan-kanampiana nga raprime?

Faha> ny fomba no samihafa e...misy ireo maka izay metimety aminy de nariany ny hafahafa aminy. Misy ny mandalina misimisy kokoa sy mampiasa ireo nomena , ary mikaroka alavitra mba hahafahany manazava an'iny @ namany. Misy ny mamerindesona pli vava de rehefa anontaniana dia miborka hoe zay ny voalaza ko.. (ny raraka an dalana @ zany tsy ferana)
Sns..
Fa tsy atao manahirana izany...
42. prime ( 08/01/2009 10:22)
ikaretsaka> Fanampiana hitondra inona ra-ika??? :lol: :-D
43. ari.malala ( 12/01/2009 10:37)
coopsal:

Andriamanitra mihitsy no teny, Ary Kristy no tenin\' Andriamanitra izay notafiana nofo.
Omeo kely ny mpanoratra, ny toko sy ny andininy milaza fa i Kristy no tenin'Andriamanitra notafiana nofo. Tsy mahay tsimpona mantys ny tenako fa mba mahalala ihany hoe tsy izany no izy.

coopsal:

Hoy Ikaretsaka izay hoe \"contexte\". Izaho mino fa raha teto Madagasikara i Kristy no teraka ary nanatanteraka ny mission, dia tsy ho mofo no noteneniny fa hoe \"izaho no vary!\", satria ny vary no foton-tsakafon\'ny Malagasy.
Iee; fa na hiteny aza i Kristy hoe Izy no vary dia sure aho fa tsy hihinana i coopsal satria tsymahasoa inona akory ny vary oupss ny mofo mantsy e! hihihi!

coopsal:
==> Amiko Kristy tsy raisina isanandro fa indray mandeha noraisina ary tsy ariana intsony! Iray aminy aho satria monina ato anatiko Izy noho ny finoako ka itandremako ny teniny.
Pretentious!!! iray aminy @ fomba ahoana? sa efa milaza tena koa fa tsy manota itsony? hay moa efa mahatanteraka ilay izay nataonareo t@ ireny madinika ireny ka! hahaha

\
44. ikaretsaka ( 12/01/2009 15:55)
prime:

ikaretsaka> Fanampiana hitondra inona ra-ika??? :lol: :-D


Fanampiana manazava bebe kokpoa ilay kozy ohatra na hevitra manampy sosona azy
45. prime ( 13/01/2009 11:16)
Ka raha misy fahavononana hamaky hianao moa maninona saingy indrisy... :lol:
46. fahamarinana ( 13/01/2009 11:38)
:arrow: prime : zahay mbola eto an !! sady vonona hamaky na lava be aza,na ampiana tsipona aza tiako foana rehefa mifandraika amin'ny sujet... :) :-* (l)
47. prime ( 13/01/2009 12:12)
aho:
Fanamarihana:
1. raha ny hevitro ry nyrina dia tsy mahay tenin'Andriamanitra ny devoly fa manana fahaizana baiboly sy torah (nuances entre ce que c'est éxactement une bible, une sainte écriture, des paroles de Dieu) (mahasamihafa ny atao hoe baiboly, soratra masina, tenin'Andriamanitra)... raha adinina ny baiboly izy dia mety mahay ny voalaza ao rehetra ary mety mahay tsianjery sy "tsimpona" ny voalaza rehetra, fa tsy mino sy manaiky ny soratra masina (mahay soratra masina) ary tsy mankato ny tenin'Andriamanitra (mahay tenin(Andriamanitra)...
2.
Hoy i ianao:
ny anjely( ireo olona mamaky baiboly izany an) Satria ry zareo izay miaraka amin'Atra isan'andro dia tsy mila ny tenin'Atra
... mino aho fa misy hevitra tianao ambara fa izaho angamba no tsy mahazo azy tsara... fa raha ny hevitro dia tena mila isanandro ny tenin'Andriamanitra ny mpanompony, na ny eto an-tany na ny any an-danitra ary velona amin'izany mihitsy aza...


Io aloha no efa nambarako... :)
fahamarinana:
prime : zahay mbola eto an !! sady vonona hamaky na lava be aza,na ampiana tsipona aza tiako foana rehefa mifandraika amin'ny sujet...
... Misaotra amin'ny fampaherezana sy ny fahazotoana... handeha alefa tsikelikely fa ndrao mahatezitra olona etoana ry fahamarinana an... :)
48. fahamarinana ( 13/01/2009 12:14)
:arrow: prime : dia miandry aho zany...mahereza hatrany !:-* (l)
49. ikaretsaka ( 13/01/2009 19:56)
De efa nampian I fody. Sy ny sasany io...de ahoana indray? Za miandry le arhu matotra foana anie
50. prime ( 14/01/2009 08:27)
Tsy "argus" n'olombelona no andrasana fa ny hevitr'Andriamanitra araka izay lazain'ny tenin'Andriamanitra...
51. Fody ( 14/01/2009 10:51)
prime:
Tsy "argus" n'olombelona no andrasana fa ny hevitr'Andriamanitra araka izay lazain'ny tenin'Andriamanitra...

Fa ny hevitr'Andriamanitra moa tsy miseho amin'ny alalan'ny hevitra lazain'ny olombelona ihany? Izany hoe, tsy misy afaka mahalala ny hevitr'Andriamanitra isika raha tsy miseho amin'izay lazain'ny hafa izany.

Aza adino koa fa misy ny mampiasa ny tenin'Andriamanitra (Baiboly) mba hampitany ny heviny manokana ka tsy izay rehetra misy toko sy andininy avy amin'ny Baiboly dia lazaina fa hevitr'Andriamanitra daholo.

Aza adino koa fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafetra sy tsy voafaritra ao anatin'ny Boky iray. Izany hoe misy ny tsy voasoratra nefa avy aminy, noho izany tsy ampy raha ny Baiboly no andrefesanao sy andanjalanjanao fa avy amin'Andriamanitra ny hevitra iray na tsia. Eto dia tiako ny manamafy hoe: "Tsara kokoa raha mifototra amin'i Kristy ny Finoana sy ny fitiavana, fa tsy amin'ny Boky (Baiboly)."

Am-pitiavana be.
52. prime ( 14/01/2009 11:39)
Fody:
Fa ny hevitr'Andriamanitra moa tsy miseho amin'ny alalan'ny hevitra lazain'ny olombelona ihany? Izany hoe, tsy misy afaka mahalala ny hevitr'Andriamanitra isika raha tsy miseho amin'izay lazain'ny hafa izany.
... Tsia, ny hevitr'Andriamanitra dia izay ambarany amin'ny alalan'ny Teniny ary eo ambany asan'ny Fanahy Masina... :)
Fody:
Aza adino koa fa misy ny mampiasa ny tenin'Andriamanitra (Baiboly) mba hampitany ny heviny manokana ka tsy izay rehetra misy toko sy andininy avy amin'ny Baiboly dia lazaina fa hevitr'Andriamanitra daholo.
... Tena zava-misy izany ary tsy azo odiana tsy hita tokoa... :wink:
Fody:
Aza adino koa fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafetra sy tsy voafaritra ao anatin'ny Boky iray. Izany hoe misy ny tsy voasoratra nefa avy aminy,
... Itoviako hevitra... :)
Fody:
noho izany tsy ampy raha ny Baiboly no andrefesanao sy andanjalanjanao fa avy amin'Andriamanitra ny hevitra iray na tsia.
... Tsia, tena ampy ary mahalaza ny momba an'Andriamanitra ny lazain'ny soratra masina na dia tsy feno amin'ny mahaIzy Azy marina aza... :wink:
Fody:
Eto dia tiako ny manamafy hoe: "Tsara kokoa raha mifototra amin'i Kristy ny Finoana sy ny fitiavana, fa tsy amin'ny Boky (Baiboly)."
... Iraisako hevitra ilay hoe ny finoana sy fitiavana mifototra amin'i Jesosy no zavadehibe...

Ny Tsara dia izay lazain'ny tenin'Andriamanitra... ny baiboly dia boky ihany fa ny soratra masina voasoratra ao anatiny dia fahalalana sy fiainana tsara, ary ny teny izay voasoratra raiketiny dia tenin'Andriamanitra velona mitondra ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy... :)
53. coopsal ( 14/01/2009 15:41)
Ikaretsaka:
ito ny teny Grika sy latinina ... "Eglizy 1 ... masina.... katolika (universel ny dikan'ny katolika eto=mody nadika hoe manerana ny tany) ... Apostolika

==> Ka ataoko tsy mahay teny grika sy latina ahoana moa no famaky, indrindra fa hoe fahazo izay nolazainao?
Fa averiko hazavaina ny teniko raha tsy azonareo manan-tsaina (ary aoka hovakiana hatramin'ny farany mba tsy hisian'ny fahadisoan-kevitra) :
Izaho mino ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao, dia ny fitambaran'ny olona masina mbola eto amin'izao tontolo izao (fa tsy efa lasa any ankoatra), sy ny fiombonan'ny Olona masina (ny teo aloha sy ireo izay efa lasa).
Iray ihany no fiangonan'i KRISTY fa tsy mizarazara maro.
Rehefa nino an'i KRISTY aho dia nanomboka nahita tsifahamarinana maro tao amin'ny eglizy nisy ahy (protestanta FJKM), nifanerasera tamina sabatista aho ary nahita zavatra tsy azo lavina tamin'ny fampianaran'izy ireo ... Tonga sabatista aho nefa tsy nivavaka tany amin'ireo, fa nitory sy nanao asa soa tamin'ny 4 mi no nataoko isaka ny Sabotsy (Sabata hoy aho tamin'izany). Ary tsy nanakana ahy velively hiangona rehefa Alahady tao amin'ny fiangonana nisy ahy akory ny fanajako ny Sabata. Fa mainka aza aho niditra ho mpampianatra Sekoly Alahady. Hitako mantsy fa na dia mpivavaka aza ny olona, zavatra hafa mihitsy ny hoe manana porofo fa velona KRISTY, ka mba tena ny fampianaran'i KRISTY no raisina sy inoana ary iainana, fa tsy ny dogma.
Araka ny fitomboako tao amin'i KRISTY dia nahita aho fa ny sabatista izay toa ninoako kokoa aza kay be zava-diso mihitsy. Ny fampianarana Katolika dia efa hitako rahateo fa be zavatra tsy ara-tSoratra Masina, ny baiboliko baiboly katolika amin'ny teny anglisy.
Tsy hitanisa ireo zavatra tsifahamarinana hitako isaka ny fiangonana sy finoana aho, satria tsy natao hitanisa izany, fa ny tiako tenenina amin'ity sombiny voalohany ity fotsiny dia hoe : "Tsy misy marina 100% na iray aza" amin'ny institution religieuse rehetra. Ny Soratra Masina ihany dia manambara an'izany rahateo.

Rehefa nahita ireny tsifahamarinana rehetra ireny aho dia nanenjika no nataoko tany am-boalohany.
Ny fifandraisako tamin'i KRISTY tamin'ny alalan'ny teniNy sy ny vavaka, izay hitako niseho tamin'ny niainako kosa no nahafantarako marina fa KRISTY tonga hamonjy izao tontolo izao fa tsy hanameloka, ka au lieu de manameloka, ny mamonjy no tokony nataoko. Au lieu de milaza sy manapotsitra ny lainga sy tsifahamarinana, manambara sy mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana no tsy maintsy ataoko. Fa vao hita ny fahamarinana dia miseho ho azy ny ambiny rehetra.
Rehefa nanomboka nivavaka kosa aho hoe "omeo izay olona hanatanterahako ny didin'i KRISTY : dia ny hifankatiavan'ny mpianatra", dia tena nahita tokoa olona izay tena mino an'i KRISTY marina, misy amin'ireo olona ireo ny protestant, misy ny katolika, misy ny hindou iringiriny fa lasa nino an'i KRISTY, misy ny juifs iringiriny fa nifanena tamin'i KRISTY koa dia nino, ... Izany no ilazako hoe, tsy resaka institution religieuse anakiray na maromaro mitambatra akory no fiangonana universelle lazain'ny Apostoly, fa fitambaran'ireo olona tena mino marina an'i KRISTY.
Rehefa niresaka tamin'i dadatoanay katolika izahay, nandre ny heviny momba ny fivavahana sy par rapport amin'ny dogmes katolika, dia hoy neninay hoe "ary ianao anie izany tokony ho protestant e!". Fa hoy izy namaly hoe : "izaho katolika foana, fa izaho tena halan-dry zalahy mihitsy amin'io resaka io".
Izaho koa, protestant foana aho, fa halan-dry zalahy mihitsy amin'io resaka io.
Tahaka izany ny sadhu Sundar Singh, nijanona ho hindou (tsy tamin'ny finoana anefa, fa tamin'ny fombam-piainana sy ny fitafy), fa halan-dry zalahy hindou koa izy.
Ny Apostoly Paoly, na dia apostolin'ny jentilisa aza, dia tena fariseo foana! Tsy niombom-pinoana tamin'ny fariseo izy, fa kosa nahalala tsara ny lalàna ary mba tsy hanohintohina ny fitoriana ny marina, teo anatrehan'ny jiosy iringiriny dia nampiseho ny olona izy fa jiosy koa, noforana ary fariseo aza. Saingy izay nolazain'i KRISTY mikasika ny mpianany dia marina, na katolika izy na protestant na hindou na jiosy :
- "ho avy ny andro, handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy ireo, hikapoka anareo ary hamono anareo, satria izay no heveriny fa fanompoana an' Andriamanitra."
Tsy nampoiziko mihitsy hoe ireny antsoin'ny maro fa tempoly sy tranon' Andriamanitra ireny anie izany synagoga tenenin'i JESOA izany.
- "Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Aoka ianareo ho malina tahaka ny bibilava ary ho malemy fanahy tahaka ny domoina".
Tsy noeritreretiko mihitsy fa ny amboadia nametrahan'i KRISTY ny mpianany tsirairay anie ka ao amin'ny congregation na communauté religieuse misy azy ireo ihany fa tsy dia ny ivelany akory.
Izany no nilazako tamin'i Niryna indray mandeha hoe : raha mahatsapa ilay namanao fa nirahin'i KRISTY, dia aoka izy hifandray tsy tapaka amin'i KRISTY naniraka azy.
54. ikaretsaka ( 14/01/2009 15:54)
Dia rehefa tsy hay de ianarana aloha ra coopsal an na au moins hanaovana fikarohana fatratra ... mba tsy hampianarana diso.... tsy fihanonana ny fiainana fa fikatsahana hatrany ary voalaza ny tokpony hampitomboana talenta fa tsy hoe izao no haiko de zay
55. coopsal ( 16/01/2009 12:04)
Ikaretsaka:
Dia rehefa tsy hay de ianarana aloha ra coopsal an na au moins hanaovana fikarohana fatratra ... mba tsy hampianarana diso.... tsy fihanonana ny fiainana fa fikatsahana hatrany ary voalaza ny tokpony hampitomboana talenta fa tsy hoe izao no haiko de zay

==>
1. mba tsy hampianarana diso : ka izaho tsy ho mpampianatra ary tsy mikasa hampianatra sy ho lasa lavitra amin'ny Latina sy Grika mihitsy tsinona! Tsy izany no ilaiko hamonjena ahy, ary tsy mbola nahatsiaro nirahina hitory amin'ny olona miteny grika sy latina aho, ka izay no tsy maha rototra ahy hianatra izany. Mety hianatra koa aho raha toa ka hipetraka any amin'ny toerana izay miteny izany. Noho izany tsy diso mihitsy ny ampianariko, satria tsy mampianatra rahateo aho

2. hampitomboana talenta : Ataoko ahoana ry ise no fampitombo izay talenta tsy nomena ahy? Fa inona tokoa no talenta nolazain'ny TOMPO hoe mila ampitomboina tamin'iny fanoharana iny?
56. niryna ( 22/01/2009 12:25)
Fody:
Eto dia tiako ny manamafy hoe: "Tsara kokoa raha mifototra amin'i Kristy ny Finoana sy ny fitiavana, fa tsy amin'ny Boky (Baiboly)."
... Iraisako hevitra ilay hoe ny finoana sy fitiavana mifototra amin'i Jesosy no zavadehibe...[/quote]
prime:

Ny Tsara dia izay lazain'ny tenin'Andriamanitra... ny baiboly dia boky ihany fa ny soratra masina voasoratra ao anatiny dia fahalalana sy fiainana tsara, ary ny teny izay voasoratra raiketiny dia tenin'Andriamanitra velona mitondra ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy... :)
misaotra fody sy prime a,mazava tsara tokoa ilay izy


:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081