Raha misy manome zavatra ho anao
21. niryna
(
30/12/2008 16:41)
Koditra:
Zà alou tonga dé misôtra avy hatrany vao miainga any fotsiny lé tànana manolotra eh, après an'izay aho vao mety hanadihady na dia tsy dia fahalalapomba loatra aza zany. Mandray aho, dé misaotra, refa tsy tiko lay fanomezana, tsy hohaniko iny (raha sakafo) na tsy hanaovako iny (raha fitafiana na firavaka), tsy ho lazaiko an'lé oul akory zany.
Amiko, ny valin'ny fanomezana dia fisaorana. Zay no fahalalapomba sy fahaiza-miaina.
Raha manontany Niryna oe "handray sa handà ?", ny valiny dia tokony ho raisina ny fanomezana na tiana na tsy tiana, tsy maintsy isaorana koa ny Mpanome.
:D :D dia efa nalefako any izany ry koditra ny fanomezana ,efa voarainao ve ? miampy ity :-* :-*
22. niryna
(
30/12/2008 16:48)
jemimah:
tsy manda mihintsy hoe fanomezana lehibe ho antsika i jesosy ary fanavotana fa lay famoronana lay daty naterahany kosa aloa tena mahagaga!misy soratra ao @ baiboly fa tsy aiko lay toko sy andininy hoe aoka tsy hanampy na hanaisotra zay voasoratra ao @ soratra masina
ity misy fanazavana sao mba manampy anao
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m495110f9089dc
23. ikaretsaka
(
30/12/2008 21:01)
niryna:
Zà alou tonga dé misôtra avy hatrany vao miainga any fotsiny lé tànana manolotra eh, après an'izay aho vao mety hanadihady na dia tsy dia fahalalapomba loatra aza zany. Mandray aho, dé misaotra, refa tsy tiko lay fanomezana, tsy hohaniko iny (raha sakafo) na tsy hanaovako iny (raha fitafiana na firavaka), tsy ho lazaiko an'lé oul akory zany.
Amiko, ny valin'ny fanomezana dia fisaorana. Zay no fahalalapomba sy fahaiza-miaina.
Raha manontany Niryna oe "handray sa handà ?", ny valiny dia tokony ho raisina ny fanomezana na tiana na tsy tiana, tsy maintsy isaorana koa ny Mpanome.
:D :D dia efa nalefako any izany ry koditra ny fanomezana ,efa voarainao ve ? miampy ity :-* :-*
Raha ohatra kosa ka kapa be mialinandro 1 tavimandry kosa no "fanomezana" nisy nanatitra teo anjorombaravarana ka voadonanao ka raraka... de iza no hisaoranao?
24. coopsal
(
05/01/2009 13:58)
Ikaretsaka:
Tsy misy koa ao @ baiboly miteny hoe izay andinintsoratra masina metimety aminareo ihany no aoka hotsimponinareo sy ataonareo tsianjery maimbo hanamarinanareo ny tenanareo.
==> Marina izany. Izany no nahatonga ahy nisalasala raha marina tokoa izay nambaran'ny baiboly na tsia.
Fa rehefa nitady tamin'ny foko aho ka nandre an'i Kristy namaly ny fanontaniako dia nino Azy amin'izay sy izay ambara momba Azy rehetra ao amin'ny baiboly.
Koa raha tsy i Kristy mihitsy no henon'ny olona iray tsy afaka hino izy, ary tsy afaka handre an'i Kristy izy raha tsy ny fony no mitady, araka ny voasoratra hoe : "Tournez-vous donc vers L'Eternel, et vous vivrez."
Ny fahafantarana an'ilay fanomezana indray dia misy karazany roa :
- ny mahafantatra ao an-tsaina : satria voasoratra izany ary maro ny fampianarana manambara ny marina. Tsy dia fahasoavana be loatra fa ny olona mahafantatra ao an-tsaina no tonga amin'ilay tenin'i Kristy hoe "tsy lavitra ny fanjakàn' Andriamanitra ianao".
- ny mahafantatra ao am-po : dia izay mandre amin'ny fony ka mahafantatra, izy ihany no afaka hisaotra ao am-po fa tsy fahalalam-pomba fotsiny.
Farany, isanandro Kristy miteny amin'ny olona tsirairay, fa ny fon'izay mitady ihany no afaka handre.
"Ankehitriny, raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo."
