resaka ps

1. sitlo ( 21/12/2008 06:43)
Raran'ny lalàna ve ny fanaovana ps amin'ny anaran'ny olo-malaza?

Ohatra mpihira, Ricky sns,
na mpanao politika Ratsiraka sns,
na olom-pinoana Rev. Razafindratandra,
na manam-pahaizana Ratsimamanga sns.

Amin'ny toerana rehetra no tiako anontaniana fa tsy eto amin'ny serasera fotsiny.
novalian'i rhina ny 24/09/2009 16:17
2. ainaheri ( 22/12/2008 07:09)
Arakarak'ilay site angamba sy ilay tompon'anarana...raha ny tena marina d tsy azo atao,satria raha manao adalana @ iny izy d manjary maloto tsy @ antony ilay anaran'oul ,no sady koa voazimbazimba,na dia natao oe; Anarana tanim-boanjo
3. hery ( 22/12/2008 11:37)
Raha mitondra anarana ianao, kanefa tsy miseho hoe ilay olona (manao usurpation d\'identité) dia tsy misy olana... satria mety azo eritreretina ihany hoe anaranao iny.
Fa raha toa ka mitondra anarana ianao dia miseho hoe ilay olona mihitsy (aseho ny toerana, taona, sary, sns momba ilay olona) dia mampigadra :-)

http://www.ed-productions.com/leszed/index.php?facebook-usurpation-d-identite-faux-profil-acces-interdit ohatra ny nataon\'ny Facebook amin\'ny usurpation d\'identité
4. sitlo ( 23/12/2008 12:56)
okay,

Raha ny fahazoako azy izany dia ny fanazavana hoe tsy izy io no alefa aloha.
Matotra
5. fahamarinana ( 23/12/2008 18:31)
:arrow: mahavariana be sy mampieritreritra koa ilay rohy napetraky hery,marina moa !
sitlo : hiova ps malaza angaha ianao :?: :) (l)
6. sitlo ( 24/12/2008 11:55)
Mety hoe eny mety hoe tsia fa atao inona moa ny mahalala izany :?: :twisted: (l)

Lasa fotsiny ny saiko hoe mety mampidi-doza ve ny mambotra charactere mitondra anarana olo-malaza iray na roa.
Ilay amerikanina mantsy toa tsy taitra mihitsy, fa ohatra hoe omaly Obama no lany prezida dia androany dia efa mandeha amin'ny tele ny dessin animé manala azy.
Dia lasa ny saiko hoe raha i Andry Rajoelina moa no anaovana izany?

Ary izay vao azoko ilay hoe rajoelina :-D
7. rhina ( 24/09/2009 16:17)
zay mintsiny ny sitlo ry fahamarinana manoratsoratra etsy sy ero fa mametraka fanotanina ho an'ny tsirairay nefa ny soratsorany
hiii!!!

tsy mbola lany mainty ve lo le sitlo e!?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8249