FANABEAZANA AIZANA

1. fitiatantely ( 19/12/2008 07:08)
Izaho manao fanabeazana aizana (mitsindrona) de hitako fa tena mitombo be ny lanjako indrindra fa ny kiboko sady miha kamo zany aho no maina be, de tiko hajanona le izy nefa za tsy mahita fomba hafa, le manaraka daty aloha tsy mety amiko satria ny ahy miovaova be ny fotoana ka efa voafitak'io za taloha!
Ka zao! sao de mba misy mahalala fomba hafa ianareo mba ampio aho fa tena very hevitra!
De misaotra mialoha e!
novalian'i midrou ny 24/10/2019 17:11
2. soafara15 ( 19/12/2008 07:21)
tsy mety aminareo angaha ny mampiasa kapoty? sa tsy mety ny partenaire nao?
manatona koa gynéco ianao dia anontanio izy, misy ohatra pilule isan-karazany, sa tsy mety aminao?
Soafara
3. xxx ( 19/12/2008 09:11)
Raha vao mampiasa fanafody dia matetika misy effet secondaire kely foana , na pillule na tsindrona, na patch na ilay zavatra kely ohatry ny tahon'afokasoka iny . Dia arakarakao hoe tantinao ve sa tsia

Misy koa ny vasectomie ho an-dramose dia milamina nareo 2 raha toa ka mikasa ny tsy hiteraka intsony
4. elyzo ( 19/12/2008 10:44)
Maro b ny pillule azo atao sy karazany fa ny maharatsy azy d sao d adino ka ho loza ndray ko! Misy ko DIU na dispositif intra-utérine, maharitra 5 taona, atsofoka any am tranon-jaza! Tsy manelingelina fa saingy mila fahadiovana b mitsy no tsy tia infection!! Manantona toerapitsaboana dia atorony anao daholo zay sahaza anao fa anao sisa misafidy e! Mahereza
5. fitiatantely ( 19/12/2008 10:57)
Za efa nihinana pillule fa ts zakako, mangidihidy be za refa nihinana de najanona de niova tsindrona fa vao maika loza, tsy sahy manandrana le maharitra aman-taona reny aho fa sao tsy zakako ndray de matahotra aho.
Ny kapaoty ndray tsy tin'ny vadiko ny mampiasa azy
Sao nareo de mba misy mahalala fomba hafa akoatran'ny fanafody sns any @ dokotera, zany zao no tena tadiaviko raha misy
6. klauma ( 19/12/2008 12:03)
Misy hevitra iray ity sao mahaliana anao na ny hafa koa! fomba fanabeazana aizana tsy misy fanafody miparitaka amin'ny tena! karazana sterilet ihany saingy any anaty tranon-jaza mihitsy no apetraka (anneau) ! sady tsy manelingelina no tsisy atahorana! rehefa te hiteraka ianao dia esorina fotsiny ilay izy! Manantona ny Hopitaly sinoa Mahitsy raha mahaliana anao izay, fa misy gynéco sinoa afaka manome torohevitra ao!
7. fitiatantely ( 19/12/2008 13:20)
aiza no misy an'io hopitaly sinoa io
8. sakaizakely ( 19/12/2008 17:44)
sterilet ihany saingy any anaty tranon-jaza mihitsy no apetraka (anneau)


tsy azoko

f'angaha mou atao kavina le sterilet, tsy any am tranonjaza kou ve no asina azy io, toy ny anneau ihany
;-) ;-)
9. diamondra27 ( 19/12/2008 17:58)
ie efa henoko oa io anneau io

jereo akia it ry sakaiza a http://www.doctissimo.fr/html/sante/mag_2001/mag0323/sa_3734_anneau_pilule.htm

:-D :-D :-D ndry koa akia mampime an
10. misoa ( 26/12/2008 19:45)
Spermicide andramana 15mn alohan'ny RS no atsofoka dia avy eo tsy tonga dia missasa fa miandry 4h après arakarak'ilay spermicide, io tsinona sûr fa tsy misy trouble hormonal hoe lasa ngeza ve etsetra....
11. klauma ( 07/01/2009 09:26)
fitiatantely:

aiza no misy an'io hopitaly sinoa io

Any Bejofo Mahitsy Ambohidratrimo no misy io Hopitaly io! ary tsy io anneau resahan'ny namana hafa io mihitsy ilay izy fa hafa! lehibebe kokoa noho ny peratra ny hangezany apetraka ao @ tranonjaza! misy mantsy ny sterilet sasany mety manelingelina ! ity tsy misy fanafody miparitaka @ tena!

12. arialy ( 10/01/2009 10:08)
misy koa ane ny pillule minidose e, fa refa tena tsy mahazaka alo le anneau ndray oe andramana !!
mazotoa :)
13. rasobakobako ( 17/02/2009 14:39)
Izaho koa mba sahirana nieritreritra io fanabeazana aizana io, toa misy lafy ratsiny daholo, dia tapa-kevitra aho izao fa hanao ligature après demain, efa nahazo rendez vous amin'ny dokotera aho. Sao dia mba mety aminao koa io ligature io ? ary ahoana no hevitrao momba io ? mety ve ? iza no efa nanao an'io, misy effet secondaire koa ve ?
14. midrou ( 24/10/2019 17:11)
Salama daholo e!!!

Aty misy vehivavy 24 taona ary manan janaka 2 lahy izay nifanarakaraka(nielanelana herintaona sy tapany)ka nanapa kevitra ny hanao fanabeazan aizana.Taty aoriana anefa naniry ny hiteraka ndray izy ka nesoriny ny fanabeazan aizana.Ny olana anefa dia tsy nety niverina intsony ny fadim-bolany,izy anefa tsy bevohoka.
1-Mety ho fiatraikan ilay fanabeazan aizana ve zany
2-Mety hisy fiatraikany eo @ fahasalamany ve ny tsy nandehanan ny fadimbolana nandritran ny 7volana zay.

Mba toroy hevitra fa sahiran tsaina izy.

Misaotra de manantena torohevitra e.......!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3201