Rehefa fa tsapa fa manohatohana ny fiandrianam-panjakana dia hidiana. Ben'ny tanàna izany ben'ny tanàna, mitantana ny fanariam-pako fa tsy lehiben'ny orinasa. Rehefa mbola tia hitantana ny VIVA sy handefa ny kabarin-dRatsiraka dia mametra-pialana.
Ny lalitra be dia be manerana ny tanàna tsy hita izay anaovana azy fa ny kabarin'ny fototry fahantrana no itsonantsonana alefa. Inona anefa hono ny tanjony andefasana an'iny eh? Fa angaha Ratsiraka vendrana ka andeha hiteny eo hoe hovonoiko daholo indray ianareo.
Tsy tadidinareo angaha ny kabariny tamin'i Zafy Albert empeché. Dia iny daholo ramalagasy fa nanohana azy.
Ianareo milaza fa tsy mamely ny mpanao politika malagasy ka tokony hietsika ny vahoaka. Fa izaho mahita fa ilay vahoaka malagasy no tsy mamely.