Vidéo Ratsiraka

1. ratonga ( 17/12/2008 15:23)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/Discours%2BDidier%2BRatsiraka
répondu par sitlo le 21/12/2008 07:19
2. xxx ( 17/12/2008 16:07)
Praopavandy ve no ataon'i lery zany sa ?
3. hery ( 17/12/2008 16:58)
nareo ange mieritreritra hoe Ratsiraka no problème e :-)
dia mieritreritra koa zao ny sasany hoe TGV no problème...

tsy arakareo mihitsy ilay fika.
4. om974 ( 17/12/2008 18:15)
raha nijery ilay video izaho dia tsy hitako loatra izay tany ahatonga fanakorotana ny saimbahoaka :manana ny fandraisany avy ny olompirenena sy tsy bado daholo ny vahoaka ka tsy amakafaka:maninona moa raha manao pas VERS fiavanana marina,ny mpitondra fa efa fantatra ny anRatsiraka izao ;fa tsy hisy fandrosoana mihitsy eto raha izao foana no misy ;ny hoavy ny firenena no katsahina
:-*
5. nanas ( 17/12/2008 19:55)
ny tenanay koa aza mba gaga ry om974, tsy hitako hoe taiza tao no nanelingelina ny filaminam-bahoaka. Marina mihitsy hoe ataovy ny fametraham-pihavanana fa zay koa no taratry ny mahakristianina, isika milaza fa firenena kristianina raha teo.
Ny antony tsy hanaovan le8 an io aloha dia tsy azoko mihitsy e! matahotra izy angamba fa sao dia vita ny fihavanana dia handrodana azy avy eo ry Pety sy ny tariny. Tsy kristianina izy zany raha izay fa kristianina sadasada. De tout facon, izy koa anie efa tsy mila harodana zany fa efa harodan ny fahavendranany e!
6. lemenakely ( 17/12/2008 21:46)
Amiko manokana dia mbola tena mirefarefa @ tany ny atao hoe politika eto Madagasikara , tsy mba fanasoavambahoaka fa famenoana paosy !Tsy mpitondra tsy mpanohitra ...Ka inona moa no atao ahagaga @ izao cinéma lalaovina etsy sy eroa ! Eny e efa nivoaka moa ny Madagascar...
7. lazounet ( 18/12/2008 02:27)
nanas:

ny tenanay koa aza mba gaga ry om974, tsy hitako hoe taiza tao no nanelingelina ny filaminam-bahoaka. Marina mihitsy hoe ataovy ny fametraham-pihavanana fa zay koa no taratry ny mahakristianina, isika milaza fa firenena kristianina raha teo.
Ny antony tsy hanaovan le8 an io aloha dia tsy azoko mihitsy e! matahotra izy angamba fa sao dia vita ny fihavanana dia handrodana azy avy eo ry Pety sy ny tariny. Tsy kristianina izy zany raha izay fa kristianina sadasada. De tout facon, izy koa anie efa tsy mila harodana zany fa efa harodan ny fahavendranany e!


Ahoana kay raha raisina amin'ny MAHA MALAGASY izy ity fa tsy amin'ny MAha Kristiana ? Toa las mifangaro avokoa izay tsy tokony hifangaro hany ka samy manao izay saim-patany ny olona.
SARAHO ny FINOANA sy ny FITONDRANA.

8. rakapy ( 18/12/2008 05:02)
Tsy hitako mihintsy izay tokony atahorana ireny kabarin'i Ratsiraka ireny. Tsy misy endrika fanakorotanana na dia iray aza. Fomba fijeriny amin'ny maha olom-pirenena malagasy azy. Izaho aloha tsy hoe momba azy fa mba gaga ihany raha zavatra ohatra ireny no hanakatonana station tv iray.
Io voalazan'i lemenakely io dia marina. Mbola ambany be ilay fahaizan'ny gasy politika.e! Mila generation vaovao fa ireo efa eo sy teo dia tsy misy ilana azy ny ankamarony.
9. Ralay ( 18/12/2008 07:40)
Raha nihaino sy nandinika tsara ilay resaka nataon'Ingahy Ratsiraka aho ka raha io no antony nanakatonana ilay TV dia tena mbola hita fa tsy misy mihintsy ny liberté d'expression,d'infomation fa diktatora no filaza izany.
Nefa kosa ny zavatra faharoa tsoahiko @ resaka nataon-dRatsiraka indray dia fanadiovan-tena fotsiny no nataony. Milaza izy fa fananany sy vola avy any am-paosiny daholo no nanaovany izao rehetra izao, avy aiza anefa ny nahitany ireny vola ireny....? Volan-dRamalagasy daholo.
10. naughtyboy ( 19/12/2008 08:54)
voalaza teo
"Milaza izy fa fananany sy vola avy any am-paosiny daholo no nanaovany izao rehetra izao, avy aiza anefa ny nahitany ireny vola ireny....? Volan-dRamalagasy daholo. "
EKENA 1000 %
11. badboy ( 19/12/2008 10:32)
naughtyboy >> Nihaino ilay izy hatr@ farany koa ny tenako dia io no fanamarihana voalohany tonga tato antsaiko hoe avy aiza daholo ireo vola ireo!!

1 ) Fiaramanidina 11 : Helicoptère 6, avion 5
2 ) Trano : misy 1 à 800 millions, misy 1 à 350 millions ary ny hafa izay tsy voatonona ny vidiny
3 ) Ny fanomezana : - sakafo izay vidiana 3500 fmg ka hamidy 250 fmg nandritra ny 2 taona t@ ilay tsakypop sy sakafo mitampihavanana
- ny bourse nomena ireo mpianatra izay 320€ ny an'ny fanjakana ary ny amboniny izay nahatonga ny bourse ho 450€ ary nilazana fa nanomezana 1 millions d'€ avy any ampaosy
4 ) Ireo vola nividianana ny pont flottant ka nahatonga ilay orinasa notantanan'ny zanany : f'angaha moa tsy tokony ny fanjakana no misahana ny fanamboarana tetezana izay tsy tokony handoavambola satria tsy "autoroute"?? Ka raha atao tahak'izay koa izany bypass sy ny tariny dia ahoana????

Ireo no mitambatra dia mampanotany tena hoe avy aiza loatra ireo vola rehetra ireo??? Sa @ milliard d'€/ mois ny karaman'ny filohampirenena malagasy???????

Ambadik'izay anefa dia tsy dia hitako loatra ny antony nanidiana an'i VIVA, izay ampatsiahivina fa nisy fahitalavitra hafa nampita io vaovao io!!! Ny antony nasesika dia hoe manakorotana ny fiandrianampirenena na "trouble à l'ordre public"!! Fa inona moa ilay fiandrianampirenena? Ny azo amaritana azy angamba dia ny lalàna mifehy ny fandrindrana ny firenena, ny fiarovana azy, ny filaminana eny rehetra eny... Ka inona @ ireo no lalàna voadika???

Ny olona namorona io "ordre public" io aza tsy mahafehy ilay tiany ho azaina ka isika mpindrana mahay mialokaloka tsara ao ambaniny, nefa tsy mahatsapa ny tena tiany ho lazaina!!

8) 8) 8)
12. xxx ( 19/12/2008 15:17)
Badboy,

Izay ilay hoe ataovy amin'ny tenin'ny tena ny lalana ifehezana ny tena, fa tsy amin'ny tenin'olon-kafa dia rehefa avy eo jerena daholo ity mety ho dikany rehetra ity, ka izay mahasoa ny mpampiasa azy ihany no atao.

Fa ilay izy koa sady manisy sira ihany Ra-Didy: "Raha nisy teniko na fihesiko nanafitohina anareo.... Saingy tsy mbola nisy izany" Mhhhh, Kabary tsy valiana iny aloha koa.

Toa izay mitondra toa tsy mahafantatra afa tsy ny paosiny daholo:

"Dia hoy ny somonga hoe matoa izy nandany miliara isaky ny fifidianana dia satria mino fotsiny izy fa hiverina aminy ny masonkarenany rehefa voafidy izy"
13. Annie2006 ( 19/12/2008 16:06)
Izay mihitsy ilay nilazako teto hoe: raha t@ toeran"ny mpitondra aho dia nahay tsara nampiasa an'iny zavatra nolazan-dradidy iny nanohitra azy.
Tsy misy hidiran'ny VIVA sy ny mpanao gazety mihitsy eto. TSY MITOMBINA NY FANAKATONANA AN'I VIVA ka tokony FOANANA ilay decret.

Raha resaka Ratsiraka indray avy eo samy manao ny azy satria tena tsy misy ilako azy.
14. leboda ( 19/12/2008 16:28)
ratonga:

http://www.dailymotion.com/relevance/search/Discours%2BDidier%2BRatsiraka

Tena mampalahelo isika Malagasy satri na ilay taloh na ilay eo amy toeran dia tsy misy fiovana mihitsy, MIREHAREHA tsy misy FANETRETENA mihitsy.
Efa voaozona ve isika sa isika no efa nanary lay tena MAHAMALAGASY ka lasa SADASADA MANAN-TSORATRA re!
Dia inona no mba avela ho an'ny taranaka amam-para rah izao no mitohy.
Aty Dago zao dia HOSAMBORINA ndray hono i TGV! dia inona koa ny manaraka?


15. xxx ( 19/12/2008 19:47)
misy part 3 nge le izy e, jereo any am aol any e

http://video.aol.com/video-detail/discours-ratsiraka-d-part-3/2305843011097499336/?icid=VIDURVENT01
16. xxx ( 19/12/2008 21:14)
O ry Malagasy rehetra izay tia an'i Madagasikara! Asa na mba tsapanareo fa fahanan'ny mpanao politika LAINGA ny vahoaka Malagasy.
Lazaina fa demokrasia, fitondrana miainga avy amin'ny vahoaka, mitsinjo ny vahoaka Malagasy...
Mba diniho kely ....Fa tsy izany no natao sy atao ary mbola ho ataon'ireo mpanao politika fa ny hampitombo ny harena izay ananany.

Io izao i Ratsiraka, manao vavan'ny maty an-drano sy vavan'ny very fananana. Satria tsy ampy azy angamba ny vola azony tamin'ny vahoaka Malagasy.
Io izao i Ra8, tsy manao afatsy ny hananany koa satria matahotra ny vodi-andro merika ka tsy miheritreritra afatsy ny tenany.
Dia mbola ao koa ry TGV izay tsy mbola fantatra hoe hanao inona koa?

Amiko dia mila fanovana lehibe ny toe-tsaina politika Malagasy. Ary isika vahoaka Malagasy no tokony maso mandidy amin'izany fa tsy ny mpitarika politika velively. Rehefa hita fa tsy mety dia tsy mety.Mila mifmpiresaka sy midinika ny tokony hisorohana ny lesoka. Raha mety moa dia tokony ho tohizana.
Tsy ny zavatra toy izao ataon'i Ratsiraka izao no tokony ampatahotra raha tena mahay politika ny Gasy. Ary tsy ny fandefasana itony @ fahitalavitra no tokony anafitohina ny mpitondra amin'izao fotoana.
Dia hoa akatona koa ve ny daylimotion sy AOL satria misy rohy ahitan'ny Gasy manerana ny tany ilay resaka nataon'i Ratsiraka?

Anjaran'ny vahoaka no mibaiko ny mpitondra fa tsy ny mpitondra no hibaiko ny vahoaka satria dia volan-tsika vahoaka no anakaramana azy ireo hitondra. Isika vahoaka no patron fa tsy izy ireo.
17. DJ ( 20/12/2008 07:41)
Za raha Ratsiraka sy ny forongony na inona lazainy sy teneniny tsy misy tokony hanaitra. Moa tsy avy aminy sy ny taranany ary ny forongony no nahatonga sy fery tsy sitrana toy izao. Tsy fanadino ny tantara fa olona anisany tsy tokony hisy lanjany intsony eto tamin'ny tany sy ny firenena na inona hetsika ataony na inona raha ny momba io filoha teo aloha io!

Raha ny fitondrana ankehitriny ary no maninona no mandray ho fanakorotanana izay lazain'io filoha teo aloha io! Satria efa tsy matoky tena amin'ny tsy mety ataony koa io fitondrana ra8 io dia miaro tena mafy ka na ny olona efa naloan'ny vahoaka aza atahorana mafy ery!
18. diamondra27 ( 20/12/2008 11:18)
misy marina ihany kosa le lazainy e , ry bemolanga ireny ange efa ela no fantatra e , zay nahatonga an'i mahaleo namorona le hira ny bemolanga we rahoviana no hitranga? kay refa tena hitranga de wawawa be le izy
19. diamondra27 ( 20/12/2008 11:22)
sao de misy video tam annif andravalo tam 12 12 08 teo kosa any aminareo mba jerena
20. Fanjaibe ( 20/12/2008 22:50)
Jereo ny site presidence dia mahita ny sarin-dra8 ianao e

Conference de presse no lazain'ny Mpanao lalana gasy iny video iny ary qualification hoe olona migadra sy voaheloka ve dia asaina miteny

Sa azo atao koa izany ny mampiteny an'i Pety sy Jly fidy?

Izany hono e

Sady izay indray 41 minutes ary mbola saika naverina fanindroany

Olona efa tsy afa-manao inona inona iny ve dia atahorana fa faly fotsiny hoe

A LA MOINDRE OCCASION TAPER SUR LE PETIT : ANDRY ( tout le monde a l'attaque jusqu'a ce que les condistions pour instaurer un PDS soient reunies) Nahazo baiko an'io ny Ministra rehetra, ary ny ministra ny rano no nanao voalohany

Efa mitady hazava anie ny resaka, ary efa nohamafisna aza ny filazana fa mety kokoa ny PDS e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 6.2797