Mba ilazao ry zalahy i Andry TGV an

1. xxx ( 17/12/2008 15:03)
Salama hoy xxxx

Mba ilazao ry zalahy akama i Andry TGV mba ho mailo ihany fa ataon'ny antoko mpanohitra fakana vilona fotsiny izy an.

Soavaly efa mahia no nahita tany lonaka ireo ka dia zarany aza, hifika akata maina aza ataony.

Ny tiako lazaina dia izao hoe: Mitady mpanambola ny mpanohitra mba ho tsetsefina sy akana vola anaovana ity hetsika etsy sy eroa ity. Ka mila mitandrina ihany i Andry sao dia lasa borina ohatran'i Tlahy Herizo eo. Raha mbola ireo koa mantsy no ekipan'ny mpanohitra mbola ho ela vao ahataitra olona indray.

Tsy mirevy TIM intsony ny ol. marina izany, saingy ny mpanohitra tsy misy azo raisina dia aleon'ny ol aloha mijanona mitady hanina toa izay hanaraka soavaly mahia. Dia rehefa avy eo ny ol indray no hitarika an'ilay soavaly fa tsy afaka handeha intsony.

xxxx
novalian'i penguin ny 29/12/2008 07:45
2. nanas ( 17/12/2008 15:23)
TGV aloha tokony mamorina ekipa vaovao mihitsy e! Za tsy tena pro-TGV fa arakaraka ny fihaingany eo ihany no hitiavan ny olona azy. Fa mba ahoana marina zany tantara Ravolomaso zany e! Iza no namono azy?
3. kidoropamba ( 17/12/2008 16:12)
Niditra ambohitsirohitra ingahy ravolomaso dia "velona". Nivaoka avy ao izy dia "maty". Iza no tompon'andraikitra @ izany?

Iray izay!

Hoan'ingahy Andry TGV indray dia efa mazava e. Midradradra hoe aza miaraka @ mpanohitra e. Midradradra hoe zanak'Iarivo nanohana an'i ANDRY TGV ka tsy nisy ireo mpanohitra e. sy ny sisa. AIZA DOLIDOLY ARY NAREO NILAZA NANOHANA AZY IO NO TSY HITA TABILAO HIARO AZY raha mamely azy mafy dia mafy ny havanareo?

IZA NO MBA NITSANGANA niaro an'i ANDRY TGV ka niseho vatana fa tsy mety ity ataon'inaghy filoha ity? IZA NO MBA NITSANGANA ARY NILAZA FA TSY AZO EKENA ITY FANIDINA TV ity, fa tsy lany fotoana midradradra ny zavatra nolazain-dratsiraka ka hoe: hiverina indray ny naloa e.

IZA MBA MPANAO POLITIKA izay MADIO, MANITRA, TSARA BIKA, MANAM-PAHAIZANA, ARY TSY MIARAKA AMIN'NY MPANOHITRA ka mba sahy nitsangana ary niaro azy???

Variana @ ordinatera fotsiny fa tsy hita akory aiza IRENY TANORA LAZAINA FA NANOHANA AN'I ANDRY TGV no tsy hita? IO ARY NY SASANY EFA MANAO JODASY ka tsy miafina mamadika.

Ary raha manohana an'i ANDRY TGV marina dia farafaharatsiny dia tokony MATOKY AZY nareo fa tsy faly manao "analizy" eto ambony latabatra fotsiny. Fa raha NITSANGANA KOSA NAREO KA NAHITA fa tsy nilain'ny ANDRY TGV, rariny io lazainareo io.

Tezitra aloha aho @ izao. Ndeha hisotro rano kely fa mahamay ny vovon-tsigara. 8O 8O 8O 8O
4. patrick2002 ( 17/12/2008 17:10)
sao dia diso fipetraka ny fanontaniana ,ny ahy dia lazao ny mpanohitra fa sao dia hataony TGV fangalana vilona fotsiny izy ,
Tsy nanao an'izany ve ry Ravalo panana , aiza izao no nahazo andry Pety Rakotoniaina, Ratsirahonana, Voninahitsa, ,Manandavy ,Marson Evariste ,
5. nanas ( 17/12/2008 19:49)
marina mihitsy zany ry patrick, fa na izany na tsy zanytokony tena manangana ekipa vaovao i Andry e! Raha misy anefa olona avy amin dry zareo antoko mpanohitra te-hiditra ao dia tsy tsy azony atao mihitsy ny manilika azy. Tsy azo atao ny manilika olona noho ny fiherehany na ny fihaviany.

6. xxx ( 18/12/2008 04:20)
patrick2002:

sao dia diso fipetraka ny fanontaniana ,ny ahy dia lazao ny mpanohitra fa sao dia hataony TGV fangalana vilona fotsiny izy ,
Tsy nanao an'izany ve ry Ravalo panana , aiza izao no nahazo andry Pety Rakotoniaina, Ratsirahonana, Voninahitsa, ,Manandavy ,Marson Evariste ,

Aoka kosa alosa Ra-Pa fa ny nilatsahan'i Ra-8 resaka hafa mihintsy:
1) Tsy te handany vola t@ ingahy Ratsirahonana intsony izy satria efa nandany vola taminy fony fifidianana 1995
2) disadisa t@ Ra-Didy

Raha ny fandehan'ny raharaha 2002 indray dia ny mpanao politika no nijapy an-dRa-8 fa tsy ra-8 no niantso ny mpanao politika, raha naharaka ny fitokonana hatramin'ny voalohany teny @ 13 mai.

Ravolomaso indray dia resaka maloto be mihintsy valifaty Kongona sy TTS fahiny, ary agent de renseignement sy Malaso mpiray petsapetsa ka atahorana hivoaka ny saikare dia vonoina ilay tary.

7. patrick2002 ( 18/12/2008 12:57)
ary mba henoy ary ny filazako azy .
Ny nilatsahany Andry TGV ho ben'ny tanana koa anie ka disadisa t@ ra-8 eh! tadiaviny ra-8 hongotana daholo ny panneau publicitaire ny Andry Rajoelina ,fa tiany homena an'i TIKO pub ny marche ,izay tsy an'iza fa an'i zanaky ra-8 ihany .,
Ary tsy i Andry TGV mihintsy no miantso ny mpanohitra fa ny mpanohitra no mijapy an'i TGV .
8. xxx ( 18/12/2008 15:04)

Ekeko ireo, saingy ity faharoa ity dia ny AVI no niantso an'i Rajoelina hilatsaka mba hanao toa ny nataon-dRa8, satria hoe rehefa masaka eo Antananarivo dia mety atao prezida.

Ny disadisa teo amin'ny INJET sy ny eo amin'ny fitondrana aza efa disadisa teo amin'ny INJET sy ny DOMA pub, izay vinanton-dra8 no nitarina lava be efa hatramin'ny taona fahagolan-tany eh.
9. patrick2002 ( 18/12/2008 19:16)
mbola ho lava ny resaka raha hitarina ,fa aleo valiana ny resaka , ambi-po dehilahy io ra-xxx ah! ambi-po no naha president an'i ra-8 ,satria tsy te hiato-bilona an'i Ratsirahonana hoy ianao , ambi-po koa ny an'i Andry TGV tsy te hitsahiny ra-8 , ka nahoana no hitenenina izy hoe aza manaiky tohanan'i antoko mpanohitra ,f' angaha i ra-8 nanilika mpanohitra t@ izy nilatsaka ho fidina ary teny @ 13 mai ,
Hanantena manko ilay mpivaro-dronono fa hoe gadraina io raha vao mihetsika eo dia hilamina ny raharaha ,tsy hainy fa ben'ny tanana io rangahy io , ary manana olona nifidy azy (1 800 000 habitant i Iarivo ) ,tsy i Lecacheur io na pety , matoa tsy ninetsika ny communnauter international t@ ireny dia fantany faha tsy credible ireny mpanohitra ireny ,fa ity farany ity kosa dia efa nahazo visite courtoisie t@ ambassadeur ny amerikanina ,efa mahazo invitation sollanelle @ frantsay ka hoy ao aminao hoe .
Tohizo ny tolona ra ANDRY AH ,aza matahotra fa matoatoa fongana ihany , dakar 3 sy dakar 4 indray isika mihaona . =D> =D> =D>
10. xxx ( 18/12/2008 21:12)

Mitovy ange ilay fijery eh, fa tokony hanorina group vaovao mihintsy i Andry, fa raha mbola hianto-bilona indray dia ho verimaina ohatran'i Herizo eo fotsiny. Asa aloha izay fijerinareo fa raha izao no manao fitsapan-kevitra i Andry dia efa latsaka noho ny teo aloha ny naotiny. Vao nisoratra teo fotsiny ny hoe "Andriamanjato" dia efa veloma hono antsoiny hoe.
11. Fanjaibe ( 22/12/2008 02:41)
Il n'a rien a perdre pour se battre avec un president qui ne se tient pas a sa bonne place

Naninona izao raha navela hivoaka tsara ilay loi sur les partis dia nampiharina.

Izao ilay izy lasa misy contestation dans le fond et dans la forme.

12. penguin ( 22/12/2008 10:12)
Tsssss, mba raiso owa le fitondrana fa miandry anareo be mokondoha sy milay nohon'ny mpitondra ny vahoaka.
13. xxx ( 27/12/2008 23:39)
teneno rangah izy hipetraka de samy vita ah, tsy mahavita azy koa io na ho tohanana aza

a la mode ndray manko izao ny ben ny tanana fa tsy ampy indtony ny manan karena, hafa ny tena fitiavantanindrazana sy fahafohizanteana nataon dravalo
14. penguin ( 29/12/2008 07:45)
Raiso ny fitondrana owa na jairo amin'ny fanjaibe raha rovitra tsy mahatana rivotra. Aza laniana andro ny vahoaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077