Mba ampio aho ry reto a

1. adokely ( 16/12/2008 10:50)
Salut daolo, za de tovovavy pikambana vaovao, tonga de ny votoatiny ngamba no arosoko e.Miaraka am oul za efa depuis 8ans zay, fa izy tam 2006 narary de nanomboka tam zay ts afaka nihetsika tsony ny tapany ambany rehetra, sady ts maheno ninoninona, de ny tena problemako zany zao de ny momban ny ho avinay sy ny ho aviko, za efa miha lehibe 25ans, ao an tranonay feno akizikely bdb de menatra ny RAD-ko za oe efa vavy lehibe iany nefa mbola velomina ao fona, sady izahay ts oe manana fa sahirana, ny niveau-ko koa nefa bacc fotsn, de am le cas misy anay nefa za no tokony hiasa ho anay, za sy le sipako marary io, efa mitady asa iany za fa otran ts mety mahita mints, de mba miangavy anareo ze mety afaka hanampy ana mba ampio fa tena mafy ry reto a, na sosokevitra na ts eko, efa nieritreritra ny hanao fiainana vaovao iany za fa otran tazomin le fitiavana de ts mahafoy, na de ts tin ny fianakaviny kou aza za de ts mahafoy, de misaotra deny mialou anareo fianakaviko samy gasy e
novalian'i mailofy ny 30/01/2009 12:30
2. fahamarinana ( 16/12/2008 11:25)
:arrow: ka na hisy afaka hanampy na hanome soso-kevitra aza ianao ,na ny toerana hipetrahanao mbola mistery,ampio fanazavana ++ kokoa raha azo atao sy tsy maha-diso.
(l)
3. tywa68 ( 16/12/2008 11:48)
Adokely : afaka avela irery v ny sipanao sa tsy maintsy misy olona manampy azy, raha mahita asa enao na manao stage hahamora ny fitadiavana asa ?
4. fahamarinana ( 16/12/2008 11:57)
:arrow: tywa :ka ilay asa no toa ilainy fanampiana haingana akia fa tsy fantatra na ao dago izy na aiza dia sarotra be. :wink: (l)
5. hana ( 16/12/2008 12:14)
Faly miarahaba anao adokely
Angamba ianao any Madagasikara raha ny fijeriko azy.
Tsy voatery misy diplaoma vao afaka hiasa, be ny azo atao ao an-trano raha ilainao ny hijanona anilan'ilay olontianao: zaitra (ny petakofehy ohatra raha kalianao tsara tena mandeha be amidy aty ivelany nefa tsy mila vola be ianigàna) sy asa tanana isan-karazany, gâteau sns.
Fa manitikitika ny saiko ilay hoe tsy tian'ny fianakaviany. Inona no mbola isisihanao? Ilay olona ve aloha maniry ny hijanonanao eo anilany? Sao fahatsiarovana sy eritreritra manenjika no mitana anao. Tsy hevitra mety ve ny mijery ho avy hafa kokoa, fiainana vaovao indray?
Natambatro eto ny torohevitro fa inoako fa hahasoa anao.
Dia mahereza eh :-* :-*
6. caprio ( 16/12/2008 20:28)
adokely:refa tsapanao fa mbola tia azy tanteraka hianao dia mihezaha hiany aloha mitady asa,ary ataovy ao an-tsainao fa na io olon-tianao io koa aza dia miasa saina lavitra noho hianao satria mety mba hianao koa sisa no fanatenany, ary aza kivy fa eto am-bavaka fa hanampy anareo Atra,dia mahereza
7. xxx ( 17/12/2008 07:16)
Fa angaha tsy misy hevitra itsony ny hanaovan'ilay sipanao cure mba hahasitrana azy ?Any antsirabe andranomafana tena tsara ho an'ny olona hoatr'ireny.Adidin'ny fianakavian'ilay sipanao no manao io fa tsy adidinao,satria ianareo mbola mpisipa fa tsy mpivady.
Ny aminao in-1 dia mitadiava asa na dia @ resto ireny aza,manao serveuse @ alina,na @ reny magazay ireny.
Efa nisy vinavinanareo ny hivady ve sa tsy mbola nisy?????
Amiko manko raha tsy mbola tonga any @ resaka tokatrano ny vinavinanareo ka tena tsy misy hevitra itsony ohatra ny hahasitrana ilay sipanao,aleo manova dieny zao.Satria mety tsy ho afaka hifampiteraka koa ianareo,raha sanatria hoy aho ka tsy misy hevitra an...Fa raha mbola azo tsaboina miala nenina ihany.
Ny anadahiko koa manko de nanana olana toy io namanao io,nanana olontiana izy,taty aoriana dia narary izy ary nalemy koa ny tongony roa,teny foana rasipa tsy niala teo @ 1 taona teo,taty aoriana leo koa angamba izy ,tsy nisy nanome tsiny azy izahay satria izy ary ve dia ho lany zara @ olona malemy eo!Notsofinay rano izy,dia lasa rasipa nanambady olona hafa.Tany Antsirabe andranomafana no nanao cure ny anadahiko ary nisaorana an'Atra fa sitrana soa amatsara ihany izy na dia naharitra 2 taona mahery aza ny traitement .Teo rasipa vao ohatry ny nanenina satria raha nanambady olona hafa izy dia nijaly t@ tokatranony tany.Nefa tsy afaka ny hiverindalana itsony.....
Koa saintsaino tsara zay decision horaisinao.Dia mankahery indrindra anao. :* :* :*
8. andrywui ( 17/12/2008 13:15)
mankanesa enao ao amin'ny le mpanao massage sinoa ao ambadiky ny tana confort,ampitan'ny discount saturne analakely fa mitady mpiasa betsaka ry zareo zao sady tena tsara karama raha mazoto,tsy mila diploma fa CV fotsiny entina
9. adokely ( 17/12/2008 17:06)
Misaotra betsaka anareo izay nanome sosokevitra,
Za aty dago no mipetraka, tana
tywa68 ie afaka avela irery izy ka, misy panampy ao afaka mikarakara azy ra toa ka ts eo za.
hana le ijery ho avy hafa efa noeritreretiko iany ary efa somary nibolila tany iany za fa sotomin le fitiavana hiverina fona za de itako oe ts ahavanona ninoninona za ra iova fiainana vaovao, ny ho avy no tsy haiko fa hatram zao alou de eto iany za.momban le petakofehy za ts mahay fa itako oe hevitra mety iany zay ngamba ra mitady olona manjaitra de zahay no mikarakara ny handefasana azy any, zavatra ohatran zany mihintsy zao no tena itako mety amiko, eo am le débouché any fotsiny zao no mety ho sarotra.
xxx ianao zao no tena maazo ny zvt iainako, araky ny hevitry ny dokotera rehetra de samy kely finoana daolo zareo amin ny mety ahasitranany fa Andriamanitra no dokotera ambonin ny dokotera de mino foana coute ke coute e.
andrywui misaotra betsaka anao manoro hevitra, ho jereko alou zany fa raha oe hanao masseuse zany za oul malemilemy kely nge e lol

dia mbola mamerina ny fisaorana anareo rehetra izay nandray anjara de kiss be daolo
10. kotobekibo ( 17/12/2008 17:16)
Aleo manolo dieny izao ry kala a!
Aza miditra @ pataloha tery , na ho sitrana aza izy any aoriana , njy efa tsy reven'ny fianakams-ny . Ho gidra lalandava ny fihainana . Tsy izy irery no lhl eto an-tany , afaka mijanona ho mpinamana nareo ary mifanampy , fa kosa tsy avenir izany amiko .
Tsy anjaran-njy ny mibaby azy satria tsy vadiny njy fa sipany fotsiny . :wink:
11. vale ( 17/12/2008 17:55)
:? andray kosa ry koto a, ny fianakams ny anie no tsy tia anazy fa tsy lay bandy e, aleo kosa izy hiala nenina raha mbola samy tia e, izany aza izy oe nibolila fa tsy mety fa voasarikan'ilay fitiavany an'ilay bandy foana, sady tsy mety koa anie izany manary oul am andro sarotra izany e, ouln-kafa fantatra fotsiny izao aza ve ampina rehefa sendra sarotra dia mainka fa oul mifankatia aminao izany?? tsy mety kosa zany e!! hmmmmm..
12. SJA ( 17/12/2008 18:33)
Trotroy am-bavaka akia. Mba manatona ireny mpivavaka mahay manasitrana ireny na ireny mpametra-tànana ireny fa ny devoly no fototry ny ratsy rehetra ka mila roahina ary aza mitsahatra mivavaka fa ny vavaka mahay manova zavatra. Mahareta ary mahereza!=D>
13. kotobekibo ( 17/12/2008 19:35)
vale:

:? andray kosa ry koto a, ny fianakams ny anie no tsy tia anazy fa tsy lay bandy e, aleo kosa izy hiala nenina raha mbola samy tia e, izany aza izy oe nibolila fa tsy mety fa voasarikan'ilay fitiavany an'ilay bandy foana, sady tsy mety koa anie izany manary oul am andro sarotra izany e, ouln-kafa fantatra fotsiny izao aza ve ampina rehefa sendra sarotra dia mainka fa oul mifankatia aminao izany?? tsy mety kosa zany e!! hmmmmm..


Zà anie tsy miteny hoe aza manampy azy e!
fa kosa raha efa fantatra fa tsy misy avenir v d mbola atao ahoana ny hifampi-sacrifier eo . Raha tena tia azy ilay bandy d ny mahasoa azy ( sipa ) no tadiaviny koa fa tsy ny hijaliany miaraka aminy eo .
Raha efa vadiny izy d manaiky an-njy zà hoe mijanona na ho mafy naho mora satria izay no maha-mpivady ny mpivady . Ry zareo mpisipa fotsiny . Tsy mbola ao anatin'ny voady mariazy izany .
Mifanampy fa tsy mifandany zara .
14. xxx ( 18/12/2008 09:45)
Marina ny teninao hoe Atra ambonin'ny Dr rehetra,nefasure ny finoanao ary ve ianao????Tadidio fa raha mangataka @ Atra isika dia mba misy koa fangatahan'Atra amitsika zay tandrovatsika.Vao homeny valimbavaka isika .
Ianao no mila miova fo voalohany indrindra,ary mandehana @ reny toerampitsaboana kristiana reny .Dia eny @ reny mpanotra ireny fa reny no mety hahasitrana azy.
Raha ny tenin'ny Dr de aza atao mahakivy fa toy zany daholo no lazaindry zareo refa tsy manana sosy ianao.Raha tsy hoe angaha efa manana virus na Polio ilay olotianao ka tsy ho sitrana itsony.Ny any @ dokotera dia lany andro dorany @ zao karazana appareil rehetra zao fotsiny fa tsy misy efficace afatsy ny massage io .Ny an'ilay anadahiko ny tongony efa feno petipetina may daholo dorana @ zao karazana appareil rehetra zao tao @ hopitaly Ravoahangy,tsy hitako zay vokany.Olona no nanoro anay hoe mandehana any Andranomafana Atsirabe,dia tany no nahasitrana azy.
Miala nenina ihany aloha mba hampandry ny consciencenao vao manapakevitra ny hanolo .Ary mifampiresaha @ havany fa adidindry zareo io fa tsy anao.Fanampiana no ataonao raha tinao.
Refa tena hitanao hoe tsy ho avotra itsony,ka sure ianao,dia mandraisa fanapahankevitra fa tsy mbola tara ange e!Ianao mbola tanora afaka misafidy tsara.Courage aky a! :-* :-*
15. adokely ( 18/12/2008 13:12)
misaotra betsaka anareo manome soso-kevitra sy fampaherezana.
xxx salut, efa nentina tany antsirabe kou izy defa elaela zay tany fa ts de nisy fetsarany, vo voa mints izy defa nentina tany nanao cure de 6 mois, fa le anadahinao ve vao nalemy de nentina tany sa efa hafiriana, efa natao daolo accupuncture, physiotherapie, ny massage reflexotherapie zao tohizana hatram zao de ny kiné kou isan andro.
16. Noue ( 18/12/2008 14:51)
madehana mijery an'i professeur Clément !
17. adokely ( 18/12/2008 17:59)
Noue salut, efa nentina tany koa fa tsisy azony hatao hono
18. Noue ( 18/12/2008 19:27)
tsy izany manko fa mahafantatra olona izay aho aaaa ! voan'io koa ! oatrany tena mitovy mantsy ny zavatra nahazo azy dia voatsabo tsara ilay olona
19. sitlo ( 19/12/2008 03:57)
Tsara ny fitsaboana sy ny vavaka arahana asa.

Marenina sy malemy ambany. Sady amin\'izay taty aoriana vao nitranga. Midika izany fa mahay miteny sy mamaky teny ary mampiasa saina sy tanana.

Ny asa saina izany mbola vitany tsara. Asaivo mianatra inforamtika na zavatra mampiasa saina sy tanana fotsiny.

Raha ianao ilay niveau bacc indray. Betsaka ny tsy manana bacc fa aza kivy amin\'izany. Rehefa tsy mahita asa dia miasa tena. Ny asa tanana sns, efa voalaza teo dia afaka atao fa mandra-pahoviana? Ny fika hitako dia mamorona. Raha Antananarivo aloha efa somary efa tsentsina raha tsy begija (manana akama sy rotsa bobaka); fa mila somary manelanelana an\'Antananarivo sy ny faritany, na Antananarivo sy ny ivelany no misy vola.
Saingy, fantaro fa ny laibany efa eo ka mila :twisted: tsara. Alaivo akama daholo ireny sofera sy mpanera ireny, raha afaka miresaka amin\'ny debany moa vao maika tsaratsara. Mety ho lasa resaka manidina fotsiny ito fa ianao ihany no mahalala ny zavatra mety ho vitanao. Ny tiako tenenina fotsiny dia ataovy objet ilay fiarahamonina.
20. Mirananirina ( 19/12/2008 17:37)
Raha tinao izy dia tsaboy aloa,nefa ianao tsy manambola hitsaboana azy!!Tsy an'asa.Ary mbola tanora ianao 25 ans fotsiny.Ary na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy voaroaka tao ianareo.Ka mitadiava asa haingana,mivarotra ohatra ,na entamadinika na hanimasaka.Manana bac ianao hoy ianao,betsaka anie izany e,misy olona tsy manana na CEPE aza mahita asa.Afaka manampy anao arabola aho raha tianao,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.167