hizaka tena tsisy ady

1. letavo ( 15/12/2008 11:46)
Ampy izay fitondrana mitanila izay ka aleo samy andinika ny hitondrantena @ tanin\\\'ny tsirairay fa leo voanjo.Mahatsara raha atao tsisy ady izy ity satria efa tsisy varany miandry fandrosoana fitaka lava ,ka very ny fitiavana tanindrazana ka ny hampandroso ny faritany niaviako tsy ilako mpanera, koa ho tadidinareo ity resaka ity indray andro any fa ny fiangarana dila tafahoatra tsy ho voahafina intsony ,koa raha hitsangana ny marina sao lasa tara ka manamafy ihany aho fa ALEO HISARAKA AMBONY LATABATRA ANTSIKA FA EFA BASY @ VANDINAREO IZAY VALY
2. xxx ( 15/12/2008 14:11)
d zarao fa zahay koa mahazaka r'ise a!!, nareo aza milay koa...... raha izay no fomba fijerinao d tanteraho, ...;
3. kidoropamba ( 15/12/2008 14:46)
Andraso kely aloha kirakirainay ity filoha ity avy eo vao manapa-kevitra ny amin'izany satria izao: Efa lasan'ny Daewoo iny atsimo andrefana (melaky, menabe) sy iny avaratra antsinanana iny (sava). Vitan'i QMM ny any Antsimo be any (Anosy). Lasan'ny sheritt ny ao antsinana ao (moramga-toamasina).
Mbola ho avy koa ny sasany e satria any beraketa mbola hanaovana fitrandrahana uranium. Ao Ihorombe mbola hanaovana valabe hakana ny ombin'ny tantsaha mba ahondran'ny TIKO sy ny sisa.

Ka andraso kely aloha vonjena nareo amin'ireto olona vahiny ireto dia avy eo miresaka.

Efa fikanay taloha tao @ TIM mantsy io mamorona resaka fiaviana io raha vao misy zavatra kely mahasorena anay dia amin'izay dia miodikodina ato aorian'ny filoha daholo ny zana'ki Andriamasonavalona rehetra. Fika efa fanaonay io taloha satria izany no ahafahana mamadi-dresaka raha ratsiratsy ny vaovao mikasika anay, ka tsy dia mandaitra firy amin'izao.
4. tsiafoi1 ( 15/12/2008 15:05)
Io efa napetraka fa "Ranomasina no valam-parihako..." : hoy Andrianampoinimerina ka ho aiza eo raha tsy we hitsoraka any anaty ranomasina anga?

Aza arangaranga wa zany adim-poko zany!!!. Fa Madagasikara tsy Afrika ...ka azon'i renimalala asavoritaka sy asafotofoto. Sady tsy natao ho an'i renimalala irery akory anie Madagasikara e... Aleo mba samy haka sombiny eo raha izay no havitana mi-exploité an'ity Gasikara midadasika be ty. Tsika malagasy ntsinon ze manam-pahaizana variana misolelaka any ampita any avokoa fa tsy mitady izay hampandrosoana ny tanindrazana...
5. kidoropamba ( 15/12/2008 16:07)
Adimpokon'ny filoha Ravalomanana io fa misary avy any anindrana. Tandemo fa ho avy ny adim-poko ka tohano aho hanakanana an'azy, hoy levalo te hampidera tena. tsssss!

Tsy mandaitra intsony e. T@ 2002 no nandaitra ilay fika satria "minoa fotsiny ihany" no nabosesika ho pirogirama.
Amin'izao kosa ry filoha Ravalomanana, tsy ho jamba intsony izahay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0789