tena nakatona tokoa ilay VIVA ?????

1. ravatorano ( 15/12/2008 04:53)
politika
Serasera sy fifandraisana

Nakaton’ny Fanjakana tamin’ny sabotsy alina ny Televiziona VIVA

“…manohintohina ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana io horonan-tsary navoakan’ny VIVA io…”.
Araka ny fanapahana laharana 02 - / 08 – MTPC, noraisin’ny Minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny Paositra ary ny Serasera, datin’ny 13 desambra 2008 dia nakatona ny Televiziona VIVA.
Andinin-dalàna 3 no nanohanan’ny minisitera mpiahy ny fanakatonana. Ao amin’ny andininy voalohany, “Noho ny televiziona VIVA nandefa ny horonan-tsary mirakitra ny resaka nataon’ny Filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, izay mpialokaloka any Frantsa, tamin’ny fotoanan’ny vaovao. Manohintohina ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana io horonan-tsary navoakan’ny VIVA io. Noho izany akatona io televiziona io”.
Ao amin’ny andininy faha-2, “Ny lehiben’ny faritra Analamanga, ny Talem-paritry ny fifandraisana ary ny préfet-n’Antananarivo Renivohitra dia omena baiko hanatanteraka io fanapahana io”. Ao amin’ny andininy faha-3, “Tonga dia mihatra avy hatrany io fanapahana io na dia mbola tsy mivoaka amin’ny gazetim-panjakana aza.”
Fisaorana!
Mifanindran-dalana amin’ny fanapahan-kevitra dia namoaka fanambarana milaza izao zava-misy izao ny VIVA. Nandritra ny herintaona nisiany, hoy ny fanambarana, dia niezaka nanome fahafaham-po ny mpijery teo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa, dokambarotra ny VIVA ary nametraka ambony hatrany ny kolontsaina malagasy. Amin’izao fampijanonana ny fandaharana izao, noho ny famoahana ny fanehoan-kevitra nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka dia misaotra ny mpanjifa ny tomponandraikitra.
Manamarika kosa anefa izy ireo fa nisy fampahalalam-baovao hafa namoaka an’io fanehoan-kevitra io saingy mbola afaka manohy ny asany.
Marihina fa tsy voalaza tao amin’ny fanapahana nataon’ny minisitera mpiahy ny faharetan’ny fotoana hampijanonana ny fandaharan’ny Televiziona VIVA.

V.R.
gazetiko
15/12/2008
:roll:
novalian'i Fanjaibe ny 22/12/2008 02:39
2. ravatorano ( 15/12/2008 04:59)
izaho manokana dia tamin'ny fahita lavitra na tele TV plus no nahitako io fanehoan-kevitr'Ingahy Ratsiaraka io .
Ny mahagaga ahy dia TSY NAKATONA ny TV PLUS na d ry zareo aza no mpandefa sy mpamoaka ny resaka izay lazain'Ingahy ratsiraka rehetra na an-tariby izany na koa eo amin'ny sehatra hafa toy izao !
Dia niverina indray ilay fanao taloha ary koa hita izany zao fa tena tsy zakan'ny "sasany" ao amin 'ny fitondrana mihitsy Ingahy Andry Rajoelina ary tsara ho marihina koa fa hatramin 'izao dia mbola tsy niverina ilay fandaharana "karajia" ao amin'"ny RadioDon Bosco izay tantanin'ny Katolika nohon'ny fanehoan-kevitra izay navoakan'ny mpihaino nefa ny radio sasany izay manao ny toy ireny tsy tratran'ny fampiatohana !
Dia hihen-danja hatrany ny fitiavan'ny olona ity fitondrana izay nimatimatesany ity ary Ingahy filoha no tena lasibatra voalohany amin'izany !
:wink:
3. xxx ( 15/12/2008 05:18)
aiza ry hery, ry fiffi, etc..., i ravato moa dia juste miteny fotsiny hoe tsy rariny, lazao au moins kivy ianao, ary dia tsy tia ny fitondrana intsony; Mbola ho aiza e! izay nanohana izao fitondrana izao t@ ireny fifidianana t@ 2006 ireny; i tezitra sy sareraka irery, sns... irery no efa nahita h@ voalohany ny tsy nety , saingy nakaton'ny hery sy serasera koa koa ny vavan'izy
4. ravatorano ( 15/12/2008 06:32)
ny manao safo bemantsina aloha tsy d amiko loatra fa izao : io foana no mahavoa izay fitondrana tafakatra eto amitsika eto, ny fanaon'ny teo aloha foana no miverina d valalanina ny vahoaka.
Za aloha tsy nanenina amin'ny olona nofidiko ary tsy midika izany fa hoe tsy manana ny fahadisoany ry zareo ary tsara raha lazaina koa ny mba hetahetan'ireo izay nifidy azy fa tsy hoe nanenina izany akory :x
mbola ho aiza amin'ny ahona ary :?:
amiko dia misy fanapahakevitra maimaika tamin'ny fanakatonana io Viva TV io satria raha izaho manokana dia tsy nahita ilayu fandaharana fa averiko indray fa tany amin'ny tv plus no nahitako azy nefa io tv plus io tsy nakatona d gaga ny tena ! izay ihany fa toa lasa miverimberina ilay izy ! :-P
5. xxx ( 15/12/2008 07:31)
Amiko manokana dia ny Mbs sy Tvm no akatona , manorisory mihintsy ny mijery vaovao fa sady mpandainga no trop loatra ny fanasohasoana sy fanomezana 19/20 ny mpitondra, ary zavatra efa naloa izany no averina indray ....
6. natiora ( 15/12/2008 07:54)
Marina izany fa ny MBS sy ny TVM no tokony hakatona
7. xxx ( 15/12/2008 07:59)
io tsy ifanomezantsiny e! Mafy izany very seza izany ..Mafy izany very fihinanana izany , ka tsy maintsy atao izay fomba rehetra itazomana azy !

Moa ka tsy izany va...?
8. RATOVOARY ( 15/12/2008 08:25)
De aiza ho aiza ary ny maha-Tany DEMOKRATIKA an'i Madagascar azy raha izany. Toa didin-ko fe lehibe izy izany.
9. ravatorano ( 15/12/2008 09:40)
toy izao zany ny valiteny avy amin'ny VIVA :

Fanambarana avy amin’ny Radio sy TV VIVA
lundi 15 décembre 2008


VIVA TV/Radio FM 98.8
Antananarivo, 14 desambra 2008.

Ny VIVA hatramin’izay nisiany, herintaona izao, dia niezaka hatrany tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpanjifa teo amin’ny sehatra fiaraha-miasa, na amina dokam-barotra (Publicité) sns...Ka n’inon’inona natao. Na teo amin’ny fampahalalam-baovao, na tamin’ny fandaharana novokarina dia natao izay hanolorana zavatra tsara ny mpanjifa, nametrahana ho ambony ny kolon-tsaina Malagasy ka nanomezana izay noheverina fa tsara tamin’ny sokajin-taona rehetra, ifantohan’ny filamatra hatrany manao hoe : « Le Feeling de toutes les générations ». Dia mirona amin’io ny foto-kevitra rehetra eo amin’ny fanabeazana na fampahalalàna amin’ny olom-pirenena ny zava-misy marina, tsy ny eto an-tanindrazana ihany fa izay vaovao lehibe misongadina miseho any ivelany ihany koa... Kanefa dia izao mijanona tsy afa-manohy izay tanjona hanome fahafaham-po ny mpijery izay ny VIVA noho ny fanapaha-kevitry ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisana ary ny Fifandraisan-davitra, nanao sonia ny taratasy voaray ny alin’ny 13 desambra 2008 hanajanonana ny TV, rehefa nandefa ilay fanehoan-kevitra fanazavàna ny zava-misy araka ny fahalalan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoham-pirenena teo aloha, ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena sy izay mahakasika an’ity Nosy ity. Marihana fa maro tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro no namoaka izany koa, andro vitsy talohan’ny nandefasan’ny VIVA izany ny sabotsy alina. Efa nisy televiziona sy radio ihany koa efa namoaka ny ampahany tamin’izany resadresaka nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka izany.

Dia mampametra-panontaniana ny VIVA amin’izao izy tonga tamin’ny fanakatonana ny Antenne tsy hahafahan’ny Televiziona manohy ny asany izao.

Ny VIVA dia maneho etoana ny fisaorana lehibe anareo rehetra mpijery sy mpihaino azy. Ary mbola mampanantena ny hanome ny kanto sy tsara hatrany ho antsika rehetra.

nalaina tao amin'ny gazety tribune
nivoaka ny 15/12/2008
10. hery ( 15/12/2008 11:17)
:lol: inona no idiran'i hery amin'izany? Zah angaha no nifidy an-dRavalo? Zah aza tsy nifidy akory.

Ivereno vakiana ny hevitro hatramin'izay ka hatramin'izao. Hoy hatrany aho hoe: Araraoty ny fifidianana... fa izay voafidy eo dia sarotra ny manala azy na iza na iza.

11. baregenaina ( 15/12/2008 11:23)
hadisoana be vava ihany alou no nataon'ny fanjakana manao izao satria tsy mipetraka intsony le hoe liberté d'exprimé @ pays democratique dradradradraina h@ izay, loko fotsiny no mampiavaka an-r8 sy mugabe
12. tenagasy ( 15/12/2008 11:38)
Mankamamy!

Ny mba fahitako azy indray dia izao: Demokrasia = { ... , lalàla , ...}

- Ny mpitondra - mpanatanteraka - dia natao handray ny andraikitra araka ny lalàna velona. Tokony hampihatra ny lalàna araka izany izy.
- Tsy mety kosa anefa ny manao mizàna mitanila fa rehefa ampiharina dia ampiharina ho an'ny rehetra! Sahia sy mendreha ny andraikitra sahanina!

Fa ny tena tiako hotsindriana etoana dia ity:
Arrêtez de rearranger les chaises du Titanic ! (Ce n'est pas cela qui règlera le problème, et qui va le sauver)
Eto isika no ho sasatry ny hifandaka toy ny valala an-karona eto: hifanondro ny lesoka toy ny sima - banga - gila - kapila - ...
Amiko ny tena tompon'andraikitra amin'izao dia i renimalalanareo.
Impiry izay no nisy daka am-body ho an'ny malagasy avy amin'izy ireo, indrindra nataon'ireo olona alokalofany any aminy?
Inona no mba nataon'izy ireo h@ izao? Manaiky matoa tsy miteny!!!!
Tokony ho raisiny ny andraikiny rehefa tsy voafehiny intsony izy ireo araka ny lalàna iraisam-pirenena! (Na tsy mahay an'izany aza ny tenanay)
Hatrany amiko no fototry ny olana. Tsy madio amiko izy ireo @ zavatra toy izao, sy izay efa ahiana hiseho raha izao fandehany izao.

Ny raharahambahinintsika amiko no tokony hihetsika amin'izany rehetra izany.

Fomba fijery ny ahy Tompoko! Ahy samirery! Aseho amim-panajana! Raha misy diso, avereno ho ahy ihany.

Mirary soa!
13. barry ( 15/12/2008 12:39)
Tena marina io tenenin'i tenagasy io;ny ahy koa dia toy io ny hevitro ;ka haoka re isika tsy hifanenjika @ izany ;fa zay tonga eo dia d'Efa zay zany:Fa na i deba no teo na Ratsi rahon; no teo .na i mopera no teo dia isika efa voafehin'i renimalala o!!Dia vizana e
14. tsiafoi1 ( 15/12/2008 14:25)
Fomba fijery izy ity, ary ny hevitra de tera-bary...
DS
1- Le miverina @'ny efa naloa aloa de tena tsy lasa mihitsy na inon na inon mety ho antony, politikan'alika raha izany no atao. Jereo reny efa nanjo t@'ny andron'ny Profesora Zafy reny. Ka inon no tokony isavilianan'i Andry Rajoelina any @'ireny équipe tsy mamely reny. Fa tena mihevitra an'i Tana ho dondrona koa anga izy ka manantena ny hamerina ny tantara. Marina fa efa babon'ny t@'ny beauté sy ny marketing ny teto Tana t@'ny élection maire satria nanantena zava-baovao. Saingy tandremo kosa tsy hamerina ny efa naloa na ny saribakolin'i renimalala (La France)

2-Ny fampidirany tsikelikely an'ireo équipen'ny teo aloha ao anatin'ny staff ny, de midika fa mitombina hatrany ny maha saribakolin'ny Deba sy renimalala an'i Andry Rajoelina
15. kidoropamba ( 15/12/2008 14:35)
hin!hin!hin!hin! dé renymalala indray izany izao no naka ilay fanapahan-kevitra hanidy an'i VIVA?????? marenina, jamba sa mihevitra ny gasy ho dondrom-pe?

Aoka hazava fa ny "droit de rezerva" izany dia tsy mifanipaka @ "droit de l'ômy" mihitsy. Efa hitanareo moa izany resak'ingahy Ratsiraka izany?
Za aloha nahita e. Tsy kabary izy io fa resaka nataony tao an-tranony ary miantefa amin'ireo olona maro nanotrona azy tao niarahaba ny fitsingerenan'ny taonany.
Ka "voa sesi-tany" izany ingahy deba taloha dia tokony ho lasa moana mandraphafatiny satria droit de rezerva? aiza kosa izany e! Mba jerevo eran'izao tontolo izao fa na ry shlaman rushdia, ry zareo avy any Iran, avy any afirika, any malaisia, na any azia dia na voa sesi-tany dia miteny dolidoly. Na ry zareo ao @ Dali Lama aza miteny.

Raha namory vahoaka ingahy deba, na niteny nivantana t@ mpanao gazety, na koa namory mpanao gazty ka naneho ny hevitra politikany, mbola azy hiandian-kevitra ihany ny "droit de rezerva". Fa raha miresaka @ havany, namany kosa dia tsy anjaran'iza n'iza no manakana an'izany.

Tokony tsy nasehon'ny VIVA izany ilay izy satria tsy nisy nanery azy hanao an'izany. Mety marina izany. Kanefa raha hanasazy "izay TV sy Radio, na gazety" naneho an'izany resaky deba izany kosa dia tokony tsy i VIVA irery ihany no mikatona, fa ao koa TV+, ry Matv, ry midi madagascar, ry tribune madagasikara, ry lexpressmadagasikara sy ny sisa.

Ka tsy ry zareo renymalala izany no olona eto fa ny havanareo no efa mitapy e. Matahotra sahala à ndry MUGABE izay ho very fihinana satria efa nanao ratsy be loatra. Fantatry havanareo sy MUGABE fa raha tsy eo @ fitondrana dia tsy misy izany sesi-tany izany, tsy misy izany gadra izany fa tonga dia "ny vahoaka no hikirakira ny hoavn-dry zareo". Ary @ izay fotoana izay dia mila kinga ny raopilanina vaovao fa raha tratrin'ireo pokona tsy ampy sakafo ireo dia mety ho voaviravira ny afero, aty, tsinay be sy tsinay kely.

Mila mandinika tsara raha hanao ratsy fa raha tsy izany dia hanenenana.
16. Dadamasy ( 15/12/2008 15:56)
Amiko aloha dia tsotra ny antony : Politika avokoa na ny nandefa ny resaky Deba na ny nanakatona. Nila raharaha loatra ny VIVA nandefa ireny, ary ny nahasamihafa ny azy ireo sy ny an'ireo onjampeo sy TV hafa dia tsy nalefan'izy ireo hatramin'ny farany iny resaka iny fa notsongaina kely. Asan'ny mpanao gazety izany ary nianarany. Maro amin'ireo mpanao gazety ihany koa mantsy no tsy mahay ny asany fa manjakely na bôgôsy dia miseho milay mahay an'izao sy izao, kanefa tokony ho hain'izy ireo fa misy lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ary saro-pady io asa io.
Koa satria nila raharaha loatra ny VIVA izay azo ambara ho nanao "provocation" mihitsy, satria hoe tian'Antananarivo sady nolaniany ho Maire ny Lehibeny dia miseho ho henjana. Araho ny tantara fa raha misy onjapeo na TV manohintohina ny filaminam-bahoaka ny asehony na alefany dia nandraisana fepetra avokoa izany. Sa rehefa tianareo ny Tompon'ny VIVA dia mety hatrany ny ataony...Izany koa anefa tsy midika hoe mety avokoa ny ataon-dRavalo fa mba miezaka izy, satria tsy izy irery no mitondra fa misy ekipa miaraka aminy ao amin'ny fitondrana. Mba misaina amin'izay ry zareo sady mba ezaho takarina ny tian'olona hatao amin'ny zava-misy rehetra na dia ny vadinao ao an-trano aza. Sao dia roboka be fahatany ka midona ny zavatra tsy ampoizina ratsy indrindra ho an'ny fiananao vao hoe : domy aho Ranaotra.
17. kidoropamba ( 15/12/2008 16:30)
Paingotra kely fotsiny e: Tsy ilay resak'i Amiraly izany no ratsy ary manembatsembana ny filaminam-bahoaka fa "ilay fanehoana izy hatrami'nny farany" no nanakatonana an'ilay VIVA. Mahagaga.

Izaho mantsy mba nahita izay nasehon'ny Matv, tv+ ary namaky izay voasoratry Midi sy ny gazety hafa.

Aiza ho aiza ary filazana inona no tena tsy laitran'i fitondrana fa navoakan'ny VIVA kanefa tsy navoakan'ny hafa?
18. kalazagasy ( 15/12/2008 16:46)
Ny tsy azoko @lay izy nge ry dadamasy d zao e, mitoraka voninkazo oan'ny mpitondra ny TV sasantsany, milaza fa tena mavoa be sy tsy manao kitoatoa mihitsy ny mpitondra na d tsy izany aza, tsy manimba ny filaminatsaim-bahoaka ve zany? Saingy tsy koi fefa otran'ny efa mahazatran'ny olona lay izy dia imehezana fotsiny sisa. Mba nitoraka voninkazo indray mipalaka ny VIVA (raha raisina oe zay lay izy fa tsy @ mahampanao gazety azy) d tsy zakan-drizalahy, nga nisy vahoaka tsy nilamitsaina akory teo fa rizalahy no tsy nilamina :-D :-D
19. nanas ( 15/12/2008 18:30)
Amiko indray dia mazava be ny antony io. Tsindrio sy kapao zay mitady holasa fa ho very fihinana isika. Mbola betsaka ny mitapina ny masony, mankasitraka zao zavatra tsy mety ataon-dranfanja zao. Fa mba manitikitika ahy: karazana democratie inona moa zany zao no azo hanazavana izao zava-misy eto Dago amin zao? Mba hazavao kely aminay hoe manelingelina filaminam-bahoaka ahoana moa zany ry le8-ista ilay nandefasana an iny orona-tsary iny? Toa mba olona nivezivezy tany andafy rehetra tany ihany reto olona ao @ fitondrana, mahita tsara ny eso-teny sy critique ataon ny vazaha ny mpitondrany. Toa maizin-tsaina be tsy misy hoatran izany reto izy nefa milaza fa mampandala ny democratie! Zay no hilazako hoe democratie inona moa zany no misy eto? Ary ahoana aloha ilay tanindrazana amidy antsokosoko @ kely maso nefa tsy hierana @ vahoaka e! ao anatin ny demokrasian-drafanja ihany koa ve zany?
20. eh ( 16/12/2008 07:56)
raharaha tediavina ny an'i TGV ê!!! efa fantany fa izay mihintsy no notediaviny satria efa betsaka anie no zava niseo toa ireny ê! ny antony? mila mody ry Ratsiraka sy ny tariny ary mila mamaly faty ny frantsay tamin'ireny fandroahana frantsay ireny, dia tsy misy afatsy i TGV no hany azo anatanterahana izany dia atao daholo ity provocation rehetra ity! raha ohatra ka ohatranareo ato amin'ny serasera tokoa aloha mety hahomby ihany ry zareo ê!! fa saingy mbola maro an'isa na izany aza no mahatakatra ilay izy dia tsy mikorontana!! Ra8 ihany wa!!! hihihi! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2803