"Gaboné" na Trano Fidiovana manarapenitra. Iza no naha-tara?

1. penguin ( 12/12/2008 07:24)
Lazaina izao rehetra izao ny ezaka izay ataon'ny fanjakana. Hita tamin'ny fahita lavitra fa namorona "Gaboné" na trano fidiovana manarapenitra rehefa avy nomena toro-marika sy fitaritana ny mponina any ambanivohitr'i Ambohimahasoa sy ny hafa.
Izany moa dia nampidirina amin'ny resaka "Mampiray" izay hidiran'ny resaka MAP koa. Raha tara ny vahoaka ary izao vao ampianarina ny hanangana trano fidiovana, inona no nataon'ny mpitondra teo aloha? Izany resaka izany no mbola hiverenana sy hitarina ka lava ny lalàna. Ny zavatra tsy nivoatra rehetra hatramin'izay no hizahavana vahaolana. Dia mahagaga nefa fa ny mandrabiraby no atao nefa ry zalahy ihany no mahatonga ilay fihainana tsy nivoatra hatramin'izay. Koa ilay miverina manasoa no tokony hatao sa ny hitanisa ny fivoarana hita eran'izao tontolo izao nefa ny an-tanàna avela hilona amin'ny fihainan'ny ntaolo? Izany no lova napetrakareo ka mba menatra mijery ny asa ataon'ny hafa.
novalian'i penguin ny 22/12/2008 09:32
2. kidoropamba ( 12/12/2008 14:15)
Io ilay fikafika: mamorona gaboné @ fokotany iray dia lazaina fa "rava ny olana @ fahadiovana ao Madagasikara.

Tairina ny valabe izay handaniam-bola be kanefa ampahany kely @ omby no voakirakira, dia lazaina fa "rava ny olana @ dahalo sy ny fiompiana omby".

Tairina ny "vitrine ao Iavoloha" dia lazaina fa miroborobo ny toe-karena malagasy

Tairina ny Institiota Nationaly de Liderasipy ao Iavoloha, dia lazaina fa "rava ny olana @ fampianarana ambony"

Tairina ny Edbm, dia lazaina fa "rava ny olana @ fampiasam-bola ao madagasikara".

Tairina ny "dilaogy pirezidansa" dia lazaina fa "rava ny olana politika ao Madagasikara".

Io politika petatoko io ihany no mahatonga ny firenena mihinam-pasika.

Rahampitso indray dia "azo ny raopilany, boeing, dia lazaina fa miroborobo ny sehatry ny fitantanana ny raopilany ao madagasikara.

Ny pokona amin'io efa mampihena 'in-droa ny sakafo isan'andro. Afaka roa taona, dia ho hitantsika fa "misakafo in-3 isan-kerinandro ny malagasy.
8O 8O
3. andrywui ( 12/12/2008 14:29)
kidoropamba a !!!!! tena marina zany teninao zany anaka fa mbola tsy afak 3 taona fa amizao tkou ane anaka defa misy anzany in3 isakernandro vao mihinana zany e..!!FA NY OLNA REHEFA VOKY VOLAM BAHOAKA REY ANAKA DE LAZAINY SY ERITRERETINY FA VOKY MISONANIKA OHATRA AZY KOA NY OLONA REFON'NY HANOANANA SY FAHANTRANA tsy hita izy ty ry lay koto fa aleo manao tsolotra kely aminle penguin io isika anaka de mba ampidiriny mandray sotro na mba intelo mandrapaka fotsiny aza fa ho faty eto any isika le anaka ooooo!!!!!
4. penguin ( 22/12/2008 09:32)
Tsolotra @'ny ahoana moa é ? Fa tsy ry kidoropamba indray ve no antitrabe miverin-tsaina no ataonareo anaka é ? Fa resaka manala azy ve sa haka fitondrana sy hanintsy ny tsy mety ianareo ireto é ? Dia tsy misy hiantorahana izany raha mpanala azy sahala anareo no handrasan'ny vahoaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0583