P. Collonier

41. ikaretsaka ( 19/12/2008 22:23)
:-D
42. rabilabila ( 20/12/2008 00:18)
:-D :-D Ka nisy bitsika nangina nge ,hono , ry Fijo e!! :-P :-D :twisted:
43. ikaretsaka ( 20/12/2008 02:04)
Ka izay nge ny tsy azoko e
Eo miteny @ bitsika mangina... avy eo baiboly ihany fotsiny...de ahoana ihany
44. coopsal ( 22/12/2008 13:34)
Ikaretsaka:
1) tsy fitiavana no zarainao (na mody ravahana tsimpona tahaka ny inona) fa mainka aza fampitahorana nivadika ho fanafitohinana sy fanapenana ny saina mason\'ny sasany hi se cardrer @ na zavatra iray fa tsy hikarokaroka intsony : endoctrination

==> Iza no efa nampitahoriko teto ohatra? Iza no no-endoctrineko teto hoe tsy maintsy izao ihany hoah no izy fa raha vao ity izao sy izao ity dia tsy izy ireny?
Ary ahoana no ahitanao izay zavatra zaraiko amin\'ny malahelo na mety ho fanampiako ny sahirana? Ny resako eto @ Internet aza tsy azonao akory.

Raha tsy diso aho, rehefa misy manontany dia lazaiko ny fahafantarako izay teneniko fa tsy avy amiko fa avy amin\'i Kristy, ary omeko ny porofo (ara-baiboly) fa Kristy no niteny an\'izany, avy eo lazaiko hoe inona no antony inoako an\'i Kristy, notantaraiko ny porofo.

Manambara fotsiny an\'i Kristy aho, fa izaho tenako dia nasehoko mazava fa Kristy no inoako! Ary Izy no lazaiko amin\'ny fomba maro samihafa! Ny heviny mikasika ny lohahevitra sasantsasany no ampitaiko.

Fa tsy ianao irery no tafintohina, fa ireo Jiosy fahiny koa mba tafintohina tamin\'ny fahamarinan\'i Kristy. Fa Izy efa niteny kosa : \"Si quelqu\'un entend ce que je dis, mais ne le met pas en pratique, ce n\'est pas moi qui le jugerai ; car ce n\'est pas pour juger le monde que je suis venu, c\'est pour le sauver.
Celui donc qui me méprise et qui ne tient pas compte de mes paroles a déjà son juge : c\'est cette Parole même que j\'ai prononcée ; elle le jugera au dernier jour.
\"
Raha izaho, fantatr fa nirahin\'i Kristy aho, tahaka ny nanirahan\'ny Ray Azy.
45. coopsal ( 22/12/2008 13:50)
Ikaretsaka:
2) Ny phariseen sy ny theologien de teny roa samihafa ampifandraisinao ho 1...

==> Tsy ampifandraisiko ireo satria tsy azo ampifandraisina : vanim-potoana samihafa, toerana sy communauté samihafa.
Fa raha antsoina hoe baibolin'ny jiosy ny Torah, ny phariseen no théologien an'ny jiosy!
Hoy Kristy tamin'i Nikodemosy "Tu es docteur en Israel et tu ignores celà?". Docteur en théologie! Ianao ihany no milaza hoe jereo ny context!
misy contexte juifs, torah, phariseen, prêtre, grand-prêtre, synagogue.
misy indray ny chrétiens, bible, théologien, prêtre/ pasteur, @ catho misy pape, église.

Ry votsa saina ... tsy mety mino izay nolazain'ny mpaminany!
46. prime ( 22/12/2008 13:58)
:oops:

Kay ny tenako mbola tsy nandry anjara tato mihitsy...

Tsy diso aho angamba raha tara vao niditra... ka mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'i P.Collonier no mirary fahasoavana ho azy ireo sy ny fiombonan'ny zezoita rehetra ary indrindra ny EKAR... fa izy no lasa fa Andriamanitra kosa miasa hatrany ka mino aho fa hisy P.Collonier maro handimby azy...

Mahereza avokoa, Andriamanitra anie homba anareo...
47. coopsal ( 22/12/2008 14:11)
tsy ny filazany wawawa no mahatonga ahy hino azy fa ny asa vitany... na generation mitovy amiko io na tsy mitovy amiko...
ny ahalalako ny tena asan'i Xty ny amin'olona 1 de
raha hitako fotsiny izy fa nanome trano ny tsy nanana, nitantana tsara ny jamba , nanome korazy ny marary, nitondra hafaliana ho an'ny malahelo, nampitsiky ny moto-dava, misolo vava ny moana, mitantana ny kilemaina.. dia efa hitako hoe olon'Atra iny
dia tsy mila tsimpona sy tanisa sy ny tahak'izao sy tahak izao e ny fiainako taloha.

==> Ka raha izao anie dia tsy inoanao izany ilay Kristy e!
Taiza no nisy nitantara fa Kristy dia nanome trano? Izy nilaza hoe "ny Zanak'olona tsy manana izay itoerany".
Nanome korazy ny marary : marina ihany ity saingy ny fomba nanaovany izany dia izao : nositraniNy izay marary nentina teo amiNy! Tsy nandeha nitady marary tary sy tatsy izy (izaho ve no tsy mahay mamaky?).
Nitantana tsara ny jamba : Mahagaga izany, vao teo aho no nihaino ny evanjelin'ny Md Joany izay nitantara ny nanasitranan'i Kristy ny jamba (fa tsy nitantanaNy azy) : "nasiany feta ny masony ary hoy Izy hoe mandehana mankany @ farihin'i Siloama". Fa tsy hoe "notantaniny ho any ...". Nositraniny ireny t@ fomba isan-karazany.
Misolo vava ny maona : Tonga dia nataoNy afaka niteny ireny fa tsy nisolo vava ny maona izany Izy.
mitantana ny kilemaina : Nositraniny avy hatrany ireny fa tsy notantaniNy.
Tsy hitako koa ny apostoly Masina nanao izany nolazainao rehetra izany (araka ny baiboly).

Miala tsiny aho fa tsy ilay Jesoa Kristy ao amin'ny baiboly no teneninao amiko ka tsy mahagaga raha tsy araka an'ilay Kristy lazainao aho. (Ny baiboliko dia baiboly katolika, misy ny apocryphe ary vakiako ireny).

Ikaretsaka:
imiala tsiny aho fa ianao tsy araka an'i kristy amiko fa te ho deraina hoe araka an'i Xty fotsiny!

==> Izany mihitsy ny nolazain'ny jiosy an'i Kristy! Ary satria tsy teniko na avy amiko no entiko eto, dia ny tenin'i Kristy tamin'ny Jiosy no averiko aminao :
"Je ne cherche pas à être applaudi par les hommes... Seulement, je constate une chose : au fond de vous-mêmes, vous n'avez pas d'amour pour Dieu... comment pourriez-vous parvenir à la foi alors que vous voulez être applaudis les uns par les autres et que vous ne recherchez pas la gloire qui vient de Dieu seul ? ... N'allez surtout pas croire que je serai moi votre accusateur auprès de mon Père ; c'est Moïse qui vous accusera, oui, ce Moïse même en qui vous avez mis votre espérance " [Jean 5:41-45]
Aza mihevitra fa miampanga na hiampanga anao amin'ny Kristy aho, tsy izaho fa ireny lazainao Olo-masina ka ekenao ireny ihany no hiampanga anao!
Ny tena Olo-masina tsy hiapanga anao, fa ianao no ho menatra rehefa hifanatri-tava amin'izy ireo fa kay ianao diso hevitra tamin'ny fahafantarana azy.
48. coopsal ( 22/12/2008 14:17)
Ikaretsaka:
Ka izay nge ny tsy azoko e
Eo miteny @ bitsika mangina... avy eo baiboly ihany fotsiny...de ahoana ihany

==> Ny baiboly no nahafantarako ny tantaran'i Kristy, ary na iza na iza miteny Kristy eto dia ataoko fa ny baiboly no référence voalohany (na Katolika io na protestant).
Ny fihaonako tamin'i Kristy kosa no ninoako Azy sy izay nambaran'ny baiboly! Ary fifandraisako amiNy @ vavaka no ahafantarako ny tiaNy ambara amin'izay lazaiNy ao, sy (ary indrindra) ny tanjon' Andriamanitra (izay antsoina hoe sitrapon' Andriamanitra).
49. ikaretsaka ( 22/12/2008 16:00)
De iza no nanome sy nitahiry ny baiboly ho anao? Ry piera sy ny dimbiny fa tsy bry lotera sy ry kalvino
50. coopsal ( 23/12/2008 10:36)
Fa mazava amin'izay kosa angamba ilay hoe inona ilay fihaonan'i Kristy tamiko sy ny baiboly ao amin'ilay teneniko eto!

Ikaretsaka:
Ry piera sy ny dimbiny fa tsy bry lotera sy ry kalvino

==> Efa nahita an'i Piera ve ianao nilaza taminao marimarina fa tena ireo misora-tena ho dimbiny ireo no dimbiny fa tsy ry Calvin sy ry Luther ary surtout tsy i coopsal?
Izaho tsy dia mieritreritra olona loatra, tsy ny dimbin'ny mpianatr'i Kristy no important, fa ny manana ny fanahin'i Kristy velona ao anatiny.

Izaho izay ekeko ary arosoko eto dia asehoko mazava fa ampianarin'i Kristy ahy. Fa Izy no velona ato anatiko fa tsy izaho intsony no velona. Ananako porofo izay lazaiko, fa ianao sady tsy mahafantatra an'i Kristy ka na ny porofo aza tsy hainao, noho izany tsy omeko anao ilay porofo.

Na dia ny soratanan-dry Piera sy ry Paoly aza tsy inoanao.
Raha mba tena namaky an'ireny ianao tamin'ny fonao dia hahafantatra marina ny momba azy. Saingy notsongainao tao izay noheverinao fa mety! Ny tenanao ihany no inoanao amin'izany fa tsy i Piera na i Paoly akory aza! Ary tsy i Kristy, fa na ireny aza Kristy no ninoany satria Kristy rahateo no nanendry azy.
Inoanao fa i Md. Paoly dia olona mpanenjika ny mpino an'i Kristy, fa rehefa nisehoan'i Kristy dia niova ary nitory Azy hatraiza hatraiza.
Eto aminao misy iray mitantara ny niainany tahaka izay nitantaran'i Paoly ny niainany, raha izay hitanao eto aza tsy henonao, ahoana no ilazanao fa mino izay tsy hitanao akory ianao?
51. ikaretsaka ( 23/12/2008 16:23)
tsy mbola nahita an'i piera aho fa kosa efa nahita ny dimbiny sy ny asan'ireo fa tsy ny nosoratany fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0725