amin'ny anaran'i jesoa koa ity
21. fijo
(
17/12/2008 23:17)
ka mahery izy hoan'izay mino azy,fa rivotra kely mitsioka amin'ny tsy mpino azy.
22. ikaretsaka
(
17/12/2008 23:35)
de ny fahaizan'ialahy mandanjalanja izay no tena ilaina sy hahafantaran'ialahy azy
23. prime
(
18/12/2008 05:36)
fijo> Na tsy misy mihitsy aza Izy amin'ny tsy mino Azy dia tsy mahafoana ny voninahiny sy ny heriny izany na dia kely aza... Andriamanitra Mahery sy Tompon'ny Tompo Izy ary Mpanjakan'ny Mpanjaka, Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Tompon'ny ain'ny nohariany rehetra ihany koa satria Azy ny fanahy ao aminao io ary ananan'ny fahefana feno saingy mbola mamindra fo sy miantra Izy no sady be famindrampo ka mbola miantso hatrany mba iverenan'ny rehetra ao am-balany...
24. ikaretsaka
(
18/12/2008 05:48)
Tsy aleon'i prime miverina ao ambalan-drapiera aloha? Vao miresaka valavala eo fa manjary manao resaka valamaty?
26. ikaretsaka
(
18/12/2008 06:07)
Fa rehefa mamarara ny saonjo ry majesty de esorina fa tsy mbola avela manaony asany ohatran le mpamatotra zazakely @rojovy ireny a
27. majesty
(
19/12/2008 05:41)
ka raha io voalaza eo ambony io dia efa nalàna t@ asany izy vao nanao an'io fa mety efa le tanana zatra mitsotra io dia tsy mety mivokina intsony.
28. ikaretsaka
(
19/12/2008 06:11)
Izy de ie.... fa le hafa ohatr'azy mpanao zavatra tsy mety nefa mampiasa io 'anaran drazezo' nefa tsy mbola nesorina no tiako tenenina
29. fijo
(
19/12/2008 20:43)
prime an,tsy mahery matoa tsy misy vokany aminay ka,raha role be izany tokony akony aty ,fa tena tsy misy e.
i prime eto manao mpianatr'i justin.hoy justin:"ny mpitondra ao roma na dia tsy mino an'andriamanitra aza,dia mbola hotsarainy"
zavatra tsy hinona ave letsy dia hitsara fa tsssss
i prime eto manao mpianatr'i justin.hoy justin:"ny mpitondra ao roma na dia tsy mino an'andriamanitra aza,dia mbola hotsarainy"
zavatra tsy hinona ave letsy dia hitsara fa tsssss
31. coopsal
(
23/12/2008 10:37)
fijo:
prime an,tsy mahery matoa tsy misy vokany aminay ka,raha role be izany tokony akony aty ,fa tena tsy misy e.
==> Hoy ny Ntaolo malagasy hoe "ny hanongotsongoana ny maty, tsy tiana ny handevim-belona". Satria ny maty tsy mba mahare mangirifiry amin'ny nofony ary tsy mi-réagir amin'ny resaky ny velona.
Fa hoy Kristy : avy ny andro, raha ny maty ao am-pasana mandre ny feon'ny Zanak'Olona, dia hitsangana ireo.
Nisy Malagasy mpanoratra iray nanao hoe "ny foko dia fasako koa, io no fasako iray faharoa", ary tena marina io! Maro ny fanahy maty ao amin'ny fony.
Fa rehefa mandre ny feon'ny zanak'Olona izy dia ho tonga tempolin' Andriamanitra velona ny fony, ary izay lazain'izao tontolo izao fa tempolin' Andriamanitra dia hitany fa ireny no fasana iangonan'ny maty ara-panahy maro.
32. ikaretsaka
(
24/12/2008 01:27)
Ny tokony hatao ra coopsal de ny mitady fika sy mijery akaiky ny momban'ny tena hoe fa naninona no tsy nampiraika ilay ranamana ny zavatra natao na ny notoriana an... de jerena akaiky io de ovaina...indraindray nge avy aminao le mahatonga ny olona tsy mandray fa tsy hoe avy any@ le olona foana akory e..io dia ilaina koa ny fi addmettevana azy sy ny fitadiavana approches hafa sy fomba maro..izay rahateo no antony ianarana fa tsy hoe inspiree de iny toriteny iny foana no atao sanatria ohatran ireny haut parleur an'ny mpivarotra argile verte ireny
33. prime
(
29/12/2008 11:38)
ikaretsaka:... Efa ao am-balan'i Kristy aho kah... tsy dia mampihevitra ahy loatra ny valan'i Petera sy Paoly sy Jaona sy Jakoba sns... ao amin'i Kristy dia ampy ahy... :lol: :)
Tsy aleon'i prime miverina ao ambalan-drapiera aloha? Vao miresaka valavala eo fa manjary manao resaka valamaty?
fijo:... Tena diso hevitra ianao fa miasa Izy ary mbola mamindra fo mandrakariva... na ny andro vaovao omeny isaky ny miposaka ny masoandro, na ny rivotra iainana, na ny fitahiany ny fivelomana, na ny fiarovany ny ankohonanao dia maneho fa tia mandrakariva Andriamanitra ary mitahy ny rehetra na ny mino na ny tsy mino Azy...
prime an,tsy mahery matoa tsy misy vokany aminay ka,raha role be izany tokony akony aty ,fa tena tsy misy e.
fijo:... Ny lazain'ny tenin'Andriamanitra dia tsy maintsy ho tanteraka... tsy izaho no nilaza araka ny hevitro hoe ho avy angamba na mety ho avy Jesosy ohatra, fa ny tenin'Andriamanitra mihitsy no nilaza izany ary tena ho avy Izy... ka tsy hevitro izany na an'i justin fa nambaran'ny soratra masina... :)
i prime eto manao mpianatr'i justin.hoy justin:"ny mpitondra ao roma na dia tsy mino an'andriamanitra aza,dia mbola hotsarainy"
zavatra tsy hinona ave letsy dia hitsara fa tsssss
35. prime
(
31/12/2008 09:36)
ikaretsaka> Ka raha arahana ny rohinao dia i "rapiera" no nasainy namahana ny ondry fa tsy i papa... :wink: :)
36. ikaretsaka
(
31/12/2008 22:23)
ka ny papa dimbin-drapiera ange e.. fa tsary i pasitera mahitsiny
37. prime
(
02/01/2009 12:44)
f'ahoana no itompoanao teny fantatra fa ny papa dimbiny ary pasitera tsy dimbiny??? :lol:
38. ikaretsaka
(
02/01/2009 17:42)
Mamakia tantara sy baiboly.... tsy voalaza ao aloha ny momban'i kalvino e.... fa ny fomba nanendrena eveka sy passassion de voalaza ao
39. prime
(
05/01/2009 08:20)
Voalaza ao angaha ny momba an'i Benoît???...
Fa ny fomba fanendrena Mpitandrina sy Diakona angaha tsy voalaza ao???
Aza mampihomehy ra-Ika a... :-D
Io fitompoana teny fantatra sy fanamarinan-tena io hoy aho mba ialao amin'izay fa efa mba vaovao ny taona dia aoka samy handinin-tena... :)