Ministera / Fédé° : HAFAHAFA

1. tenagasy ( 10/12/2008 09:47)
Mankamamy!

Mba ahoana ny fijerin-tsika azy ito?
Izaho manokana aloha dia tsy afenina fa ohatry ny misy zavatra tsy mampahazo aina ahy izany amin'izy io!
OH:
- Mahasaropiaro ny CIO --> CNO --> COM --> FEDEs ny fizakan-tenany (autonomie du mouvement olympique), Ka raha mahazaka tena izy ireo inona no mbola itavandràna ny ministera @izany?
Sa dia hoe: ahoary ny fananana dia izay anaovanay azy aza ijabajabahana?
- Tena efa afaka mizakatena samirery - toy ny an'ireo firenena hafa - tokoa ve ny antsika Malagasy?
- Ireo mpibodo toerana rehetra: dia mihevitra ho tena tokana an-tany ve izy ireo, na koa hoe izy ireo irery no tena tokana sy milay ao anatin'ny 20 000 000 ?
Tadidio fa ny tsy mihetsika naman'ny tsy mandroso! (Tsy miova = tsy mihetsika)
Ary tena niavaka sy namirapiratra be manahoana ny vitan'izy ireo?
Avelao mba hahazo anjara sy fahafaha-manao indray ny sasany e! Indrindra raha tena tsara saina tokoa, inona no tsy ahafahan'izy ireo manampy izay handimby azy ireo?

Sa kosa ve dia tena mamy loatra ilay tantely afa-drakotra ao h@ izay ka tsy foy?
Sa dia kely vatomanga loatra ka hoe ho aiza aho rehefa avy eto?
Sa ... ... ... ?

Asa ianareo, fa zary lasa toy ny BIBY BE fampitahorana izany C I O izany.
Tokony ho dinihina lalindalina kokoa io lafin-javatra iray io satria AO RAHA fa hitsikitsika tsy mandihy foana!

Mirary soa!
2. ikaretsaka ( 10/12/2008 14:49)
Raha tsara spons isika afaka mizaka tena ko...fa mbola gravy satria na ny kianja aza ny antsika ange ka am panjakana e...
Fa raha hoe manana ny kianjabenao privee ianao mety io ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4968