Tsara ny roa noho ny iray

1. ni81 ( 09/12/2008 07:52)
Voalaza fa tsara ny roa noho ny iray. Samy manana ny fihevereny azy anefa ny tsirairay, satria ny mety @ Rasoa mety tsy hety @ Razafy, ny tsy mety @ Rakoto dia mety @ Rabe kosa.
Aloma mpihira zao eto dia nilaza ny heviny fa hoe "aleoko irery". Ka samia milaza ny heviny koa isika.

Aleoko irery

Raha atao indray mijery
dia toa sambatra avokoa
oharina amin'ny olon-drery
izay rehetra miara-droa,
nefa nony injay zahana
ny tsy hita ambadika any
dia akory ny hagagana
f'hay mba misy tsiny ihany.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana.

Adin-tsaina amam-panahy
lasa hasarotam-piaro
tahotra sy ahiahy
ary nofy ratsy maro.
Izany no indray mitambatra
ka miandany mankahia
tsy mamela mba ho sambatra
ireo izay mifankatia.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana.

Raha atao lalan'ny tany
izany hoe tsy maintsy tia
dia aleoko aleoko ihany
mba miadana ny dia.
Izaho mantsy tsy dia maika
hahita olona ho tiaviko
tiako koa ho maty paika
ny ampitso sy ny ho aviko.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana
Irery ihany irery foana
Irery ihany irery foana!

2. fahamarinana ( 09/12/2008 08:24)
:arrow: misaotra aloha amin'ilay tonon-kira fa tena notadiaviko ela (tsa nahavita nandika k7 manko :wink: )...
Arakak'ilay silaky ny fo ihany,hoy aho an,fa raha ny ahy manokana dia soa aho tsy irery fa roa natambatra ho iray zahay.. :D (l)
3. ni81 ( 09/12/2008 08:28)
misaotra aloha amin'ilay tonon-kira fa tena notadiaviko ela (tsa nahavita nandika k7 manko
ka naninona ary no tsy nanontany e! :lol:
Arakak'ilay silaky ny fo ihany,hoy aho an,fa raha ny ahy manokana dia soa aho tsy irery fa roa natambatra ho iray zahay..
zà koa eto dia tena miombon-kevitra tanteraka
4. tywa68 ( 09/12/2008 08:45)
Faha sy Ni81 : arakarak'ilay fotoana sy ny taona koa io e :-D
5. xxx ( 09/12/2008 09:54)
Ho ahy koa aloha aleoko foana 2 e
Efa nandinika io tononkira io koa aho, raha ny fijeriko ilay hira dia "saro-tahotra" ny mpihira : izy mbola tsy ao akory fa fijery ivelany fotsiny ilay izy, sady fijery maimaika "atao indray mijery"
6. tywa68 ( 09/12/2008 10:14)
na te hivarotra diska be da be d nanitatra :°)
7. fahamarinana ( 09/12/2008 11:10)
:arrow: :-D :-D :-D :°) (l)
8. ainaheri ( 09/12/2008 12:25)
niraikambinivalopolo>> marina ny azy fa aleo irery ihany hihi
9. tywa68 ( 09/12/2008 13:17)
:lol:
10. Papoose ( 09/12/2008 22:41)
aleo mihitsy wa matory rery :D
11. ikaretsaka ( 09/12/2008 23:17)
Indrindra le rehefa ianao marary lamosina na tena vo sitomintory iny de miala any le takisikisina hamoha.....
Na tsy tokony ho tezitra aza lasa tezitra sy sorena ho azy....
12. Papoose ( 10/12/2008 03:02)
na koa le misy olona miesona be, tsy ahitantory mihitsy!! ampiana mikatrokatroka nify!!!

tena aleo irery @ fiainana @ ankapobeny!!
13. ainaheri ( 10/12/2008 05:55)
papoose>> le mikatrokatroka nify kosa tsy lasa ee :-D :-D :-D Ra otr'zay d kalio zvtr ny ativavany hihihihi
14. ikaretsaka ( 10/12/2008 06:23)
Le ampiany ilay mivalandrivotra koa aza.
15. tywa68 ( 10/12/2008 07:33)
Papoose > ireny mikatronify ireny hono misy kankana :lol:

Tsy vitan'ilay jerena toetra sy bika zany fa tsara henoina matory koa vao miara-mipetraka na mivady sa tsy zany ry Ika sy Ainaheri ? :-D
16. Noue ( 10/12/2008 08:11)
aleo lavitra roa kaaaa :-D :-D :-D :-D
17. tywa68 ( 10/12/2008 09:30)
i Papoose kosa ve d hiaritra mikatro-nify sy miesona : aleony mirakotra laisoa :-D :-D
18. xxx ( 10/12/2008 09:55)
Ka ny anareo ilay côté négatif daholo no jerenareo, mba jereo ireto :
- ahoana koa izany hijery cinéma seul(e) izany , ho any @ resto, mijery spectacle
- hafa ihany ilay mba misy mitsena rehefa avy mianatra na miasa, misy hitantarana izay nahafinaritra dans la journée
- rehefa mangatsiaka @ alina dia mba tsy bodofotsy mavestra no ampiana na ny chauffage no akarina fa mba misy olona manafàna eo
- tsara ery ilay rehefa avy miady dia miombona
... sns e
19. tywa68 ( 10/12/2008 10:06)
d maninn enao no miafina raha tsara zany rehetra zany e :°)
20. sakaizakely ( 10/12/2008 10:19)
tywa68> za kou mba gaga azy io :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1815