Zaraiko aloha ity e !

21. coopsal ( 10/12/2008 11:28)
badboy:
tu débordes d'imagination

==> Indray mandeha nisy lehilahy iray nandeha fiaramanidina madinika ireny. Nandeha t@ alan'i Amazonie iny izy ary rehefa tany afovoany be tany dia nisy olana ny fiaramanidina.
Rehefa nahatsapa tena ho tandondomin-doza ity rangahy dia nampiditra elon'aina haingana dia nilatsaka t@izany ary tsy ela dia nirefotra t@ toerana nisy haram-bato iray ilay fiaramanidina, izy kosa dia tafatombina toerana lavitra an'io.
Tsy nisy na inona na inona nahafahany nifandray t@ ivelan'ny ala tany aminy, koa dia niara-nipetraka t@ireo mponin'ny ala izay tena dia tsy mahalala ny fandrosoan'izao tontolo izao mihitsy.
Rehefa nanomboka nahay nifampiresaka t@ireo olona ireo izy dia nitantara t@olona ny toerana niaviany sy ny fandrosoan'ny olona any aminy.
Nolazainy fa misy :
- fitaovana kely mitovy habe@ tanana, telefaonina ny anarany, izay ahafahana mifampiresaka @ olona na dia any @ elanelan-tany lavitra be aza.
- fitaovana kely toy izany koa, ahafahana mamoha varavarana na mandrehitra jiro raha mbola ery lavitra ery no misy anao (télécommande).
- ...
Amin'ireo nitantarana dia "mi-débordes ny imagination" n'ilay rangahy, fa io rangahy io mahafantatra izay nihaviany sy izay zavatra teneniny satria niainany ary hitany, eny fa na dia tsy izy aza no nikaroka sy namorona ny telefaonia sy ny telecommande.

Izaho tsy namorona ary tsy nandika ny baiboly!
Izay iainako ao amin'i Kristy no lazaiko.
22. niryna ( 10/12/2008 18:20)
tywa68:

Niryna : tsy mora ny asan'Atra, ary eo indrindra no samy manana ny fandraisany azy : ao ny manao asa am-pitiavana ka vonona hiatrika ny
sarotra, eny na d attaque physique mihitsy aza ; f'angah d voatery ho devoly koa no antony rehefa tsy hay ilay zavatra e ? :°)

marina izany ,ny tsy mahalala dia lazainy fa devoly daholo izao rehetra izao.
ity misy tantara kely efa nozaraiko ,sendra nandalo hono i pasitera dia nahita olona nitomany teo an-jaridaina,dia nanatona izy ka nanontany hoe mfa maninona hianao no mitomany? dia hoy ilay olona hoe isaky ny misy zavatra tsy mety ataon'ny olona dia izaho foana no lazainy fa nanao azy ,hi,hi tantara io an.
izay no antony ,na dia mpamono olona aza dia milaza izany fa tsy izy no namono io olona io fa ny fanahy tato anatiny no nibaiko azy hamono dia namono izy.... dia jerena raha marary saina ilay rangahy na tsia,raha marary saina moa dia mety hihena ny saziny na afa-maina fa raha mody adala dia eo izy sy ny tranony .
dia misy tokoa ny fanahy maloto izay manosika ny olona anao zavatra tsy takatry ny sainy ....Jereo anie ireny hoe mpamosavy e,fanafody fitia no nalainy ka dia hoe entin'ny fanafody mivoaka alina,toa tsy mahatsiaro saina mihitsy hono (ataoko hono fa mbola tsy nahita aho fa henoko fotsiny ) ...ilay tantara hoe tratra maraina ity tovovavy no efa henoko ka tsy tompon'ny tenany ary tsy fantany hoe ahoana no nampivoaka azy alina ary tratra maraina,dia tsy fantatro intsony ny tohiny na nataon'ny fokonolona ahoana izy na nalefany nody ...na asa ..

Tsiafoi1 : marina mihitsy io hoe mila fanoloran-tena lalina, fanokanan-tena ... :wink:

ka eo no ezaka hiarahan'ny mpino rehetra,mila fandavantena,mandalo fizedrana maro samihafa kanefa tsy kivy satria manana mpanampy dia kristy izany ary ny fanahy masiny no miaraka amintsika izay mino azy .

23. niryna ( 10/12/2008 18:21)
coopsal:

Niryna >> tsy namaky tsara aho fa kay moa hoe namanao no nilaza t@nao an'io fa ianao nampita fotsiny, mba ampitaho @io namanao io ilay hafatro etsy ambony zafady indrindra.
Misaotra mialoha


dia misaotra anao koa nifampizara e
:-*
24. niryna ( 13/12/2008 01:54)

Nenahy ty voninahitra ho an Atra ity no mba tiako hotsipihina @ mpiandry sy ny mpomba azy: maninona no rehefa metimety amin ilay iriany ihany io vo lazainy?


ika a velabelaro tsara hoe ny tianao ho tenenina fa tsy mazava ? misaotra mialaha
:wink:
ikaretsaka:


efa nohazavain'i badboy atsy ambadika fa averiko ihany au cas hoe mety ho voadinganao:
matetika izao ohatra rehefa le resaka manala devoly ireny ka vao mainka mihajamba, na mainka mihombo ny aretin'ilay olona dia maninona no ommitevana tanmteraka ilay hoe "voninahitra ho an'Atra eo" na rehefa le heo marary mafy de hivavahana fotsiny ireny dia mainka aza maty ilay olona ohatra de tena a 99% mody adino le voninahitr" Atra eo
fa raha vo sitrana zao an de^:^ ^:^ ^:^ be mihitsy
hay ve izany e,ka angaha isika azo ferana ny hisaotra sy anao aleloia ? Hidera an'Atra amin'ny foko rehetra aho ary ao ambavako mandrakariva ny fiderana azy
Marary,tsy manambola ,mahantra ,very asa,fahoriana ,ahiahy,tsy manankohanina na inona na inona mahazo ahy dia tsy mitsahatra ny midera azy aho ka fa tsy hoe hiandry hisy zavatra tsara foana aloha.
sa ahoana hoy hianao ?
Misy aza ireny aretina na zavatra mitranga ireny no itsapany ahy na tena manankina ny fiainako aminy tokoa aho koa ary dia ao anatin'ny mangidy no ahitako ny mamy avy eo ,"moa ny soa ihany ve no azontsika amin'Atra hoy ny soratra masina fa tsy ny ratsy koa" izaho mihevitra an'iny hoe ratsy amiko iny fa izy kosa nametraka iny teo amin'ny fiainako mba anatonako azy ary dia mbola nohamafisin'Atra ihany koa izany hoe ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalako tsy lalanareo " izay ilay izy .
Ny olona marary ka hivavahana dia tsy ho voatery ho sitrana ny vatany fa ny fanahiny kosa dia voavonjy raha mino izy .Io no zava-dehibe an'ny kristiana rehetra, voavonjy ny fanahiny ka na maty aza izy ny fianakaviana rehetra izay mino an'Atra dia mizaka ny fahoriana am-pifaliana ary toa maivana ilay enta-mavesatra fa voavonjy ny fanahiny .MIno an'izany ve hianao ?


25. niryna ( 13/12/2008 02:04)
Noue:

fa hono oa eee ! io oe voahantson'Andriamanitra io ve tsy avy @ choix nareo no nahatonga an'io fanatanterahana izany ??? zao manko eee !
ny fahafantarako azy dia tsy choix ka iza amintsika no te anaraka an'Atra ?
ary ny teniny no nanambara fa tsy hianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo izany hoe izy no mahalala ny ondriny ary izy koa no mahalala ireo izay tsy te hiaraka aminy kanefa dia mbola omeny chance foana ireo oloha hihaino ny teniny . Eo no mipetraka ny resaka hoe efa nomena ahy ny teny ka moa ve aho nihaino izany teny izany ?

mahafantatra olona zay aho missionnaire nandritry ny 3 taona izy fa saika hanao pretra satria ny reniny no mba nilaza sy naniry oe mba ho lasa pretra izy ! dia niheritreritra aza izy ka nataony ny choix-ny dia niditra ho missionnaire izy ! kanjo mbola anaty io fotoana @ maha-missionnaire io izy no lasa ny reniny dia niala ho missionnaire tsy ho pretra intsony izy ee !
ka hoy aho oe rana izany voahantson'Andriamanitra ve izy saika hanao pretra io ???? nefa dia navelany indray io fa kosa tsy nanakana azy hanaja ny finoan'ny sasany na dia tsy miditra fiangonana intsony aza raha tsy e invité mariage oatra ee !
dia io no hoe moa ve Atra no tena nifidy azy ? raha sitrapon'Atra no naha lasa ho petra azy dia mbola nitazona izany izy na inona nitranga satria hoy hianao hoe ny reniny no naniry dia ny reniny no nataony ambony noho Atra izany ka dia nanaja ny reniny izy fa tsy nametraka izany faniriany izany teo amin'Atra ,nivavaka raha mahasoa ahy ny ho pretra ,toy ny zavatra rehetra ihany io .Raha nangetaheta izy dia nijanona satria tsy tao anatiny izany hetaheta izany fa ny please olona no tao anatiny dia tsy tafavoakany ilay fanirian'ny olona .Izay no eritreretako azy araka ny tantaranao aloha .

ka raha niala aza izy dia ahoana no filazana an'zany ??? naniratsira ny antson'Andriamanitra ve izy sa ahoana ???? dia hoy aho oe TSIA ! satria choix-ny iny.
dia mitombona tsara ny valinteninao choix no niditra noho ny fanarahany ny tenin'ny reniny fa tsy noho ny antson'Atra tao anatiny .


26. ikaretsaka ( 13/12/2008 02:08)
de raha vo mainka izany ni break down ny olona tsy maninona afa tsy afaka miteny ( le cas an' le zazakely nofatorana ary ohatra) ka tsy nahatanty ny fampijaliana ka lasa ohatra hoe narary fo na matin'ny hatsiaka eo ambody hazo eo ka tratran'ny pneumonia .. dia
mbola voninahitra ho Atra fa nahazo mpiandry Vendrana ve?
27. niryna ( 23/12/2008 15:25)
ikaretsaka:

mbola voninahitra ho Atra fa nahazo mpiandry Vendrana ve?


7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.


15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko Salamo 105 :7,15



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2195