Avent , fiandrasana , fihomanana

1. Noue ( 07/12/2008 15:12)
efa tafiditra ny fihomanana (avent) Alahady faharoa isika izao aa! dia gaga aho raha tafaresaka t@ namako ka nanontany azy oe manao ahoana ny fikarakarana ny krismasy ao ? ny fihandrasana sy fihomanana ??? dia tsotra no navaliny aho oe: izahay akia tsy dia mankalaza ny krismasy zany aaa !
fa nahoana hoy aho ??? dia mba ahoana ny fijerin'ireo ankizy oe tsy mankalaza ny krismasy zany ???? na dia ny hita rehetra na magazay , na lalana , na izay hita rehetra miravaka loko , jiro samihafa , ny kilalao feno hatraiza hatraiza ??? ka tsy halahelo ve ny ankizy mahita an'ireny ????
hoy izy oe ka Jesoa tsy teraka 25 desambra zany eee !

efa henoko fa ny protestanta tsy mankalaza an'i Marie fa ity krismasy ity indray no tsy nampatonga saina ahy oe tsy mankalaza an'io ry zareo aaa !

fotoana fihomanana isika zao , ao koa ny fibebabana alohan'ny krismasy
mirary antsika rehetra: ny Tompo anie homba sy hitahy antsika lalandava eee ! :-* :-* :-* :-*
novalian'i fijo ny 19/12/2008 21:04
2. Noue ( 07/12/2008 15:14)
hadinoko ee ! fanontaniana saika mba hapetrako @ nareo protestanta oe tena tsy mankalaza ny andro nahaterahan'Jesoa koa ve ianareo ee ???
3. tywa68 ( 07/12/2008 15:28)
Noue : fotoana fiomanana handraisana an'i Jesoa ao am-pò ka hamelantsika Azy hitantana antsika @zay rehetra ataontsika (zany hoe misy olona d ny andro fety no mampisy an'izay toe-panahy mitodika eny @ hafa zay eo aminy) ; tsy hoe anniversaire fotsiny zany ilay décembre e :wink:
F'ilay hita eny magazay mandreraka ny farany satria lasa resaka kilalao fotsiny sy kadô no tena mivaingana etsy sy eroa ! Zay mihitsy no tena mahakamo ahy sy tsy d itiavako an'ilay noely,indrindra moa aty lavitra sady tsy d misy havana :cry: fa ny ankizy ankizy foana, misy fanantenàna kely an'ilay fanomezana, na d efa mazava zao fa i papa sy maman no lisaka mividy azy, rehefa avy miasa ve no handeh hividy d hanafina an'iny koa tssss :°)
4. Noue ( 07/12/2008 15:37)
tywa68>> tena marina ankia zany aaa ! zaho koa aloha dia somary sorena satria aiza ve dia ny volana octobre dia efa misy magazay decoré sahady ???? tsssss ! tena oatra oe lasa commercial zany ilay izy eee !
ny ahy aloha dia tsapako koa fa lasa resaka sakafo sy kilalao loatra ny Noely eee ! fa na izany aza ny manitikitika ny saiko dia oe tsy mankalaza loatra io andro io ilay fihanakavian'ny namako iny !
5. tywa68 ( 07/12/2008 15:49)
Noue a ! mety fika koa zay hoe tsy manao n'inn² tsy mankalaza d @izay antsoindry :°)
6. Noue ( 07/12/2008 15:59)
tywa68 >> :-D :-D :-D :-D :-D mahita lazaina ndry aaa ! :-D :-D :-D :-D
7. tywa68 ( 07/12/2008 16:16)
ka "crise" anie akia hono e :-D :-D
8. lizabeth ( 07/12/2008 22:16)
Noue:

hadinoko ee ! fanontaniana saika mba hapetrako @ nareo protestanta oe tena tsy mankalaza ny andro nahaterahan'Jesoa koa ve ianareo ee ???


ilay namanao no tsy mankalaza ny andro nahaterahana'i Jesosy fa tsy ny protestanta
9. fahamarinana ( 08/12/2008 12:03)
:arrow: :) kay efavoavaly.... (l)
10. Noue ( 08/12/2008 15:00)
lizabeth:

ilay namanao no tsy mankalaza ny andro nahaterahana'i Jesosy fa tsy ny protestanta

ka zay no nahatonga ahy nametraka ny fanontaniana aa !! izy protestanta ka hoy aho oe ny protestanta ve no tsy mankalaza an'io sa ilay namako no à part ????


11. xxx ( 08/12/2008 17:50)
Zao kosa ary ho anareo izay mankalaza ny atao hoe Krismasy re zao ary teny voalaza ara-tsoratra masina ve fa ny 25 desambra no nahaterahan'i mpamonjy ary voamarika ve tsimaintsy hatao ny fankalazana azy zavadehiba @ finoana ve ny fankalazana izany
12. niryna ( 08/12/2008 18:13)
tywa68:

Noue : fotoana fiomanana handraisana an'i Jesoa ao am-pò ka hamelantsika Azy hitantana antsika @zay rehetra ataontsika (zany hoe misy olona d ny andro fety no mampisy an'izay toe-panahy mitodika eny @ hafa zay eo aminy) ; tsy hoe anniversaire fotsiny zany ilay décembre e :wink:
F'ilay hita eny magazay mandreraka ny farany satria lasa resaka kilalao fotsiny sy kadô no tena mivaingana etsy sy eroa ! Zay mihitsy no tena mahakamo ahy sy tsy d itiavako an'ilay noely,indrindra moa aty lavitra sady tsy d misy havana :cry: fa ny ankizy ankizy foana, misy fanantenàna kely an'ilay fanomezana, na d efa mazava zao fa i papa sy maman no lisaka mividy azy, rehefa avy miasa ve no handeh hividy d hanafina an'iny koa tssss :°)

marina izany ,lasa dadabe noely no mibahana ao an-tsaina sy ny fifanomezana cadeaux fa tsy ilay resaka hoe Kristy dia Jiro ,tara-pahazavana,Atra velona ,mpamponjy .


Resaka efa nandeha foana io hoe misy tsy mankalaza ny krismasy ny olona toy ny Temoin de Jehovah koa .Misy fitombonany ny hoe tsy io daty io no nahaterahan'i kristy saingy fetin'ny pagans na fetin'ny tsy mpino an'Atra io daty io fa ny hoe ahoana no nahatonga an'ilay izy nakambana ho daty iray iraisana ny mpino an'i kristy ho krismasy io no tsy fantatro aloha .Afaka manazava ihany anefa aho raha tianareo izany fa tsara ho fantatsika koa .

Ny fihomanana ny fahatongavan''i kristy(fahatsiarovana ny nahaterahany ) dia mizara efatra :satria izay manana an'i kristy dia manana fanantenana- fiadanana- fitiavana ary manana fifalian-dehibe dia azavain'ny ao am-piangonana izany teny tsirairay mandritra ny efatra herinandro miaraka ny tenin'Atra izay voasoratra ao anatin'ny baiboly (tsimpona,hi,hi ) izay manamarina izany

- Ny Fanantenana na Hope
-Ny Fiadanana na Peace
-Ny Fitiavana na Love
-Ny Fifalian-dehibe na Joy


13. heidi ( 08/12/2008 19:33)
Mpandefa : Noue [ Valio ] 07-12-2008 16:12:51
Lohateny : Avent , fiandrasana , fihomanana
efa tafiditra ny fihomanana (avent) Alahady faharoa isika izao aa!


Izaho koa aloha tsy miomana amin'izany e! :°)
ny fanomanana ataoko dia ny fetin'ny noely hiaona am famille :°)
fa na izany tsy izany aza dia mba mahafinaritra ihany kosa ilay mahita ny ravaky ny magazay mamirapiratra alohan'ny fety..... mba tonga dia fantatry ny tsy mahalala fa fetin' ny kirisimasy :-D
avy eo fanomanana ny paka indray de feno atody bedebe eny am magazay de mba tonga de fantatra ndray hoe efa akaiky ny paska :-P
Ny ho an'ny mpivaortra indray dia afera rehetra toy ny olona mpanao afera ny azy, matetika any am faran'ny taona any zareo vao tena mahalafo entana, ny finoany fa hahalafo entana bedebe izy amin'io fotoana io no hanaovany tsena sahady ny mois d'octobre.... :-P TSY hifanomezantsiny fa samy manana ny asany sy ny fidiram-bolany ny tsirairay :-D
14. Noue ( 08/12/2008 20:10)
heidi:

Izaho koa aloha tsy miomana amin'izany e! :°)
ny fanomanana ataoko dia ny fetin'ny noely hiaona am famille :°)

dia tsisy Kdo kosa ve ankia ???
ny ahy aloha dia manaraka an'io fihomanana io aho aaa ! ny avent aloha dia manatrika an'ireo aho ! mialohan'io kosa dia misy ny fibebahana !
dia ny sasankalina iny no tena (ahoana re no ilazako azy eee !)


:oops:
15. ikaretsaka ( 09/12/2008 05:54)
fa nareo ve efa nijery ny an'ny orthodoxe fa ry zareo manao ohatran'ny @ karemy mifady hanina koa rehefa avent
16. tywa68 ( 09/12/2008 08:49)
Ika : fiomanana koa ilay manao karemy, d fotoana fanomezana ny fanampiana ao @ fiangonana koa ny fotoana ohatr'izao (fanaovana voka-dehibe hoy ry Protesta zay) :wink:
17. Mandefitra ( 09/12/2008 09:06)
ty ny advento @ Loterana :

Ny advento dia alahady efatra ao anatin’ny taom-piangonana izay manamarika ny fiantombohan’ny taom-piangonana. Alohan’ny Krismasy izy ary manarakaraka ny alahady faha-25 manaraka ny Trinite. Taom-baovao-piangonana no ilazana ny alahady voalohan’ny Advento.



Ny hoe « Advento » dia avy amin’ny teny latinina « adventus » izay midika “fiaviana”; Ato amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia fe-potoana anamarihana ny fiandrasana ny fahaterahan’I Jesosy amin’ny Krisimasy izy io. Ny loko voloparasy no loko litorjika ampiasaina mandritra an’io fe-potoana io.



Ny voloparasy manamarika ny fibebahana, ny fifadian-kanina no sady loko entina itsenana mpanjaka. Ampiasaina mandritra ny fotoana alohan’ny Pasaka sy ny herinandro masina koa ny loko litorjika voloparasy.



Maneho indrindra ny fifandraisan’ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Kristy Jesosy tokoa ny fifanojoana ny loko litorjika. Mpanjaka teraka hivesatra ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Maty teo amin’ny hazofijaliana ho fanatitra noho ny otantsika. Ary nitsangana indray nandresy ny herin’ny ota ary nandresy ny herin’ny fahafatesana.



Izany dia fanantenana lehibe ho antsika mpanota izay mila mibebaka sy mifady ny ota mba ho fitsenanana ny fomonjentsika izay ao amin’I Kristy Jesosy.



Ny Advento dia fotoana fahatsiarovana ny fihavian’i Jesosy voalohany ary fotoana fampahatsiahivana fa mbola hiverina tokoa izy hitsara ny velona sy ny maty.
18. tywa68 ( 09/12/2008 09:43)
Mandefitra > ny advento voalazanao d ho an'ny kristiana rehetra satria niainga tao @ katolika zay vao nisaraka etsy sy eroa :°)
Ny loko voloparasy d ampiasaina rehefa misy maty koa ao @ katolika, akoatran'io advento sy karemy io.
19. Mandefitra ( 09/12/2008 10:03)
Marina zany ka ... fa ho an i Noue tsy nahalala no nandefasako an'io :)
20. tsiafoi1 ( 09/12/2008 10:08)
Ny finoana de tokony hadio fa tsy haaroaro fombafomba hafa . Raha tena kristianina ka mandray marina ny baiboly ho foto-piaianana kristiana, de tokony tsy hanaiky hankalaza ny krismasy na oviana na oviana satria tsy voasoratra ao ka voatendry ho tokony tsy maintsy atao izany krismasy izany. Raha misy afaka milaza eto manomboka any @'ny Genesisy ka hatrany @'ny Apokalipsy, fa fombam-pivavahana tokony hotanterahina ny krismasy de asehoy eto ary farito mazava etoana izany.

Ny niandohan'ny krismasy de fombam-pivavahan'ireo païens mpanakarena t@'ny andron'ny Amperora Abbe, fanaovana sorona zazakely t@'ny Andriamanitry ny Masoandro (dieu du Soleil) ho fangataham-pitahiana. Ka rehefa migadona ny 25déc dia tonga @'ny faratampon'ny heriny (hafanana sy hazavana) ny masoandro, ary @'io andro io misasak'alina no hanatanterahana ny sorona (maka zazakely de doroana velona, vakio ny tantara any anaty encycolpédie Quillet). Taty aoriana rehefa lasa kristianina ny Amperora sy ireo païens namany marobe, taorian'ny concil natao de navadika ho andro fankalazana ny nahaterahan'ny Jesoa ny 25déc.

Koa tsy fihevitr'olombelona izay miharo lainga toy izany no hanorenana ny finoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6254