Toa zava-poana izao rehetra izao ?
21. niryna
(
23/12/2008 15:30)
kotobekibo:
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany .
Midika io fa zavapoana izao rehetra izao . Araraoty ny andro kely sisa ihainanao satria tsy ahazaka ariary akory ref maty . :roll:
=D> :-* :-*
^:^ ^:^
Na inona ataontsika, na inona zavatra andaniana fotoana raha tsy mandany fotoana mivavaka, misaotra ,miandrandra an'Atra ,manome fahasoavana ny Anarany dia ho zava-poana izao rehetra izao.Ny fanomezana ny fiainana ho tantanany dia zavatra iray mahafaly antsika ary tsy voavidy vola no tsy mila vola akory,ny fo manokatra izany fitiavana Azy izany no tadiaviny .Andramo anie e fa ho feno fifaliana ny fiainana,adino daholo ny disadisa isankarazany mandalo amin'ny fiainana satria manana fahatokisana aminy isika
22. ZoRajoela
(
10/01/2009 00:34)
Zavapoana ny tany: aretina, adin- tsaina, fahantrana, fialonana, fitaka, fisarahana, tebiteby. Na dia ireo fotoana mahafinaritra aza dia tandindon- drahona. Misaotra an' Andriamanitra aho fa tsy nataony hiaina eto antany mandrakizay aho. Hofongoran' Andriamanitra ity tany ratsy sy tsy misy fahasambarana ity, ary hanorina Tany vaovao sy Lanitra vaovao izay tsy hisy ranomaso sy aretina, tsy hisy tebiteby sy fahafatesana intsony Izy. Izay mino an' i Jesoa Kristy sy manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy dia mahazo maimaim- poana ny fidirana hoamin' io Toerana io. Izaho dia nifidy izany ary manoro hevitra ny rehetra koa hanao izany. Zava- poana izao eto izao raha hoharina amin' ny fiainana mandrakizay.
