Toa zava-poana izao rehetra izao ?

1. niryna ( 06/12/2008 18:35)
Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako tamin'ny fisasarako rehetra.
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.

Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana;

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MPITORITENY&toko=2&andininy=1-26&dika=
Zava-poana izao rehetra izao ? Fa ahoana ?
(l) niryna
novalian'i prime ny 12/01/2009 11:32
2. ni81 ( 06/12/2008 18:54)
Zava-poana izao rehetra izao ? Fa ahoana ?
mandalo sy miserana ihany...
3. ikaretsaka ( 06/12/2008 19:47)
Rehefa jamba ianao ka tsy mahay mandray azy araka ny maha tontolo isao azy dia normal ny maha zava poana azy

Tsy misy hafa @ hoe olona tsy mahay mitendry gitara omenao gitara io.... zava poana ny gitara aminy
4. Noue ( 06/12/2008 20:31)
rehefa tsy mahay mandamina ny fiainanao ve ianao tsy ho zava-poana ny fiainanao ee ???
nahoana aza no misy olona tsy milaza an'zany mahintsiny fa fafinaretana hatrany no hihainany eny a dia mandalo fahasahiranana aza izy ee ??? fa tsy avy dia hilaza oe zava-poana izao rehetra izao aaa !!!
5. diamondra27 ( 07/12/2008 08:30)
zava-poana dia zava-poana izao rehetra izao satria olona mandalo isika no ety fa tsy mitoetra eto, vovoka isika ary mbola hody vovoka , tsy hahatondra volamena , trano , fiara sns any amin'ny mandrakizay ianao, ny tenanao aza tsy fantatra na ho any na tsia fa miankina amin'ny finoanao ihany io sy fandraisanao an'i Jesosy.
Eto moa izany dia tian'Atra tsindrianan momba ny fahendrena ka izay mila izany fahendrena izany ihany no manandanja eo anatrehany ary izay no nahatonga azy niteny io hoe: mpitoriteny 2:26 Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
tsy hahatondra na fanjaitra anankiray akory aza isika

Tena marina mihintsy ange io voalza eo io hoe ny olona dia tsy mahay afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny azony
Misy aza moa miteny hoe inona ny antony hiasako fa dia aleo hanao izay danin'ny kiboko aho. Tsy sakanan'Atra ianao manao izany saingy hoy izy hoe zava-poana izany rehetra izany, mandalo fotsiny fa rehefa hatory ianao hifoha ianao dia mbola ny fiainanao ihany no eo fa raha manana an'i Jesosy ianao dia tsy ho zava-poana mihintsy satria Izy no mahafeno ny banga, ilay tanteraka

6. diamondra27 ( 07/12/2008 08:33)
Ny zavatra rehetra dia azoko atao fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa .
7. tywa68 ( 07/12/2008 15:15)
diamondra27 : marina mihitsy ny hoe fandalovana ny ety ary dieny zao d miomana fa tsy variana manangona harena sy ny rendra2 sy mihinambe... tsy mahay mizara nefa manana azo zaraina : ny manana an'i Tompo d olona sambatra satria tsy mijaly @ fitsapàna lalovany satria feno fanantenàna :wink:
8. fahamarinana ( 07/12/2008 16:37)
:arrow: misaotra any diams sy tywa ary niryna... :-* (l)
9. bor2lais ( 10/12/2008 12:59)
Voalazan\'i diamondra27 fa :
\"...Eto moa izany dia tian\'Atra tsindrianan momba ny fahendrena ka izay mila izany fahendrena izany ihany no manandanja eo anatrehany ...\"

-> Satria rehefa dinihina tsara ilay fahendrena voalaza eto dia tsy Iza fa Jesoa ihany e !
10. ikaretsaka ( 10/12/2008 14:00)
Fa ao anatin'ny notenenin'i Jesoa koa ny hoe aza manahy ny ampitso an.... demain ne m'appartient pas ho'zy le sipa @ ny ainga iny @ tononkirany
11. niryna ( 10/12/2008 18:24)
Noue:

rehefa tsy mahay mandamina ny fiainanao ve ianao tsy ho zava-poana ny fiainanao ee ???
marina izany raha variana eo amin''ny fitadiavana fotsiny aho ka tsy mba mizara ny soa nomen'Atra ahy dia ho zava-poana tokoa izany .

nahoana aza no misy olona tsy milaza an'zany mahintsiny fa fafinaretana hatrany no hihainany eny a dia mandalo fahasahiranana aza izy ee ??? fa tsy avy dia hilaza oe zava-poana izao rehetra izao aaa !!!

marina koa izany satria ny filan'ny nofy no mavesatra aminy fa tsy ny fanahy ka mety tsy mba nisy nizara azy izany fiafaran'ny fanahy izany .

12. diamondra27 ( 10/12/2008 18:55)
Misy dicton tiako be izay ity mba zaraiko ho anareo
"ce qui n'est pas donnE c'est perdu"
Izany hoe raha manana zavatra tokony hozarainao ianao nefa tsy nizara izany dia very maina

Mahita olona nianjera ianao nojerenao fotsiny izy , very maina izany ny hery tao aminao tokony nampitsangananao azy fa navelanao nihosina teny foana izy sad tsy mba nampaherezinao na ni-rassurer-nao akory.
13. tywa68 ( 10/12/2008 20:26)
Diam : arakarak'ilay contexte hoy i Ika zay :lol:
14. ikaretsaka ( 11/12/2008 05:21)
Ce qui n'est pas donnE, y faut les chercher hono ko
15. niryna ( 13/12/2008 01:30)
fahamarinana:

:arrow: misaotra any diams sy tywa ary niryna... :-* (l)


tsy misy fisaorana aky a,fa indry koa no isaorana mifampizara a
:-*
16. niryna ( 13/12/2008 01:40)
niryna:

Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako tamin'ny fisasarako rehetra.
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.

Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana;

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MPITORITENY&toko=2&andininy=1-26&dika=
Zava-poana izao rehetra izao ? Fa ahoana ?
(l) niryna


Fa ny olona izay ankasitrahan'Atra dia omeny fahendrena sy fahalala ary fifaliana koa azontsika rehetra atao ny mitady izany fahendrena izany .Avy amin'ny ahoana ? ny fahatahorana an'Atra no fiandohan'ny fahendrena : Fear of Lord is the begining of wisdom
Tsy hoe matahotra (peur) akory no tiana ho tenenina eto a ,fanomezana hasina sy voninahitra azy,fahafantarana ny fisiany,fahatsampana fa na dia tsy misy mijery aza isika dia manao ny marina mandrakariva satria mahafantatra fa ny olona tsy mahita ny ataontsika kanefa izy mahita.
Manao zavatra amin'ny fo mandrakariva ,tsy arahina alahelo na menomenona fa atao toy ny manao asa ho an'i kristy foana.MIezaka manatsara ny fiainana andro aman'alina dia ny fiadian'ny fanahy sy ny nofy izany ,ny iray malemy ary ny iray matanjaka ka raha mahery ny filan'ny nofintsika dia malemy kosa ny fanahintsika ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy .Noho izany dia vokisana ny tenin'Atra andro aman'alina ny tenantsika mba hatanjaka ny fanahy .
Ny fahafantarana fa rehefa manao ny tsy mety isika dia tsy menatra ny mifona ary miezaka ny manova ny toetra mba ho vanona sy ho mendrika,miezaka ny hanana toetra tsara amin'izay,tsy mora fa mila hianarana ary tsy vitan'ny tena irery izany fa ny fiarahana amin'Atra no ahafahana manantateraka izany rehetra izany .

(l) niryna

17. ikaretsaka ( 13/12/2008 01:56)
hendry nga enao? faly nga enao?
ary mahalala angaha ianao?
18. ikaretsaka ( 13/12/2008 02:01)
hendry nga enao? faly nga enao?
ary mahalala angaha ianao?
19. kotobekibo ( 13/12/2008 22:10)
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany .
Midika io fa zavapoana izao rehetra izao . Araraoty ny andro kely sisa ihainanao satria tsy ahazaka ariary akory ref maty . :roll:
20. ikaretsaka ( 13/12/2008 23:10)
Tsy azoko.....misy zavatra hamidy nga any no hoe hitondra ariary?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077