vehivavy ts avelan'ny vadiny hiasa

1. fitiatantely ( 05/12/2008 06:12)
Misy vehivavy nianatra de vita ny fianarana de nanambady! avy eo ts navelan'ilay vadiny hiasa izy, de very fotsiny ny fotoana sy ny vola nianarana. Ilay lehilahy anefa ts hoe be karama be fa sahirakirana ihany. De inona zany ny antony ts amelany ny vadiny hiasa? Fahasarotampiaro v sa fitiavana SA fanajana? d atao inona zany ny diplôme ananany :roll:
2. ikaretsaka ( 05/12/2008 06:18)
Afaka faritana ve hoe aiza ho aiza no idiran'ny resaka fivavahana @ zany ka nahatonga ity ho ato
3. fahamarinana ( 05/12/2008 06:19)
:arrow: fitiatantely : tsy diso toerana ve akia ny dinika napetrakindry ity...(l)
4. pinouch ( 05/12/2008 07:23)
mba disodiso kely "tsy maha-mort kosa é"........
5. fahamarinana ( 05/12/2008 07:47)
:arrow: f'angaha kosa maha-mort raha manao tsikaritra ry pinouch,tsy ho betsaka marô ny ho sahirana eto! tsiky dia ampy e. :wink: (l)
6. ainaheri ( 05/12/2008 12:29)
Nampidiriny ato @ fivavahana ilay dinika,sao kosa angamba ny fiangonana no niteny an'ilay bandy oe;aza alefa miasa ny vadinao :-D :-D :-D :-D
7. diamondra27 ( 05/12/2008 15:24)
misy idirany ato io satria hoy ny tenin'Atra manao hoe: mankatoava ny vadinareo ry vhv
dia ahoana ny fipetrak'ilay femme soumise amin'io sns

misy aza hoe vehivavy tsy mahazo mitarika fiangonana hono nefa za mahita ihany fa misy pasitera vavy ny fiangonana ===> diso ve zany ilay pasitera vavy


amiko izany momba ilay hoe vehivay manampahaizana tokony hiasa na tsia dia izao no ataoko: afaka miasa ihany ilay vhv fa ao an-tranony,manao ireny nounou ireny na manokatra fivarotana produits exotik
na manao volo na manjaitra ,
na izay asambehivavy e

ny olona no nametraka oe mitovy zo ny vhv sy lhl fa raha ohatra kosa amiko ka tsy mahavelona ilay lhl dia tsy hitako izay maharatsy ny hiasandravhv, ary tsy tokony hiandry hoe tsy manana asa na tsy ampy intsony ny vola vao hikoropaka

MIla mandeha am-pahendrena daholo ny fiainana , ary tokony hi-rassurer ny vadinao ianao fa hiasa no alehanao fa tsy hanao zavatra hafa akory, fa raha izaho aloha dia miasa ihany no ataoko e , na ho faly izy na tsia satria izay tsy miasa dia aoka izy tsy hihinana
:-D :-D :-D :-D :-D ao anaty baiboly io an
zany we mila miresaka milamina fotsiny nareo fa ra miseho milay ndry milaza aminy de non foana no valiny omeny

dia mivavaha koa mba omen'i Tompo asa tsara mifanaraka amin'ny tokantranonareo e



8. diamondra27 ( 05/12/2008 15:27)
NIsy olonaa nijoro vavolombelona momba an'io tany am fiangonana 1 izay , dia nagataka asa izy mendrika we hanajana ny jour de seigneur, fa tena nahita , nomen'i Tompo

Ka mainka ve fa olona manampahaizana izany tsy hahita asa atao an-trano e , manao societe zany e

tonga de atomboy amin'io resaka centre psychiatrique io fa tena mety ny projet
9. diamondra27 ( 05/12/2008 15:35)
mba azo fantarina ve ilay maripahaizana sao de misy azo atoro andriko we manaova an'izao sy izao,

misy aza ange olona nanana asa tsara be zao de niova asa hafa mihintsy taty aoriana e, tsy misy olana izany

za manokana zao dia mba nanao fianarana mahafinaritra mahay calcul mental be , rapide sns saingy tsy zany ny asa ataoko ankehitriny fa mahita feeling be za am le asako ary anisany malahelo za ra tsy miasa elaela, tsy maintsy manontany ny akama kely we inona kay ny vaovao ao , dia nanao ahoana ny suite n'izao sy izao... satria rehefa miverina miasa ianao ka tsy maharaka ny zava-miseho dia mety hummm tara train, sady tokony hamaky transmission koa kanefa raha 2 mois tsy teo mila mangataka resume am collegue ihany aloha fa tsy havita hamaky journal
10. fijo ( 05/12/2008 21:03)
le hoe very ny fotoana nianarana sy ny fahaizana ,ioaloh atsy very.ny fahalalana dia tsy very izanymihintsy.ny vola no mety hovery.

raha ilay toetra indray"efa nahita toa io koa aho"io dia fahasarotampiaro aretina.

ny fametrahana azy ato,dia maro kokoa isika no miditra ato,ka mila hevitra avy amin'ny namana maro izy ngamba.
11. fahamarinana ( 06/12/2008 06:37)
fitiat:
Misy vehivavy nianatra de vita ny fianarana de nanambady! avy eo ts navelan'ilay vadiny hiasa izy, de very fotsiny ny fotoana sy ny vola nianarana.

:arrow: zà manokana atao hoe nanao fianarana ary tsy miasa fa miasa be ato antrano mitaiza ny zanako.Tsy mbola nahatsapa tena hoe very ny fianarana nianarako hatreto aloha satria na tsy miasa aza aho dia misy zvtr hafa atao betsaka koa.Fa araka ilay vehivavy io,choix tanteraka amin'ny fiainana ihany koa ary assumer-na avy hatrany rehefa choix.Zany hoe tsy ndeha himonimonina fa tsy ampy ny vola,sns..sns..na hoe da reraka avao mitaiza e...
fitiat:
Ilay lehilahy anefa ts hoe be karama be fa sahirakirana ihany

:arrow: ka raha izay indray dia zvtr hafa,dia tokony hitady vola be zany ilay mr rahato ka sakanany tsy hiasa nefa koa hitaraina fa sahirana.
Nefa koa maro ny asa azo atao an-trano,araka ny voalazan'ny diams ery ambony...koa raha izay no ahatsara zvtr dia azo eritreretina ihany koa.
fitiat:
d atao inona zany ny diplôme ananany

:arrow:dia itovizako hvtr amin'ny voalazan'ny fijo teo hoe ny fahalalana tsy very fa ny vola tokoa angaha.
resaka fahasarotam-piaro indray moa dia tsy fahatokisam-bady,aretina...indrindra moa raha ilay vady tsy misy tokony hanaovana fanakiana.(l)
12. ni81 ( 06/12/2008 18:59)
Misy zandrin'ny namako any dago, nahavita fianarana ho dokotera fa tsy navelan'ny vadiny niasa dia izao vao manenina
13. diamondra27 ( 07/12/2008 08:41)
afaka mitsabo foana izy akia ry ni81 a , afaka manasoa amin'ny association ireny sa tsy tian'ny vadiny koa izany

misy vahaolana foana akia ny pb a, fa miankina amin'ny olona ihany io na tiany ilay solution na tsia.
14. coopsal ( 08/12/2008 21:08)
d atao inona zany ny diplôme ananany

==>
Raha mpino an'i Kisty : no mametraka fanontaniana dia izao no andidian'i Kristy : ianareo vehivavy maneke ny vadinareo, tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy. Koa raha ny lahy no tsy manaiky ny hiasan'ny vavy dia tokony hanaiky ny vavy (fa i Kristy no ekeny @izany satria baikon'i Kristy no tanterahiny)! Raha miteny ny lahy mba hiasany dia izay no ataony! Tahaka izany koa ny @ zavatra rehetra.

misy aza hoe vehivavy tsy mahazo mitarika fiangonana hono nefa za mahita ihany fa misy pasitera vavy ny fiangonana ===> diso ve zany ilay pasitera vavy

==>
I Kristy niteny t@ mpianany hoe "...mampianara azy izay nandidiako anareo"
I Paoly Apostoly dia mpianatr'i Kristy ary nampiaatra ny kristiana tahka izao : "Ny vavy tsy tiako hampiaka-peo hampianatra ny lahy, fa aoka izy hangina, ary hianatra mangingina @ vadiny ... fa i Eva no voafitaka fa tsy i Adama".
Koa zava-nanahirana ahy ny nanaiky ny fisian'ny pasitera vehivavy.
Raha nangataka namana t@ Andriamanitra aho nefa indray mandeha rehefa nahatsapa hoe nisy nanahirana ahy ilay asa fitoriana nataoko, dia vehivavy no namana nomeNy ahy, ary vehivavy pasitera. Ny tena marina, io vehivavy io kay no nomaniNy ho vadiko fa tsy ho namana fotsiny.
Sahirana aho satria marina ny voasoratra ao @ baiboly!
Fa Kristy no nampanaiky ahy fa fanendrena avy amiNy no naha pasitera an'io vehivavy io. Tsy nanaiky mora aho fa t@ vavaka dia nasehon' Andriamanitra ahy ny antony :
1- T@ taona 2005 nanana drafitra maty paika sy miezinezina ny momba ny hoaviko sy ilay olon-tiako aho (izahay roa mantsy e!). Zavatra kely monja no tsy nahatanteraka ilay drafitra : tsy nahazo visa. Nivalan-ketraka indray aho ary nivavaka ny alina sady feno ranomaso. Tao anatin'ny vavaka dia nanontany an' i Kristy aho hoe : "inona ary Tompo no ataoko?", dia izao no valiny azoko hoe "manaova Pasitera". Zavatra efa notenenin'i neninay anah izany fahiny fa nolaviko tanteraka, indrindra rehefa nieritreritra ny tsy fitiavako ny fiangonana sy ny momba azy aho. Saingy rehefa ny Tompo no niteny tamiko dia nazava fa hay tiaNy hanao Pasitera aho ka izay no antony tsy nahazoako ny VISA, mba tsy hitratrevatreva @ programan'ny nofo aho.
2- Efa niomana aho ny hanao fanadinana ho pasitera tao @ FJKM (satria fiangonan'ny ray aman-dreniko), na ao @ Apokalypsa (satria fiangonan'ilay olon-tiako), tsy haiko hoe iza t@ireo no tian'ny Tompo handehanako, fa dia izay safidiNy.
Hafa mihitsy ny lalana nitondrany ahy, tsy ireo fiangonana ireo satria sady tsy nahatratra ny fisoratana anarana tao @ FJKM aho no tsy maintsy nisaraka t@ilay olon-tiako ... fa ilay namako vehivavy pasitera, izay natao ho vadiko, @ alalany no hanatanterahako ny asan'ny Pasitera.

Ny lahy no noforonin' Andriamanitra ho loha, ary ny vavy noforoniNy ho mpanampy ny lahy. Izao tontolo izao nampifamadika ny zava-drehetra. Saingy Andriamanitra mahery (= JESOSY), ka teo @izay nandravan'izao tontolo izao ny rafitr' Andriamanitra no nanorenan'i Kristy rafitra vaovao tsy mifanipaka @ sitrapon' Andriamanitra, araka ny Soratra Masina.
15. fahamarinana ( 09/12/2008 07:38)
coopsal:
Raha mpino an'i Kisty : no mametraka fanontaniana dia izao no andidian'i Kristy : ianareo vehivavy maneke ny vadinareo, tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy. Koa raha ny lahy no tsy manaiky ny hiasan'ny vavy dia tokony hanaiky ny vavy (fa i Kristy no ekeny @izany satria baikon'i Kristy no tanterahiny)! Raha miteny ny lahy mba hiasany dia izay no ataony! Tahaka izany koa ny @ zavatra rehetra

:arrow:tena Mpino sy Mpanaradia any Kristy kosa ny vadiko,raha zà no horesahako,fa izay rehetra ataonay dia safidy iraisanay sy izay ahatsara ny tokatrano sy ankohonanay...ary mino aho fa i Kristy no manome azy saina sy fanahy toa izay..tsy dia tiako ilay terme---mibaiko---satria tena tsy mahatsiaro baikona aho fa irahina am-pitiavana.
Io lazain'ny coopsal io koa misy Xna tena manararaotra tsara mihintsy...
Tsa manahy raha diso fa tsy dia iraisako hvtr izay. :? (l)
16. fitiatantely ( 09/12/2008 08:00)
azafady ry reto a!
za kou aza fanina mints nitady le hevitra nalefako hoe aiza satria tao @ resa-behivavy no tokony nalefako kay lasa tany @ finoana sy fivavahana :-D :-D :-D androany vao hitako! :-D :-D :-D :oops: :oops: :oops:
fa zao!
ts za le vevavy fa ny cousine ko fa za miasa, ary ts maintsy miasa fa izy ts avelany vadiny de miady fôna ry zareo, mampalaelo be izy satria refa miady de ts mahita aleha! ts afaka mijoro fa ts miasa hono
17. bor2lais ( 09/12/2008 08:24)
Miombon-kevitra @ fahamarinana aho eto ...

Ny zavatra rehetra atao ao an-tokantrano dia teny ieranan\'ny mpivady daholo.

Mety mitarika \"dérive\" ho an\'ny lehilahy Kristiana tokoa io fomba fijery lazain\'i coopsal io : marina fa ny vehivavy dia tokony hanaiky ny lahy tahaka ny Fiangonana manaiky an\'i Kristy ... saingy tsy nolazain\'i coopsal ny tohiny \"ianareo lehilahy tiava ny vadinareo tahaka ny itiavan\' i Kristy ny Fiangonana\".

Mba mahavita io tapany faharoa takiana aminy io ve ny lehilahy no sahy milaza iry tapany voalohany iry ?

Eto @ ity tranga ity : moa ve ny fandrarana ilay vehivavy tsy hiasa dia fanehoana fitiavana azy ? Efa nisy fifampandinihina ve sa ahoana ?
18. fahamarinana ( 09/12/2008 08:29)
:arrow: izay tanteraka tokoa bor2lais ilay tiako hanontaniana...misaotra nametraka azy.Mila fandinihana tokoa fa tsy azo raisina ara-bakiteny fa tsara faritana ny Teny rehetra fa rahavao tsongaina fa tsy feno dia mampisafotofoto tanteraka. :? (l)
19. ni81 ( 09/12/2008 08:34)
afaka mitsabo foana izy akia ry ni81 a , afaka manasoa amin'ny association ireny sa tsy tian'ny vadiny koa izany
misy vahaolana foana akia ny pb a, fa miankina amin'ny olona ihany io na tiany ilay solution na tsia.
tsy manao na inona na inona intsony mihitsy izy ka! ny ankohonany ao an-trano ihany sisa no mba tsaboiny, dia nefa ilay ramose vadiny @ zao hono mimenomenona fa tsy dia mirindra ny fidiram-bolany, nefa sitrapony daholo ihany zany :roll:
20. coopsal ( 10/12/2008 15:57)
bor2lais:
saingy tsy nolazain\'i coopsal ny tohiny \"ianareo lehilahy tiava ny vadinareo tahaka ny itiavan\' i Kristy ny Fiangonana\".

==> Tsy tohiny io fa lohany ka. Izany hoe io no mandeha aloha, sady miampy mazava tsara ilay izy hoe : \"... ka nanolorany ny ainy mba hamonjeny azy\".
Tsy nolazaiko io satria vehivavy no nanontaniana teto.

bor2lais:
Mba mahavita io tapany faharoa takiana aminy io ve ny lehilahy no sahy milaza iry tapany voalohany iry ?

==> Izaho lehilahy ary sorena aho rehefa tsapako tsy mandeha araka n\'io ny vadiko, izay vehivavy kristiana. Saingy rehefa mivavaka ny @izany aho dia izao no ambaran\' Andriamanitra amiko hoe :
\" - ianao koa anie tsy dia manaiky ahy (Kristy) à 100% e! Fa izaho manam-paharetana @nao. Manana ianao faharetany aminy.
- Ny anjaranao ataovy! Fa tsy ny fahotan\'i Eva no nahatonga an\'i Adama ho voaozona fa ny an\'i Adama ihany
- Tsy hitanao ve fa tena elle a été créé à ton image?\"
Dia marina tokoa izany! Izaho tsy nanaiky talohan\'ilay vadiko, saingy Kristy tena manam-paharetana be @ko mandrapahatonga ahy ho tahaka Azy.
Ka mba itaomako izay kristiana, maneke an\'i Kristy en pratique na iza no tsy hamita ny anjarany na iza!
Raha lahy, tiava ny vavy tahaka ny nitiavan\'i Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny ainy hamonjeny azy, eny fa na tsy hanaiky aza ny vavy.
Raha vavy, maneke ny lahy, tahaka izay tsy maintsy aneken\'ny fiangonana an\'i Kristy. Tadidio fa Kristy Tomponao no mamonjy anao, eny fa na dia nomena fahefana aminao aza ny lahy! Kristy no efa nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Tantara : Misy vehivavy naman\'ny fianakams-nay izay, tena saro-piaro b ny vadiny. Izay eo ihany, fa misy zokinay iray mitovy anarana @ sipan\'io vehivavy io taloha, ka raha vao hoe hankany @nay le vehivavy dia ady b sady tena faran\'izay gravy ny an-drangahy.
Nasaiko izy roa ireo t@ mariaziko ary dia efa mba nanandrana niteny t@ vadiny izy saingy tsia avy hatrany (sady niampy teny maharary : iza koa no hifanena @izay rafilahy!!)
T@ fikarakarana ny mariazy dia noteneniko le vevavy mba hiaraka @nay roa hijery ny akanjon\'ny vadiko.T@izay fotoana izay dia niteny izy hoe :
\"zah ndray tsy maintsy mandeha na hanaiky izy na tsia\".
Hoy aho taminy hoe : \"Izao no torohevitro aminao, lazao aminy ihany aloha, ka raha manaiky izy dia mandeha izany, fa raha tsia dia tsy maninona fa aza mandeha. fa mila manaiky ny vadinao ianao satria izany ny ao @ Kristy\" ... Namaly teo izy aloha satria tsy tantiny ilay anaovan\'ny vadiny azy.
Ny Alatsinainy maraina izy niantso ahy dia izao no nambarany : \"Notantaraiko t@ vadiko ilay teninao rehetra ireny dia izao : izy tsy nety handeha fa sao esoinareo hono fa izaho navelany handeha\".
Izaho mino fa i Kristy nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary afaka manome rariny ny olom-boafidiny izay eo ambany fahefan\'ny hafa (sady tsy mitaredretra).
Izay tsy an\'i Kristy tsy hanao izany mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3929