hetsika sosialy Namana Serasera Dago NSD manakavaly

1. glou ( 03/12/2008 13:05)
Dia raikitra izany ny hetsika izay ataotsika NSD fotoana izay handehanatsika any MANAKAVALY araky ny efa programman- asa izay hanampiantsika ireo olona tratry ny habokana ka hitondrantsika zavatra kely izay voatsirambin' ny tanana hanaovan' izireo fety ny krismasy ka manentana antsika ho tonga maro fa sady fotoana hanaovantsika adidy @ mpiray tanindrazana io no fotoana hihaonana indray, marihina fa ny zavatra izay omena any dia ny fikambanana no hiantoka azy fa ny saran-dalana sy ny sakafo no samy mitondra isika satria aorian' ny adidy izay atao dia hataotsika style excursion aprés ka samy mitondra kilalao sy gitara izay manana hanalana azy; toy izao ny andinindiny ary:
toerana : MANAKAVALY
daty : 20 decembre 2008
fiaingana : terminus taxibe MAHAZO
ora fiaingana : 8 H fodiana : 16h na 17h
frais aller retour : 25.000 fmg
koa manantena antsika ho tonga maro fa ny adidy tsy an' olon-dratsy moa ny fahafinaretana ho azo ka dia tongava ehhhh, ny tsara dia mba miantso ireo tompon' andraikitra mialoha na milaza eto fa ho avy mba hanomanana ny fiara sy handaminana ny any
mankalaza ehhhh
glou_
2. sipagasy ( 03/12/2008 21:09)
Mahavità be e!!!!!!!! :-* (l) :-*
3. tywa68 ( 04/12/2008 09:45)
Mahafinaritra ny mahita fa tena mihetsika ny namana any an-toerana manamaivana ny osa. :-*
4. fitiatantely ( 04/12/2008 10:56)
terminus taxibe 100firy ny eo mahazo, ny fantatro de any ambohimahintsy ny terminus taxibe, sa taxibrousse mankany ambanitsena le eo akaikin'ny wc public v?
5. elyzo ( 09/12/2008 09:07)
Dia manasa antsika namana rehetra ndray mo zany ko!! Ny daty mifanindry zay misy zvt tsy maintsy aleha mo zany ka dia tsy afaka fa mankahery anreo e! Mazotoa doly!
6. lo ( 10/12/2008 04:35)
iezaka mafy dia mafy :-)
7. ravatorano ( 10/12/2008 05:00)
za sy lo tena mùitovy eo amin 'ilay fihezahana mafy d mafy :wink:
8. ikaretsaka ( 10/12/2008 06:34)
Taoko mamay ela ry ravato raha tsy mankany misolo tena atseka hatrany bira any
9. naritsimba ( 10/12/2008 09:40)
Dia faly miarahaba antsika namana rehetra indray eh!
Entanina isika rehetra mba ho avy @ io fotoana io, raha misy moa ny afaka manome fotsimbary na akanjo na zavatra hafa tsy ampiasaintsika dia azontsika anampiana izay zavatra efa nomanin'ny fikambanana.
Ny fomba fandehanana dia ezahina ny hanamorana izany araka izay azo atao. Iangaviana kosa anefa mba hilaza mialoha ihany izay afaka.
Dia manantena ny fahatongavantsika maro.
10. ravatorano ( 10/12/2008 09:51)
ikaretsaka < efa misy hatrany atanana misolo tena atseka any
aako iany ngefa io ooooooo
:-D :-D :-D
11. naritsimba ( 10/12/2008 13:00)
fitiatantely>>> eo @ arret Taxi-brousse mankany Carion sy Manjakandriana e, tena marina ny nolazainao hoe tsy misy terminus taxi-be eo.
12. ikaretsaka ( 10/12/2008 14:43)
naritsimba:

fitiatantely>>> eo @ arret Taxi-brousse mankany Carion sy Manjakandriana e, tena marina ny nolazainao hoe tsy misy terminus taxi-be eo.

Eo ambadiky ny ravinala izany e... teneno ny goal rehefa mandeha 147 na 142 ambatomaro hoe miala eo @ ravinala...de ao ambadika ao,

Fa zany eo ihany fa fidinana. Pave izay io fa aty antampony sa ary ambanny no mihaona...tsy hifankahitana manko eo shefa be olona.
Azafady fa zatra mankeny @ akamasoa e
13. naritsimba ( 11/12/2008 05:05)
ikaretsaka>>> ery ambany @ faran'ilay lalana pavé, iarahantsika mahalala ihany ny hasarotry ny fiainana @ izao fety izao fa dia ezahina ny hampihenana an'io saran-dalàna io fa mbola eo ampiresahana @ ireo mpanao fitaterana mankany ny mpikarakara.
Ho an'ireo izay mihevitra ny hitondra fiarakodia kosa dia eo Ambodirano- Isoavina no mivily miankavia, izany hoe alohan'ny ahatongavana any Ambanitsena. Tiana ihany ny manamarika fa somary ratsy² ihany ny lalana izay eo @ 6km eo ho eo @ izao andro avy orana izao.
14. thiel ( 11/12/2008 09:15)
naritsimba:

ikaretsaka>>> ery ambany @ faran'ilay lalana pavé, iarahantsika mahalala ihany ny hasarotry ny fiainana @ izao fety izao fa dia ezahina ny hampihenana an'io saran-dalàna io fa mbola eo ampiresahana @ ireo mpanao fitaterana mankany ny mpikarakara.
Ho an'ireo izay mihevitra ny hitondra fiarakodia kosa dia eo Ambodirano- Isoavina no mivily miankavia, izany hoe alohan'ny ahatongavana any Ambanitsena. Tiana ihany ny manamarika fa somary ratsy² ihany ny lalana izay eo @ 6km eo ho eo @ izao andro avy orana izao.




Tena tsy hay ilay bandy raha ho afaka ê! Arakarak'izay raôzy tonga any ihany io. :roll:
15. ravatorano ( 11/12/2008 10:00)
ho avy kah ary ho tonga matanjaka mihitsiny
16. notron ( 12/12/2008 07:33)
Manentana antsika rehetra mihitsy e!
Sanatria tsy hanao fanenjika akory isika any ka hoe: "izay azo dia boka" fa hifanampy kosa ka "izay azo dia namana". Satria na ny fiaingana aza dia eny Mahazo! hihihihihihihihi!
Izaho aloha dia tsy maintsy mandeha e! Sady ny tenanay mbola tsy nahita ary mbola tsy tany @ io toerana io ka fanararaotana tsy misy ohatr'ity.
Tena marina mihitsy ny hoe "Ny adidy ho vita ary ny fahafinaretana ho azo"
Ndao dahôly ary ôôôôôôôôôôôô^!
17. naritsimba ( 12/12/2008 08:05)
notron>>> soa fa tsy misy billard any hihihihihihihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4914