Fandaharana tao @ M6 : lazaina fa tsy ireny no zavamisy!!!
21. badboy
(
03/12/2008 19:28)
booboo >> Izaho raha efa nahalala taloha ireo tranganjavatra ireo dia efa honanaovako "dénonciation" na fanaposahana ilay zavamisy!!
Afaka tohanana "faire l'appologie" daholo ny zavamisy rehetra ary azo tsipahana "s'opposer"!! Azo raisina ho hetahetampo "souhait" daholo ny hevitra rehetra na hevimpo "bon sentiment"!!! Fa ny tsara indrindra dia ny hetsika na "action"!!! Ka raha toa ka tsy haka hevitra 1 na 2 afaka mifangaro fa hanohana izay hevitra rehetra misy dia tsy hisy lalana ho voafaritra ary tsy hisy zavabita na zavabanona!!! Ary raha avela hanao izay tiany hatao ny tsy ampy fandinihana rehetra dia mbola ho ratsy noho ireny hita ireny ny vokany!! Ary ny fanjakana, @ asany mpiaro ny tombotsoan'ny olona tsirairay avy mitoetra eo anivony, mpitandro ny fandriapahaleman'ny tsirairay ary koa mpitandro ny zo mahaolombelona, dia tokony handray andraikitra!! Saingy iarahamahalala moa fa ny fanjakana tsy hihetsika satria ny hopitaly fitsaboana ny adala aza efa nohidiany, ary ampirisihany ny hiroboroboan'ireny toby ireny!! Tsy maintsy miandry vazaha mena sofina hidrikina @ fanjakana sy hikikiaka hoe tsy rariny indray angamba vao hiova io toejavatra io!!
Ny fampitana ny zavamisy dia isan'ny efa hetsika, tsy ny fanakobonana azy any antsaina akory no hahatonga ny fiovan'ilay zavatra!! Aza adino fa ny hevibahoaka mahatonga fianjerampitondrana na koa mahatonga fanovandalàna!!
Eto @ ity serasera ity dia sady misy ny avy ivelan'i dago no misy ny ao anatiny!! Mino aho fa ny any dia vitsy noho ireo aty ivelany ny mahalala ireny satria tsy ny fahita lavitra, izay ny androatokon'ny fandaharana mandefa hirampiangonana sy toreteny tsisy farany (ohatry ny hoe andro alahady lalandava ireny ny herinandro manotolo) no handeha hampiseho ireny zavamisy ireny!! Tsy mbola nahita aho aloha rehefa tany!!!
:twisted: :twisted: :twisted:

22. booboo
(
03/12/2008 19:34)
Ikaretsaka > io koa mbola hadinoko. mbola dezaka ny lalana satria ilay tontolon'ilay fiaraha-monina mihitsy no efa miviaka, ary efa ela notaritaritina teny foana ilay izy dia tsy ho ary vita anatin'ny fotoana fohy dia fohy ny fanovana an'ireo aby aby ireo.
23. booboo
(
03/12/2008 19:48)
Ny mitory efa nisy fa vitsy dia vitsy no mahasahy mitory. Ny antony ? boobaka be.
Nandritra ilay asa fanasitranana dia sady nikapoka ny vatan'ilay olona ireo mpiandry. Farany dia matin'ny daroka ilay olona. Ny olona tao am-piangonana tsisy nihetsika, tsy hoe tany ambanivohitra io fa an-tanan-dehibe, fa nony hita hoe maty ilay olona vao nikoropaka aby.
Nitory ny fianakavian'ilay maty. Niditra an-tsehatra ny foiben'ilay fg dia juste " nofaizina " fotsiny ( tsy nahazo niasa intsony ) ireo mpiandry. Nitory tany @ tribonaly ny fianakaviana fa mandrak'ity tsisy na iraika aza t@ ireo mpiandry no migadra !
Tsy mila mandeha any @ toby na any am-banivolo vao afaka mahita ny dérives n'ny Asa, fa na mandritra ny fotoam-pivavahana tsotra fotsiny aza matetika. Tsy misy miteny anefa ny ankamaroan'ny olona. fa maninona ? valin'io " fa maninona " io no ahafahana mahita ny tondro zotra hoe aia no tsara hihetsehana mialoha dia mitohy toy ny dominos ny rehetra avy teo.

24. lemenakely
(
03/12/2008 19:58)
sipagasy:
mmhh dia tsy mba hitako izany fandaharana izany fa ity koa misy anankiray aza fa sao adinonareo e!!!!
@ talata 09/12/2008 ao à TF1
Miarahaba ny rehetra,
Hisy fandaharana momba ny "Fizahatany vetaveta" ataon'ny mpizahatany
frantsay ao TF1 ny talata 9 desambra @ 10ora40mn alina ("Enquetes et
revelations"). Natao indrindra tany Nosy Be izany.
enga anie mba tsy ho tara koa vao hahita an'io indray dia miandry ny hevitry ny maro indray avy eo izany e!!!! ilay t@ M6 tena ggrr tsy hita, m'enfiiinnnnn...
Azonao jerena ao @ M6 REPLAY ilay émision rasipa ah ! 66 minutes ilay anaran ilay émission !
Efa nisy resaka momba ity éxorcisme ity teto ary izaho mihintsy no tompon ilay Dinika efa ho 1 an angamba izay ary niteraka polemique isankarazany ilay dinika
Amiko dia lasa FANATISME ilay fivavahana ary MAMPALAHELO raha entina handemena saina !Lasa tena mampidina tanteraka ny atao hoe soa toavin ny maha olona(valeur humaine) satria ny biby tsy manantsaina aza tsy manao fahatàny toy izao
Olona marary saina ve dia lazaina fa idiran ny devoly ?
Zaza tara saina ve dia atao hoe idiran ny devoly?
Haka ministera sy ny primature ve t@ 2002 dia ilàna mpiandry fa hoe misy devoly?
Ho eny Iavoloha t@ 10 aout 1991 ve dia ilàna mpiandry fa hoe misy demony?
Tabataba tsy tabataba ....
Izay ny fahitako azy ity ny hevitra moa samy manana fa dia izay ny fahitako azy!
25. ikaretsaka
(
03/12/2008 20:13)
Amiko dia lasa FANATISME ilay fivavahana ary MAMPALAHELO raha entina handemena saina !Lasa tena mampidina tanteraka ny atao hoe soa toavin ny maha olona(valeur humaine) satria ny biby tsy manantsaina aza tsy manao fahatàny toy izao
iombonako fijery tanteraka
26. lemenakely
(
03/12/2008 21:46)
Fanampiny kely fotsiny raha mamaky ny hevitry ny sasany aho @ ilay dinika voalohany dia ekeko koa fa ny FAHANTRANA no tena antony voalohany mahatonga izao zavatra izao :mahantra ara-pihariana dia lasa mahantra ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana
Raha mijery ilay résumé momba ilay émission momba ny tourisme sexuel indray aho :ENQUETE EXCLUSIVE izay andeha ao @ TF1 ny atalata 09 desambra dia mbola manaporofo hatrany fa ny fahantràna no fototry ny fivarotatena ao NOSY BE.
Ka raha mbola manao didoha sy tsy miraharaha moba ity FAHANTRANA ity ny mpitondra dia tsy hisy zava-banona fa dia CERCLE VICIEUX eto lava isika mianakavy fa tsy misy zava-banona

27. fijo
(
03/12/2008 23:31)
booboo an,za tsy nahalala ny fisian'ireny raha tsy iny tamin'ny M6 iny.ka tena naika hampiakatra ny moliko mihintsy le izy.
30. ikaretsaka
(
03/12/2008 23:49)
Fanampiny kely fotsiny raha mamaky ny hevitry ny sasany aho @ ilay dinika voalohany dia ekeko koa fa ny FAHANTRANA no tena antony voalohany mahatonga izao zavatra izao :mahantra ara-pihariana dia lasa mahantra ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana
mahantra ara pahalalana letsy no tena fototr'io de lasa izay madahana ihany no ampiasaina sisa an.. moa ilay mamahana koa nahay ni bourrer ilay innocent tsy hahalala afa tsy iny intsony .. raha tsy efa voa mafy!
32. tywa68
(
04/12/2008 09:31)
Tena mahatsiravina aloha hoe ny finoana no mahatonga fihetsika ohatr'izao e !
Fa ny tena mampalahelo koa d tsy afa-manoatra rehefa tsy misy vola e ! d aleo aseho aty ivelany, d ny vazaha mena sofina no miditra hoe tsy mety zao zava-mitranga zao fa ny zò n'olombelona sns...satria ny gasy eo an-toerana variana mitady ny hohaniny isanandro, ka tsy hijanona @izay adala sy misy kely... tsy afaka mitroatra fa noana (noana ara-panahy hoy ny Mpiandry :°))

33. ikaretsaka
(
04/12/2008 15:45)
Izany ne le lezaiko hoe tara ny votom-pinoana fa zava doza kosa ny jambam-pinoana
35. ikaretsaka
(
04/12/2008 20:42)
izay mihitsy e
le izy very rehefa tsy manaiky havotana tsy ahoako loatra fa ilay olona tsy maninona sy innocent ampangainy fa misy an zao sy zao de taritiny ho very miaraka aminy no tsy laitra

36. tywa68
(
05/12/2008 13:49)
Ka r'izareo manao an'io anie zao mihevitra fa manao soa e ! ny loza d tena tsy hitany intsony hoe rojovy sy matory @ tany feno am... satria adala misy devoly zany (ary asa raha au bout de combien d'années vao afaka atao hoe sitrana nialàn'ilay devoly) !
Ny zaza moa zany d efa eo am-pelatanan'ilay lehibe, na kely na sembana d entiny arak'ilay finoany e !

37. ikaretsaka
(
05/12/2008 15:30)
:lol: la zavatra tsisy ve mbola esorina ihany e.... manoatra nohon' ny banga hanala nify ty na sola handeha hiety
38. Noue
(
05/12/2008 15:56)
pendant 6 volana ve dia tsy ahatsapa tena ireo olona ireo oe sao dia zavatra hafa kosa aza no mahazo ity olona ity eee ??? sa minia manakipy ny masony zay jamban'ny finoany nefa tsy nahitana vokany akory ??????
39. fijo
(
05/12/2008 21:23)
rehefa jamba sy mamo tsy mahatsapatena e.
sao dia tokony ampisotroana toaka gasy kely ary ireo mba hampisaina azy.sy hanala ny hamamoany?

40. ikaretsaka
(
06/12/2008 05:28)
Ny tena olana amty nge de io hoe ny tenany tsy jereny de ny olokafa no apangaina @ zao rehetra izap e