Ny mpanao ratsy !!!

1. akamatiana ( 01/12/2008 06:13)
Mba marina ve ry zareo zany we ny olona mpanao ratsy mijalijaly vô gli ??
Lasa iany mantsy ny saiko mahita le rangahy be eto akaikinay (nalaza ratsy toetra be mantsy lery ), zao tonga aby aretina rehetra io , ny tena amzay efa antitra , mijaly mitaraina mitsy lery , zao ndray tsy afaka mihetsika am-pandriana intsony , efa fanafody sika no mikaly ny ainy nefa de tsy mety daitra mitsy izy . De ny lazain'olona we mijaly tsara houn io vô daitra fa nanao ratsy lôtra . Ka mbô marina ve zany e ??

Le vady aman-janany no tena mampalahelo mizaka ny nataony ra tena marina zany kle
novalian'i nikah ny 06/12/2008 06:24
2. Noue ( 01/12/2008 06:23)
akamatiana:

Mba marina ve ry zareo zany we ny olona mpanao ratsy mijalijaly vô gli ??
Lasa iany mantsy ny saiko mahita le rangahy be eto akaikinay (nalaza ratsy toetra be mantsy lery ), zao tonga aby aretina rehetra io , ny tena amzay efa antitra , mijaly mitaraina mitsy lery , zao ndray tsy afaka mihetsika am-pandriana intsony , efa fanafody sika no mikaly ny ainy nefa de tsy mety daitra mitsy izy . De ny lazain'olona we mijaly tsara houn io vô daitra fa nanao ratsy lôtra . Ka mbô marina ve zany e ??

izaho manokana aloha dia tsy mino an'zany eeee ! misy voisine-ko ato fijaliana zany mahazo azy zany aaaa ! ny nihafarany dia nampidirina trano fitsabohina specialisée mahintsiny satria tsy hita oe inona no hanaovana azy.
fijaliana @ haretina isakarazany , marary tsisy otra zany eee ! nefa io ramatoa io dia ramatoa zany angamba no atao oe tena manana fo noho ireo zavatra rehetra vitany sy nataony fony izy mbola salama vatana.


3. heidi ( 01/12/2008 06:37)
izany hono ko!
4. aloalo ( 01/12/2008 06:39)
Nisy mpanampy tao an-tranonay zay, nangalatra volamena (an'ilay bebenay efa maty). Mpivavaka b kanefa ilay oul.

Nolazain'i mamanay izy avereno raha enao no naka azy fa masiaka b io rafozako io hoy izy,
- tsy za tompoko sns

Taona maro aty aorina, tonga tao an-trano ilay renin'io mpanampy io, niangavy an'i mamanay ho any an-tranony fa mijajaly hono ilay oul tsy mety maty mihitsy.

Tonga teo an-tokotany, fofona masiso b no nitsena azy ireo, saika tsy nety niditra aza ry mamanay. Nazavan'ilay renin'ilay ramatoa fa nisy olotra ny mahavehivavy azy efa ho erin'andro ary nijaly tsy nety maty ilay ramatoa.

Nitomany sy nifona ilay marary eo am-pandriana. (Ny volamena moa tsy niverina).

Tsy hay na firy andro avy eo no nafatesan"ilay ramatoa fa tsy nisy fifandraisana intsony moa reo.
5. karinah ( 01/12/2008 08:05)
hummmm, loza koa izy izany, dia tena marina tokoa ve ireny tody ireny eee???? raha izany zavatra izany no miseho mety ho tena marina, fa hono oà angaha tsy afaka nisasa ilay ramatoa narary???? beuuuurk!!!!! :{
6. sakaizakely ( 01/12/2008 08:22)
za ndrai de tsy mino an zany fa amiko fampandriana adrisa fotsiny zany

jerevo fa bobaka be ny criminelles de guerre, ny mpanararaompaty, ny mpisoloky gaigilahy, ny mpamono zazakely, ny trafiquants mpamono sy mpandroba, ny dealers sns, ny mpanandevo moderna, ny mpampiasa ankizy hakany tombotsoa bedabe... bobaka be amireo no tsy tratra fa vo me deba be aza de azony am volany hatram mpanao fanjakana

za tsy mino e ! misy oul tsara fanahy tsy manao n'inn n'inn rehefa ho tonga ny aretina de tonga

coincidence fotsiny ny an'ilay oul lazain'i akamatiana io, sady raha ny lalànany de le oul no tokony ijaly fa tsy ny fianakaviany, justice injuste zany tsy justice amiko de zay no tsy maharesy lahatra ahy amin'ilay fitenenana

7. ainaheri ( 01/12/2008 11:18)
Fehiny d'aza manao ratsy fotsiny fa mety mitombona io voalazan'i akamatiana io an....Fa hono oa ee;inn ny dika'ilay gulli sy daitra eee?? lol
8. aloalo ( 01/12/2008 12:53)
fa hono oà angaha tsy afaka nisasa ilay ramatoa narary???? beuuuurk!!!!!

mbola kely za t@ zay, fa ny tsaroiko d ny resaka tao an-trano, hoe efa ela b izy no tsy afaka nietsika intsony, ary ny fokon-tany aza tonga tao fa otrany fofona cadavre reny ilay fofona kanefa aza ilay ramatoa mbola tsy maty akory.
tsy aiko na misy fifandraisana @ toetra ratsy na ny tsy fananana vola hitsabona tena.

9. ni81 ( 01/12/2008 13:07)
Ny ahy ny hevitro dia izao: kodiaran-tsarety ny fiainana ka aleo manao ny tsara, satria raha manao zavatra tsara ianao dia mandry ny saina ary tsy dia hisy eritreritra hanasoketa anao t@ zay rehetra vita. Fa raha nanao zavatra ratsy ianao dia ho henjehin'ny nenina tanteraka tokoa.
10. fitiatantely ( 01/12/2008 13:12)
ny olona rehatra na ny nanao ratsy na ny nanao tsara dia mijaly daholo vao maty , vitsy ny olona maty tsy naheno fanaintainana, ohatra hoe maty tampoka! fa ny finoako dia any an-koatra any mampitombo ny fijalian'ny mpanao ratsy
11. akamatiana ( 01/12/2008 13:23)
efa be kalou le hitako fa tsy nino mitsy za e, fa zao lasa ny fisainako sady velom-panontaniana mitsy a kle , ohatra ny we mino tampoka :oops:

Mba manaova ny tsara marina kle

hono oa ee;inn ny dika'ilay gulli sy daitra eee?? lol


ainaheri > gli =daitra=maty , zany houn e lol

12. xxx ( 01/12/2008 13:28)
raha ty tatara ray ty ndray alou dia mivaly aminy marina ratsy nataony e




Sambava. Potika ny biraon’ny zandary ao amin’ny “poste avancé” Farahalana. Haka olo-meloka ny fokonolona nefa nosakanana.
Matin’ny olona ilay lehilahy nanolana zazavavy 14 taona

Tamin’ny sabotsy teo no niseho ny gidragidra teo amin’ny fokonolona, ankilany ary ny mpitandro filaminana andaniny. Ny antony, nahatratra tovolahy iray 22 taona nanolana sy namono tamin’ny fomba feno habibiana zazavavy 14 taona ny kartie mobily ary naterina tany amin’ny biraon’ny zandary. Matin’ny olona koa io tovolahy io.
Fanolanana sy famonoana. Tamin’ny sabotsy lasa teo, nivoaka ny tranony hanasa lovia eny amoron-drano ny ankizy vavy roa. Teny an-dalana, nifanena tamina tovolahy iray izy ireo. Notambazan’ity farany vola izy roa hanao firaisana aminy. Tsy nanaiky anefa izy ireo. Afaka nandositra ny zokiny fa ilay zandriny kosa tsy afa-nihetsika rehefa nobedain’ilay lehilahy. Nentiny tany anaty ala izy ary novetavetainy tany. Rehefa izany, notsatohany hazo maranitra ny maha vehivavy azy ary notapahany ny tendany ka izany no nitarika ny fahafatesany. Hitan’ilay zokiny avokoa izany. Lasa niantso fokonolona haingana izy ary avy hatrany dia nohodidinina ilay toerana. Tsy afa-nitsoaka intsony moa ity lehilahy ity. Rehefa izany dia naterin’ny olona tany amin’ny zandary izy. Raha mbola teo am-panaovana ny fanadihadiana anefa ny mpitandro ny filaminana, tonga ny olona marobe avy amina fokontany telo. Nangataka ny hanomezana azy an’ilay tovolahy izy ireo. Tsy nanaiky anefa ireo mpitandro ny filaminana ary nanazava. Rehefa nifanditra elaela teo dia raikitra ny gidragidra teo amin’ny roa tonta. Voatora-bato ireo zandary. Potika ny birao. Efa nanao tifi-danitra ho fampitahorana ry zareo nefa tsy niala mihitsy ireo fokonolona. Tafiditra tany anaty biraon’ny lehiben’ny zandary izay nanafenana ilay bandy ireo olona. Nihohoka teo ambonin’ilay tovolahy niaro azy ingahy sefo sy ny miaramilany iray. Voan’ny tora-bato teo amin’ny lohany ity farany ary tsy maintsy nalefa tany amin’ny hopitaly.
Norasarasaina antsy. Raha vao nisy hirika kely, dia nosintonin’ireo olona tamin’ny tady namatorana azy ilay tovolahy. Tafavoaka tany ivelany avy eo ka norasarasain'izy ireo tamin’ny antsy ny tenany iray manontolo. Nahatsiravina ny nijery ny rà ary nivoaka hatramin’ny tsinainy. Tonga any an-toerana moa ny zandary avy any Sambava hanampy ireo efa any. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay tovolahy saingy teny an-dalana no tsy tana ny ainy.

:x :x
13. ainaheri ( 01/12/2008 13:30)
akamatiana ,ok merci... adinonao ilay dangy hihihi
14. ainaheri ( 02/12/2008 06:00)
xxx>>> Henjana kou zany an,raha manolana fotsiny mou maninn fa ilay mamono,@ zay tsisy saina,oul 2 zao izy no niaraka d mbola sahy nosaritina ihany ny iray,@ zay mbola novonoina,d tsy ao anaty eritreritra ve oe,ilay rahavaviny zao hitantara any :evil:

Ny ahy ndray ny hitako t@ iny faritra Atsinanana iny,,nisy oul nangalatra taolana tany ambanivolo,sahabo ho 20km miala anay,d tratra tao @ ilay tanàna nisy anay,eo @ 50 oul eo angamba ny nanenjik'azy,mitondra antsy kalaza doil (hainao iany ny oul any),tsy sahy niditra ny zandary,ny hany teniny oe,ento any aminareo any d any nareo mitsara azy,inn fa raha vao tafapita rano fotsiny ilay oul d nofatorandry zareo,d nilahatra izy 50 lahy,sady mandalo no mikapa azy @ antsy,fa tsy maty teo ny eo ilay bandy,angamba 7h taty aoriana vao niala ny ainy,talohan'zany tsisy tsy rediredy nataony,zay oul mandalo d asainy manala ny ainy tanteraka,ireo namono efa lasa nody,raha vao tsy mety ilay oul d ompaompainy,teo aho nieritreritra oe misy mitazona ihany ny ain'oul sasany an!!
15. akamatiana ( 02/12/2008 07:09)
xxx> enjana zany kle

Ny ratsy atao rehetra mivaly doly zany raha ny fahaoako azy fa aleo iany manao ny tsara kle

ainaheri > okotra kou mbola izy fa adinoko
16. kelly13 ( 02/12/2008 08:33)
"daitra"=maty v no dikany? (tsy namaky aho fa lava beuuuu)
17. sakaizakely ( 02/12/2008 09:04)
za oa tsy mino an zany

eksepsion fotsiny ny an'i xxx io fa olona 1 amin'ny analiny no tratra ka iza no analanao vokona eo ? Raha mba ary ho ttratra doly mou ka maninn

fa na zany na tsy zany, za tsy manala ain'oul na inn na inn manjo sanatria
tsy ahy ny fitsarana na famaliana faty, fa misy lalàna amin'izany, na dia misy tsy rariny sy tsy mifanaraka am eritreretiko ara indraindray ny sazy omena ny mpanao ratsy
azy sy ny eritreriny izany raha mbola manana eritreritra izy, raha tsy manana dia biby izy izay, ary ampy ho tranomaizina ho an'ny tenany ny tsy fananany eritreritra

fa za mino fa bedabe ny mpanao ratsy nefa miriaria tsara vomé miadana be aza, ohatra fotsiny
http://www.mayhem.net/Crime/juarez.html
http://www.npr.org/templates/story/story.php?storyId=1171962

momba an le notantarain'i aina klou de tsotra fotsiny, tsy hoe ny ainy no tsy niala, fa tsy nisy voakasika ny point vital de elabe vo ritra tanteraka ny ra, tant que mbola miasa ny fo

ravo ny point vital no tratra tsisy 5 mn kou,
18. sitlo ( 02/12/2008 09:13)
tant que mbola mikarama ny fo
19. ni81 ( 02/12/2008 09:27)
kelly13
"daitra"=maty v no dikany?
tenin-jatovo namboamboarina avy @ teny anglisy hoe "died" io e :lol:
20. kotobekibo ( 02/12/2008 16:50)
Zà aloha tsy d mino an'izany e! samy manana ny androny fotsiny io , ref lera d lera na manao ahoana ny tanjakao , fahasalamanao , ny volanao na ny manodidina anao .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3988