01/12.

1. sipagasy ( 30/11/2008 21:51)
Hainao veh io daty io? Maninona izy io hono??

Araka ny hita sy dradradradraina @ fahita lavitra dia andro iraisam-pirenena hiarovana @ SIDA izy io, koa aza manaiky ho tratry ny aretina fa io tsy hainao ohatran'ny vay an-kandrina ny olona mety hisy azy,

Arovy ny tenanao, arovy ny namanao, ary tsinjovy ny hoavinareo. Mampiasà FIMAILO.




2. heidi ( 30/11/2008 22:27)
ié haiko io daty io, tsara resahina foana fa manjary hadino....
3. vale ( 30/11/2008 23:22)
1er Décembre, andro iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana amin'ny SIDA na koa AIDS!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
Protector no dôro ôoooo.. "Samoëla" :°)
4. ainaheri ( 01/12/2008 04:56)
za vô omaly naheno t@ tele fa tsy haiko hatrizay lol
D inn no atao @ zany daty zany???:-P
5. ikaretsaka ( 01/12/2008 05:20)
Za tsy pour loatra an io hoe ady @ sida de kapaoty no atao pub io.... raha rotika zao le kapoty ka nanao t@ voan ny sida nge de voa ihany e

ohatra ny hoe manao ady momban'ny crime mamono olona izao ny basy dia silencer no atao pub ..... mampiasa silencer sy bala blanc.... maty ihany ny olona rehefa a bout portant ko
6. Koditra ( 01/12/2008 08:24)
Hainao veh io daty io? Maninona izy io hono??

Araka ny hita sy dradradradraina @ fahita lavitra dia andro iraisam-pirenena hiarovana @ SIDA izy io, koa aza manaiky ho tratry ny aretina fa io tsy hainao ohatran'ny vay an-kandrina ny olona mety hisy azy,

Arovy ny tenanao, arovy ny namanao, ary tsinjovy ny hoavinareo. Mampiasà FIMAILO.


Io enao milaza io vao fantatro lay daty, za nieritreritra oe fiantombohan'ny volana décembre io, midika fa akaiky ny krismasy sy ny andro tsy fesàna sy ny da fetybe, efa manomboka mande @ radio sy télé ny dokambarotra miaraka @ lé hira oe "Avia ry mino" sns :-D :-D
7. booboo ( 01/12/2008 11:58)
Koditra > :-D :-D
8. xxx ( 02/12/2008 08:31)
za kou mahay tsara io daty io fa anniversera-ko izy io, d io daty io kou no nahafatesan'i dadabeko, ny dadatoako kou maty un 1er décembre (je porte la poisse ou quoi???) :cry: d zay zany, manaova protector ry zareo fa areti-mandoza ny sida :wink:
9. sitlo ( 02/12/2008 09:07)
Ishhhhhhỳ, tsy aleo ve ho faty any izay voan'ny sida eh, io foana no ankalazaina isaky ny mihetsika eo. Nisy olona izay tafaresaka tamiko dia heo: "izaho aloha tsy ho any Afrika izany eh"
- fa ahoana? hoy aho
- ka izaho mirevy sipa be dia soa dia voan'ny sida any
Lasa tombokavatsantsika mihitsy ilay sida :twisted:
10. ni81 ( 02/12/2008 09:32)
tsy aleo ve ho faty any izay voan'ny sida eh
fa sao dia neverinao fa sitrapo daholo aza no nahavoan'ny sida ny olona rehetra? Nisy tsy fidiny no nahavoa ny sasany. 8O
11. sitlo ( 02/12/2008 09:37)
Ekena fa saingy zara fa misy izany.
12. tywa68 ( 02/12/2008 10:48)
Sipagasy : nisy fandaharana izay omaly t@ ARTE rah tsy diso aho d momban'ny kamboty any Ouganda, d mamela cahier de souvenirs mitantara ny fiainany zany ilay RAD mahalala fa ho fatin'ilay aretina, mba hahafantaran'ilay taranaka rehefa tsy eo intsony r'izareo, ny tantarany ! tena mampalahelo aloha ny afrikana @ fahantràna e ! ny fanafody tsy laitra ho vidiana, ny kapôty zany aloha efa mba nekeny ihany satria be ny ONG manome moa efa nampianarina handà firaisana koa ny vavy k d midrikina mampanao kapôty, fa mbola be ny lahy mazan-doha tsy te hiova pratika e !) Ka enga anie ka hampisokatra ny mason'ny sasany ny loza hita etsy sy eroa !
13. fitiatantely ( 02/12/2008 11:24)
sida v? ny fomba fiarovana mahomby indrindra de ny mitandrina @ zvtr rehetra mety mahatonga azy,ts ny firaisana ara-nofo ihany no mahatonga an'io fa ny fitaovana ts azo antoka koa, ohatra: any @ hopitaly na dokotera ka mba mailo ihany; raha sanatria marary ka ts maintsy mitsindrona dia aza manaiky raha ts seraingy vao2 no ampiasina, raha fitaovana hafa dia asaivo dorany @ alcool, rehefa any @ mpanety dia lame vaovao,sns... aleo mitandrina fa sao vokatry ny hadalan'ny hafa no ahazahoanao aretina ts fidiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3838