Raise your voice
1. deric
(
24/11/2008 08:15)
Mba lasalasa ihany ny saiko na dia mahafinaritra aza ilay izy. Tsara ny raise Your voice fa mampisongadina ny fiderana ny Nahary ary mampisongadina koa ny talentan'ny gasy amin'io fiderana Azy io.
Ny maha lasa ny saiko dia betsaka no tsy mankasitraka ny dihy sy ny fampanenoana zava-maneno maro be, ny fitehafan-tanana, sns... Any amin'ny Sekta (pentekotiste) mantsy no ahitana an'izany.
Fa iza moa no deraina ao amin'ny Raise your voice, ataoko fa ilay NAhary ihany, ary iza irao mpidera ireo...
Ny tiako hgambara dia hoe tafakatra sy mahazo laka ao amin'ny Raise your voice ny fomba fanaon'ny Sekta. Satria tsy Sekta no manao azy io dia mahafinaritra fa raha io nataon'ny sekta dia efa betsakana no nanakiana fa tsy mendrika ireny fiderana mandihindihy irany fa aleo mijery Jaojoby na Rossy.
Misaotra an'ireo Sekta aloha namaky lay tamin'ny fomba fiderana na dia tsy tsy misy sahy milaza izany aza. amin'ny foko tsy miangatra no anehoako hevitra eto.

novalian'i naritsimba ny 18/12/2008 06:24
2. fahamarinana
(
24/11/2008 11:05)
:arrow: ka amiko manokana aloha dia samy manana ny fomba sy itiavany mitondra ny hira ny fiangonana tsi11 : gouts daholo izany sy fahazarana koa ny an'ny sasany ary tsy misy hoe tsara na ratsy fa ny fiderana an'Andriamanitra 3 en 1 no tena izy indrindra.Efa betsaka no mihitatra amin'io mampiasa zavamaneno hafa io,ny dihy aloha raha ny aty aminay dia tsy misy afatsy ny hoe mirona a gauche,a droite dia tsy aketsika eo am-pitoerana ihany koa.Mbola ho avy ilay andro angaha fa mety amiko koa nefa ilay tahaka izao. (l)
3. Lejoba
(
24/11/2008 12:09)
Tena ara-tSoratra Masina tsara daholo na ny dihy na ny hira na ny tehaka, ny zavamaneno isan-karazany. Manaporofo izany indrindra ny Salamo. Fa ny fivavahana miombon-kevitra @ i Luther sy Calvin, ie, Loterana, Reformée = FJKM, Batista biblika no tsy dia mahazoazo ireo satria niala t@ fombafombam-pivavahana teo @ Eglizy Katolika izay noheverina ho nanjary fombafomba sisa fa tsy avy @ fo intsony. Dia teo koa ny fitaizàna anglisy izay somary mimpirimpirina, feno interdits sns. Ny tahotry ny ho jejojejo...
Ny tendances évangeliques indray mahita fa matimaty loatra izany dia nanjary mafana be toy ny hita matetika @ izao fotoana izao.
Fa ny tsapa aloha dia ny tanora dia saika izay no manentana azy indrindra ary tsy manakana ny sincerité-ny sy ny fiombonam-pony @ Andriamanitra mihitsy izany eh.
Faharesen-dahatra no tsy mitovy. Eo koa ilay protectionisme diso toerana matahotra perte d'identité : ny antsika ihany fa tsy manao ny fanaon'ny hafa. ^:^ =D> ^:^

4. niryna
(
25/11/2008 16:28)
marina ny teninareo ,samy manana ny fiderana an'Atra ny rehetra ka isika tsirairay ihany no erany sy izay fiangonana notaizana antsika sy misy antsika,Atra miandry antsika hidera azy ,hankalaza ny anarany ary hihira amin'ny lokanga sy valihy .
Atomboy eto ary izany fiderana an'Atra izany
http://www.youtube.com/watch?v=Vnqb7Vn4AEE
- Open the eyes of my heart
http://www.youtube.com/watch?v=GUQ2RbZAySs&feature=related
Lord I Lift Your Name On High (with lyrics)
http://www.youtube.com/watch?v=6WOzF9ZGA7A&feature=related
- Shout to the Lord: American Idol 10 April 2008 [HD]
Andramo ny midera ny anarany amin'ny apnga sy valihy fa ho hitanao izany fifaliana,misinda ny fahoriana ,ny alahelo ,ny fahatezerana .
(l) niryna

5. fijo
(
25/11/2008 22:18)
amiko rah amisy zavatr atiako sy hajaiko,dia azoko hanehoan afanajana azy daholo izay fihetsika maneho hafaliana rehetra,na hira,na tehaka ,na dihy.
za tsy mino ,fa raha misy mpino faly sy mandihy hanajany ny zavatra tompoiny,tsy itako izay hanaratsiana izany.
fa dia hitanondrika lava ve hanehoana azy hoe tia azy??????

6. prime
(
26/11/2008 11:38)
Saiky nambarako ny hevitro, hay efa voalazan'i Lejoba avokoa...
Izaho FJKM fa io anisan'ny fahalemenay... nefa efa manomboka mifoha ny fiangonana ka tsy voafatotry ny fomba intsony...
Mahereza daholo...

8. ikaretsaka
(
28/11/2008 02:50)
Fa ny fivavahana miombon-kevitra @ i Luther sy Calvin, ie, Loterana, Reformée = FJKM, Batista biblika no tsy dia mahazoazo ireo satria niala t@ fombafombam-pivavahana teo @ Eglizy Katolika izay noheverina ho nanjary fombafomba sisa fa tsy avy @ fo intsony. Dia teo koa ny fitaizàna anglisy izay somary mimpirimpirina, feno interdits sns. Ny tahotry ny ho jejojejo...ny tena mahagaga amin'io dia ny Kato any aza avy eo no tena nainka mihinjaka koa ..
http://www.youtube.com/watch?v=KFjh9CnjzDY&feature=related
http://www.youtube.com/watch?v=3G_lbXixZpA&feature=related
ohatra
10. deric
(
29/11/2008 07:56)
Misaotra anao efa nandray anjara teto; tsy mpomba ny atsy na ny aroa aho, mbola mandalina izay tena tokony harahiko.
teto amin'ity serasera ity mantsy no tena nahitako tsikera be tamin'ireo fiangonana mandihy sy mitehaka; raha mbola io ihany no tsikera lazaiko.
mazava amiko fa rehefa atao hanompoana ilay izy dia fomba tsara, rehefa vokatry ny fo dia amin' le izy.
misaotra.

11. ikaretsaka
(
29/11/2008 21:00)
nisy resaka nataon'i lefijo momba io comportement am-piangonana io (niampy sary ) indray andro izay
za moa efa ao anatin'io fiangonana mandihy sy mitehaka sy mifandray tanana sy mandohalika io ka tsy manan-kambara tsotry

12. andrywui
(
09/12/2008 15:54)
ty kou ane n ten blem e!tena ra mamaky tkou ao amin salamo 150 de tena oe miderà azy amin ampongatapaka sy ny dihy ampongatapaka=batterie,de amin'ny zavamaneno tsofina (sax,trompet,flute)..de amin zavmann mis tadiny glita sy ny bass kabosy;;..fa izao eizy io somary nisy nodian'ireo razmbentsik FFKM tsy hita na nadaboka fa mety gidragidra be loatra, de oe aleo ranga adaboka any iret fa organ iany ah..de nef ndray le sekta nanaraka tsara anle izy de nanao eo vao tonga saina iska taty oe aon zany zay vo niditra amzay!!!otrotrzay n fahalalalk azy oa!!
13. xxx
(
09/12/2008 15:58)
marina zany ra andrywui fa maninona kosa ary no mody odiana fanina zany ny ao anaty baiboly etokony tanterahana daoly kosa ze voasoratra fa sao de isika indray no tena ataon'ny sekta oe tena sekta,fa atelindry le rony ane zany nysasany e
14. andrywui
(
09/12/2008 16:02)
slt ra xxx mbol ten tantr be io resk manatelin kozinao io ra halalin fa aleo
mb hitsar tena kos marin zany ry mopera ,sy ry dapasy fa oaina be isika ra haka tahaka foan ny ataon sekta e,otrizay kou le mametratanan amin marary ef roso koa zao isika manasitran nefa taloha tsary nanao anzany,ka metrizeo tsra izy ao ry papa isany ao fa mahamenatra

15. ikaretsaka
(
09/12/2008 17:35)
andrywui:
ty kou ane n ten blem e!tena ra mamaky tkou ao amin salamo 150 de tena oe miderà azy amin ampongatapaka sy ny dihy ampongatapaka=batterie,de amin'ny zavamaneno tsofina (sax,trompet,flute)..de amin zavmann mis tadiny glita sy ny bass kabosy;;..fa izao eizy io somary nisy nodian'ireo razmbentsik FFKM tsy hita na nadaboka fa mety gidragidra be loatra, de oe aleo ranga adaboka any iret fa organ iany ah..de nef ndray le sekta nanaraka tsara anle izy de nanao eo vao tonga saina iska taty oe aon zany zay vo niditra amzay!!!otrotrzay n fahalalalk azy oa!!
Ny kato tany @ ambanivohitra.... raha ny tany @ tanana dia efa elabe no nampiasa izay hitany rehefaq mihira ka. De raha any amintsika manokana aza dia ireo fiangonana kely izay nisaraka t@ protestanta no naka ny fombandreo rehefa tsy hitany izay mahaaratsy azy
16. naritsimba
(
16/12/2008 05:25)
Araka ny nolazaiko hatramin'izay, dia FJKM ny fiangonana misy ahy.
Tany @ taona 1990 tany ho any dia nannomboka nampihatra ny voalaza tao @ io salamo faha 150 io ny FJKM Ambohipo, niteraka ady hevitra teo anivon'ny foibe FJKM ny nampidirana ny resaka dihy sy ny zava-maneno isan-karazany tao anaty fotoam-pivavahana. Ny taona 1994 dia tena nitokana mihitsy ny sampana mpanao dihy sy vaka-drazana ara-pilazantsara, ny taona 2004 dia anisan'ny nanokatra ny Sinoda lehiben'ny FJKM tao @ FJKM katedraly Analakely ny tenako ary tena efa nomanina mihitsy fa dihy vako-drazana no atao saingy voarara tsy azo nanaovana an'izany tao @ io FJKM Analakely io.
T@ famaranana hetsika JKM teo Mahamasina dia nisy ilay hira hoeHANDIA LALANA VOLAMENA AHO, fa sady nitarika ny dihy no nanentana ny Pastera Rakotobe. Ny mahatonga ahy hanao ireo fanazavana ireo dia mba hitarihana ny saintsika hoe misy ny mankasitraka fa ao koa ny mbola tsy mankasitraka fa mbola mitana ilay fomba teo aloha. tsy indray mandeha izahay no tratran'ny fandrarana toy izany raha nikasa ny hihira sy handihy fa efa nisy fiangonana maromaro. Io dia miankina @ ilay Pastera mitondra ny fiangonana ihany, ao ny te hiova sy te hanaraka ny voalazan'ny Soratra Masina fa ao kosa ireo te hitana ny fomba mahazatra (conservateur). koa dia antsika no mandinika. izaho dia mety amiko daholo ary hajaiko ny fomban'ireo fiangonana hafa, efa niangonako ny Mormon, EKAR, Loterana, sns.
Ny tsotra dia : Tano mafy izay anananao... fa aza manaratsty ny hafa.

17. ikaretsaka
(
16/12/2008 16:56)
Tsy azoko...raha milaza ny tsapa sy manao fampitahana ve de manaratsy no filaza izany?
Raha miteny ve ohatra hoe ny vadin I naritsimba mitafy lamba de ampitahako @ vadin I fijo mitena akanjo ohatra de raha miteny aho hoe milay le lamba de manaratsy ny vadin'i fijo no dikany?
Amiko manko de remarqque ohatran ny remarque rehetra io ka ny soa fianatra

18. andrywui
(
17/12/2008 13:01)
misy mahaliana ahy io tenin'ny naritsimba io!! kay ve efa nisy adihevitra be io salamo150 io tany aorina be tany e!! ary le oe manasitrana ny marary reny ndray kou zao aona ry naritsimba ? satria itako ny FLM efa tena mirona be any aminio fanasitranana io ny mpiandry!! nefa isika aty amin'ny FJKM kou toa otran'ny mitazana fotsiny amizao?? aveo lasa alou fona ndray ny sekta de zay vo manara-drenirano kely ety afarafara ndray!! fa misy betsaka ny teny soratra masina oa no otran'ny atelina zany fona refa mamaky tsara ny baiboly!! asa naninn loatra ary ireo olona taloha no natahotra sy namafa ny teny sasany ???
19. ikaretsaka
(
17/12/2008 17:50)
Ka izay ny defots an'ilay mitsimpona teny ao anaty baiboly sy miantehitra @ io fotsiny anie e:
Matetika dia izay tiatiana sy manohana ilay firehana no avoitra

20. naritsimba
(
18/12/2008 06:24)
ikaretsaka>> tsy ise no manaratsy akory, mety ilay valiteny nosoratako taorian'ny nanoratan'ise no nahatonga an'ise nisaina izany, ny tiako lazaina dia izao, misy ny mankasitraka ary misy ny tsy mankasitraka, mahagaga dia raha vao tsy mankasitraka ny zava-misy ny olona iray dia fanaratsiana no lazainy, ohatra azo raisina ilay miteny hoe, sekta izay tsy ao anatin'ny FFKM, samy manana ny fomba anehoany ny finoany ny rehetra, izaho dia manaja ny finoan'ny hafa ary ekeko tanteraka ilay manao fampitahana.
andrywui>>> tena efa nisy ady hevitra tokoa io ary nanahirana ireo finoana tonga voalohany teto M/kara ny nanaiky ny fandihizana sy ny fampidirana zava-maneno hafa ankoatran'ny orgue tany am-piangonana. Toy izany ihany koa ny Kabary izay tsy azo natao tany anaty fiangonana ary tena voasoratra tao anatin'ny foto-dalànan'ny FJKM noho ny fiheveran-diso fa ny kabary dia fanaon'ny mpanompo sampy, saingy @ izao fotoana dia ny fiangonana mihitsy no maro an'isa @ fampianarana ny Kabary ary tsy anavahana fiangonana fa dia misy daholo ny ankamaroan'ny fiangonana eto Madagasikara, tsara ny manamarika fa anisan'ny Kabary ange ireny toriteny ireny, ary tena kabary tsy valiana tokoa.