lasan'ny Akademia ny Atsika ny tompondaka

1. ravatorano ( 24/11/2008 05:10)
Kitra – Tompondakan'i Madagasikara

Norombahin'ny Akademia Ny Antsika ny amboara

Tsara fanombohana ry Ibrahim tamin'ity lalao ity, izay nahay nifehy ny baolina
8 taona aty aorian'ny nitsanganan'ilay toeram-panofanana baolina kitra an-dry zareo Akademia Ny Antsika tany Antsirabe dia lasany ihany ny anaram-boninahitra ambony indrindra teto Madagasikara, teo amin'ny taranja baolina kitra. Taorian'ny andro farany teo amin'ny «Poule des As», natao ny faran'ny herinandro teo tokoa mantsy, dia nanana isa 9 izy ireo, tsy resy mihitsy tamin'ireo lalao 3 nataony, ka nahatonga izany anaram-boninahitra izany. Raha hiverenana ny lalao omaly, tetsy Mahamasina, teo amin'ny fihaonan'ny Akademia sy ny Adema, izay famaranana kely mihitsy dia nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 2 noho 0 ny ekipan'Antsirabe, tamin'ny alalan'ny baolina tafiditr'i Mika(7') sy Carolus(72'). Hita ho tsara fanombohana ihany ry Ibrahim sy ry Lanto tamin'ity lalao ity, izay nahay nifehy ny baolina ary tena sahirana mihitsy ry Guy Beloha sy ry Tojo nanakana ny fanafihana nataon'izy ireo, samy nampiseho ny traikefany ihany koa ny mpanazatra tamin'ny fampijoroana ireo mpilalao, saingy ny an-dry Rivo no nahomby, izay tsy nampijoro an-dry Tovo voalohany, na dia nampiditra an-dry Rahery sy ry Thôlix kosa anefa ry Franck dia tsy nety nahita hirika intsony, ary dia io isa 2 noho 0 io ihany koa no nisarahana taty amin'ny fe-potoana ara-dalàna. Isan'ny tena andrasana izany ny mety ho fihaonan'ny Akademia ny Antsika Tompondakan'i Madagasikara sy ny Jssp Tompondaka Renioney, misy an-dry Bolida sy Yvan, eo amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika, amin'ny volana janoary.
Rabenaivo
gazetiko
24/11/2008
2. Ralay ( 24/11/2008 06:04)
Dia arabaina izany ny Akademia sy izay avy any antanàna nisalotra ny anarana tompondaka. Tsara tohana t@ ovy sy ny ronono ry zalahyizany :lol:
Misaotra nampita vao² ry akama milay.
3. ravatorano ( 24/11/2008 10:51)
atahorako ihany ry zandrikelin'Antsirabe ireo amin' izy solotenatsika hiady ny champion'sleague afrikanina kle! mbola boaikely loatra zalah ary U20 no sahaza azy, mino aho fa hanao izay ho hafany ry zalahy ary hampitombo ny vovok'ainy fa goavana ange ny afrikanina atsy anilatsika atsy e !
4. ikaretsaka ( 24/11/2008 23:44)
marina ny tahotr'i Ravato ary iraisako aminy! ohatran'io ange ny st michel t@ andron-dry baolava e..
ireny koa mbola boaikely mpianatra aby ny ankamaroany...
fa ho hita eo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1941