Ny fiangonana xana sy ny famelan-keloka

21. ikaretsaka ( 25/11/2008 22:41)
Ka za lo ao anatin ny ignatian e. :D marina izany, sady zahay. Manana pape noir na d zany aza
22. rabilabila ( 25/11/2008 22:47)
de aza loyoliste noho ignace aza e!! :wink:
23. ikaretsaka ( 26/11/2008 01:03)
Ny maha samihafa azy ko rabila de ra inasy mba manazava ny antony oe tsy fanao na fanao ny zao satria zao. Fa le amzao fotsiny tsy mazava
24. prime ( 26/11/2008 12:05)
rakapy> Tsy azoko loatra ny tianao ahatongavana... iza avy ireo fiangonana nanameloka an'i J. Lennon? tamin'ny fomba ofisialy sa ilay fomba fijery tsy itoviana fotsiny?

Raha i Vatican no nanameloka dia vita izany ny anjarany ka tsy hitako ny olana... aza heverina ho mitovy hevitra amin'ny Vatican avokoa ny fiangonana kristiana rehetra (fantatrao tsara izany fa fampatsiahivana fotsiny)

Raha ny fahefana hamela heloka sy hitsara dia azon'ny fiangonana atao izany saingy misy fepetra maro ananaran'i Kristy ny momba izany... ary raha ny fampianaran'ny Tompo aza dia mandrara mihitsy ny tsy hitsaràna raha azo atao saingy tsy manakana izany velively satria Izy ihany koa no niteny hoe : "Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina." Jaona 7:24

Ny famelan-keloka koa dia mbola misy fepetra maro tsy tambo isaina fa tsy mandeha ho azy... novidian'ny Tompo tamin'ny ainy sy ny ràny izany ka tsy mandeha ho azy velively... anisan'ny fepetra voalohany ohatra (tsongaina fotsiny ity fa tsy fahatanterahany akory) dia ny fifonan'ilay nanao heloka ka ibebahany amin'ny nataony amin'ilay nanaovany heloka...

Fanontaniana mipetraka, nifona tamin'ny Vatican angaha i J. Lennon ka nahafahan'ny Vatican namela heloka (Vatican angamba no manana ny valiny amin'izay)? (dia raha alefa amin'ny lohahevitra amin'izay ny resaka) nifona sy nibebaka tamin'ny nataony angaha i J. Lennon tamin'ireo fiangonana tsy faly noho ny nataony?

Famehezana ny voambara, mahaliana ity resak'i Rakapy ity saingy resa-poana sy eritreritra mandeha fotsiny raha tsy miditra lalina amin'ny atao hoe finoana kristiana, fahefan'ny fiangonana, famelan-keloka, Jesosy Kristy...

Minoa an'i Jesosy Tompo... :)
25. ikaretsaka ( 26/11/2008 13:28)
Aza wawawavana fotsiny le izy raprime fa ataovy a
Tsy ny toriteny & tsimpona sy ny voasoratra hoe ....... momban'ny famelankeloka no mahavela heloka fa ny action mamela tokoa
26. coopsal ( 26/11/2008 16:38)
rakapy:
irery izao no efa namela eloka an'i Lennon amin'ireo

==> Zah ry ise tsy nanameloka an'izany John Lennon izany akory, ary tsy afaka hanameloka na iza na iza aho!
Hoy ny voasoratra:
1- "Tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'i Kristy"
Ny dikan'izany amiko dia izao : na iza na iza ao @ Kristy dia voalohany tsy voaheloka @inona na inona izy, voalohany ex-aequo tsy manameloka na iza na iza izy.

2- "Ny Zanaka (Kristy) tsy tonga teto amin'izao tontolo izao hanameloka azy! Fa ny mba hamonjeny azy".
Ka ilay Kristy inoako tsy manameloka na iza na iza, fa mamonjy izay meloka!
27. ikaretsaka ( 26/11/2008 17:55)
Ka tsy I coopsal manokana ange ny sijet eto e!

Fiangonana xtianina hono
28. rakapy ( 26/11/2008 20:23)
Aza raisina ho anao personnel ilay izy Ra Coopsal !
Prime> vakio ery ambony fa efa nosoratako ery ambony ilaya afanotanianao hoe iza ireo fiangonana.
Ny hoe efa nifona t@ fiangonana ve i JL .Izay aloha dia tsy fantatro? Fa ny fijeriko azy dia zavatra tsy misy tokony hifonanany ilay fiapangana satria dia zavatra tsy misy antony no niapangana azy.
29. fijo ( 26/11/2008 21:11)
inona moa no tokony hifonany????tsy azoko mihintsy.za ve rah ahiteny hoe :"za koa mahay mitarik aolona hoatra an'i jesoa"dia tokony hifona amin'iza???
30. rakapy ( 26/11/2008 23:06)
Zay mantsy!
31. prime ( 27/11/2008 11:51)
ikaretsaka:
Aza wawawavana fotsiny le izy raprime fa ataovy a
... :-D
ikaretsaka:
Tsy ny toriteny & tsimpona sy ny voasoratra hoe ....... momban'ny famelankeloka no mahavela heloka fa ny action mamela tokoa
... :-D Mamela inona sy helok'iza??? tena nisy angaha ilay heloka ry zezoita namana??? :oops: :-D
Rakapy:
Prime> vakio ery ambony fa efa nosoratako ery ambony ilaya afanotanianao hoe iza ireo fiangonana.
Ny hoe efa nifona t@ fiangonana ve i JL .Izay aloha dia tsy fantatro? Fa ny fijeriko azy dia zavatra tsy misy tokony hifonanany ilay fiapangana satria dia zavatra tsy misy antony no niapangana azy.
... (Ialako tsiny fa hay efa nambaranao tokoa hoe iza ireo fiangonana...)

Ka izay no nahatonga ahy niteny hoe mba alalino aloha ny atao hoe famelan-keloka fa tsy mandeha ho azy izany io... novidin'i Kristy tamin'ny rà latsaka izany ary namoizany ny ainy teo amin'ny hazofijaliana ka tsy mandeha ho azy araka ny tianao resahana...

Averiko indray, ny mahazo famelan-keloka dia izay nino sy nandray an'i Kristy ka nanetry tena nifona sy nibebaka Taminy ary nitalaho Taminy mba havela heloka sy hositraniny... raha tena nanana heloka i J. Lennon ("ce qu'il fallait démontrer" ozy ilay razokibe izay) ka te-hahazo famelan-keloka dia, moa nandalo ireo lalana ireo??? hummm... ary ny tena fototra ny amin'ny famelan-keloka, raha ny nampianarin'i Kristy dia amin'ny "fahavelomana" mandalo izao no ifonana sy ibebahana ka angatahana izany amin'ny Tompo, fa raha aorian'izay dia tsy misy famelan-keloka intsony ho an'ny any an-koatra... (fanoharana momba an'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena, Lioka 16:19-31)
32. ikaretsaka ( 27/11/2008 14:44)
ka tsy nijanona @ hoe nandatsa dra ange kristy de voavela heloka ny population e!

ko raha tsy iznay tsy tena higafy aby ny olona hanao ny ataony de avy eo de hoe za tsy meloka intsony fa efa afaka madiodio t@ Xty nandatsa-dra ka!

aoka letsy le
33. prime ( 28/11/2008 11:44)
ikaretsaka> :-D Tena mahagaga ilay famakianao ny hevitra an... mahereza e... :)

Ho an'ikaretsaka manokana (averina indray) :
Averiko indray, ny mahazo famelan-keloka dia izay nino sy nandray an'i Kristy ka nanetry tena nifona sy nibebaka Taminy ary nitalaho Taminy mba havela heloka sy hositraniny... raha tena nanana heloka i J. Lennon ("ce qu'il fallait démontrer" ozy ilay razokibe izay) ka te-hahazo famelan-keloka dia, moa nandalo ireo lalana ireo??? hummm... ary ny tena fototra ny amin'ny famelan-keloka, raha ny nampianarin'i Kristy dia amin'ny "fahavelomana" mandalo izao no ifonana sy ibebahana ka angatahana izany amin'ny Tompo, fa raha aorian'izay dia tsy misy famelan-keloka intsony ho an'ny any an-koatra... (fanoharana momba an'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena, Lioka 16:19-31)
... Ary mbola ho an'ikaretsaka ihany :
... Mamela inona sy helok'iza??? tena nisy angaha ilay heloka ry zezoita namana???
34. ikaretsaka ( 28/11/2008 16:17)
De raha izany nge de vo mainka hoe tsy tokony hisy kristianina intsony any @ prison e vo tratra de oe za kristianina de afaka madiodio

Ataovy serieux hoa
35. fijo ( 28/11/2008 22:35)
izany hoe izao e,ny tian'i prime lazaina dia hoe,mila mibebaka sy mifona aloha vao mahazo famelankeloka.
ekeko izay ry prime,
fa raha ity resaka eto ity anie,toa avy dia nanome tsiny aloha ireo fiangonana voalaza e.avy eo ny kanto namela ilay tsiny nomeny.
aza hadino,fa izy no nanome tsiny,fa tsy fantatra na nisy tokoa ny tsiny na tsia.
toa izay daholo ireo fiangonana hafa.(nanome tsiny)ka raha tsy hay ve hoe nisy marina ilay tsiny sa tsia,tsy aleo ve sintonia ilay tsiny nomena maimaim poana?io no hiadiana hevitra ngamba
36. ikaretsaka ( 28/11/2008 23:29)
Izay mantsy
37. rakapy ( 29/11/2008 04:01)
Hoy i Prime
Ka izay no nahatonga ahy niteny hoe mba alalino aloha ny atao hoe famelan-keloka fa tsy mandeha ho azy izany io... novidin'i Kristy tamin'ny rà latsaka izany ary namoizany ny ainy teo amin'ny hazofijaliana ka tsy mandeha ho azy araka ny tianao resahana...


Ka tena marina ny voalazanao. Fa tokony handalina ny "FANAMELOHANA" koa angamba aloha raha toa ka sarotra ny mamela heloka? Ny tiako ho lazaina dia hoe tokony handanjalanja aloha vao manameloka!
38. prime ( 01/12/2008 08:26)
Rakapy> Tena izay mihitsy... mandinika tsara vao mitsara, manameloka, ary mitondra ny tenin'Andriamanitra sahaza, satria tsy ilay fanamelohana no "finalité" fa ilay famonjena... mba ibebahan'ilay "meloka" ka ananany anjara amin'ny fiadanana ao amin'Andriamanitra... Itoviako hevitra tanteraka ianao fa izay nanameloka tokoa dia tokony nandalina tsara mialoha... =D>

fijo> Tena azonao ny votoatin-dresaka... ka nisy tokoa va ny fahamelohany? izay no tena fanontaniana... ary raha nisy tokoa (mbola mila porofo hoy aho), dia nibebaka va izy? (eo aza no tena olana)

ikaretsaka> miverena mamaky tsara fa tsy mahazo resaka mihitsy ka mandroso, mihemotra, tsy misy hevitra loatra ilay ambaranao... :lol:

Ianao aza no tokony hitondra fanampim-panazavana ny amin'ny antony nahatonga ny eglizy hamela heloka olona efa maty am-polo taonany ka toa ianao indray no mandika ny fanapahan-kevitry ny eglizy amin'ireto ambaranao... mitombina avokoa ny fanamarihan'i rakapy raha izao fomba famalinao izao, hoe toa tsy misy hevitra mazava tokoa ny kristiana ary tsy hita hoe ahoana, fa androany manameloka olona tsy fantatra hoe tamin'ny inona tsara, rahampitso mamela heloka olona tsy nibebaka ary tsy nifona sy tsy nanatona akory... hummmm :roll:
39. fijo ( 02/12/2008 21:49)
prime an,ka izay mihintsy,rah atsy hay hoe tena nisy ve ny heloka,naninona no nanome tsiny?ary rah aizya no izy,maninoa rah atsoahina ilay tsiny
40. prime ( 03/12/2008 12:34)
fijo:
prime an,ka izay mihintsy,rah atsy hay hoe tena nisy ve ny heloka,naninona no nanome tsiny?ary rah aizya no izy,maninoa rah atsoahina ilay tsiny
aho:
fijo> Tena azonao ny votoatin-dresaka... ka nisy tokoa va ny fahamelohany? izay no tena fanontaniana... ary raha nisy tokoa (mbola mila porofo hoy aho), dia nibebaka va izy? (eo aza no tena olana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078