Ny fomban'ny Ntaolo mifandray @ testamenta taloha
1. badboy
(
23/11/2008 08:48)
Ny sorona (biby alatsadra dia dorana) , ny finoana ny zanahary tokana (créateur), ny fahatahorana ny zanahary tokana, ny finoana ny fisian'ny fiainana any ankoatra dia efa nisy talohan'ny nahatongavan'ny mpanjanatany ary misy ao anaty testamenta taloha!!
Dia ny mahagaga anefa fa ireo no lazaina fa finoanoampoana!!
Marina fa misy ny testamenta vaovao, ary tsara ny mahalala ny fisiany sy ny tena tiany ambara, fa tsy midika akory izany fa ninonino foana ny ntaolo taloha!!
Rehefa alefa lavitra aza dia ny vahona, izay tsy maniry afatsy eny ambony fasana, dia nolazaina fa odigasin'ny dadarabe sy mpamosavy. Izao anefa io no ifandrombahana satria hita ny vokany izay tena tsara. Tahak'izay koa ny mandravasarotra. Ka hoy aho hoe sao dia ireo mpanano tsinotsinona ny fahaizan'ny ntaolo no tena minomino foana satria tsy fantany akory izay inoany??? :^) :^)

répondu par fijo le 02/12/2008 21:58
2. ni81
(
23/11/2008 17:33)
Rehefa alefa lavitra aza dia ny vahona, izay tsy maniry afatsy eny ambony fasana, dia nolazaina fa odigasin'ny dadarabe sy mpamosavy. Izao anefa io no ifandrombahana satria hita ny vokany izay tena tsara. Tahak'izay koa ny mandravasarotra. Ka hoy aho hoe sao dia ireo mpanano tsinotsinona ny fahaizan'ny ntaolo no tena minomino foana satria tsy fantany akory izay inoanyTsy marina ny voalazanao fa ny vahona dia tsy maniry afa tsy eny ambony fasana ihany. Ny olona no namindra azy eny araka ny nolazainao fa hoe ody gasy angaha.
3. deric
(
24/11/2008 07:58)
Na dia tao amin'ny test taloha aza dia nisy namono biby sy nanao sorona alatsa-dra, nefa voalaza fa nanompo sampy.
Aza mihonana am-bolony moa e!
Aza mihonana am-bolony moa e!
4. coopsal
(
24/11/2008 12:17)
Misy hadinon'i badboy!
1- Nanana ny ohabolana koa ny Ntaolo Malagasy, izay mitovy @ Didy folo sy karazam-pahendrena rehefa tena dinihina. Ohatra,
ntaolo : Tsongoa fon-tena tsongoa fon'olona
baiboly : Izay tsy tianao atao aminao dia aza atao amin'ny hafa, izany no lalàna sy mpaminany (=Torah = Didy folo).
==> Mitovy ireo roa ireo raha ny fijeriko fa asa aminareo.
Ntaolo : Raha marary ny molotra, manafosafo ny tanana, raha marary ny tanana, mitsotsoka ny molotra.
baiboly : Ny maso tsy afaka hanao amin'ny vava hoe "tsy mila anao izahay", ary ny vava tsy afaka hanao @ tongotra hoe "ianareo tsy ilainay". Fa ny tena iray dia fifangaroan'ny taova maro samihafa.
2- Nanana fomba fampitana lesona mitovy @ ambaran'ny baiboly koa ny Ntaolo. Ohatra,
ntaolo : angano sy arira
baiboly : fanoharana, tantara.

5. xxx
(
24/11/2008 15:45)
I coopal vemino izay voalaza ao anaty baiboly , na ilay Andriamanitra voalaza ao
6. niryna
(
24/11/2008 17:46)
coopsal:

mazava be
^:^ =D>
7. ikaretsaka
(
24/11/2008 23:07)
baiboly : Ny maso tsy afaka hanao amin'ny vava hoe "tsy mila anao izahay", ary ny vava tsy afaka hanao @ tongotra hoe "ianareo tsy ilainay". Fa ny tena iray dia fifangaroan'ny taova maro samihafa.
dia ahoana le ao @ Baiboly hoe raha ny tanana ...no misakana anao tsy ho any dia tapaho?
8. rakapy
(
24/11/2008 23:12)
Dia ao koa ilay hoe: Raha ny finoanao an'i jesosy no manakana anao ho any , dia tapaho any koa izany" :-D :-D :-D
9. naughtyboy
(
25/11/2008 11:08)
le resaka vahona de maniry refa tany azony aniriny nefa manana ny virtue manokana izy io @ fanandroana malagasy toy ny fanidy @ fasana refa misitona olona betsaka loatra na vao manorona fasana ny olona 1...tena niainanay akaiky izany refa be ireo raimpianakavina maty nisesisesy tao @ fianakams ary kristianina daoly nefa reo olona ireo..
10. badboy
(
25/11/2008 17:59)
Ny maso solon'ny maso, ny nify solon'ny nify : alohan'ny hahatongavan'ny misionera hitondra ilay vaovao mahafaly dia efa teny iainan'ny malagasy ireo!!
Ka tsy ny noentin'ny misionera no tena tsara fa efa nanana ny mahaizy azy ny gasy!! Ary fahiny ny dadarabe dia tahaka ny mompera na pasitera saingy miampy dokotera : mitsabo sy mankahery, manala ny tsy nety natao @ fombafomba isankarazany izay tahaky ny ataon'ireo izay mametratanana na mampikonfesy....
Ka tsarovy hendry nohon'ny pasitera @ zao ny ntaolo taloha!!!!

11. fijo
(
25/11/2008 22:30)
ny ahy letsy dia tsoriko ho toa izao an,ny tena finoana tsara dia ny finoana manaja ny natiora.ary ireo finona rehetra ireo taloha dia izay no fotony.saingy tonga le hery lehibe iray mandrava ny rehetra"vola"ka dia nihondrika daholo ny finona nisy fahiny.
12. rabilabila
(
26/11/2008 09:44)
-Maro dia maro ireo vondron'olona eto ambonin'ny tany nanana ireo ninoany na natahorany ,nohon'ny tsy fahafantarany ny niavian'izato sy zaroa
-Maro dia maro ireo vondron'olona eto ambonin'ny tany nanana ireo lalàna nifehy mba hilaminan'ny fiaraha-monina , nisy ny nanampahaizany tany amin'ireo tany sasany ireo ka afaka nandrakitra an-tsoratra izany lalàna izany tahakan-dry zareo sumériens ,hébreo , grika ,sinoa , hindou, egyptiens,aztèque .............maro koa nefa ireo tsy nanana izany fahaizana manoratra izany izany fa lovantsofina no nampitana ny tantara tamin'ny taranaka ,anisan'izany ireo mponina toa ny ao Afrika sy ny ao Madagasikara.
-Maro dia maro ireo andriamanitra na hery tsy fantatra noforonin'ny mponina isan'isany ka ni-cohabiter toa ireo andriamanitr'ireo hittites ,amonites , assyriens , babyloniens ...........sy Yvwh raha ny tantaran'ny hebreo sy ireo mponina ireo no dinihina (izay marihina fa vondron'olona samy manana ny fombafombany kanefa géographiquement parlant mifanitsaka ).Nifandrafy ireo vondron'olona ireo ary betsaka ny antony (convoitise territoriale ................) dia amin'ny anaran'ny andriamaniny aby no nifanafika , ny tantaran'ny hebreo moa no tonga taty amintsika amin'ny alàlan'ny Torah (testamenta taloha amin'ny ankapobeny ) ary ahitantsika ny hasiahan'i Yvwh ,ny fahasarotam-piarony ,eny fa na ny habibiany mihitsy aza...........................
-Maro dia maro koa ireo andriamanitra noforonin'ny mponina isan'isany ka ni-cohabiter pacifiquement satria samy manana ny asany : ao ireo mitahy ny masomboly , ao ireo mitahy ny vokatra , ao ireo mitahy ny ady , ao ireo mitahy ny fitiavana ..............(ps ny vondrona katolika ,ohatra, manana ireo fomba firafitra ireo na dia tsy andriamanitra aza no iantsoany azy fa masindahy na masimbavy ka hatramin'ny mpitia sôsisô dia manana ny masiny ).................
Manana azy ireo isika Malagasy , tsy iza izany fa andriamanitra (lahy),andriananahary ( vavy),zanahary (zanany), izy ireo aza mbola superviseurs fotsiny sy contrôle qualité amin'ny faritra sasantsasany satria raha ny faritr'i Boina ,ohatra, dia misy ny zanahary ambony sy ambany , ny zanaharilahy sy ny vavy , ny zanahary andrefana ,avaratra,atsinanana,atsimo .
Raha ny faritra afovoantany dia misy ireo fianakavian'izy telo mianaka etsy ambony toa an-dRatomaramarana sy Ratomarafefy (zanak'andriamanitra ),Ratomarajibo,Rabodosienjanina ( zanak'anabaviny ),Rsaoakenokenona.
Raha ny faritr'i Vakinakaratra .
Amin'ny faritra sasany dia misy ireo karazan-janahary nanana ny asany aby : tao ny nanambatra ny taolana , ny naninjitra ny hozatra ,ny nanao ny nofo , ny nampitafy hoditra,ny nampikoriana ny rà ary ny nanome ny fofon'aina sy nahavelona.
.........................................................................................................
..........................................................etsetra etsetra..........................
Ny tiako homarihina amin'ireo ( izay mamaly koa ny fanontaniana ary ambadika momba ireo finoana maro) , dia samy nanana ny andriamaniny aby ny vondron'olona ,samy nanana ny fomba amam-panaony sy ny lalànany , betsaka ireo lalàna iombonan'ny sivilizasiona maro hatrany amin'ny fiandohan'ny zanak'olombelona ka ny ankabeazan'ireo lalàna ireo no mbola mampisy antsika aman'alin-taona taty aoriana. Ireo lalàna ireo dia avy amin'ny fahalalàna ny "tsara sy ny ratsy" sy ny fahendrena rehetra notovoizaina tao.Ary nanana ny naha-izy azy tokoa ny Malagasy tamin'izany .
Aza adino ny finiavan'ireo misionera tonga tany amintsika no nampi-disparaître ireo zanahary marobe nananantsika ,fa noraisiny i andriamanitra dia nataony nifanojo tamin'ny azy dia......(efa novelabelariko teto ), toa ny efa nataony tany amin'ny Incas sns..................................................
Fehiny:
-Ny andriamanitra ao anaty testamenta taloha dia andriamanitry ny hebreo fotsiny tany am-piandohana
-Ireo andriamanitra hafa ,ka ni-diparaître , dia na ringana tanteraka ireo vondron'olona mpino azy , na no-menacer-na izy ireo hanary ny azy ary hi-adopter ny an'ny mpandresy.
Quand on maîtrise son dieu ou leurs dieux , on maîtrise le peuple ,telle est la devise de tout conquérant depuis la nuit des temps.

14. fijo
(
26/11/2008 21:17)
mazava,izay no tiako nolazaina,fa ny ahy nofaranako amin'ny fahatongavan'ny andriamanitra vaovao di any vola.izya mahery indrindra amin'izao fotoana izao.
15. badboy
(
26/11/2008 23:53)
Lesona azo tsoahina @ io hevitr'i rabila io, izay mifandray @ tiako hambara, dia ny fahalalana ny tantara no ahafahana mahalala bebe kokoa ny fifandraisan'ny finoana sy ny fivoarany!! Ary tsy ny fomba finoana ampiarin'ny ankabeazan'ny mpilaza ho mpino @ izao no tena maripotitra fa mbola hisy fivoarany indray io tahaka izay efa nisy hatr'izay!! Ny tsy tokony ho adino fotsiny dia ny tena fahalalana ny tantara ihany no ahafahana miaro ny fomba malagasy izay maro no mbola tokony ho tazomina, ary misy ny tokony hivoatra!! ;-) ;-)
17. coopsal
(
27/11/2008 12:45)
Ikaretsaka:
dia ahoana le ao @ Baiboly hoe raha ny tanana ...no misakana anao tsy ho any dia tapaho?
==> Izaho mino fa satria Andriamanitra Fanahy, dia tanana ara-panahy izany ambaraNy izany (tahaka izany koa ny maso). Satria
"tsy mandova ny tsy mety lo izay mety lo" (ary ny tanan'ny nofo tsy afaka handova mihitsy ny paradisa).
Ilazako zavatra inoako i Ika (sy ny namana hafa).
Izaho mino, fa tahaka izay nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty (ka nesorina taminy vatana mety lo fa nosoloina vatana incorruptible izy), dia toy izany no hananganana ny mpino Azy rehetra any am-parany. Homena corps incorruptible ny âme rehetra izay nino.
Tsy mbola hitako akory izany zavatra teneniko izany, fa ny porofo inoako an'izany dia ny porofo ahafantarako ka inoako fa velona Jesosy ary miteny @ olombelona amin'ny alalany (irery) Andriamanitra.
18. ikaretsaka
(
27/11/2008 14:20)
Tsara raha vakian' I coopsal hatrany amboalohany alohany naahatonga ahako nilaza an' io sy ny point tena tiako hahatongavana cf.hafatra no.6
19. coopsal
(
28/11/2008 11:09)
xxx:
I coopal vemino izay voalaza ao anaty baiboly , na ilay Andriamanitra voalaza ao
==> Eny, mino aho ankehitriny, hatramin'izay ninoako fa velona i Jesosy http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m492182245ef9f#m4922aae9c323c dia nino @izay aho.
Ikaretsaka:
Tsara raha vakian' I coopsal hatrany amboalohany alohany naahatonga ahako nilaza an' io sy ny point tena tiako hahatongavana cf.hafatra no.6
==> Tena tsy haiko ilay tianao anontaniana fa efa novakiako ilay n°6 sy tany aloha. Fa ilay nolazaiko ao @ 6. io dia voasoratra ao @ [I Korintiana 12:20~]
badboy:
Ny maso solon'ny maso, ny nify solon'ny nify : alohan'ny hahatongavan'ny misionera hitondra ilay vaovao mahafaly dia efa teny iainan'ny malagasy ireo!!
==> Marina ny anao, sady tsy vaovao io soratra notsongainao io no tsy mahafaly rahateo! Fa ndeha averiko eto ilay nambaran'i Kristy :
"- Vous avez appris qu'il a été dit : « oeil pour oeil, dent pour dent. » Eh bien, moi je vous dis : Ne résistez pas à celui qui vous veut du mal ; au contraire, si quelqu'un te gifle sur la joue droite, tends-lui aussi l'autre" [Matio 5:38]. Nasehony ny taloha d io vaovao an!
Fa izao fotsiny, rehefa tsy mino an'i Kristy ianao dia tsy hanaiky an'io teniny mihitsy akory! Ka tsy misy antony ny hiadiana hevitra mihoatra! Ary na dia vaovao aza io da tsy mahafaly !
Mety mba tsara ihany koa angamba ny mamantatra marina hoe : "inona ilay atao hoe vaovao mahafaly?"
Izaho koa taloha tsy nino an'io, fa araka izay notantaraiko tao @ hevitra anakiray (le rohy etsy ambony etsy) dia mino aho ankehitriny!
20. coopsal
(
28/11/2008 11:32)
fijo:
ny ahy letsy dia tsoriko ho toa izao an,ny tena finoana tsara dia ny finoana manaja ny natiora.ary ireo finona rehetra ireo taloha dia izay no fotony.saingy tonga le hery lehibe iray mandrava ny rehetra"vola"ka dia nihondrika daholo ny finona nisy fahiny.
==> Izaho notezaina t@ finoana kristiana, fa tsy nanana antoka hoe tena araka izay tantaraina ao @ baiboly tokoa v ny fandehan'ny tantara t@izany e! Na dia ny fanjanahan-tany sy ny @ireo voalaza fa Malagasy nitolona aza dia tsoriko fa nampiahiahy ahy ny fahamarinany! Zah tsy niaina ary ts nahita anzany tsinn ko!
Fa gaga aho hoe avy aiza ary no ilazan'i Fijo fa ny finoana nisy fahiny dia izay fanajana ny natiora izay no fotony! Aiza no source?
Ho ahy spécialement, raha mino ny baiboly aho dia tsy noho izy notantaraina t@ko sy nampianarina, fa Kristy no namaly ahy rehefa nitaraina tao am-poko aho nanao hoe "raha misy marina ianao dia lazao amiko ny anton'izao" ... Nolazainy tamiko ilay "anton'izao" ka dia nino aho fa misy izy!