Ny fomban'ny Ntaolo mifandray @ testamenta taloha
21. prime
(
28/11/2008 11:51)
ikaretsaka:... Ie, tsy tao anaty baiboly iny voambaran'ny namana Rabila iny fa fomba fijery azy manokana izay tsy voatery ho mitombina... :lol: :-D
Ndry? Fa nanakory ko ty prime tsy tao anatin' ny bokinao nga iny?
badboy> Rehefa mazoto handalina ny tantara ihany dia halalino tsara ny tantaran'ny Zanak'Israely sy ny tantaran'ny famonjena nentin'i Kristy ihany koa fa mandeha ila... :lol:
Mazotoa...
22. coopsal
(
28/11/2008 11:57)
Fijo >>> Ndeha ekentsika ny teninao! Raisintsika fa ny finoana tena tsara dia mahatonga fanajana ny natiora.
1- Moa ve ianao nanaja foana ny natiora? Tsy mbola nisy mihitsy ve fotoana nanimbanao voninkazo na zava-maniry hafa? Tsy mety mba ho tsifanajana ny natiora ve ny fanetezana bozaka? Tsy mbola namono biby ve ianao na indray mandeha aza? parasy nanaikitra, moka nanindrona, lalitra nanelingelina, alika, saka nangala-pihinana, ... sns ? Raha tsy végétarien ianao dia tsy maintsy nalatsa-drà ireo akoho, omby, kisoa, ...sns mba hohaninao?
2- Moa tsy hitsara anao ve ny natiora izay efa tsy najainao? Sa hoe izay lasa any dia lasa na fanahy iniana na ireo tsy niniana? Raha toa ka izany mantsy d tsy olana indray na tsy hajaina aza!

23. mia
(
28/11/2008 13:02)
La nature nous forme, l’école nous informe, la vie nous déforme, mais seul Jésus-Christ nous transforme.
Olona inconnu tao @ groupe biblique izay no nanoratra an'io fa diniho fa marina ny lazaina an!

24. coopsal
(
28/11/2008 13:12)
[center]FA IZAO[/center]
1- Andavanandro eto :
Na dia tsy mahafantatra tanteraka ny lalàna aza ny ankamaroan\'ny olona! Misy ny sombiny fantany, ary na dia amin\'izay fantany aza dia tsy mahasakana azy tsy handika lalàna izany. Rehefa tratra izy @ fandikàn-dalàna dia voapanga ary arakaraka ny didy nodikainy dia mahazo sazy izy. Ny fanontaniana zany eto tsy mipetraka @ fahafantarana intsony ny lalàna fa hoe : ahoana no atao mba tsy handika lalàna? Ary raha tafandika lalàna, iza no handray ny fanamelohana sy handoa ny lany rehetra?
2- Ny Ntaolo Malagasy :
Hain\'ny Ntaolo ny fahendrena tokony hananana, saingy matoa ny finoana nentin-drazana Malagasy nanao an\'izany sorona izany dia mba hanafahana ny tsiny amin\'ny Zanahary noho ny fanotana fady! (ary satria ny nampianarina azy dia ny razana no mampifandray @ Zanahary, dia t@ireo razana no natao ny sorona mba hampitany ny fifonana). Raha toa anefa ka ampy ny sorona natao mba hanalana ny tsiny (= fanamelohana) dia tsy ho nila niala tsiny isaka ny handray fitenenana sy ny zavatra atao rehetra izy. Nino ny Malagasy fa \"ny fanahy no olona\" ... ary ny tsiny dia loza mitatao ho an\'izay fanahy izay!
Ny hamintinako azy dia izay nambaran\'i Paoly t@ mponin\'i Atena indray andro izay (saingy hiresak @ireo malagasy aho) :
\"Ry Malagasy, hitako fa amin\'ny zavatra rehetra (fampianarana, fitsipi-piainana, fitenenana) ianareo dia tena mpino tokoa, ary mahatsapa ny fisiana sy fahambonian\'Andriamanitra.
Andriamanitra dia araka ny iantsoanareo azy hoe Zanahary, satria Izy no nahary ny lanitra sy ny tany sy ny zavatra rehetra. Koa amin\' izany dia tsy ho Izy izay tompo sy namorona ny zava-drehetra no hila zavatra avy aty amintsika izay noforoniny sy nomeny ny fiainana.
Ankoatra izay, hatrizay Andriamanitra dia nitaona ny olombelona rehetra hitady Azy tamin\'ny fitsapatsapana, izay tsy lavitra ny tsirairay amintsika, araka ny ohabolana hoe `Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon\'ny loha`.
Koa raha akaiky kely antsika toy izany Izy, dia tsy tokony hoeritreretintsika fa hisy mpanelanelana antsika aminy na ny velona na ny efa nodimandry.
Ary Andriamanitra dia ninia tsy nijery ny andron\'ny tsifahalalan\'ny olona azy.
Fa ankehitriny izy dia efa manambara amin\'ny rehetra mba hiovan\'ny olona. Satria Izy dia nametraka andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin\'ny alalan\'ny lehilahy iray izay efa notendreny, ary noporofoiny izany tamin\'ny nananganany an\'io lehilahy io t@ maty\". [Asan\'ny Apostoly 17:22-31]
Izaho mino fa nitsangana tamin\'ny maty io Jesosy io satria namaly Izy raha nantsoiko. Koa inoako izay nambaran\'i Paoly fa ananako izao ny porofo.

25. rabilabila
(
28/11/2008 14:01)
Mba tiako faritan'i Coopsal kely ny ataony hoe :POROFO raha tsy mahadiso.
26. ikaretsaka
(
28/11/2008 16:28)
rabilabila:
Mba tiako faritan'i Coopsal kely ny ataony hoe POROFO raha tsy mahadiso.
eadray
Lalaina izaby fitovian eritreritra! Za ko saika hiangavy azy hamaritra ny tiany lazaina @ io fa misangojy
27. fijo
(
28/11/2008 22:48)
voalaza ery ambony hoe:"fa ny porofo inoako an'izany dia ny porofo ahafantarako ka inoako fa velona Jesosy ary miteny @ olombelona amin'ny alalany"io ve no atao hoe porofo???????satria ianao mino ,dai porofo izay???sao dia marofo io fa tsy porofo.
tsy milaza aho fa tena mpanaja ny natiora,ny lazaiko di ahoe ny fanajana an'io no finoana tsara indrindra.
ny tantara dia nahalalana fa ny olona fahiny dia nanaja ny natiora nisy azy.mbola hita izany amin'ireo olona lazaina fa dia mipetraka sy monina any anaty ala.aza hadino fa toa azy ireo ny razambentsika tany aloha tany.
ny finoana gasy lazaina fa manompo sampy koa,dia mbola hita fa manaja tanteraka io natiora io.efa itako izany tany madirovalo.

28. ikaretsaka
(
28/11/2008 23:34)
Fa tsetsatsetra kely, io le tsy mivoaka alavitra ny tontolo sy ny manodidina azy io koa no hita fa lasa maha ignorant ireo neophytes mpivavaka ireo sy bornage be io
29. badboy
(
29/11/2008 14:07)
Mia >> La nature nous entoure, l'école nous fourre, la vie nous laboure et la religion nous bourre!!!!!!!!
coopsal >> Tsara ilay mahafantatra ny tantaran'israely sy ny zananay, fa tsy ratsy koa ny mahafehy ny tantaran'ny tany niavian'ny tena!! Ny an'ny tena aza tsy voafehy dia ny an'ny hafa no ndeha hiantsapazana!! Izay no mahatonga ny fandraisana ny tantaran'ny ntaolo taloha ho zavadratsy lalandava no sady haratsiana mihintsy aza satria tsy voafehy ilay fototra!! Izay iilay antsoin'ny ntaolo hoe MISAVITSARANGA!! ;-) ;-)
Ka na dia tsy mifanaraka hevitra @ rabila aza aho indraindray dia mankasitraka ilay fahaizany mamehy ny ny tantara malagasy!!! Io no tsy maintsy fototra hiaingana ahafahana mampitahy izay tsara @ mahamalagasy sy ny afaka ampidirana ny mahasoa avy @ fomba hafa!! Fa raha ts'izay dia manao amboletra fotsiny mampitaingina sy manisika ilay lazaina fa tsara dieny mialoha!!! 8-) 8-) 8-)

31. coopsal
(
02/12/2008 10:38)
rabilabila:
Mba tiako faritan'i Coopsal kely ny ataony hoe POROFO raha tsy mahadiso.
==> Raha famaritana ny teny dia tsy ananako! Tsy dia ary haiko aby ny famaritana ny teny rehetra io zay vao mety ho tsapako ilay izy.Ohatra, farito ny hoe : mamay! Mangatsiaka, Mamy, makirana, tsara, ratsy. Zavatra tsapako ireo fa tsy dia haiko mamaritra.
Fa ndeh hezahiko fantarina ny tianao hahatongavana @ilay fanontaniana. Hoy aho hoe manana porofo aho fa velona Jesosy, izay no antony inoako azy!
Tsotra, ary efa nolazaiko nefa tsy mahareraka ahy ny mamerina izany :
Raha nanontany Azy (tsy hitan'ny masoko ary tsy ren'ny sofiko) aho, dia nanome valiny ahy Izy. Izay fotsiny, tsy mino aho fa misy maty hamaly! Kanefa na dia mety hisy aza izany, izao no izy : Izaho niantso (tao am-poko fa tsy namoaka feo) hoe "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao (dis-moi pourquoi)".Nahazo valiny aho hoe "raha tsy nisy an'izao tsy ho nitodika taty amiko ianao". Ka ho ahy dia na:
- I Jesosy marina no velona ary Izy tokoa io namaly ahy io, na
- Fanahy tsy fantatro no namaly ahy
Kanefa na dia ilay faharoa aza dia izao! Soit misy ilay Jesosy, velona ary manana ny fahefana rehetra no sady tia ny olona hovonjena rahateo (ary izaho olona), ka tsy havelany velively ho zavatra hafa no hiantorahako raha izy no tadiaviko.
Mety hisy ve Ray aman-dreny raha mitalaho mitady azy ny zanany dia fahavalo no avelany handray an'io zanany io? Mety hisy angamba! Fa ataoko fa izany Andriamanitra izany dia tsy mba hanao toy izany! Raha Izy no antsoiko, dia Izy no hamaly!
Nefa ankoatra izany, ny fiainako hatr@ io fotoana nahenoako voalohany an'i Kristy io dia ahatsapako fa tena marina ny ambara momba Azy, sy izay nambarany voasoratra ao @ baiboly. Ary miresaka amiko Izy!
Mety hoy ny sasany hoe "fiasan'ny eritreritrao" ... Raha miasa mafy ny eritreritro dia reraka aho ary miketrina, fa rehefa Izy no henoko dia manana tena fiadanam-po sy faly be ato anatiko aho! Zavatra tsy hain'izay tsy niaina azy izany. Tahaka ny tsy ahatsapan'ny lehilahy ny fijaliana mahazo ny vehivavy raha miteraka satria izy tsy miteraka ka tsy ho hainy izany na dia ampiasaina aza ny teny rehetra hanazavana azy.
Manana safidy ianao, na hitady @ fonao tahaka izay nataoko dia afaka hahita ianao na misy (ary velona) Izy na tsia, na mijanona @izao! Fa izaho mino (sady efa voasoratra no iainako), fa izay mitady Azy amin'ny fony dia hahita.