Mividy zavatra kanefa tsy amim-bola ...Hmm

1. niryna ( 22/11/2008 02:22)

He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. hmm

Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.


Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy

Isaia 53:1,3,6



Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.Ohabolana 23:23


(l) niryna

novalian'i niryna ny 03/12/2008 16:43
2. ikaretsaka ( 22/11/2008 17:34)
divay sy ronono miaraka hoanina iznay ve tsy fety be rehefa avy eo ny any ankabone kle
3. Nandra1 ( 24/11/2008 06:40)
Mia la any indray :-P, tsy mazava le asa fitoriana raha ohatr'izao, kritika mampandroso izany fa tsy hoe reglèment de compte ndray an !!!! :lol:
Mba fanazavana atao de miampy tsimpona e!
" Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. " Jakoba 2, 15-18
Ho ahy sy ho anao mpamaky ity, rehefa hitanao fa tsy manana izy de tsy vitan'ny hoe manana finoana aho de vitan'ny hoe mitory ny tenin'A/tra fotsiny ihany fa mila manome sy mizara ary mitsinjo ireny madinika ireny isika rehetra rehefa hananantsika ny possibilité !!!!!!! De rehefa tsy manana moa izany de akory atao fa miainga @ io an'i nyrina io izany!
Fa ny zava-misy @ izao koa, de ankamaroan'ny le mpitory: pasitera sns... mitory ireo teny ireo @ ireo mahantra sy sahirana ary mahita tsara ny zazakely mangarombava, ny fahoriana manjo azy ireny etc... nefa mamoaka 4x4, mitsangatsangana, tsy mitsara fa à méditer avy, mba ahoana ary eritreritr'izy ireny??? !!!!!!!!!!!!
4. coopsal ( 24/11/2008 11:47)
Nandra1:
tsy mitsara fa à méditer avy

==> Zah r'ingahy tena mba mpi-méditer an'izany taloha fa ny énergie -ko rehetra d lasa tany @ fankahalana ny mpitondra fivavahana sy ny fiangonana. Tsy nandroso ny finoako fa fahakizitinana lava aza no tao anatiko.

Fa rehefa mi-méditer ny tenin'i Kristy aho [mivavaka], dia fahazavana sy hery no ato anatiko ary fitiavan' Andriamanitra feno mampiboiboika faniriana ho famonjena an'ireo namako rehetra (ny olombelona), na ireo mahantra fadiranovana, na ireo mpanankarena, na ireo heverina ho tsaratsara toetra, na ireo lazaina fa tena mpanota be.
5. Nandra1 ( 24/11/2008 12:45)
==> Zah r'ingahy tena mba mpi-méditer an'izany taloha fa ny énergie -ko rehetra d lasa tany @ fankahalana ny mpitondra fivavahana sy ny fiangonana. Tsy nandroso ny finoako fa fahakizitinana lava aza no tao anatiko.

Tsy mankahala ka izay ny antony ity ps ity, manal'azy ary tsy de maka lagy fa de mahitsy tokoa moa !!!!!!
Fa raha mba mandalo eto izy ireo ka mba mijery itony forum itony ihany de sûr aho fa voarainy ny hafatra! Ny tena fitiavana de ny tsy mihatsaravelatsihy ary ny famonjena natao ho an'ny rehetra koa raha misy azonao atao aza misorona!!!! Matetika ny olona tsirairay, mieritreritra foana hoe mety ny ataony nefa ny olona aty ivelany no mahita ny lesoka hanananao, tsy hisy sahy hiteny face à face ny ankamaroany fa raha mihenjy avy ny eritreriny de asa ngamba !!!!! :/ :evil:
6. niryna ( 24/11/2008 16:51)
ikaretsaka:

divay sy ronono miaraka hoanina iznay ve tsy fety be rehefa avy eo ny any ankabone kle
hi.hi, toi ity koa


:D
7. niryna ( 24/11/2008 17:22)
Nandra1:

Mia la any indray :-P, tsy mazava le asa fitoriana raha ohatr'izao, kritika mampandroso izany fa tsy hoe reglèment de compte ndray an !!!! :lol:
inona no tianao lazaina fa tsy dia mazava tsara ?

Mba fanazavana atao de miampy tsimpona e!
hay ve izay e,efa mifanandrify ny hevitra ireo mifanarakaraka ireo nandra a

" Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany?
marina izany dia anjarantsika no mampifanaraka izany amin'ny fiainana tokoa. Dia ho tohizako koa aza e, ahoana tokoa moa no ilazaintsika fa hoe tia an'Atra isika ,izay tsy hita maso kanefa ny rahavavintsika ,ny rahalahintsika aza tsy amelantsika heloka ?
Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. " Jakoba 2, 15-18
marina izany ary izany no antony iray hamafazantsika voa eto .

Ho ahy sy ho anao mpamaky ity, rehefa hitanao fa tsy manana izy de tsy vitan'ny hoe manana finoana aho de vitan'ny hoe mitory ny tenin'A/tra fotsiny ihany fa mila manome sy mizara ary mitsinjo ireny madinika ireny isika rehetra rehefa hananantsika ny possibilité !!!!!!! De rehefa
mazava tsara ary misaotra anao nampahatsiahy antsika aminm'izany ,tanterao ny adidy e
tsy manana moa izany de akory atao fa miainga @ io an'i nyrina io izany!
dia io no nolazain'ny soratra masina,ny tenin'Atra dia omena maimaimpoana ,tsy misy vola ka tonga izay rehetra mangetaheta izany tenin'Atra izany fa ho voky sy ho afaka ny hetaheta he!

Fa ny zava-misy @ izao koa, de ankamaroan'ny le mpitory: pasitera sns... mitory ireo teny ireo @ ireo mahantra sy sahirana ary mahita tsara ny zazakely mangarombava, ny fahoriana manjo azy ireny etc... nefa mamoaka 4x4, mitsangatsangana, tsy mitsara fa à méditer avy, mba ahoana ary eritreritr'izy ireny??? !!!!!!!!!!!!
mety ho marina izany

hi,hi .....ny eritreriny ve ?
mety tsy hifaranaka ny eritreritry ny olona iray ny eritreritsika kanefa izao foana ny ahy no tsara ho tadidiko fa :
izay mamafy rivotra dia hijinja tadio,izay hafafy ihany koa no ho jinjaina....dia tsy hisy takona izay tsy ho hita ary izay miditra ny makarakara dia hivoaka amin'ny kilaodaoka ..

raha izaho no teo amin'ilay olona niresaka hoe izao ranona e,izao pasitera e dia mangina aho fa tsy anao (izaho io a ) ny famaliana ho i kristy fa ahy (Izy io),ahoana tokoa moa no nahalalako izay zavatra nataony tany ka nahazoana vola ? Dia miverina hatrany ny teniko sy ny fanaoko,ataoko ny adidy nampanaovina ahy ,fizarana ny tenin'Atra,fanomezana ny rakitra sy ny adidy izay mifanaraka ny eo am-pelantanako ,sns ka rehefa omeko sy atolotra azy ireo izany dia ny foko manolotra azy madio no mikaonty ary dia mandry am-pifaliana sy ao anaty saina milaminy tsy hisy ahiahy aho satria efa nataoko omena ilay izy mba anasoavana ny fanjakan'Atra fa izay fomba anaovany azy any dia azy sy Atra satria mbola ho tsaraina ,izy ,isika rehetra ka tsy afaka hitsara olona aho fa mbola andalo fitsarana koa ary ho adinina raha nomena tombon'andro nanaovana ny asan'Atra kanefa tsy mba nanao na nahavita na dia kely aza fa dia variana nijery ny hafa teo fotsiny aho ,eny fa na dia nisy aza rahalahy ka nanao ny tsy mety kanefa fantatro ilay izy dia tokony nizara izany fahafantarana izany tamim-pitiavana aho kanefa natahotra sy tsy sahy nanampy sy nanazava ny marina araka ny voalazan'ny soratra masina aza ka tsy nolazaiko azy ireny kanefa fantatro dia ho hadinina ihany koa aho ...(voasoratra ao anaty baiboly io ) tsss leity e .hay va re e ...
:D
8. niryna ( 24/11/2008 17:42)
Nandra1:
tsy mitsara fa à méditer avy
coopsal:

==> Zah r'ingahy tena mba mpi-méditer an'izany taloha fa ny énergie -ko rehetra d lasa tany @ fankahalana ny mpitondra fivavahana sy ny fiangonana. Tsy nandroso ny finoako fa fahakizitinana lava aza no tao anatiko.
mitovy hevitra aminao koa aho.Maro izay zavatra nandalo izay na tsy nandalo aza fa mihaino ireny olona tsy mitsahatra manenjika mpitondra fivavahana ireny dia nianatra kosa ny tena ankehitriny hoe mety mitombona tokoa izao sy izao fa iza moa aho no anenjika olona ?


Fa rehefa mi-méditer ny tenin'i Kristy aho [mivavaka], dia fahazavana sy hery no ato anatiko ary fitiavan' Andriamanitra feno mampiboiboika faniriana ho famonjena an'ireo namako rehetra (ny olombelona), na ireo mahantra fadiranovana, na ireo mpanankarena, na ireo heverina ho tsaratsara toetra, na ireo lazaina fa tena mpanota be.

dia ampiko kely koa fa ilay fihainoana ny tenin'Atra ,ny famakiana aza matetika dia mahatonga antsika te hianatra ny nataony koa ary mampanova na ny toetra ratsy nandalovana fahiny
ataoko ohatra ny tenako hoe rehefa mikorontana ny trano na tsy mamerina zavatra amin'ny laoniny ny ankizy dia tsy mivazavaza aho na anata-bava eo fa manao no aingana ary ny asa ohatra dia ezahako ataoko amin'ny fo ilay izy fa dia manao asa amim-pitiavana ohatra dia manao an'iny ho an'i kristy tokoa ....dia faly manao ilay zavatra tokoa aho ka @ fo madio no anaovako izany fa tsy milonilony na mijery ny hafa variana na kamo na mamaky gazety etsy fotsiny ,vitaiko ny anjarako nampanaovina ahy ary tsy ilaina baikona akory aza aho dia afa-po tokoa ary toa vetivety dia tonga ilay ora firavana e !

Taloha aho na rehefa miserana kely izany toetra izany( ny tena miasa ,ny hafa mamaky gazety eo lany ny adin'ny roa,dia avy eo miresaka fotsiny indray ilay olona dia tsy misy raharaha vanona dia somary tezitra kely aho) saingy tonga dia mivavaka aho ary mampatsiahy ny tenako fa tsy tokony hitsara aho fa tsy ahy ny fitsarana azy ireny .Dia raisiko ny radio ko na izay zavatra tokony hihainoako ny tenin'Atra na hira masina dia vokisako an'izany ny fanahiko dia adinoko ilay izy .
Asa hianareo raha mba manao toa izany koa


:D :wink:
9. prime ( 26/11/2008 12:24)
Misaotra an'i niryna... mahereza hatrany... :)
10. ikaretsaka ( 26/11/2008 18:03)
Aza ferana. Eo @ teniny sy ny fihainoana ary ny pli vava sy famakiana ny tantaran_teniny hoa ny atao hoe asan'atra

Mikea 6:8 tanterahina
11. coopsal ( 27/11/2008 13:27)
Ikaretsaka:
Eo @ teniny sy ny fihainoana ary ny pli vava sy famakiana ny tantaran_teniny hoa ny atao hoe asan'atra

==> Tsy haiko izay inoanao na iza na iza, na inona na inona. Fa ny ahy Kristy no inoako, ary i Kristy nanao hoe :
"Ny asan'Andriamanitra dia izao: ny hinoanareo izay nirahiny" [Jaona 6:29]
Kristy no nirahin' Andriamanitra, ary ny mino azy izany no asan' Andriamanitra.

Marina fa nisy teny maro be tany @ Lalàna (Moïse) sy ny Mpaminany (Eli), fa indray andro teo an-tendrombohitra rehefa niseho teo ireo anakiroa ireo, niaraka tamin'i Jesoa, dia izao no nataon' Andrimanitra hoe "Ity no Zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy" [Matio 17:5].
I Paoly koa dia niteny hoe "Fahiny dia t@ alalan'ny mpaminany no nitenenan' Andriamanitra, fa @izao andro farany izao dia amin'ny alalan'ny Zanany".[Hebreo 1:1-2]
12. ikaretsaka ( 27/11/2008 13:44)
Ka io tsimponinao io nge efa mazaqva be e!
Ny nirahiny no hinoana sy tanterahin-kafatra fa tsy ny teniny sy ireo mpaminany sy iraka Nalefany no atao pli vava sy averinberina!
De ny lazain'ny vava hafa dia ny ataon'ny tanana koa anefa hafa!

Ohatra akaiky izao io beatles nolazain-drakapy io. Aiza I pasiteranao?
13. bobone ( 28/11/2008 05:11)
Nandra1:
\"\"hafatra! Ny tena fitiavana de ny tsy mihatsaravelatsihy ary ny famonjena natao ho an\'ny rehetra koa raha misy azonao atao aza misorona!\"\" marina izany ! rehefa mbola tratranao ihany ny hanampy ny hafa ampio izy tsy amim-bola aman-karena ihany fa hevitra fitaovana vavaka indrindra! e!
Niriyna: tena hanjarantsika ny mizara! mandray tsara tsy mandray dia efa izay zany ! koa mahereza fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina @ Tompo e!
14. prime ( 28/11/2008 12:32)
ikaretsaka:
Ny nirahiny no hinoana sy tanterahin-kafatra fa tsy ny teniny sy ireo mpaminany sy iraka Nalefany no atao pli vava sy averinberina!
... Fa inona amin\'ilay nirahiny no inoanao raha tsy ny Teniny?

Dia ahoana hoy ianao amin\'ireto Teniny ireto?

\"Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman\'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan\'Andriamanitra (Deo. 8. 3).\" Matio 4:4
\"Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon\'Andriamanitra.\" Lioka 1:37
\"Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain\'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.\" Jaona 4:50
\"Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany,\" Jaona 12:48
\"Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an\'ny Ray izay naniraka Ahy.\" Jaona 14:24
\"Kanefa maro tamin\'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan\'ny lehilahy.\" Asan\'ny Apostoly 4:4
\"Tamin\'ny sitrapony no niterahany antsika tamin\'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.\" Jakoba 1:18

Miambena ra-Ika fa efa ny Tenin\'Andriamanitra mihitsy izany diakinao izany an... :roll: ...

Dia tsy hadino koa ny fampianaran\'i Kristy ny fanoharana ny amin\'ny mpamafy Marka 4, Lioka 8...

Raha ny Tenin\'Andriamanitra no tsy inoana sy ankatoavina (tanterahan-kafatra) hoy ianao dia efa tsy i Kristy intsony no mampianatra anao izany... :lol:
15. coopsal ( 28/11/2008 14:25)
Ikaretsaka:
Ny nirahiny no hinoana sy tanterahin-kafatra fa tsy ny teniny sy ireo mpaminany sy iraka Nalefany no atao pli vava sy averinberina!

==> Midika ve fa tsy mino aho raha mamerina?
Ary ianao raha mamerina ve tsy pli vava?
Ny mino Azy no asan' Andriamanitra dia izay!
Raha nino Azy marina ianao dia tsy ho toy izany rehetra izany ny hevitrao!
Fa asehonao miharihary fa tsy mino azy ianao na dia milaza fa mino aza.

Ikaretsaka:
Ohatra akaiky izao io beatles nolazain-drakapy io. Aiza I pasiteranao?

==> Tsy ny finoan'i Pasitera no hahavonjy ahy fa ny finoako! Ataonao inona i pasitera, izaho eto efa manambara foana fa Kristy tonga nofo ary nijaly mba hahazoan'ny rehetra famelan-keloka. Ka inona no ilanao pasitera? Rehefa tsy hino izany ambarako izany ianao dia tsy hino na iza na iza hiteny @nao eo! satria izany teny izany tsy avy amiko fa avy amin'i Kristy izay naniraka ahy.
Fifaliana hanenjika ny anao ka mitady fanamelohana ho an'ny tenanao ianao!
Ho kely kokoa ny hahazo ireo nilaza ampahibemaso fa tsy mino, noho ny amin'izay niseho ho mino kanefa tsy mino akory!
16. ikaretsaka ( 29/11/2008 11:42)
Midika ianao fa mamerina fa tsy manatontosa, hozy le ramose anay tany @ garabola izay hoe tsy ny fahaizana tsianjery ny table sy ny famerenana azy pli vava eo aloha eo isaky ny adinina no hahavahanao ny calcul sy hahatafita anao fa ny fahaizanao mampiasa azy hamahanao ny olana

Fa raha miteny ianao fa ratsambatan I kristy ny fiangonanareo dia tokony hiatomboka @ pasiteranareo, sa ny anareo tokoa moa trano fotsiny no atao hoe fiangonana?

Amiko ra coopsal tsy ny hoe mahay mitanisa akory ianao de irak' I kristy! Jereo ry m theresa sy ry P Pedro, tsy mamerindesona. Pli vava ireny fa mampihatra avy hatrany ny zavatra henony, ireny amiko no irak atra betsaka lavitra noho ilay tary fari peo mamerina ze andalantsoratra masina sendta tadidiny de mivazavaza eny antsena
17. niryna ( 03/12/2008 16:36)
ikaretsaka:

Aza ferana. Eo @ teniny sy ny fihainoana ary ny pli vava sy famakiana ny tantaran_teniny hoa ny atao hoe asan'atra

Mikea 6:8 tanterahina



:roll: :cry: :cry:
18. niryna ( 03/12/2008 16:43)
Ikaretsaka:
Eo @ teniny sy ny fihainoana ary ny pli vava sy famakiana ny tantaran_teniny hoa ny atao hoe asan'atra



coopsal:

==> Tsy haiko izay inoanao na iza na iza, na inona na inona.
izaho koa mba gaga an'ilay zalahy io

Fa ny ahy Kristy no inoako, ary i Kristy nanao hoe "Ny asan'Andriamanitra dia izao: ny hinoanareo izay nirahiny" [Jaona 6:29]
Kristy no nirahin' Andriamanitra, ary ny mino azy izany no asan' Andriamanitra.

Marina fa nisy teny maro be tany @ Lalàna (Moïse) sy ny Mpaminany (Eli), fa indray andro teo an-tendrombohitra rehefa niseho teo ireo anakiroa ireo, niaraka tamin'i Jesoa, dia izao no nataon' Andrimanitra hoe "Ity no Zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy" [Matio 17:5].
I Paoly koa dia niteny hoe "Fahiny dia t@ alalan'ny mpaminany no nitenenan' Andriamanitra, fa @izao andro farany izao dia amin'ny alalan'ny Zanany".[Hebreo 1:1-2]

Raha tsy nomena ny olona ny teny dia tsy ho fantany sy tsy ho azony ary tsy ho tiany saingy izay mangetaheta rano dia omena rano ho sotroina raha tsy mangetaheta moa hitady rano aiza ?
he,he ,ny zanaka no mahalala ny ray ary ny ray mahalala ny zanany ka raha fantany fa zanany dia handova azy koa ary anao fahagagana maro sy hizara ny teny maro izay nomeny tokoa aza satria izy ao amin'ny zanaka ary ny fanahiny no mampianatra ny zanaka hizara ny teniny .

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562