maso krispijo.

21. fijo ( 20/11/2008 21:12)
le tongava matetika kosa aloha aleo hilamina e,elahy anie nandrasako tao fa tsy ita e,

le tara ary amindrapros ry ika,tsy rapasy no tara,fa ny kil no tsy tonga raha tsy 20mn aty aoriana.ary efa fahazarana mihintsy le izy.Isaky ny krismasy dia voalaza hoe manomboka amin'ny 15h,fa izahay 15h vao miala aty an trano tsy mbola "tara"mbola malalaka be ny toerana."za koa moa tsy miditra dia vao miha miampy iray"

coopsal,nahafinaritra ahy,satria tsy lava mandreraka,tsy dia nisy ankijerijery haingo,ary nilamina.fa any aoriana ela indray vao mitsidika fiangonana fa ampy izay aloha ka
22. ikaretsaka ( 21/11/2008 00:15)
eeeee. nrn'i laisany kosa ra fijo zany le kil kay ko..
de ahoana ho an'ilay olona na gvt de tonga ara-potoana?
23. coopsal ( 21/11/2008 15:52)
Ikaretsaka:
tsy hitako le hifandraisan\'ny batemy katolika sy ny salmonelle

==> Tsy misy ifandraisany, sady tsy resaka batemy.
Fa ity no tiako ampitaina :
Ny fahafinaretana tsy mamonjy, ny fahamarinana mamonjy!

Samy manana ny zava-dehibe aminy io aloha e! Ho ahy manokana (ho ahy hoy aho), raha miditra anaty fiangonana iray aho, ny zavatra henoiko sy ezahiko fantarina voalohany dia hoe \"tena Andriamanitra marina ve no henoko miteny @ alalan\'ilay olona sa hafa?\".

Tsaroako ery ny adihevitry ny olona maro tamiko mikasika ny mariazy.
Nazavain\'izy ireo tamiko ny anton\'ny voady (fianianana)! Ary nazava b ny hevitr\'izy ireo.
==> Jesosy miteny amiko hoe \"Aza miniana na dia kely akory aza, fa izay ankoatra ny eny sy tsia dia avy amin\'ilay ratsy\".[Matio 5:37].

Nanazava tamiko izy ireo ny anton\'ny peratra. Ary nazava ny heviny
==> Ho ahy ny famantarana fa vadiko i ... dia ilay nampahafantaran\' Andriamanitra ahy voalohany hoe \"izy no nataoko ho vadinao\".
Ka na hisy peratra na tsy hisy peratra, efa vadiko izy dia izay.

Tsy ny voady ataoko koa no hahatonga ahy tsy hisaraka aminy na hanaja azy! Perdu d\'avance raha izany!
Fa ny finoako fa Andriamanitra tokoa no nanome ahy azy ho vady!
Ary ampitsiahivin\' Andriamanitra ahy izany isaka ny tenté hi abandonne aho! Dia zavatra tokana no ahafahako manaiky izany rehetra izany :

Mino aho fa velona Jesosy ary @ alalany, Andriamanitra miteny amiko ny zavatra rehetra, ka azo antoka izay lazaiNY, na dia miseho \"ridicule\" aza eo imason\'ny olona maro.
24. ikaretsaka ( 21/11/2008 16:46)
de farito ny hoe "fahamarinana"
raha ny fahazoako azy eto manko dia hoe rehefa metimety amin'i coopsal dia hitsimponana tteny mifandraika na terena hifandraika amin'iny avy ao @ baiboly de hoe marina...
azafady raha mivantana fa izany ny fahitako azy

Samy manana ny zava-dehibe aminy io aloha e! Ho ahy manokana (ho ahy hoy aho), raha miditra anaty fiangonana iray aho, ny zavatra henoiko sy ezahiko fantarina voalohany dia hoe "tena Andriamanitra marina ve no henoko miteny @ alalan'ilay olona sa hafa?".

amiko indray matoa gaga sy nahaloa bava i fijo dia ataoko fa tsy mila fantarina intsony io
ny tenin Atra dia teny mahasoa.. ary ny zavatra mahasoa dia mahaliana
donc matoa lery liana dia...

25. fijo ( 21/11/2008 21:42)
ka taloha aho,mba mihezaka mitondra andry zareo arapotoana.tonga eo any izahay amin'ny 14h50 eo,mbola miandry elabe eo antokotany,ny andro mangatsiaka be,
za efa zatra satria za miandry ao anaty fiara foana,fa ny zanfan mampalahelo ahy fa mangovitra mihintsy.
de naleoko niala tara avy aty an trano.nefa kay mbola tsy tara ihany rehefa tonga any.efa tena fahazarandratsy le izy e.
coopsal an,za tsy mpino,ka mahaliana ahy ny mba mahita ny ataon'ny namana mpino rehetra.izay aho vao mba tany amindry kanto,ary samy hafa be amin'ny fahitako ary amindry rapros le izy.

ny mampiomehy koa anie dia izao e,ny vadiko kanto,fa taty izy tsy nisy namana kanto mihintsy,nefa te hiangona rehefa "fety"de ny tao amindry rapros no natoroko azy.
ka asa izy na mbola hoany amin'ny manaraka na ahoana,fa za moa na ary na aty de ao anaty fiara ihany no miandry e.
26. ikaretsaka ( 21/11/2008 22:57)
asaivo mijery ny ary indray izy e.. de aleo izy no hisafidy ny hoe ho atsy sa ho arokatra!

io le tsy mijery sy tsy mampitaha io koa ange letsy no mahatonga ilay bornage e

betsaka ny misaina an'io hoe izy finoana X no finoany dia tsy hankany amin'i Y sy Z sy hanadihady momban'ny finoana Y sy Z mihitsy izy ...
tsy haiko ..nohon'ny hoe tahotra ve sa nohon'ny inona?

Za zao Kristianina kanto fa tsary mampaninona ahy ny mandeha any @ fiangonana ireo lazaina sekta vanjo alika be aza... tsy mampaninona ahy ny mandeha any @ silamo. Bodista. baha'i, Judaisma... manadihady dia mampitovy.

dia avy eo aho vao manao hoe tsss aleoko kanto ihany

vao mainka aza ilay izy manampy anao hahafantatra ny inoanao bebe kokoa
27. coopsal ( 24/11/2008 15:44)
Ikaretsaka:
de farito ny hoe \"fahamarinana\"

==> Kristy no fahamarinana raha faran\'izay afoheziko.
Fa tsy misy dikany izany fanambarana izany raha tsy misy fanazavana, ary izany no ezahiko azavaina @ ohatra sy teny maro samihafa eto @ forum.

Ikaretsaka:
rehefa metimety amin\'i coopsal dia hitsimponana tteny mifandraika na terena hifandraika

==> Kristy no inoako dia Kristy no ekeko ary izay teniNy no ampitaiko!
Marihiko fa tsy hoe satria aho namaky baiboly dia nino ny baiboly! Fa satria zah nino an\'i Jesosy noho ny fahasoavany, rehefa izaho nangataka t@ foko feno fahakiviana mba hanehoany amiko raha misy marina izy! Izay aho vao nino ny Soratra Masina. Ka na misy baiboly na tsy misy baiboly, tsy mahafoana izay zavatra tsapako ny amin\'i Jesosy izany!

\"tena Andriamanitra marina ve no henoko miteny @ alalan\'ilay olona sa hafa?\"

==> Izay ilay izy! Ataoko fa tsy Andriamanitra akory no hitan\'i Fijo tao mba hanekeny na hinoany izay nambara! Fa i Mopera na hafa (izay olombelona) no hitany sy henony niteny.
Izaho kosa mino fa Andriamanitra dia miteny amin\'ny alalan\'i Kristy, dia zava-dehibe sy base mila fantarina ho ahy raha fanahin\'i Kristy no miteny @ alalan\'ilay olona na tsia.

Ny zavatra tenenin\'i Fijo eto (raha ny fahazoako azy) dia toy izao :
Nisy nanome gâteaux ahy t@ ... dia sambany aho mba nahita carton tsara fono sy tsy maloto sady mba kelikely mahafatifaty ilay izy.
Fa izy efa tsy tia gâteaux ka na dia ni-admirer ny fonon\'ilay gâteaux aza izy dia tsy nihevitra ny hijery na tena gâteaux ny tao na sandoka.

Ho ahy tia gâteaux kosa, na dia mety hi géner ahy aza indraindray ny fonony dia vérifieko hoe tena gâteau ve ilay izy, ka raha eny, dia tsy important ho ahy na ngoooza be aza (vao maika tiako) ...
Tiako tenenina dia hoe nahafinaritra an\'i Fijo ny ivelany rehetra, fa ny tena contenu tsy nambarany teto hoe \"izany dia tena inoako fa avy amin\' Andriamanitra\".
Ho ahy indray ny contenu important kokoa, ka na tsara be aza ny endrika ivelany rehetra dia laviko rehefa ny contenu no fitaka ary toy izany, na ratsy aza ny ivelambelany, rehefa ny contenu no OK amiko dia raisiko soa aman-tsara.
28. coopsal ( 24/11/2008 15:49)
Fijo:
coopsal an,za tsy mpino,ka mahaliana ahy ny mba mahita ny ataon'ny namana mpino rehetra.izay aho vao mba tany amindry kanto,ary samy hafa be amin'ny fahitako ary amindry rapros le izy.

==> mahaliana anao ny ataon'ireo namana mpiangona rehetra angamba no tianao tenenina. Izaho tsy dia mieritreritra hoe rehefa mpiangona dia mpino.
Zah zao mpiangona nafana fo hatry ny fony kely fa tsy mpino akory, na dia niseho nitonona ho mpino aza.
Raha te hahafantatra izay ataon'ny mpino (an'i Kristy) marina ianao, dia fantaro aloha ny tenin'i Kristy dia avy eo hitanao hoe : ireto no tena mikatsaka @ fo izay hanarahany ny tenin'ilay kristy lazainy inoany.
29. coopsal ( 24/11/2008 16:19)
Ikaretsaka:
io le tsy mijery sy tsy mampitaha io koa ange letsy no mahatonga ilay bornage e

==> Zah aloha borné @ zavatra tokana e : "Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana".
Ka raha borné Kristy dia broné koa aho. Saingy tsy izay no tsapako hatrizay ninoako azy sy nifankazarako taminy. Tsy mbola nahita olona ouvert d'esprit tahaka azy aho! Izaho tenako fahiny nilaza tena ho tena ouvert (open-minded), fa finalement ouvert @ endrika ivealny aho fa ny ao anatiko mihidy tanteraka @ ego -ko sy ny idéologies-ko rehetra.
Kristy no nampisokatra ahy handray tsara ny olona rehetra, na ny mpametsifetsy, na ny tsy mino. Satria hamonjena ny olona no nahatongavany tety ambonin'ny tany! Ka raha mikatona aho dia tsy afaka hanambara @ireo tiana hovonjena ny famonjena baojy tsy misy ezaka na dia kely aza avy amin'ny olona!

Matériellement parlant, iza no olona sahy hihoatra arofanina rehefa eo @ tetezana satria hoe tsy borné? ny adala sy ny jamba, ary hanary ny ainy izy.
Spirituellement parlant, la VERITE limite les abords du CHEMIN. Celui qui franchit cette limite est soit un fou soit un aveugle, sûrement il perdra la VIE.
Jesus est la VERITE, le CHEMIN et la VIE
30. ikaretsaka ( 24/11/2008 20:22)

Hoy i Ikaretsaka:
de farito ny hoe "fahamarinana"

==> Kristy no fahamarinana raha faran'izay afoheziko.
Fa tsy misy dikany izany fanambarana izany raha tsy misy fanazavana, ary izany no ezahiko azavaina @ ohatra sy teny maro samihafa eto @ forum.



@ fomba fijery Xtianina dia eny marina tokoa... fa aoka koa anefa sanatroa tsy ohatran'ny sovalim-boariry ka le takonana ny maso tsy hifantoka afa tsy direction 1
aoka ho tadidy fa
fa tsy ary ho Xtianina aby akory ny olona... raha tian'Atra ho Xtianina aby ny olona dia vao teny @ conception de efa' efa nataony an izany! ary vitany ny nanao izanny raha tiany!
ary tsy ny fanerena ny olona ho toa anao akory no atao hoe manapariitaka ny teniny
31. rabilabila ( 24/11/2008 20:59)
F'hita koa !! Ndeha hanangana krisbila koa aho raha izao no mitohy .

:-D :-D :-D
32. coopsal ( 25/11/2008 08:15)
Ikaretsaka:
tsy ny fanerena ny olona ho toa anao akory no atao hoe manapariitaka ny teniny

==> Marina izany. Marina fa raha ny maha izaho ahy dia indraindray te hiforcer olona izany aho ... Saingy tsy izaho no velona fa Kristy no velona ato anatiko, ary Kristy tsy manery na iza na iza mihitsy.
Tsy manakana Azy izany tsy hanatanteraka izay nanirahan'ny Ray Azy.
Ao @ evanjelin'i Md. Joany toko 6 misy sombiny anakiray mampiseho fa tsy nanao propagande akory aza izy mba hanarahan'ny olona Azy. Ny olona no saika haka azy an-keriny ho mpanjaka, fa izy nitsoaka.
Tsy maintsy nanao izay asa nampanaovin'ny Ray Azy izy, ary tsy maintsy nanambara izay nasain'ny Ray nambaraNy. T@izany, maro ireo nihemotra tsy nanara-dia Azy satria tsy ninoan'izy ireo ny teniny ary navesatra tamin'izy ireo. Izy tsy nanao mihitsy hoe "eo miverena ry ireto fa tsy hiteny anzany intsony aho". Navelany ny olona hanana ny safidiny, tahaka Azy nisafidy ny hankato ny Ray, ka na dia hatr@ fahafatesany aza dia tsy maintsy manao izany Izy. Ny mpianany koa aza nasainy nisafidy malalaka ka nanontaniany hoe "ianareo koa va mba handeha?".
Fa ireo no efa resy lahatra hoe "handeha ho aiza moa izahay? Ianao no manana ny teny fiainana".
33. ikaretsaka ( 25/11/2008 13:03)
coopsal:

tsy ny fanerena ny olona ho toa anao akory no atao hoe manapariitaka ny teniny

==> Marina izany. Marina fa raha ny maha izaho ahy dia indraindray te hiforcer olona izany aho ... Saingy tsy izaho no velona fa Kristy no velona ato anatiko, ary Kristy tsy manery na iza na iza mihitsy.
Tsy manakana Azy izany tsy hanatanteraka izay nanirahan'ny Ray Azy.
Ao @ evanjelin'i Md. Joany toko 6 misy sombiny anakiray mampiseho fa tsy nanao propagande akory aza izy mba hanarahan'ny olona Azy. Ny olona no saika haka azy an-keriny ho mpanjaka, fa izy nitsoaka.
Tsy maintsy nanao izay asa nampanaovin'ny Ray Azy izy, ary tsy maintsy nanambara izay nasain'ny Ray nambaraNy. T@izany, maro ireo nihemotra tsy nanara-dia Azy satria tsy ninoan'izy ireo ny teniny ary navesatra tamin'izy ireo. Izy tsy nanao mihitsy hoe "eo miverena ry ireto fa tsy hiteny anzany intsony aho". Navelany ny olona hanana ny safidiny, tahaka Azy nisafidy ny hankato ny Ray, ka na dia hatr@ fahafatesany aza dia tsy maintsy manao izany Izy. Ny mpianany koa aza nasainy nisafidy malalaka ka nanontaniany hoe "ianareo koa va mba handeha?".
Fa ireo no efa resy lahatra hoe "handeha ho aiza moa izahay? Ianao no manana ny teny fiainana".


ka ianao tsy Izy na ao aminao aza Izy ary Izy no voakasika eto:
Tsy maintsy nanao izay asa nampanaovin'ny Ray Azy izy, ary tsy maintsy nanambara izay nasain'ny Ray nambaraNy.


io mihambo hitovy aminy io koa no mahavoa matetika!

Anankiray koa, rehefa hitsimpona ihany dia mba jereo ara contexte, aza adino fa ny momban'ilay Eokaristia (tena fihinana ny nofoNY sy tena fisotro ny raNY) no fototra niaingan'io versets nataonao kimaintsomaintso io

raiso par contexte ho'a le izy fa tsy par tsimpona... fa manjary mibirioka
34. fijo ( 26/11/2008 21:48)
coopsal,ny ahy fampitahana ny fomba no nataoko.izay finoany any anatiny any tsy aferako iny fa azy samirery.
ny tena resako eto dia ny "fomba sy ny mahazatra misy"fa tsy dia tena ny finona akory.
izay no antony nilazako ny momba ny fomba fitafy ,ny hora fanombohana,ny halavan'ny toriteny sns.ireo dia fomba fa tsy le finoana any anatiny any.ka io no nahaliana ahy sy nahafinaritra ahy raha mitaha tamin'ny fahitako mahazatra.

efa itany letsy izay ry ika hoe misy hafa koa atsy,ka raha miteny izy hoe ary indray aho entina dia any indray izany,fa za moa ve haninona fa mitovy aby izany amiko.

rabila an,ny krispijo moa dia efa mizotra miandalan aeny fa ny andry no hatsangano haingan asao dila.
35. coopsal ( 02/12/2008 13:46)
Ikaretsaka:
io mihambo hitovy aminy io koa no mahavoa matetika!

==> Izaho tsy mihambo ho mitovy aminy velively ka! Voasoratra fa
"fantatsika fa rehefa tonga izy dia hatao mitovy aminy isika"[1 Jaona 3:2], noho izany mbola tsy ankehitriny ilay izaho mitovy @ny, fa rehefa tonga Izy.
Fa hoy kosa Izy :
"Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa"
"Tahaka ny nanirahan'ny Ray ahy no anirahako anareo koa"
"Izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa! Eny hanao lehibe lavitra noho izany aza izy satria izaho mankany @ Ray izay naniraka ahy"
"Izay mandray anareo dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia tsy izaho no raisiny, fa ny Ray izay naniraka ahy"
Raha misy olona manao izay nampanaovin'i Kristy azy, dia tena mpianatr'i Kristy izy! Kristy naniraka no manamarina Azy sy izay teneniny fa tsy ny tenan'ilay iraka.
36. coopsal ( 02/12/2008 13:55)
Ikaretsaka:
aza adino fa ny momban'ilay Eokaristia (tena fihinana ny nofoNY sy tena fisotro ny raNY) no fototra niaingan'io versets nataonao kimaintsomaintso io

==> Tsy haiko aloha ry Ikaretsaka fa ho ahy tsy mpandalina, ilay lazain'i Kristy hoe "ny nofoko no tena fihinana" dia nohazavainy ny heviny hoe "Izay manatona ahy tsy mba ho noana". Ary ny hoe "ny rako no tena fisotro" dia nolazainy hoe "izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony". Ao @io toko io ihany.

Kanefa ndeha atao hoe ny teninao no izy. Tsy nisy resaka eokaristia mihitsy teo! Tsy nanome mofo sy divay mihitsy teo Kristy. Asa hoe context aiza no misy anzany! Mahita resaka eokaristia ihany aho saingy context hafa mihitsy! Dia ny paska, paska jiosy izay efa natao hatr@ nivoahana ny Egypte.

Ny hitako nolazainy aza rehefa tsapany tafintohina loatra ny olona dia hoy izy ary ambanimbany ary hoe :
"tafintohina @ izany va ianareo? Ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny fanahy no mahavelona, ny teny izay lazaiko aminareo dia fanahy sy fiainana.".
@ko izany dia hoe : tsy ny nofoko no noresahiko taminareo, fa ny teniko izay fanahy sy fiainana.

Ary satria Kristy ihany no milaza fa raha tsy tonga tahaka ny zaza tsy ho tafiditra ny fanjakàn'ny lanitra! Dia mila tahaka ny zaza izany mandray ny teniny, inona no fantatry ny zaza @izay resaka fandalinana sy contexte?
37. ikaretsaka ( 02/12/2008 14:39)
Eo de diso sahady izao I coopsal..... nga nyy eokaristia mofo sy divay intsony ,,,, vatana sy ra ny eokaristia tompoko
38. ikaretsaka ( 02/12/2008 14:51)
raisiko ary ny lojikanao dia diniho tsara ary

Ary satria Kristy ihany no milaza fa raha tsy tonga tahaka ny zaza tsy ho tafiditra ny fanjakàn'ny lanitra! Dia mila tahaka ny zaza izany mandray ny teniny, inona no fantatry ny zaza @izay resaka fandalinana sy contexte?


ny zaza ary no tsy mahay mamaky teny fa mijery ny contexte ko! mijery lakroa misy sarin'i jesoa mifantsika no mora ahazoan'ny zaza kokoa ny zavatra ampitaina aminy nohon'ny hamaky paragraphe 3
:-D :-D :-D mba realiste hoa


Ny hitako nolazainy aza rehefa tsapany tafintohina loatra ny olona dia hoy izy ary ambanimbany ary hoe :
"tafintohina @ izany va ianareo? Ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny fanahy no mahavelona, ny teny izay lazaiko aminareo dia fanahy sy fiainana.".
@ko izany dia hoe : tsy ny nofoko no noresahiko taminareo, fa ny teniko izay fanahy sy fiainana.


naka nyt toeran'ny jiosy izay efa tsy nety nino ilay resaka momban'nhy nofo izy teto heo rehefa tsy raisinareo ary ny nofo de henoy izao e.... izay no tena dikan'io
39. fijo ( 02/12/2008 22:10)
raha "hoy ny voasoratra"
rah aio foanano hitondrana ny ady hevitra eto,dia hoy aho hoe vakio ny boky dia matory avy eo fa ilaina ny mamaky boky vao matory.

ny hevitrao miresaka sy mitafa eto no ilaina,fa tsy hoe "hoy n yvoasoratra"io efa itanay fahiny koa
40. ikaretsaka ( 02/12/2008 22:20)
Ka hoa an'ny olona ignorant dia any ny falihihana ny tsy fijereny ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0669