Virus Foza orana, mbola tsy hahitampanafana

1. piozila ( 18/11/2008 06:24)
Mimenomenona ny ankamaroan'ny olona fa misy virus FOZA ORANA izany izay mampikorontana ny icone rehetra amin'ny bureau. Ankoatr'izay dia ovainy daholo ny commande, ohatra: raha manao ouvrir amin'ny fichier iray ianao dia fichier hafa no misokatra; mbola tsy infecté aloha ity machine-ko ity , fa maro ny olona efa tratra, Efa nampiasaina daholo ireo malaza rehetra fa tsy nahasitrana azy(mac afee, norton, antivir, avg, sns...). Version farany daholo ireo. ka sao ianareo mahafantatra vahaolana?(aleo misoroka toy izay mitsabo). De tandremo koa ilay antivirus 2009 fa tena poizina be, mody hoe antivirus kay virus.
novalian'i tetsu ny 21/02/2009 12:33
2. fahamarinana ( 18/11/2008 06:32)
(l)
piozila:
De tandremo koa ilay antivirus 2009 fa tena poizina be, mody hoe antivirus kay virus.

:arrow:ilay antivirus inona no anarany no ratsy fa misy maro anie ilay izy e..
3. piozila ( 18/11/2008 06:45)
izay mihintsy no anarany: ANTIVIRUS 2009. Tonga dia mipotra tampoka, mandritra ianao manao download iny, dia lazainy hoe: io indray ny antivirus vaovao ka manaiky ve ianao fa ho scannena ny masinanao dia misy fenêtre mipoitra eo rahefa avy eo hoe tena infecté ny masininao, ka mila mitelechargé programme kely izay, izay lazainy hoe DirectX(mazava ho azy .exe ilay izy), KANEFA RAHA SCANENA AMIN'NY ANTIVIRUS HAFA REHETRA dia mazava fa VIRUS IO!!!!!! tandremo sao mi-executé io .exe nalefany io, fa tonga dia infecté ianao.
4. fahamarinana ( 18/11/2008 06:49)
:arrow: ok,misaotra nizara e...ny ahy manokana hatreto tsa mbola misy olana aloha fa avast ihany,hatrany,irery ihany ary mbola tsy namitaka ahy aloha sady maimaim-poana koa.. :) (l)
5. tslem ( 18/11/2008 11:11)
Misaotra tokoa nampahafantatra an'izay ry piozila mba misy hitandremana,
ny ahy manokana hatreto tsa mbola misy olana aloha fa avast


Ny avast tokoa hono no tsara dia mba novaiko an'io koa ny ahy fa norton teo aloha
6. gasyjean ( 18/11/2008 13:12)
foza orana ve tsy ilay biby mitorona ee!
7. ni81 ( 18/11/2008 13:31)
Ny avast tokoa hono no tsara dia mba novaiko an'io koa ny ahy fa norton teo aloha
ny anay koa avast
8. vale ( 18/11/2008 16:23)
:-D :-D ary mampiasa Avast dol isika izany an, Norton koa tsy dia ratsy kah! efa nandramako fa mieux aloha Avast eee, teto ihany ko any nahitako ny Avast io! :P :wink:
9. piozila ( 18/11/2008 16:26)
Sao dia i gasyjean kosa ary no niteraka io virus io matoa be vazivazy ratsy toa io?
Izaho koa nampiasa AVAST taloha fa ilay ANTIVIR na AVIRA no hitako mahomby kokoa sady afaka atao mise à jour foana. Sady ilay directeur-nay koa dia nilaza hoe ANTIVIR no ampiasaina, nefa vazaha tena sarotiny amin'ny resaka fiabilité. Fa samy manana ny mahazatra azy aloha e! fa azo atao ihany ny manandrana ka rehefa hitanao fa tsymety amininao dia azonao averina ny teo aloha.
10. harybe ( 18/11/2008 16:43)
nenah AVG fa io gratuit! mba gratuit ve zany avast zany sa ahona de rah gratuit de mba iza no mba afaka manomé ny "lien" amiko? misotra
11. tslem ( 18/11/2008 17:35)
Ny ahy ity no nanaovako azy:

http://www.commentcamarche.net/telecharger/telecharger-151-avast
12. daryprod ( 19/11/2008 08:53)
Efa hita ny fanafodiny ka, tsotra be ny mamono azy
alefaso ato ny hafatra r.voninarindra@yahoo.fr sady te hifanerasera bebe kokoa e
13. HeryLo ( 01/12/2008 08:44)
Bonjour!
Zao ny vaha-olona:

1 - Miditra explorateur windows (windows + E na click droit sur menu démarrer dia explorer )
2 - Miditra ao @ menu Outils > Option Dossier > Oglet Affichage dia ao @ fichier et dossier caché cochéo "affiché les fichiers et dossiers cachés.

3 - Miditra ao @ ity chemin ity nareo raha disque C no misy ny system dia(sinon raha disque hafa dia soloy fotsiny ny c lettre voalohany):
c:windowssystem32
raha disque d:
d:windowssystem32
Rehefa tafiditra ao dia tadiavo ity fichier ity "foza_orana.vbe" tonga dia suppriméo.
Raha tsy mety suppriména ilay izy dia manaova ctrl+alt+suprr dia miditra processus ary terminer le processus "winscript.exe" dia avereno suppriména ilay fichier.

4 - Clique menu démarrer dia executer. Soraty eo hoe "regedit" dia Entrée ou Valider. Miditra edition> dia recherche na tonga dia Ctrl F.
Soraty eo hoe "foza". Cochéo daholo "clé, valeurs, données" dia recherche @ zay.
Isaky ny mahita valeurs izy dia suppriméo dia tsindrio ny F3 mba hanohy ny recherche. Dia supriméo foana izay hitany mandra-pahatapitra ny recherche (misy message @ farany hoe recherche terminé) dia OK.

Fanamarihana:
Mety hahita ary mety tsy hahita n'inn n'inn nareo @ ireo dingana etsy ambony ireo. Mety possible mantsy hoe matin'ilay anti-virus ilay izy fa kosa tsy hain'ilay anti-virus ny mamerina ny valeur par défaut an'i windows. Ny manipulation manaraka ity dia mamerina ny valeur par défaut an'i windows izany hoe mamerina ny bureau, clique droit bureau, menu arreter sns ...


5 - Miverina any @ regedit ihany aloha isika.
Menu démarrer > Executer > regedit > Valider ou Entrée
HKEY_CURRENT_USERSoftwareMicrosoftWindowsCurrentVersionPoliciesExplorer
Suppriméo daholo ny valeur rehefa afa-tsy ireto 2 ambany ireto
:arrow: Par défaut
:arrow: NoDriveTypeAutoRun

6 - Farany ( A ou B )
A - Manaova ctrl+alt+suprr > Processus > dia terminer le processus "explorer"
avy eo miditra Fichier > Nouvelle tâche (Executer..) dia soraty eto "explorer" dia Valider ou Entrée.
B - Na koa tonga redemarrer ny machine.

Tokony hiverina @ lohany daholo ny rehetra avy eo.




14. nilex ( 01/12/2008 12:07)
manahoana daholo e.Mety ho marina daholo izany rehetra izany fa izao no tadidio tsara,na samy foza orana izao aza dia samihafa ny fisehony .Ohatra raha tsy misokatra ary ny ctrl+alt+suppr de ahoana.Na bloqué koa ny BDR de ahoana.Raha ilay fomba fisehony tsotra indrindra dia mety ireo fa raha vao miseo ireo cas nolazaiko teo ireo dia eo no raisina ny olona.
Efa miala any indray izao ilay virus BARACK OBAMA ka asa indray.Afaka manampy anao aho raha ilaina izany .Fantatrao ny adiresiko
15. HeryLo ( 02/12/2008 13:14)
Tena manahirana mihintsy le bandykely amin\'izao klé!!
mba ampianarana manao virus kely @ 2 année dia inn fa lasa mamorona an\'ity fatim-birus rehetra ity kle!! tsy mba ny fianarana no atao izay maha-tafita.
Ny ahy aza tratrako ny source hoe iza no mi-créer an\'ireny fa dia ataoko mahita izany tena atao hoe virus ny matos-ny.
:twisted: :twisted: :twisted:
:evil: :evil: :evil:
16. dadanmi ( 08/12/2008 10:52)
HeryLo:

Tena manahirana mihintsy le bandykely amin'izao klé!!
mba ampianarana manao virus kely @ 2 année dia inn fa lasa mamorona an'ity fatim-birus rehetra ity kle!! tsy mba ny fianarana no atao izay maha-tafita.
Ny ahy aza tratrako ny source hoe iza no mi-créer an'ireny fa dia ataoko mahita izany tena atao hoe virus ny matos-ny.
:twisted: :twisted: :twisted:
:evil: :evil: :evil:


Tena misaotra betsaka ny HeryLo fa avotra ihany nohon'ny toro hevitrao . Raha tsy izana dia ni-formater-na indray ny matos. Misaotra an'Andriamanitra mbola misy olona toha anao.
(l)
17. nilex ( 10/12/2008 10:27)
tsy dia hoe namorona virus aho fa nikaroka ny tena fandehan'ireny foza orana ireny sy ny tena baseny.Manao dépannage foza orana foana aho ka izay no nahalalako fa tsy fomba iray no fanalana io virus io satria misy amin'ireny zavatra tanisaintsika ireny no tsy misokatra ihany koa dia mikaroka fomba hafa izahay ka izay no nahavoafehy tanteraka ny foza orana.Ny anay asa ka tsy maintsy mikaroka izahay hiadiana ami'ny virus .Efa nahavitanay script maromaro io foza orana io ka clic kely fotsiny de rava ny tsena.
18. Jompipla ( 12/12/2008 12:27)
raha izany gestionnaire des processus izany no olana na base de registre dia jereo @ net fa feno @ taonina ny éditeur an'ireny fa tsy ny an'i windows ihany akory no azo ampiasaina!
Dia mba fetsifetsy ataovy am-pelatanana foana ny fiasana na aiza na aiza aleha (ataovy ao anaty clé usb foana ireo éditeur isankarazany ireo).
Mazotoa daholo ê!
19. tsutsu ( 18/12/2008 10:17)
Salut daholo, tsotra kely miaro an'io virus io. Mampiasao "Nod32" (meilleur antivirus de l'anné 2008) na dia tsy vita mise à jour fa tonga dia afaka io. izaho manana cybercafe fa tsy manan blème amin'ireny. Momba ny Antivirus 2008 na Antivirus 2009, ny antimalware "Malwarebyte" na dia version tsy complète mahafaka io. Misaotra daholo.
20. asdepique ( 20/12/2008 20:33)
Ny olana amin'ny Antivirus dia marina hoe mety ho afaka ilay virus fa ny Antivirus dia tsy mamerina amin'ny toerany ny zavatra nosimban'ny virus.
Tsy marina ny filazana fa rehefa tafiditry ny virus fozaorana na cradle of filth ny solosaina iray dia tsy maintsy formater-na ny kapila mafy.

Ity patch ity fotsiny alaina dia alefaso fa afaka io. Tsy mila minatso n'iza na iza izany fa ianao ihany dia mahafaka azy.
http://www.net-studio.org/fr/application/cradle-of-filth.php
Sady manala an'ilay fozaorana io no manala an'ilay cradle of filth

Ny olana amin'ny virus aty Madagasikara dia ela vao hitan'ny mpanamboatra antivirus ireny virus Malagasy ireny dia ela koa vao vitany ny maj fa tsy hoe ny Malagasy no henjana be raha hanamboatra virus.

Ny virus fozaorana koa dia iray ihany ny fisehony fa tsy samy hafa. Matoa tsy mandeha ny ctrl+alt+del nao dia misy virus hafa ankoatra ny fozaorana ao nanao an'izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5282