Finoana, fanantenana ary fitiavana
21. ikaretsaka
(
16/11/2008 16:13)
de misy mandray io fitiavana io ho lehibe indrindra koa dia ny ara pinoana natakalony ny fitiavambolan-tsinoa an
22. tywa68
(
16/11/2008 19:48)
Rijadolly : tsy hahazo marina raha tsy manao e ? :wink: enao angaha manao LOTO ? :lol:
Ika : ty zany no hoe MAP :°)
Ika : ty zany no hoe MAP :°)
24. prime
(
17/11/2008 09:00)
Ny tena mahalehibe ny fitiavana, nefa tsy manamaivana ireo roa voalohany dia satria ny fitiavana no fehin'ny fahatanterahana ao amin'Andriamanitra... ny olona manam-pitiavana dia tanteraka ao amin'Andriamanitra, ary voasoratra rahateo fa ny fitiavana manarona fahotana maro...
Ny fototry ny didy rehetra dia ny fitiavana... ary efa nosoritan'Andriamanitra nefa fa ny tena fitiavana dia Izy nanolotra ny Zanany ho avotra hisolo heloka ny maro (ilay maro mendrika ny helohina satria mpanota) ary raha tena Kristy tokoa no monina amin'ny mpino dia tanteraka ao amin'ilay mpino izany ka mba andehanany koa toa izany, tsy misolo na manolo ny vitan'i Kristy tsy akory fa mitory sy manambara ary mamonjy ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesosy...
Ny tena fitiavana ihany koa dia ny fitiavana Azy Andriamanitra amin'ny mahaizy azy ny tena manontolo (fo, saina, tena, fanahy, hery...) ka ahafoizana ny momba ny tena rehetra toy ny nahafoizany ny Zanany mba hahavoavonjy ahy sy ianao...
Ny tena fitiavana ihany koa dia ny fitiavana ny fiangonan'Andriamanitra, ilay ankohonan'Andriamanitra ka nanorenany ny fanjakany dieny ety an-tany...
Ny tena fitiavana ihany koa dia ny fitiavana ny rahalahy... fa Andriamanitra tsy indray mandeha no nananatra ny hoe, ahoana moa no itiavana an'Andriamanitra raha ny rahalahin'ny tena (rahalahy, anabavy, anadahy, rahavavy) hita maso aza tsy tiana?...
Ny tena fitiavana ihany koa dia ny fitiavana ny namana ho toy ny tena...mora resahana fa anisan'ny sarotra tanterahana...
Ny tena fitiavana ihany koa dia ny fitiavana ny mpanota ka andraisana azy ireo ho isan'ny vain-dohandraharaha mba hanana ny anjara famonjeny... :)

25. bor2lais
(
17/11/2008 15:27)
Misaotra antsika rehetra mandray anjara.
Mahaliana daholo ny fanazavana.
Misaotra manokana an\'i Prime fa tena mazava tokoa ny filazany momba ny fitiavana.
\"izay tsy tia dia tsy mba nahalala an\'Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana\"
-> ny finoana tsy misy fitiavana dia finoana tsy araka an\'Andriamanitra !!
PS. Mba nanintona ny saina ilay tenin\'i RD : \"tsy misy manantena zavatra ratsy...\"
Matoa misy io dia tsy ho an\'ny tenany no hanaovany izany fa ho an\'ny hafa : izay ilay antsoina hoe \"manozona\" !!! (fanantenana tsy misy fitiavana no tiako lazaina eto)

26. niryna
(
18/11/2008 06:36)
"Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana : fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo"
Fantatry ny Kristiana loatra io andininy (faha 13 toko faha 13) ao amin'ny taratasy voalohany nosoratan'i Paoly ho an'ny Korintiana io.
Milaza izy fa amin'ireo 3 ireo (finoana, fanantenana, fitiavana) dia ny "fitiavana" no lehibe indrindra.
Ahoana ny fandraisantsika izany ?
rijadolly:
FANANTENANA : Zavatra tsara ny zavatra antenaina fa tsy misy ol manantena zavatra ratsy.
marina izany lazainao izany .
raha resaka hoe kristiana no ilazako azy dia mino ilay teny nomeNy sy nampanantenainy antsika aho ka mampihatra izany @ fiainana satria mahatoky azy sy mino fa ho tanterahany tokoa izany teny izany (fanantenana ) "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1. 5). ..ny dikany raha misy mahazo ahy amin'ny fiainako raha miantso azy aho dia efa manantena avy hatrany fa maheno ny fitarainako izy ary dia ho avy ary amonjy ahy ka ho maivana sahady tokoa ny zioga mahazo ahy noho ilay finoana miboiboika ato anatiko.
FINOANA : io indray dia ao amin'ny Hebreo 11
http://baiboly.org/toko.asp?boky=HEBREO&toko=11&andininy=1-4&dika=
iray manontolo no manazava izany dia zavatra tsy hita maso kanefa eken'ny saina .Mino ilay Atra tsy ita maso ary eken'ny saina koa izany ,satria manana fifandraisana aminy avy amin'ny alalan'ny vavaka,fanompoana azy,famakiana ny teniNy ary ny fiainana rehetra mitranga amin'ny tena ka nahitana experience fa miaraka amin'ny tena izy. Izay finoana izay dia ampiharintsika @ fiainana
FITIAVANA : Ny zavatra rehetra dia tsy tonga lafatra raha tsy misy fitiavana ao. Atra dia fitiavana ary izany fitiavany izany dia nasehony antsika rehetra ,mpino na tsy mpino Azy avy amin'ny alalan'ny fanomezany ny Zanany ho mpanavotra antsika ary isolo ny helotsika.
Inona avy no azontsika aseho izany fitiavana izany ? ny fotoana lany,ny fiarahana amin'ny olona,ny fanomezanao fotoana hiarahanao amin'ilay olona .
Fitiavana
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
1 kor 13:4-7
:arrow: :arrow: :arrow: Izay zavatra rehetra ataontsika ka mifanohitra ireo voalaza ireo izany dia tsy fitiavana
27. deric
(
18/11/2008 07:33)
Finoana, fanantenana, fitiavana
Mino= resilahatra = babo = manaiky= momba
Manantena= miandry = Miandrandra=
Tia= mankasitraka = manatona=
Mbola azo roritina ireo havitro ireo fa aleo ho amin'io aloha, fa mbola hamadibadika ny andinindininy aho.

28. fijo
(
19/11/2008 22:01)
tywa an,tsy mety ampy kosa aloha levola e,za izao mitady be mihintsy fa te hirevy be.
29. prime
(
20/11/2008 13:21)
Mahafinaritra ahy ilay nitondran'i deric ny heviny...
Tohizako fohy :
Mino=mahatoky, manaiky, mihaino, tsy misalasala, tsotra sy mahitsy...
Manantena=mahafantatra, mahalala, maharitra, manetry tena...
Tia=mandà ny tena, mahafoy, velona ho an'ny hafa... :)

30. cutie
(
22/11/2008 02:09)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 16-11-2008 01:06:07
Lohateny : Re : Finoana, fanantenana ary fitiavana
cutie tena pianatra enjy ndry?
manontany ahy ve njy zany?
31. bor2lais
(
22/11/2008 08:36)
Misaotra antsika rehetra nandray anjara.
Fanontaniana manitikitika mifampitohy @ ity lohateny ity ihany :
1. Raha voalaza fa \"ny finoana no mahavonjy\", afaka miteny ve izany fa \"ny fitiavana dia mahavonjy\" ? Satria ny fitiavana no lehibe noho ny finoana !!
2. Mety misy olona manana fitiavana ve nefa tsy manam-pinoana ?
Misaotra anao mialoha mandray anjara !

32. felanawil
(
22/11/2008 10:18)
Les smicards, les bas salaires, les chômeurs et les rmistes mesurent mal les dilemmes dont sont victimes les patrons guidés par l'Evangile. L'hebdomadaire Courrier Cadres du 18 décembre 2003 dévoile les tourments auxquels ils sont livrés. Comment justifier les écarts de salaires ? Comment licencier sans avoir mauvaise conscience ? Quelles relations entretenir avec ses subordonnés ?
À la première question, Henri de Castries, PDG d'AXA, répond sans honte que l'écart des salaires observé dans le géant de l'assurance (de 24000 à 20 millions d'euros annuels) trouve sa justification dans l'Evangile : "à l'image de la parabole, les talents se paient".[/b] Affirmer que l'échelle des salaires traduit réellement une hiérarchie des compétences est une insulte. Compétents les patrons surpayés dont les sociétés se signalent par des déficits sans fond ? Incompétents les smicards et les bas salaires du simple fait de leur faible rémunération ?
Le même sicaire poursuit sa croisade antisociale, autant que très chrétienne, en justifiant les délocalisations à l'étranger, pourtant génératrices de chômage en France, par l'aide aux pays en voie de développement : "Les entreprises qui délocalisent contribuent au développement des pays émergents." Les délocalisations sont la version moderne de la charité chrétienne... Bien que tous les patrons chrétiens ne partagent pas l'évangélisation à la hussarde du PDG d'AXA, leurs convictions chrétiennes se limitent à se déclarer peinés par les licenciements sans pouvoir se prévaloir de quelque action positive que ce soit. Le christianisme n'est là que pour apaiser les consciences et n'a jamais eu le progrès ni la justice pour ambition.
Quant aux relations humaines, les chefs d'entreprises disposent, depuis deux ans, d'un nouveau quartier général en plein cœur du quartier de La Défense à Paris : l'église Notre Dame de la Pentecôte reçoit avec compassion leurs gémissements de patrons affligés par le martyre social. Et on apprend avec stupeur l'intrusion d'une nouvelle mode dans les techniques de gestion du personnel avec le recours au coaching spirituel. Pourquoi pas. La morphopsychologie (relation supposée entre la psychologie du sujet et les traits morphologiques de son visage, plus c'est idiot, mieux ça marche) et l'astrologie (sélection en fonction du signe zodiacal, idem) ont, depuis longtemps et en parfaite illégalité, investi les méthodes de recrutement.

34. prime
(
25/11/2008 11:07)
bor2lais> (Fampidirana fohy)
Ny finoana no mitondra famonjena ho an'ny tena... ny fitiavana no mitondra famonjena ho an'ny hafa... :)

35. bor2lais
(
25/11/2008 13:33)
prime > misaotra fa mazava ...
\"fitiavana mitondra famonjena ho an\'ny hafa\"
-> rehefa manana finoana an\'i Kristy tokoa dia omeny ny fanalahidin\'ny fanjakan\'ny lanitra (lasa tahaka an\'i Petera). Eto ny fitiavana dia endrika famohana midanadana izany varavarana izany mba hidiran\'ny hafa izay maniry izany.
Eto ihany koa toa milaza fa ny tsy famelana ny heloky ny hafa (tsy fitiavana izany) dia toa fanakatonana io varavarana io ihany koa.
Hevitra sendra nitsidika ihany anefa io fa asa ny fahitantsika azy !!

36. prime
(
26/11/2008 08:40)
bor2lais:... (Miala tsiny raha noraisiko manokana io voambaranao io fa tena nahaliana ahy) Tena zava-doza io, ary ny tena manahirana amin'io fampianaran'ny Tompo io dia tsy mitodika amin'ny tsy mpino fa mitodika amin'ny mpino kristiana sy efa manana an'i Jesosy...
Eto ihany koa toa milaza fa ny tsy famelana ny heloky ny hafa (tsy fitiavana izany) dia toa fanakatonana io varavarana io ihany koa.
Ny mpino sy mpanaradia an'i Kristy no tena anarin'ny Tompo indrindra ka tena tokony itoeran'ny fitiavana ho mpanokatra ny vavahadin'ny lanitra amin'ny famelan-keloka sy ny fifamelan-keloka... indrisy nefa fa tena mbola ezaka goavana io ary mitaky firaisana feno amin'i Jesosy... sa ahoana hoy ianao?
Indray mandeha aho mantsy efa nahita mpino, rehefa nanarin'ilay rahalahiny izy hoe : amindrao fo izy ry rahalahy fa sendra lavo... dia hoy ilay ranamana, "Andriamanitra no mamela heloka fa tsy izaho"... dia sady nohazoniny ny heviny... :(
37. bor2lais
(
26/11/2008 13:12)
Itovizako hevitra tanteraka ny voalazan\'i prime hoe mbola ezaka be ho an\'ny mpino sy mpanara-dia an\'i Kristy ny resaka fifamelana. Ary matoa tsy mahavita an\'io dia araka ny voalazanao hoe tsy ampy ny firaisana AmiNY.
Rehefa dinihina tokoa mantsy ny \"alibi\" ampiasaina dia mitaratra an\'izany :
\"izaho angaha Andriamanitra ?\" -> tsy ao anaty Izy izany !!
\"mbola olombelona ihany ny tena ka maharary sns ...\" -> tsy Izy no mbola manapaka (tanteraka)!! sns.
Na izany aza : antenaina sy inoana fa ny FanahiNY hibitsika sy hamerina antsika ka hanolo ny fo vato ho fo mora hanarina sy tia namana.
Raha tsy izany mantsy lasa toy ny mpiandry varavarana mijanona any ivelany (variana mitazana fa sao mitady hiditra eo ilay tsy navela heloka !!) : na izy aza anie ka any ivelany fa tsy ao anatiny akory nefa tsy tsapany izany !!
Mba sarisary ho entina manambara ny tiana ho lazaina ihany io ataoko io ka miala tsiny amin\'izay mety tohina !!

39. coopsal
(
27/11/2008 13:14)
Ny inoako mikasika an'ireo zavatra telo ireo dia izao : tahaka ny hazo anakiray ny fiainan'ny olona anakiray, mizara telo izy : ny faka, ny ravina sy taho, ary ny voa.
[center]FAKA ~ FINOANA[/center]
Ny faka : misintona ny aina rehetra iveloman'ilay hazo izy (na ny rano na ny zezika), fa sady aminy no ahafahan'ilay hazo mifikitra tsy hianjera! Voalazan'ny mpandinika fa arakaraka ny halalin'ny faka ny haben'ny hazo ihany koa! Izany hoe ny hazo avo dia manana faka tena lalina be, ary rehefa tsy dia afaka milentika lalina ny fakan-kazo dia voafetra koa ny fitomboan'ilay hazo.
Ny finoana : @ finoana no andraisana ny aina ara-panahy rehetra (na ny rano velona, na ny sakafo ... araka ilay tenin'i Kristy hoe ny nofoko no fihinana, ny ràko no fisotro), fa sady amin'ny finoana no ahafahan'ny olona mifikitra @ Kristy mba tsy hampidaboka azy! Ao @ [Isaia 7:9] dia voasoratra hoe : "raha maty ny finoanao dia ho faty koa ianao". Koa arakaraka ny halalim-pakan'ny finoan'ny olona no haben'ny fiainam-panahiny koa.
[center]TAHO SY RAVINA ~ FANANTENANA[/center]
Ny taho sy ravina : ny taho no ikorianan'ny tsiro rehetra azon'ny faka, ary ny ravina, eo ambany fitarafan'ny masoandro no mpamadika izany tsiro izany ho sakafo mahavelona sy mampitombo ilay hazo manontolo. Ny ravina ihany koa dia sady manalokaloka ny vatany sy miaro ny faka mba tsy hodonainan'ny ainandro b loatra na ny fivatravatran'ny ranonorana, ary ny taho no itoeran'ny ravina sy ny felana ary ny voa.
Ny fanantenana : Rehefa avy ao @ finoana ny aim-panahy dia tonga ao @ fanantenana ny olona. Ny olona mino an'i Kristy dia manantena fiainana, ary rehefa manantena ny olona dia motivé @zay rehetra ataony noho izay antenainy. Izany motivation izany dia miaro ilay finoana tsy ho maina na ho potiky ny fivatravatran'ny fahavalo rehetra.
[center]FELANA SY VOA ~ FITIAVANA[/center]
Ny felana sy voa : Ireto roa ireto dia tsy manana asa manokana, fa vokatry ny asan'ireo roa voalohany. Mamelana aloha ny hazo ary aorian'ny felana dia ny voa. Ny felana dia mampiseho loko sy endrika tsara, fiandohan'ny voa izay tena izy. Ny voa (fruit) kosa no finalité, ary ny voa na izy sakafo ho an'ny zava-mananaina hafa, fa ao anatiny dia misy voa (grain) izay rehefa voakarakara sy nafafy dia hiteraka hazo iray vaovao.
Ny fitiavana : Misy fisehony hita maso (tahaka ny felana) ary mahafaly ny fo ny fitiavana! Ny fitiavana dia tsy mba asa ary tsy miasa, fa vokatry ny finoana ary kolokoloin'ny fanantenana. Izay no maha lehibe indrindra azy, satria izy no finalité ary ny fitiavana no miteraka fiainana vaovao indray ho an'ny hafa.
Famintinana :
"Il prospère comme un arbre planté près d'un courant d'eau ;
il donne toujours son fruit lorsqu'en revient la saison.
Son feuillage est toujours vert ; tout ce qu'il fait réussit." [Psaume 1:3]

40. prime
(
28/11/2008 10:30)
coopsal> Dia ahoana no fiainana ilay fitiavana ary amin'ny andavanandro? (mba hampazava kokoa ilay ambaranao)... misaotra mialoha... :)