gay niova

41. Veloo ( 18/11/2008 14:55)

hoy i com:
tsy haiko izay fomba ialàna

ny saiko te hivily ho fitiavana normal (l s v), fa ny foko tsy mety

efa miasa saina be ianao, ao ilay miteny hoe aza atao intsony, ao ko ilay iray miteny ataovy kanjony. Fantatrao fa ratsy io ataonao io, dia haraho ilay niteny hoe aza atao intsony, aza hodina tsy heno io fa raha izao ianao no manda an'ilay miteny hoe aza atao intsony dia hiala aminao io ary ho very tanteraka ny fiainanao. Ampio vavaka, ampantanjaho ny sainao, magataha hery avy any @ Andriamitra fa rehefa vonona ianao ny hiova dia tena miova tanteraka. Andriamanitra dia manome choix anao kanefa izy nibitsibitsika koa taminao ary aza lavina re.... Mivavaka ho anao izahay.

mandefitra tena marina ny teninao =D> =D> =D> =D> =D>

olombaovao mahereza fa tena mahafinaritra ny temoignage nao =D> =D> =D>
42. ikaretsaka ( 18/11/2008 15:43)
Mandefitra:

Tsy ny tsara @ olona fa ny tsara araka an'Andriamanitra.
rehefa hoy Izy hoe :
Levitikosy 18:22 aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany
Sady rahateo vehivavy no nohariany ho vadin i Adama fa tsy lehilahy,
dia zay tsara araka an'Andriamanitra.

Izy tsy niova omaly sy anio ary ho mandrakizay ... ka ho tampotampoka eo dia ho sitrapoNY ny hahatonga anao ho gay. Absurde!



mba realiste..
ny zavatra atao hoe "tsara" dia arak'an'olombelona foana rehefa metimety aminy sy azoazon'ny lohany...ary variable io famaritana io
fa avy eo mody ahilika any @ Atra sy itsimponana teny doratra masina forcena hifandraika @ le cause

tsy misy hafa @ adin'ny katosy ny prot any Irlandy io e...
Ny andaniny manao hoe Atra "tsara" no miaraka aminy rehefa mamono ny andaniny izy satria "mahatsara" azy ny tsy hisian'ilay 1... ny ankilany koa misaina tahak'izay!

de iza no ahoana sy arak'Atra @ izay???

Tsara ny vontom-pinoana, fa tandremo ny jambam-pinoana
8O
43. Olombaovao ( 19/11/2008 17:57)
Miarahaba antsika rehetra indray e!

Be dia be ny ady hevitra, fa rehefa mahatsapa ny zavatra tsapako dia tsy afaka miverina intsony. Indraindray ankehitriny lasa fisainana ihany raha mba t@ ireny nanaovana sitrapo adala ireny moa no maty, na tena ni-réussir tokoa ny suicide, dia taiza no mety ho nisy e?

Soa fa mbola namindra fo Andriamanitra e!

Izao mbola mahita Azy izay mitady Azy. Any am-pasana tsisy famonjena intsony.

Ny tena mampihoron-koditra dia ny hoe, raha ity moa izany tonga any @ helo, dia variana ny olona hoe \"maninona aty angaha ianao io?\" Dia hoe \"izaho ange gay fahiny e!\" \"ianao ve? tsy nampoiziko\"....

Soa anefa fa tsy tratry izany sady tsy ho tratry izany mihitsy intsony e!

ho an\'izay mbola manana double-vie rehetra no itodihako. Rehefa ho atao izy io ry zalahy assumer-o tanteraka ah! Aza miafina fa samy ho any @ helo ihany na ny miafina na ny miharihary.

Nefa mbola misokatra hoy aho ny vavahadin\'ny Famindrampon\'Andriamanitra e!
44. rakapy ( 19/11/2008 18:13)
Dia ianao izany Ra olombaovao dia efa sur 100% fa tsy ho any @ helo satria nilaza fa niala gay?
Ary mino tanteraka ve ianao fa izay gay na lesbien rehetra dia ho lasa any amin'ny Helo??
Mba mila fanazavana raha tsy maha diso. Misaotra tompoko
45. ikaretsaka ( 19/11/2008 18:21)
za koa mba miandry ny valin'io
46. fijo ( 20/11/2008 22:40)
izay mantsy????? tsy misy fahotana izany io ry zalahy an,toebatana io,ka aza atao mahamenatra.efa izay no izy dia avelao amin'izao,ary maka tsirony amin'izao,fa tsy olana mihintsy izany.
ilay any an danitra ve???aleo aloha hofaty,fa hoita eo ihany iny avy eo
47. cutie ( 22/11/2008 03:21)
fijo
tsy toe batana fa io fa safidy tsotra zao :-D :-D :-D :-D
48. tsiafoi1 ( 25/11/2008 10:21)
Lava dia lava le témoignage kanefa manintona h@'ny farany

Ny mba tiako ambara de izao tenin'Andriamanitra izao : "Izay manao azy ho efa mijoro tsara de aoka izy hitandrina f'andrao ho lavo indray". . Midika izany fa mila miambina am-bavaka mandrakariva isika. Mbola ety an-tanin'ny ady manko isika ankehitriny, de le ADY ifanandrinan'ny TSARA sy ny RATSY. Kanefa AFAKA HANDRESY hatrany isika RAHA MIARAKA @'ANDRIAMANITRA, ka izy no mifehy ny sitrapontsika sy ny filantsika. MAHERY ilay JEHOVAH ANDRIAMANITRA MPAHARY izay hivavahantsika. Koa rakofy FINOANA sy VAVAKA mandrakariva ny fiainana, na de manoloana itony écran itony aza...

Mihereza Olom-baovao sy ho an'ireo zay rehetra maniry ho afaka
JESOSY hanafaka anareo tokoa.
49. ninimalala ( 25/11/2008 14:11)
Olombaovao : Arabaina enao amin'ilay fanapahankevitra de mahareta hatramin'ny farany fa tsara Andriamanitra
Com : Mirary indrindra anao ho afaka amin'ny fangejana mahazo anao de aza adino ny mivavaka na inona finoanao na inona Andriamanitra 1 ihany amiko, de mitondra ano ambavaka ihany ko.
Mirary soa
50. dailynews ( 13/12/2008 17:12)
ikaretsaka:

azo atao tokoa nge hoe mety sitrapon'andriamanitra ny maha gay anao e



ny gay ikaretsaka dia tsy sitrapon Atra mihitsy o. Tahaka ny aretina io na dia tsapa fanikely aza hoe misy izany, ary rehefa mangataka amin Atra ianao hoe ahafahany dia afaka manafaka izany izy. Mila manaiky anefa fa tsy sitraopon Atra ilay izy.
51. Fitaliha ( 22/04/2016 10:48)

orona:

toi-même
zay wa le tsisy ilavana azy -- tonga de manao olona diso fa tsy mba mandinika. Maninina no ailika any @ tsy hita maso ny adihevitra -- Asivo porofo mivaingana. -- suis comme fijo -- tsy hitako mitsy ize iraraina ze vevavy any refa lelahy no tinao.


Izaho koa mba tia lehilahy, ary efa lavo im-betsaka tokoa. Tsy ilaina akory ny mitanisa izany. Fa izaho dia manameloka ny tenako hatrany. Tiako mihoatra ny zavatra rehetra Andriamanitra dia niezaka aho ny hanaraka ny sitrapony. Efa manambady aho izao dia efa manana zanaka ihany koa. Mbola tena tara amina bandy tokoa aho fa heveriko fa tsy hitondra filaminana ho ahy ny fiarahana aminy. Lavo aho, kivy aho, fa manantena ny ho tafarina. Ny fototry ny olana dia ny teny hafafin'ny olona nanodidina ahy tamin'ny fahazazana. Toy ny hoe sarimbavy, sns... Mora nandairan'ny tenin'ireny olona ireny aho dia tsy nahita ny fahatsarako amin'ny maha-lahy ahy aho, hany ka nitsiriritra ny ankizilahy mitovy amiko. Amin'io izany ny ao an-tsaiko dia hoe ry zalahy izany no tena bandy fa izaho kosa sarimbavy. Misy ny zaza manana saina matanjaka tsy mihontsona amin'ireny teny manaraby sy manambany ireny fa izaho kosa dia toa zary naniry tamiko ny teny izay voaraiko. Ny fivavahana ihany no hitako lalana hampivoatra ahy. Toa an'i Com dia rehefa mbola tsy tafaroboka dia fadio ny ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1601