mandalo tanà-misy havana

1. tslem ( 13/11/2008 10:28)
Isika mipetraka aty an-dafin'ny riaka aty moa rehefa hoe hivahiny any an-tranon'olona dia tsy maintsy miantso an-tarobia mampilaza matetika,ka raha ity hono ka eny an-dalana eny ianao ka sendra mandalo @ ilay toerana misy ny havanao(tena havana akaiky no tiako ambara,ohatra oe rahavavy na anadahy sns...)nefa ianao amin'io tsy manana credit oe hiantso na koa mety ohatra oe adino ny telefôna na sahala amin'izany, dia inona no ataonao:

1-Hivily ve sa tonga dia handalo fotsiny?

2-Inona no mety maharatsy na mahatsara ny tonga dia lasa na ny mivily mitsidika?
2. xxx ( 13/11/2008 10:54)
tslem:

nefa ianao amin'io tsy manana credit oe hiantso na koa mety ohatra oe adino ny telefôna na sahala amin'izany, dia inona no ataonao:
dia antsohiko ihany izy fa en pcv ! ny cabine rehetra manazava hoe inona no atao @ fiantsohina en pcv


:)
3. fahamarinana ( 13/11/2008 12:16)
:arrow: raha mpiray tampo amiko dia mandalo foana aho raha eo akaikiy eo ny lalako.Fa raha havana dia ohatran'ny mbola hieritreritra aloha,arakaraka ny fifandraisana ihany koa e raha somary proche ny fo na somary havana hita isaky ny bonne année. (l)
4. ni81 ( 13/11/2008 12:21)
raha mpiray tampo amiko dia mandalo foana aho raha eo akaikiy eo ny lalako.Fa raha havana dia ohatran'ny mbola hieritreritra aloha,arakaraka ny fifandraisana ihany koa e raha somary proche ny fo na somary havana hita isaky ny bonne année.
zà koa mitovy hevitra @ fahama raha toa mpiray tampo (zà moa tsy manana) :(
5. fahamarinana ( 13/11/2008 12:28)
:arrow: vavy tokana angaha njy akia ry ni...na tsy mpiray tampo aza fa akaiky ny fo dia mandalova rehefa eo akaiky eo e,na lavitra aza.Tsidihin-kavana ndray ve akia dia hiavona aho ! :wink: (l)
6. ni81 ( 13/11/2008 12:53)
vavy tokana angaha njy akia ry ni...na tsy mpiray tampo aza fa akaiky ny fo dia mandalova rehefa eo akaiky eo e,na lavitra aza.Tsidihin-kavana ndray ve akia dia hiavona aho !
tsy vavy tokana fa tsy misy mpiray tampo aty na havana e! hihi.
7. fahamarinana ( 13/11/2008 12:59)
:arrow: hay ! soa misy serasera zany hatreto.. :D (l)
8. booboo ( 13/11/2008 13:13)
1- Mandalo mamangy
2- Mety tsy ho ao zareo, mety hivoaka koa @ ilay ora handalovana, mety misy vahiny hafa, sns.

Na izany na tsy izany, mifanalavitra aby ny toerana sy firenena misy anay dia mahalana vao hoe mandalo @ faritra misy an-dreo. Dia rehefa handalo any izay dia efa anaty prôgany mihitsy hoe hamangy dia tondé mampilaza mialoha be.
9. fahamarinana ( 13/11/2008 13:22)
:arrow: raha lavi-toerana tokoa aloha dia aleo mampilaza e...
iny hoe mety tsy ho ao iny koa aloha efa sendra ahy fa lalana mody koa moa mandalo eo aminy dia tsa manahy loatra.:) (l)
10. vale ( 13/11/2008 14:24)
havana akaiky no tiako ambara,ohatra oe rahavavy na anadahy sns...)

raha havana akaiky ray tampo dia tonga dia mandàlo mivily aho raha toa ka tsy maika hamonjy fotoana , na havana koa aza, raha havana akaiky ohatra ny cousines, cousins... tsy mampaninona an-dry zareo na ts mampilaza aza, vao mainka mahafaly azy. Raha havana alavitra kosa aloha tsy mivily aho na mandalo eny akaikin'ny tranony aza raha tsy mampilaza, sy efa ntao programme mhintsy ilay oe hamangy.
Ny iraytampo moa ny ahy ts eto am firenena misy ahy koa fa any an-kafa, fa na izany aza dia toy izany ihany ny ho -reflexe-ko e. Coucins cousines, tonga de mivily aho rehefa te hivily ka sendra mandalo, raha tsy te hivily moa de mandalo fotsiny! :lol: ;-)
11. Samoana ( 13/11/2008 15:26)
tslem:

rehefa hoe hivahiny any an-tranon'olona



Raha niomana hivahiny an-trano kosa tsy maintsy efa nahita fomba hampilazana foana e!
Raha nanaiky ilay olona dia mba tsy mety ny ataony raha tsy tratra an-trano :(
Raha tsy manaiky moa izy ka te ahita azy aho dia omeko fotoana @ ôtely hatoriako hitafatafa (raha manaiky koa aloha izy e :D )
12. ikaretsaka ( 13/11/2008 15:50)
arakarak'ilay anrony koa aloha e..mety hoe arak'asa
tsy tany andafin'ny riaka fa tany Madagasikara aho nisy fotoana nanao Tana Toliary in 3 isan-kerinandro fa maro havana sy tapaka ihany ao bira fa tena aleoko nisafidy ny hoe andao lalovana fotsiny :wink: dia mihodina any @ route d'ambositra mihitsy fa tsary mandaloi ampovoan-tanana
marina heo malahelo ry zareo @ voalohany fa rehefa hazavaina azy ny zava misy de....

fa raha naham-po nao ny hamangy dia ataovy fanahy iniana dia io antsoina io ko
13. haritianah ( 13/11/2008 20:40)
Efa maro ny hitako fa na iraitampo aza surto efa manana ny tokatranony dia mila mahampafafantatra azy foana refa hivahiny ao aminy aty Fratsa.
Indrindra mou fa havana cousine na cousin zany dé mila tokoa milaza, efa mahazatra ny olona aty mitsy io.Aty misy ny olona tena misy andro izy ts tia handray olona mits na iza na iza, misy indray be zavatra atao izy dia ts tia elingelenina, misy kou mety ts ao an trano mits izy.
14. vale ( 14/11/2008 00:19)
hummmm, tsy mba 'zay izany! :lol: satry foana aza hihaona, hiresaka hitafatafa am maha mpiray tampo, ary rehefa misy iray sendra mivily iny tena faly aaaah! :lol:
15. fahamarinana ( 14/11/2008 06:53)
:arrow: arakaraky ilay famille marina io ry haritinah fa tsy mba zahay koa izay mampilaza izay,tahaka i vale ihany ..tsy mahazatra anay koa rahateo...zà manokana dia afaka mandalo aty amiko daholo fa na korontana ao na tsia dia mandray aho rehefa mbola ato an-trano.Raha tena tsy afaka aho dia iny no manazava hoe tsy eo raha miantso ahy ilay olona. (l)
16. tslem ( 14/11/2008 07:05)
Ny ahy raha havako akaiky na havan'ny vadiko no tonga ao amiko tsy mampilaza tsy mampaninona ahy fa raha olonkafa aloha dia somary hafahafa ihany e :)
17. xxx ( 14/11/2008 17:38)
za mahita olona zay fa na ny rainy niteraka zy zao aza dia himenomenonany hoe tsy mba miantso akory vao mandalo .. ohatry ny hafahafa ... nefa anie le olona ao an-trano foana matetika e ... sa misy zavatra hafenina angamba ...
18. fahamarinana ( 14/11/2008 18:44)
:arrow: xxx: mety tsy mifanaraka loatra dia nihitatra ilay raha,lasa mifanorisory...asa anefa ! (l)
19. kelly13 ( 15/11/2008 11:27)
mitovy hevitra @ tslem15, hihihi! d za kou refa makany @ ravaviko tsisy mifampiantsoantso zany fa refa tonga ao ambanindry zareo d mi-sonne klou (eto mba mahalala fomba ono za e) d ra sendra tsy ao ry zareo d za efa manana double ny lakilé d tonga d miditra! efa nifanarahana rahateo kou mou io :wink:
20. tslem ( 15/11/2008 12:03)
mitovy hevitra @ tslem15, hihihi!


iny ndray no tsy hitako,njy ty ho ah tsssss :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868