Azo ampiharina aty ivelany ve ny fitaizana tany amintsika ?

1. niryna ( 12/11/2008 04:45)
Asa aloha fa raha ny fitaizana nataon'ny RaR antsika dia toa misy tsy azo ampiharina aty ivelany e .Izaho aloha tsy mba nahatsiaro hoe voakapoka izany e,kanefa aho rehefa nitaiza rehefa maditra ny zanako dia nosaziako ,nasiako nandohalika teo.Nandaitra ilay izynikapoka kely koa aho fa tsy tena fanaoko koa ilay izy.
Fa ny tsy nataoko intsony dia nikapoka aho indray mandeha izay ary mety tezitra be angamba aho ka nokapohiko mafy ny zanako ,tena niloabava mihitsy ilay zaza hoe marary anie izany e,tonga saina aho ary enoko narary tokoa ny tanako nikapoka azy ary dia izay,tsy nikapoka ny zanako intsony aho nanomboka teo anariko amin'ny teny fotsiny izy.
Ny ankizy aty aminay indray dia voararan'ny fanjakany ny RaR mikapo-janaka(marina aloha fa tsy tokony hoy izay ihany ny fananarana azy ) saingy indraindray mila kapohana kely e ,sa tsy ho voatery e.
Raha mikapo-janaka ny RaR ka miantso polisy ny ankizy dia voasazy ny RaR raha mitombona ilay izy .Tianareo ve izany lalana izany ?
Azo ampiharina aty ivelany ve ny fitaizana ny ankizy tany amintsika ? Inona ny anareo no ampiharinareo ?
misaotra betsaka
(l) niryna
novalian'i niryna ny 18/11/2008 16:16
2. paradisa ( 12/11/2008 09:53)
salama, ny fitaizana na ny fanabeazana dia miankina amin'ny tsirairay sy ny fomba nentina nanabeazana azy nefa koa miankinana tanteraka amin'ny vani-potoana sy ny zava-misy eo anivon'ny tokantrano sy ny fiaraha-monina. Amiko dia tsy miankina amin'ny hoe"azo ampiharina na tsia" fa ianao no mahafantatra ny fomba ho entinao manabe sy mitaiza ny ankohonanao, fa mila velarina fotsiny ny fomba fijery . zay aloha fa raha lava loatra mahamonanamonaina misaotra tompoko.


3. sakaizakely ( 12/11/2008 21:21)
Za ry Nirina de tsy vizaka ny mamerimberina fa tsy tiako ny fitaizana arahinkapoka sy ny sazy corporelle (mandohalika, mamafa gaboné, manasa tokotany sns...) ary tena atsipako tanteraka ny fitaizana taloha

Ny fahafantarako azy dia tsy ilaina ny mikapoka fa miteny tsotra ihany, na mahalava lela aza indraindray dia sanatriaviko ny hikapoka takolaka kely na fekely malefaka iny

Ny ahy tsy misy voakapoka, nefa toa mba hendry ihany, tsy mba voasazy matetika, zany sazy zany ohatra alefako anjorontrano fa 30 segondra fotsiny de averiko. Efa zatra koa ry zareo ka fahorina be zany raha vao alefa anjorontrano fotsiny, de efa ampy hampatahotra azy ané zay e ! Tsy ilaina atao maharitra ela ilay sazy de efikasy, ny fomba fitenenana azy de efa ampy anatra ho an'ilay zaza

Tsy mba voako mits reny oul taloha oe maditra le zaza de hidina any à valankisoa indray andro maninjitra ohatra. Nisy mpiaramianatra taminay fahiny nahazo an'zany, nefa isan'ny dondrona sy maditra be le ankizy, vao maika lasa mafy loha sy donto be

rehefa tezaina @ fo tony sy fiainana milamina le ankizy de afaka misaina sy mieritreritra tsara, de ampianarina hitana teny koa fa hitako mahomby raha dieny vao kely dia zarina an'izay

Zahay de tena voakapoka sy matintsongo taloha, fa tsapako fa tsy rariny hatram fahakely le izy, satria tsy ditra ny ahy ny ankabeazany fa andrana, nefa de kapoka tsy misy fanazavana akory ny valiny. Dia zany no nahatonga ahy hitroatra lava de vao maika koa bedy de vlaaaaaaaan !

De tadidiko doly reny de tsy tiako iaina am zany ny zanako fa tiko loatra ka (l) (l) (l) (l)
4. fijo ( 12/11/2008 23:50)
za manasazy,fa le mikapoka,no tsy manao intsony aho,fa efa nanao,dia nanenina.
5. haritianah ( 13/11/2008 10:34)
raha amiko dia TSIA Avy atrany no hevitro, tsy ho zakany zaza aty ivelany mits ny ho tezaina sahalan'ny zaza mipetraka mada.
Ny manakapoka amiko ilaina fa kosa ts ireny kapoka dala ireny, ts mety kou anefa ny atao zatra kapoka, nentina fotsiny mba hanana'ny zaza fanajana ny RAD.
Raha ny isanjatony no jerena eo @ zaza any mada bedesina sy kapohina sy ety ivelany ts dia azo bedesina bé loatra sy surto ts azo kapohina dia ny zaza any mada mbola manana fanajana kokoa ny RAD noho ny zaza mipetraka ivelany.
Ny zaza aty @ tany mandroso refa mahalala ity lalana apetraka momba ny zaza ity dia mihoampefy matetika ary misy ny sahy managadra RAD mihintsy.
Noho ny lalana fantany no mapihoapefy azy ary lasany RAD mihints no ts hita izay atao, kely izy mampitaintaina @ fahafantarany ity brigade de minneurs, lehibé ampy taona izy mahalala ity owé efa majeur.
Ny ankamaroany zaza taizana any mada na kely na efa ampitaona fa mbola ao @ RAD dia ts dia sahy hitory sy hanaonao foana ny RAD zany, misy ny manao fa raha ny isanjato no jrrena dia mbola vitsy.
Ny any mbola tena mahamenatra bé raha ny zaza mamingavinga anao RAD eo imason'olona hafa zany aty ivelany ts mahagaga ny RAD sy ny olona aty zany fa vokatry ny fahafantaran'ny zaza ny lalana.
Any ka na miezaka toin'inona ary ny RAD ety ivelany fa dé lasa tena miankina @ lé zaza sisa ny rehetra.Na efa niezaka nanao izay mba hahatsara taiza ny zaza aza ny RAD ety ivelany dia miankina tanteraka @ lé zaza mihintsy.
Any mada mbola mitombina lé owé zaza ratsy taiza ny RAD fa aty io ts mitombina intsony.
Kely namahirana lehibé mamaky loha ny zaza aty, zany ankory ts midika fa tsy misy ireo zaza tena mankatoa RAD.
Fa na ny any Mada koa aza anie fa ts sahalan'ny taloa koa ny zaza any ankehitriny é, fa na izany aza mbola azo bedesina sy kapohina ary mbola maro ny makanto ny anatrany RAD;
6. niryna ( 14/11/2008 18:31)
paradisa:

salama, ny fitaizana na ny fanabeazana dia miankina amin'ny tsirairay sy ny fomba nentina nanabeazana azy nefa koa miankinana tanteraka amin'ny vani-potoana sy ny zava-misy eo anivon'ny tokantrano sy ny fiaraha-monina.


marina tokoa izany ary miankina amin'ny toerana misy anao koa
Amiko dia tsy miankina amin'ny hoe"azo ampiharina na tsia" fa ianao no mahafantatra ny fomba ho entinao manabe sy mitaiza ny ankohonanao, fa mila velarina fotsiny ny fomba fijery . zay aloha fa raha lava loatra mahamonanamonaina misaotra tompoko.
misy ny tsy nety nataon'ny rar sasany ohatra ilay mandaroka ankizy dia manidy azy ao an'efitrano ,ny efa itan'ny masoko dia doran'ilay rangahy ny sakay dia nievoka teo ireo zanany mianadahy efa lehibe a, tsy nanaraka ny fivavahany hono dia izay no nataony,hatreo ihany fa tsy fantatro sy tsy tadidiko intsony izay tohiny.
Ny iray efa itako koa dia manan-janaka efa-dahy ity ramatoa ary tena maditra tokoa ireo zanany ka dia fatorany no kapohany sady miteny izy hoe mamolaka poteau hianareo raha mahafolaka ahy ...dia ilay zaobaviny(nenitoan'ireo ankizy no miapatrapatra mitomany mahita sy mihaino ilay feona fehikibo


:cry:
7. fahamarinana ( 14/11/2008 18:56)
:arrow: tena ketraka tanteraka aho maheno ilay olona mampievoka sakay....d'efa tafahoatra loatra tokoa na frustré avy any ananona any dia amin'ny ankizy no manampatra sy miala vokina. (l)
8. niryna ( 14/11/2008 19:28)
sakaizakely:

Za ry Nirina de tsy vizaka ny mamerimberina fa tsy tiako ny fitaizana arahinkapoka sy ny sazy corporelle (mandohalika, mamafa gaboné, manasa tokotany sns...) ary tena atsipako tanteraka ny fitaizana taloha
marina tokoa izany,fa misy tena mafiloha ny ankizy ary misy koa tena tsy afaka miteny intsony ny RaR dia toa jereny fotsiny...

Ny fahafantarako azy dia tsy ilaina ny mikapoka fa miteny tsotra ihany, na mahalava lela aza indraindray dia sanatriaviko ny hikapoka takolaka kely na fekely malefaka iny
tamin'ny mbola kely ity zaza dia tena lava lela mihitsy ilay reniny miantso azy ary rehefa lehibe izy dia nikiakiaka toy ny fanaon'ny reniny koa iizy tamin'ny zanany

Ny ahy tsy misy voakapoka, nefa toa mba hendry ihany, tsy mba voasazy matetika, zany sazy zany ohatra alefako anjorontrano fa 30 segondra fotsiny de averiko. Efa zatra koa ry zareo ka fahorina be zany raha vao alefa anjorontrano fotsiny, de efa ampy hampatahotra azy ané zay e ! Tsy ilaina atao maharitra ela ilay sazy de efikasy, ny fomba fitenenana azy de efa ampy anatra ho an'ilay zaza
marina ny anao ,ny ahy indray nanao maloto tamin'ny silipikeliny iny dia nasiako nanasa azy ary teo dia fay ,oops

Tsy mba voako mits reny oul taloha oe maditra le zaza de hidina any à valankisoa indray andro maninjitra ohatra. Nisy mpiaramianatra taminay fahiny nahazo an'zany, nefa isan'ny dondrona sy maditra be le ankizy, vao maika lasa mafy loha sy donto be
misy fiantraikany any amin'ny hatidohany hono ilay kapoka atao ny ankizy ka na dia tsy mikapoka aza ny RaR raha vao manatona fotsiny izy dia efa mifarerotra izany ny endrin'ilay zaza,misy tonga dia fantatra hoe voadona lava ity zaza ity .
Ny mba tsy tiako koa dia ireny olona mibedy lava ny zaza ireny ,ohatrany tsy mba nandalo izany fahazazana izany fa dia manantena ilay zaza ho filamatra foana ,hany ka misy maningana tokoa izy ireny rehefa eny imasom-bahoaka .

rehefa tezaina @ fo tony sy fiainana milamina le ankizy de afaka misaina sy mieritreritra tsara, de ampianarina hitana teny koa fa hitako mahomby raha dieny vao kely dia zarina an'izay
ka misy koa anie tokantrano tsy milamina e ,raha milamina ny tokantrano dia mety hitombona izany fa misy ireo zaza mitaintaina lava amin'ny adin'ny RaR dia misy fiantraikany ihany koa ilay fitaizana sa ? asa aloha fa mba eritreritra ny ahy iny !

Zahay de tena voakapoka sy matintsongo taloha, fa tsapako fa tsy rariny hatram fahakely le izy, satria tsy ditra ny ahy ny ankabeazany fa andrana, nefa de kapoka tsy misy fanazavana akory ny valiny. Dia zany no nahatonga ahy hitroatra lava de vao maika koa bedy de vlaaaaaaaan !
ka eo indray dia miverina tamin'ireo hoe mety tsy ho fantan'ny RaR hoe tia handrankandrana ny zanany angamba .
Ny ahy indray dia tany am-pianarana ny zanako dia voateny foana fa be resaka sy be fanontaniana hono dia niteny taminay foana ny mpampianatra,kanefa ahoana moa no ahaizany raha misy zavatra manitikitika azy ka tsy azavain'ilay mpampianatra ? Toy ny ankizy sasany koa misy be resaka ,misy maditra ,misy be fanontaniana ary msy be tsy miteny sy ao koa ny sarokenatra sns.

Dia hita teo fa tsy nety tao amin'ilay kilasy izy fa nafindra toerana nalefa tany amin'ireny ankizy gifted ireny na ankizy manana talenta hafa noho ny rehetra dia izay vao nety ilay fampianarana satria hay ilay zaza toa maivana taminy avokoa ilay fianarana .Nampianariko mialoha tamin'ilay kilasy izy ,dia efa hainy daholo ilay matieres tao ooops

De tadidiko doly reny de tsy tiako iaina am zany ny zanako fa tiko loatra ka (l) (l) (l) (l)

:wink: :D
9. mangamaso ( 15/11/2008 19:57)
:) Miarahaba anareo rehetra,
Amiko, rehefa maditra ny zaza dia bedesina fotsiny fa zaza kapoina, na tsongoina, na alefa mandoalika...
Fomba fitaizana tsy mitondra soa na ho an'ny ankizy na ho an'ny ray aman-dreny ny fikapoana zaza.
Any manaraka ary
10. kotobekibo ( 15/11/2008 20:09)
Tsy misy boky na lalàna hoe tsy maintsy toy izao no hatao mba hanabeazana ny ankizy
Amiko toy ny voakazo an'ala ny fanabeazana hitantsika teo @ fahazazantsika , ka izay mety t@ ireny d raisina , izay mifandanja @ androtsika @ izao fotoanaanefa fa tsy hoe hatao copier coller fotsiny izy io .
Ny teha-maina sy tsongo majinika d ekeko fa mety , ref tena mafy loha ilay zaza .
Fa tsy mety kosa ilay kapoka mafy na sazy mafy loatra ireny .
Misy fomba hafa azo anasaziana azy .
Ny fikikakikana an'ilay zaza tsy mety koa satria tsy henoiny intsony @ farany ref zatra izy .
11. niryna ( 18/11/2008 16:16)
mangamaso:

:) Miarahaba anareo rehetra,
Amiko, rehefa maditra ny zaza dia bedesina fotsiny fa zaza kapoina, na tsongoina, na alefa mandoalika...
Fomba fitaizana tsy mitondra soa na ho an'ny ankizy na ho an'ny ray aman-dreny ny fikapoana zaza.
Any manaraka ary


marina tokoa izany .Ny sasany indray dia manao izay hiadan'ny kibony @ zanany ny RaR sasany hany ka izay tadiavin'ny ankizy dia vidiana daholo .Toa tsy mahita fifaliana ilay zaza fa lazainy @ RaR indray fa mankaleo ilay fiainana :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.749