tanimboly

1. xxx ( 08/11/2008 12:11)
akory zareo a,manana tany lehibé aho,vaky saina aho oe inona no voly hamokatra aingana ary mety ampisy vola,misy milaza fa ravin-tsara no mety,ilay tany an-tanety ka tsy azo atao vary,mba misy afaka manoro evitra vé tany lehibé tokoa,ny holana iany koa dia alavitra rano ratoa hanondraka ny voly,sao mba mety misy mahita evitra hanoroana ny namana,misaotra mialoa :oops:
2. Noue ( 08/11/2008 12:49)
xxx:

akory zareo a,manana tany lehibé aho,vaky saina aho oe inona no voly hamokatra aingana ary mety ampisy vola,misy milaza fa ravin-tsara no mety,ilay tany an-tanety ka tsy azo atao vary,mba misy afaka manoro evitra vé tany lehibé tokoa,ny holana iany koa dia alavitra rano ratoa hanondraka ny voly,sao mba mety misy mahita evitra hanoroana ny namana,misaotra mialoa :oops:

ka inona nefa ny voly azo atao tsy ilana rano eee ??? ary maninona raha miompy ???? akoho n vorona sns eeee ???
tena sy hitako oe inona no voly azo atao tsy ilana tondraka ???


3. xxx ( 08/11/2008 17:10)
ka izay ndrindra no tadiavako hevitra hoe inona no tsara atao toy revitoto etc,karazana voly zany tsy mila rano no tadiaviko nefa mapiditra vola e,ny miompy tsy lasako laotra fa io tany io tsy tiako ho jerena fotsiny ka maka hevitra aminareo aho,merci d'avance,azo atao vé ny voly ahondranaetc :^)
4. sitlo ( 08/11/2008 17:45)
Misy zavatra tsy tiako mihitsy amin'io resaka ravintsara io.

Atao inona ravintsara? hakana huile essentiel
Izany hoe tsy azo ampiasaina avy hatrany fa mbola mila fanodinana. Sady raha nianatra ny momba ny huile essentiel ianao, ravina be dia be mihitsy vao ahazoana kely.
Iza anefa no hividy ilay huile essentiel avy eo?
vitsy, ekeko hoe tsy ampy ny vokatra fa mbola vitsy no tena mila azy

Raha ny hevitro dia tsotra, raha tsara ilay tany dia voakazo volena. Raha ratsy ilay tany dia kininina.

Fa raha tena hisisika amin'ny huile essentiel dia anontanio an-drasoanja http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m48e2fa44196bf
5. ikaretsaka ( 08/11/2008 19:33)
tena sy hitako oe inona no voly azo atao tsy ilana tondraka ???


cactus sy taretra ohatra!
:wink:
6. TTiana ( 21/01/2009 19:14)
izao e raha hanao voankazo izany ianao dia lazaiko fa sady mbola mila tondraka ihany izany isaky ny hila voany sns
fa raha hamboly ravintsara ianao dia izao manaova lavaka be de atoroko anao ny fanaovana azy ary izaho ihany no handray ni vokatra na firy na firy na mety ho mpiara miasa amiko hianao fa izaho manana vazaha client fa za zaoi no tsy maharaka . fa za mila olona tsy tia tena satria za hizara aminao ny traikefako de mila olona to aahy aho miara miasa amiko

nisy olona mantsy nampiako resaka huile essentielle manambola be izy de natoroko de nanao alambic 1500 litres fa nanontany ahy foana izy deia natoroko. taty aoriana izy manao menaka tsy mba nanontany asa na matahotra zavatra hafa na te ahavita tena satria manambola de manaonao foana
mitanika zavatra hafa amin'ny alambic natao hitanehana ravina izy tsy hainy dia aza manao izany fa tsy ny fanana vola no mahalasa lavitra


ity ny adresse ko raha liana ianao rtthierry@yahoo.fr.
misaotra
dia raiso daholo ny hevitry ny olona aza misy tsinontsiniavina dia izay ilainao sy mety aminao atao fa ny experience tsy mitovy ary samy manana ny azy .mazoto zao ianao raha hamboly ravintsara de mety na tsy hanondraka intsony aza a isantaona

7. TTiana ( 21/01/2009 19:21)
za manana alambic 3 afaka hiasana hamokarana ra te hiara hiasa e
azzo bataina . 1hafa 1500litre 1 hafa 500l fa mila olona matotra mampandrosy ny hafa . miara mandroso e

8. azamanadino1 ( 25/12/2009 14:06)
moly zama raima de bulding ao fa ampinay ela gratosy za manana akama bobaka be manao asa fanasoavana loool fa moly atao kozy e ptdr :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4821