Mba mahafinaritra ahy ny mijery azy ireo an !

1. niryna ( 07/11/2008 11:42)
Asa hianareo raha mba mitovy eritreritra ahy koa fa mba mafinaritra ahy ry ireto ny mijery ireny mpivady antitra miaraka mizotra ,miaraka mandeha tongotra ireny an.
Misy mpivady efa antitra be izay mandalo eto an-tranonay foana isan'andro manao exercice izy roa 80 sy 85 ,ilay ramatoa mbola mandeha mafimafy ihany fa ilay rangahy no efa reradreraka dia verenany ,somary mihodina kely izany izy maka ilay rangahy dia miaraka mandeha tongotra indray.Tena mbola mateza izy roa e.

Hianareo koa ve mba manana faniriana ny hoe samy ho tratra antitra ?
Sa inona no mba tianareo ?

(l) niryna
novalian'i tsiafoi1 ny 27/11/2008 07:44
2. fahamarinana ( 07/11/2008 11:52)
:arrow: ny faniriana ve moa tsy mba ho tavela maharitra eto na dia ny hiaraka amin'ny vady aman-janaka aza fa rehefa tonga tampoka ilay fotoana toa tsy afaka misafidy hoe aoka aloha ! :( (l)
3. sakaizakely ( 07/11/2008 12:00)
za ndray tsy maniry ho beantitra mirebareba ireny ka

rehefa tsy mavitrika intsony sy mitady ho grabatera de aleo miala, place aux jeunes :lol: :lol: :lol:
4. ikaretsaka ( 07/11/2008 16:47)
za mahalala bainina be izay miara manao kanetibe aminay.. fa lery tsy tapaka mihitsy isan'andro eo @ park eo (rehefa tsy morana na mandanezy ka azo hanaovana boules moa izany e)

dia miala any le vadiny mitondra lasopy ho an'i lery (efa antitra koa ilay ramatoa fa mbola miasa) dia miara mikaly eo izy 2 rehefa lunch...
fa indraindray ahako de dia lasa saina hoe izao izany le revin'antitra koh! :-D :-D
5. niryna ( 07/11/2008 19:41)
ikaretsaka:

:D
6. ikaretsaka ( 07/11/2008 20:37)
de ireny kao indraindray de misy an le lany resaka eo de lany eo ny andro an.. voatantara aby izay sy izao!
nahita an'ireo aho le tany atsimo ireny..miala vo masil ianao dia efa eo izy mivady sy ny radio....
tonga ianao ny hariva mbola eo izy mivady sy ny radio..
7. ssendra ( 08/11/2008 06:42)
ny ahy indray raha anitra en forme matanjaka tsara tsy maninona fa raha tratra antitra mijaly ara-pahasalamàna dia aleoko maty alohan'izay....

za ndray tsy maniry ho beantitra mirebareba ireny ka

MIsy anitra mbola jejo be sy sexy ko! hihihihih ilay voisine eto akaiknay eto mbola manao mini jupe juste eo am lohalika izany e! :-P fa izy kosa mahia tsara mbola mitàna hono hihihih
8. haritianah ( 08/11/2008 07:37)
Mahafinaritra alou ny maita owé de tena tratra antitra @ fitenenana é
9. niryna ( 12/11/2008 04:49)
ikaretsaka:

de ireny kao indraindray de misy an le lany resaka eo de lany eo ny andro an.. voatantara aby izay sy izao!
nahita an'ireo aho le tany atsimo ireny..miala vo masil ianao dia efa eo izy mivady sy ny radio....
tonga ianao ny hariva mbola eo izy mivady sy ny radio..

dia misy indray ilay antitra miaraka mikorana eo daholo
ary ilay olona mamelatra latabatra manao domy ? eo dia eo lany eo ny androny
10. niryna ( 12/11/2008 04:52)
ssendra:

MIsy anitra mbola jejo be sy sexy ko! hihihihih ilay voisine eto akaiknay eto mbola manao mini jupe juste eo am lohalika izany e! :-P fa izy kosa mahia tsara mbola mitàna hono hihihih
ny misy firenena toy ny sinoa no tena be antitra sy mateza ary tsy dia ary tsy dia mahita azy ireny manao akanjo fa mipantaloha daholo ny vavy ary ny lahy kosa dia betsaka mpifoka sigara a,ary be tratra antitra ry zareo fa rehefa tezitra dia ireny sinoa very entana ireny e tena mitabataba be mihitsy

11. kotobekibo ( 15/11/2008 15:33)
reveko tsara ny tahak'ireny antitra mbola mifankatia ireny , fa raha saingy diso antitra kosa tena tsy lasa klé .
Rehefa mbola mahavita tena d tsy koi .
12. fijo ( 21/11/2008 22:23)
hiaino tsara aloha ny hatanorana,fa ho itantsika eo ihany ny hoavy e.nareo ko
13. tsiafoi1 ( 27/11/2008 07:44)
Bebeanay vao maty tsisy un mois akory 93ans, fa efa 7ans teo ho eo izy tsy nitsangana tao am-pandriana intsony. Tena nijaly ny fahitana azy kanefa de tsapa sy hita taratra teny aminy foana fa naniry ho velona hatrany izy, na de efa teo ampialana aina aza...

Mora le miteny we aleoko maty, fa rehefa manaintaina mitady fanafody ihany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918