Ireo zaza mitratrevatreva ! Aretina hono izy io !

1. niryna ( 07/11/2008 11:25)

Asa hianao na efa nahita ireny ankizy mitratrevatreva ireny ,indrindra izy raha mahita film amin'ny TV ,ataony daholo izay itany.Misy aretina ilay zaza ary misy omena fanafody fanalefahana azy tsy hitratrevatreva,mety ho gaga angamba isika na asa efa misy mampianatra ireo ankizy ireo koa na any am-pianarana aza .Mety ho mahay be izy a,falifaly sy toa mora miaraka amin'ny hafa saingy tsy afaka ny hanana concentration ela fa manembatsembana ny iray kilasy aminy,dia mety ho ampiantsoan'ny mpampianatra ny rar hoe manabataba ny iray trano. ( emotionala behaviorala disordera ) no hiantsoana azy,oops azafady fa tsy aiko no hilazana azy tanteraka ,izany hoe manana toetra hafahafa ,mitratrevatreva,manakotaba ny rehetra ,mitsambikimbikina,mihazakaza-dava,toa tsy reraka miteny sy toa manana hery be mihoatra ny rehetra,efa nahita izany toetran'ankizy izany ve hianao ?

Inona no atao mba hampitony ireo ankizy voan'io aretina io ?
(l) niryna
novalian'i arialy ny 19/02/2009 19:18
2. sakaizakely ( 07/11/2008 11:54)
hyperactifs no fiantso azy aty aminay

misy ny tena hyperactifs aretina ka ny dokotera ihany no mahalala izay tokony atao
fa ny fanabeazana koa no tena mitondra azy ary eo no vao maika ilàna RaD présents sy attentifs

misy indray ny hyperactifs tsy mahay mamehy tena satria tsy nozarina tam zany, zany oe tsy no hain'ny RAD loatra oe atao ahoana tokoa moa izany mitaiza izany, dia taizana anjambany eo ny ankizy, tsy manana cadres sy limites mazava tsara, hany ka tsy hain'ilay ankizy ny tokony atao dia lasa madiditra sy mahery setra any ampianarana ny ankizy ary tsy tafita matetika satria tsy mahay mipetraka sy mi se concentrer @ asa atao, nefa ny fianarana dia ilana calme sy concentration.

saiky manana tendance @ hyperactivité daholo ny zaza satria be energie, de eo no miditra antsehatra ny Rad @ fanabeazana, mampianatra tsikelikely ilay zaza hi gerer ny emotion-ny. Io dia ny famindra mahazatra ao antrano no tena mitondra ilay fihetsika asehon'ny zaza any ivelany. Raha zaza bien cadrés tsara ao antrano dia ho toy izay koa any ampianarana
Raha zaza tsy voatana ao antrano dia tsy mahagaga raha manakorotana koa any ivelany

Ny RAD koa dia afaka mangataka fanampiana avy am reny psychanaliste ireny hanampy azy ireo @ fitaizana ilay zaza hyperactifs
3. ikaretsaka ( 07/11/2008 16:15)
misy idirany @ fanabeazana koa io ary marina ny an'i sakaiza eto
4. niryna ( 07/11/2008 19:43)
ikaretsaka:

misy idirany @ fanabeazana koa io ary marina ny an'i sakaiza eto


fa mety misy fomba maro atao koa angamba o ?
5. ikaretsaka ( 07/11/2008 20:40)
dia ny fanazarana azy hanao self control io no ilaina koa

misy indray ny hyperactifs tsy mahay mamehy tena satria tsy nozarina tam zany, zany oe tsy no hain'ny RAD loatra oe atao ahoana tokoa moa izany mitaiza izany, dia taizana anjambany eo ny ankizy, tsy manana cadres sy limites mazava tsara, hany ka tsy hain'ilay ankizy ny tokony atao

saiky manana tendance @ hyperactivité daholo ny zaza satria be energie, de eo no miditra antsehatra ny Rad @ fanabeazana, mampianatra tsikelikely ilay zaza hi gerer ny emotion-ny. Io dia ny famindra mahazatra ao antrano no tena mitondra ilay fihetsika asehon'ny zaza any ivelany. Raha zaza bien cadrés tsara ao antrano dia ho toy izay koa any ampianarana



6. xxx ( 08/11/2008 02:16)
ADHD ny filazana an'io aty...ary tena aretina...http://en.wikipedia.org/wiki/Attention-deficit_hyperactivity_disorder
Izaho t@ primaire nahafantatra mpiara-mianatra amiko izay tena voa an'i ADHD fa tamin'izany tena mbola tsy fantako ary tsy azoko ilay izy (mbola kely koa moa)
Rehefa taty aoriana vao tena gaga be izaho fa hay tena aretina sady sarotra tsaboina no mampalahelo koa ilay ankizy indrindra raha mitohy mandrapaha lehibe...
7. xxx ( 08/11/2008 02:24)
Azafady fa mbola hotohizako...ny tena hitako fa tena ratsy be @ io aretina io koa dia ilay fanafodiny (aderall)...Misy base na drogue ratsy be mihitsy mantsy ilay fanafody tsy inona izany fa ny "amphetamine" satria mahalasa dependent be an'ilay tsaboina na mety haha-faty tampoka mihitsy...Tena tsy fantatro mihitsy io aretina io taloha ary noheveriko aza fa zavatra noforomporonina any ho an'ireo RAD tsy mahafehy ny zanany etc...fa nisy naman'i zandriko lahy kely izay nipetraka teo akaikinay taloha dia rehefa tonga ao an-trano izy mba hiara-milalao @ zandrinay dia tena loza mihitsy...Noheverinay hoe fa mba dia inona loatra ary no manjo an'ity zaza ity...Taty aoriana vao nilaza ilay mamany hoe voa an'ity aretina ADHD ity ange ilay boay kely...zay izaho vao ni-google lol sy nahafantatra hoe hayyy veee ka tena aretina sady mampalahelo...
8. ssendra ( 08/11/2008 07:00)
Mila mande psykô ny ankizy otran'ireny, mahalala famille aho aty aminay , fa lay zananay lahy vao nanomboko valo taona dia mikikika mitrerona ny mamany foana, am tsy antony ....soa fa tsymanangatanana aloha....fa nanaraka fitsaboana tany am psyk dia izao izy izao 18 -19 ans fa efa malefaka be na izany aza mbola mora mitratreva ihany fa kely fotsiny
9. soafara15 ( 19/12/2008 07:47)
marina ny an'i sakaizakely fa misy ifandraisany be dia be @ fitaizana io hyperactivité io, eny fa na dia aretina aza, misy mantsy ny RAD mionona fotsiny @ ilay hoe aretina dia tsy manao n'inon'inona @ fomba fitaizana.
Eny tsapako tokoa fa sarotra ny- mitaiza tsy vitan'ny théoria be fotsiny, efa eo ianao vao tena tsapanao sy fantarao ilay izy hoe hay tsy kilalaon-jaza ny mitaiza sy manabe.
Misy mpampianatra physique nay izay tao ampefitety t@ 2nde, ramosebe no anarany, efa maty izy indrisy, tadidiko foana ny noetenenina hoe, " ny fitaizana zaza vao aty kely aty hoy izy dia efa manomboka ianarana, tsy hoe izao hianao mandrevirevy hoe ataoko tsaratarehy sy madio be ary hendry be ny zanako, asiako pompon ny volony, nefa ianao (13 ans h@ 15 ans teo izahay t0 izany) io aza hoy izy ny volonao tsy voabangonao tsara, ny akanjonao tsy voapasokao tsara, ny kiraronao maloto be sns...ianao sarotra tenenina sns..."
nihomehezana io taloha fa izao vao tena tsapa, fa lasa ianao vao tsapako hoy ilay hira izay.
10. diamondra27 ( 19/12/2008 13:07)
mila omena zavatra hi s'OQP azy foana izy aloha , ohatra we raha samy manao dessin eo ny ankizy de ny azy no vita aloha de mi s'ennuyer izy de mamorona zavatra ka raha tsy misy le izy de lasa manaonao foana izy ka noho izany dia asaivo manao activite midepense energie ireny no tsara aminy
manaraka izany de mila education ohatry ny conseil an'i super nany moa izy teo sa iza le nounou nahita conseil foana iny, dia mila fampitandremana sns refa manao zavatra fa tsy sakanana be fahatany le zaza
omena raharaha izy izay mifanentana aminy

11. fitia2006 ( 18/01/2009 10:23)
tsy namaky ny valinteny rehatra teto aho fa ny ahy ny zanako toy izany fa araka ny filazan'ny dokotera de ny fanomezana hydrosol azy talou no anisan'ny naha-toy izany azy ka ny ataoko zao de alefako manao judo izy sady manao scout de somary efa mahafehy tena key izao
12. mamanzain ( 10/02/2009 21:09)
tsara daholo ny hevitritsika!
aza adino ny mivavaka sy mampianatra azy mivavaka. tokony ho tony foana isika miaraka amin'ny ankizy toy ireny.tokony hanome fotoana azy misimisy kokoa noho ny iray tampo aminy. tsy tafahoatra kosa anefa fa ny hany tena fantatro fanafody amin'ny zavatra rehetra aloha ankoatra izay sy ny fanafody omen'ny mpiotsabo dia ny fanomezana fitiavana azy. hanehoy fitiavana izy fa misy zavatra tafahoatra any anatiny. ilaina fantarina koa matetika ny zavatra tadiaviny sy mety aminy. tsy atao tafahoatra anefa. ny zanako manko manao crise d'abscence, karazana epilepsie izy io fa ambany kely ny heriny. fa mijaly ihany izahay rehetra miaraka aminy. olana ihany fa ezahinay rehetra tsy dia hasarotina loatra. andrasanay tsara fotsiny izy tsy handeha amin'ny toerana na zavatra mety hahavoa azy, tsy dia avelako miaraka amin'ny olona mety hi-vekse azy na hanavao tontolo irery. tsy dia tsara amin'ny ankizy manana olana toy ireny ny miovaova sekoly sy miova toerana raha mety. eny e!misy fotoana izy mandeha irery rehefa fantatro fa tsy hanao crise. mihinam-panafody isan'andro ihany koa fa tsy mahasakana ny aretiny ilay izy fa manalefaka ny fisehony fotsiny. tsy dia tsara loatra koa amiko ny tena mandetika be loatra ao an-dohan'ilay zaza hoe manana aretina izy dia tsy avela ifangaro sy hifandray aman'olona fa anjarantsika manodidina azy ny mitantana azy tsimoramora azy ao anatin'ny tontolo misy sy hisy azy.
13. arialy ( 19/02/2009 19:18)
soa ho fantatra misaotra anareo nizara traikefa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2899