ranomaso

1. bobone ( 30/10/2008 05:03)
Misy karazany maro ny mahatonga ny olona hitomany ! be ranomaso!
ao ny ranomasom-pifaliana: raha misy zavatra mahafaly azy dia ny ranomaso no mipatrapatraka
ao ny ranomasom-pahoriana : mazava ho azy fa na fahafatesana na accident dia lasa koa ny maso mandrotraka rano
Misy ranomaso anteraky ny hanina na malahelo olon-tiana fisarahana io! na havana na namana!
misy milaza fa vokatry ny aretim-po no ahatonga ny ranomaso
ary ny zavatra voadiniky ny sasany fa ny olona mivavaka hono no tena be ranomaso ! ahoana ny fiheveranareo izany! fa raha ny ahy dia izao ny mahatonga ny mpivavaka be ranomaso dia mety nisy fahotana vitany be teo anatrehan'Atra dia nanenina izy dia mitomany !
novalian'i bobone ny 25/11/2008 05:30
2. vale ( 30/10/2008 09:34)
izany ve tsy fahavoazana be raha ny hivavahana hampitomany lava? :lol: ...hay ve ka izany izy io ry bobone, ary tena marina tokoa an!!!!!!!!!!!
3. niryna ( 30/10/2008 12:55)
bobone:

Misy karazany maro ny mahatonga ny olona hitomany ! be ranomaso!
ao ny ranomasom-pifaliana: raha misy zavatra mahafaly azy dia ny ranomaso no mipatrapatraka
ao ny ranomasom-pahoriana : mazava ho azy fa na fahafatesana na accident dia lasa koa ny maso mandrotraka rano
Misy ranomaso anteraky ny hanina na malahelo olon-tiana fisarahana io! na havana na namana!
misy milaza fa vokatry ny aretim-po no ahatonga ny ranomaso
ary ny zavatra voadiniky ny sasany fa ny olona mivavaka hono no tena be ranomaso ! ahoana ny fiheveranareo izany! fa raha ny ahy dia izao ny mahatonga ny mpivavaka be ranomaso dia mety nisy fahotana vitany be teo anatrehan'Atra dia nanenina izy dia mitomany !
nahita taratra izany koa aho matetika fa misy olona mpiara mivavaka aminay ao am-piasana .Lehilahy izy io ka isaky ny mizara ny zavatra nahazo azy izy na ny antony nahatonga azy nanatona an'Atra dia mtomany foana.
Omaly izy izao nizara taminay fa nisy ramatoa nantsoin'Atra ho any amin'ny hopitaly mba hivavaka ity olona marary dia niteny izy hoe aleho aloha aho ahandro ity mofo ity.Vita ilay mofo afaka 20 mn dia lasa izy nandeha tany amin'ny hopitaly.Maty ilay olona 20 mn izao hoy ny mpikarakara azy.Variana aho nijery azy nitomany be . Angamba ilay fo manomboka madio,manomboka mitady an'Atra sy mangetaheta ny teniny ary mampiantra izany fahoriana izany ho toa azy no mahatonga an'io ranomaso io.Izaho koa aza mitomany rehefa manoratra aty amiko milaza ny fahoriany na ny antony nahatonga ny olona iray nanatona an'Atra.
satria koa fo feno fanetrehantena no tadiavin'Atra antsika,fo malefaka ,fo feno famelankeloka,fo feno fitiavana toy ny nitiavany antsika no tiany ho zaraina ireo olona mbola tsy te hanatona an'Atra ary dia tena malahelo tokoa anie ny tena mijery ireo olona marobe mi.ziriziry tsy mino na manaiky an'i kristy ho tompony e,dia ny mivavaka ho azy ireo no ataoko na eto amin'ny sera aza izany fa mampalahelo izy ireo sa ahoana ?

:arrow: lasa olon'ny fo izany
4. bobone ( 30/10/2008 13:51)
vale: mety misy zavatra manohina azy ao ry se matoa izy mitomany an! fa tsy fahavoazana akory! mety misy olana ihany koa izy dia tena tsapany fa tsy hanary azy Atra dia mitomany izy e! samy manana ny ankolafim-piainany e! fa tsy misy azo omena tsiny aloha !
5. vale ( 30/10/2008 14:24)
an3 tsy manome tsiny azy aloha aho eee, marina izany kah!!!!
6. bobone ( 30/10/2008 14:29)

Niryna:marina akia zany teninao izany !
koa fo feno fanetrehantena no tadiavin'Atra antsika,fo malefaka ,fo feno famelankeloka,fo feno fitiavana toy ny nitiavany antsika no tiany ho zaraina ireo olona mbola tsy te hanatona an'Atra ary dia tena malahelo tokoa anie ny tena mijery ireo olona marobe mi.ziriziry tsy mino na manaiky an'i kristy ho tompony
Misaotra e!
7. harry5 ( 30/10/2008 14:35)
tsi hitako anyé zay mahagaga anao amin izany ehh ny ranomaso zavatra naturel provoqué par des sentiments ,na tsara na ratsy ary ny hoe olona mivavaka depends ny olona io fa tsi voatery hoe mpivavaka izy de be konetaka be misi olona sensible misi non et alors tsy de mahagaga lotra et c normal
8. booboo ( 30/10/2008 15:06)
miombon-kevira @ Harry5.
9. ikaretsaka ( 30/10/2008 17:28)
raha mitobaka ny rano mihamaivana ny siny hono koa
10. fijo ( 30/10/2008 20:48)
raha ,ahabe ranomaso io fivavahana io,hatsaharo,sao hanimba fo.kozy e
11. bobone ( 31/10/2008 14:21)
harry5: tsy gaga mihitsy aho fa naturel ny ranomaso fa ny fiheveran'ny sasany hoe ny mpivavaka no be ranomaso! tena marina ny tenin'i Ikaretsaka hoe 'raha mitobaka ny rano dia mihamaivana ny siny hihihi !
Fijo: Fa raha mahabe ranomaso ny fivavahana tsy hahasakana ny olona tsy hanompo an'Atra kosa zany e!
sa karakôry laholo
12. fijo ( 31/10/2008 20:58)
ambelao moa,izikoa hampijaly karaha zany ndro hivavahanao,sitrany misoma.mety maty tampoka eo mbôko
13. bobone ( 05/11/2008 05:02)
Fijo: navy anao laholo! tsy kila olo-jiaby rô nitomany io ambarako nanao tsara an! misy olona mivolagna fa karaha olo-mpivavaka sasany mitomany mivavaka
karaha maro raha koraniny amin-janahary io kao ka mahatôga anazy mitomany kara io laholo! hihihi ! de hisôma karakôry laholo mah!?? ?hihihi
14. fijo ( 05/11/2008 22:12)
ke izikoa hitomany sitrany miaraka aminakay,mandeha misoma tavohangy.sitrasitrany mbo nahazo mafana vatana fa tsy rano boka taminao ndraiky ndro aboaka laniana eo.
15. coopsal ( 06/11/2008 09:41)
fijo:
raha ,ahabe ranomaso io fivavahana io,hatsaharo,sao hanimba fo.kozy e

==> Raha nisy olona niseho mafy ary nilaza fa oul resy reny mitomany ireny ... de zah. Sorena aho isaka ny mahita oul mitomany, d ouz ah hoe "be konetaka ..." na "rainitetaka ...".
Fa rehefa tojo an'ilay hiran'i Lôla hoe "ampijalian'io fitiavana io" ny tenako dia tena tsy tanako ny ranomaso ary lasa presque in-3 isan-kerinandro aho nitomany fa nalahelo mafy an'ilay olon-tiako izay nosarahina tamiko.
Tsy hoe satria aho nitomany dia nanjary nalahelo, fa ny alaheloko no nampitomany ahy.
Fa indray Alakamisy alina, fin oct. na début nov. 2004, nitomany noho ny fahatsapako tena ho tsy nisy nilàna ahy sy nanelingelina olona fotsiny (ninfandray be t@ilay fisarahanay sy i ... malalako), dia namoy fo aho (ts nieritreritra ny hamono tena akory, fa toa t hiala tato anaty vatako izany ny fanahiko angaha!).
Feno fanontaniana tato anatiko t@io : "Fa nahoana .... ?". Dia tonga tao anatiko izao vavaka fohy kely izao :
"Raha misy marina ianao Jesosy, lazao amiko ny anton'izao zavatra izao". Dia
nahazo valiny, tao anatiko ihany aho hoe "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
Azoko antoka fa i Jesosy izay nanontaniako no namaly ahy. Ary avy eo novaliany sy nohazavainy daholo ny anton'ny rehetra ka nahatsiaro maivana aho, kay tsy problema no nahazo ahy fa plutôt fitahiana, fa ny tsifahafantarako ny marina dia nahakivy ahy ilay fiainana.
Tian'i Kristy hahafantatra ny "fahamarinana" aho, dia izy tenany izany.
16. fijo ( 06/11/2008 21:55)
ka ianao ihany izany no mamaly anao anie e.
za izao ohatra raha tavela any anala any.de mety hanontany ten ahoe ahoana re no hivoahako eto e???de za ihany no hamaly ahy hoe,ndana aloha mihetsika ,fa tsy mijoro eo fotsiny,fa jereo daholo izay azo hivoahana.

tsy mila jesoa na andriamanitra aho dia mahavaly ny fanontaniako
17. coopsal ( 07/11/2008 09:05)
fijo >> Tena efa sendra an'ilay tavela tao anaty ala ve ianao ka tsy nahita aleha mba hahafahanao milaza fa tena izany tokoa izy @ réalité? Ny ala ara-panahy sarotra ialana kokoa satria ny fanahinao aza tsy hitanao! Saingy mahatsapa ny tenanao hoe tena tafiditra anaty kizo aho izany.

fijo:
de za ihany no hamaly ahy hoe,ndana aloha mihetsika ,fa tsy mijoro eo fotsiny,fa jereo daholo izay azo hivoahana.

==> Efa hatr@ faraparan'ny taona 2003 aho no tafiditra tao anatin'ilay ala! Ary efa nampitsangana ny tenako, nampiasa ny fahaizako sy ny heriko rehetra (ary izaho dia karazan'olona tsy manaiky resy). Ny dikan'ilay hoe "namoy fo" dia hoe, efa lany nampiasaiko aby izay fahaizako!
Ka raha efa lany nampiasaiko ny rehetra taty amiko ary eo @ famoizam-po aho no mahita solution tampoka ... Tsy dia voatery ho kisendrasendra izany! Nahoana moa no laviko fotsiny fa mety misy fanahy izay mametraka ao anatiko ny solution? Ary Andriamanitra io fanahy io?
Ny cas-ko teo manokana, tsy dia tena kisendrasendra! Fa niantso tao am-poko trotraka aho hoe "raha misy marina ianao Jesosy ..." Donc ho ahy dia tsotra, tsy maintsy ho io nanome ahy teo no ho eo ny valim-panontaniana io no Jesosy. Izany hoe misy Izy! Point iray nanova ny foto-pisainako manontolo izay porofo kely izay.

fijo:
tsy mila jesoa na andriamanitra aho dia mahavaly ny fanontaniako

==> Tsy mila chercheurs aho vao afaka hihinana efferalgan rehefa mahatsiaro marary an-doha ... Fa mialoha ny nahafantarako handray efferalgan dia :
- nisy nanao fikarohana hahazoana ny efferalgan
- nisy nanoro ahy ny fisiany
- nampahafantatra ahy ny asany
- ary nisy nampianatra ahy ny fatra mety araka ny habeko sy ny toe-batako (mba tsy hanaonao foana aho).
Raha zavatry ny nofo tsapainao tanana sy iainanao toy izany azany aza tsy nanananao raha tsy nisy nanamboatra, tsy hainao raha tsy nisy nanoro sy nampahafantatra! Ahoana no itokianao fatratra ny @ momba ny fanahy izay tsy hitanao?
18. fijo ( 07/11/2008 21:51)
efa nisedra ny ala mafy tokoa aho,fa tsy nila jesoa aho hamaha izany,fa ny tenako no ampiezahako hamaly sy hitady ny vahaolana.
19. bobone ( 25/11/2008 05:30)
hahhhhmmmm! dia raha toa ka misy biby be ny ala andehananao! enao tsy mahita lalana tsy maintsy miantso ny anaran'Atra nao ! ary matetika lasa mteny hoe onjeo aho Atra ô! na maty aho Atra ô!
Ny olona raha tsy eo Atra dia tsy mahavita na inona na inona e! raha ohatra ary hoe tsy asiany rivotra dia ahoana! ??? famondram-pon'Atra no mbola ahazoanao mivelona tahaka izao arty tena mila an'Atra ny olona fa ny olona tsy miraharaha azy! ny andro any volana mbola ho tsapany fa tena mila ny fisian'Atra izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1498