mahagaga

1. rafangotsohana ( 29/10/2008 07:38)

Ho anao modérateur

Mahagaga ahy Tompoko, fa mba mandefa tononkira sy mpihira ao @ forum tononkira aho, efa ho iray volana izao, nefa nony mijery aho, toa tsy tafiditra ao akory ilay izy, sa ahoana ny fanaovana azy, sao dia misy tsy mety ny nataoko?
Mba valio, aza fady, Tompoko!!
2. hery ( 29/10/2008 08:15)
Inona izany hira nampidirinao izany?
3. ni81 ( 29/10/2008 08:18)
Hery a, sao dia mitovy lohateny toy ilay nanontaniako anao koa izany?
4. hery ( 29/10/2008 09:28)
Raha mitovy lohateny dia misy soratra hoe efa tafiditra kah.
5. rafangotsohana ( 30/10/2008 06:40)
hery:

Inona izany hira nampidirinao izany?


hitako @ ilay valiny ao aloha fa misy tena mitovy titre @ hafa le izy e!
Ny anahy izao dia hiran'i roger raoël anakiroa no nalefako :
- ny iray mitondra ny lohateny hoe : VONONA
- ny faharoa : MANDRORA MITSILANY.
Rehefa mijery ny lisitry ny tononkira nefa aho dia tsy hitako ao ilay izy. Nony injay indray anefa mampiditra vaovao, dia valiany hoe "efa ao io tononkira io", ka izay no mahagaga ahy. Fa inona no antony mety mahatonga izany, azafady, Tompoko?
Misaotra betsaka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2472