hay ve?

1. fijo ( 21/10/2008 19:34)
Masera protestanta

Valo taona ny fanomanana ny voady farany
mardi 21 octobre 2008, par Nivo T. A.



Masera Soa Christine, andiany faharoa amin’ireo masera nahavita voady farany. Tsy ny katolika ihany no manana masera fa ny protestanta koa. Efa 20 taona izao no nijoroan’ny Fiaraha-miainan’ny Vehivavy Reliziozy Protestanta Malagasy ao amin’ny FJKM, izay ivondronan’ireo masera miisa 10 izay manana ny foiben-toerany ao Ambavahadimitafo-Antananarivo saingy tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisian’izy io.

Maharitra valo taona eo ho eo, araka ny nambaran’ny masera Soa Christine, ny fanomanana ny voady farany hataon’ny masera protestanta iray, izay manokan-tena tsy hanambady fa hiaina ao anatin’ny fahadiovam-piainana, fanenetren-tena ary fankatoavana an’Andriamanitra, izany hoe mifototra amin’ny fiainam-bavaka.

Misy ambaratonga ny fiainana ao amin’ny MAMRE ka izay mahafeno tsara ny fepetra takiana ary vonona ho amin’ny fanokanan-tenan tanteraka no afaka manao ny voady farany. Tao anatin’ny 20 taona nisian’ny fikambanana dia 10 monja no nahatanteraka ny voady farany ka miaina ao anivon’ny MAMRE ankehitriny. Nisy ireo nitsoaka an-daharana ary amin’izao fotoana izao dia misy ireo mbola mijery taratra ny fombafomba fiainan’ny masera mialoha ny hanapahany hevitra hentitra.

Mankalaza ny 20 taona

Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany moa amin’izao fotoana izoa ny MAMRE (izay no anarana nofidian’izy ireo iantsoana ny fikambanana), ka misy ny fampahafantarana ny momba ny MAMRE sy fampirantiana ny asa-tanana sy zava-bitan’ireo masera mpikambana ao, izay atao etsy amin’ny Tahala Rarihasina-Analakely nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy ny asabotsy ho avy izao.

Ny MAMRE moa dia tanàna iray ao amin’ny Genesisy toko faha-18, enti-milaza ilay toerana nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Saraha mikasika ny Trinite na ny “Telo izay Iray”.

Mamelon-tena ny MAMRE

Manan-talenta ny masera protestanta ka izany no ampiasain’izy ireo amin’ny fameloman-tena. Anisan’ny asa ataon’izy ireo ny fanjairana ny akanjon’ny mpitandrina na ny diakona na ny mpiandry, ny asa tanana sy tao-zavatra izay fidiram-bola maharitra ho azy 10 miarahavavy. Mamboly anana sy salady ary miompy eny Ambohinaorina-Sabotsy Namehana ihany koa ireo masera ireo ka isan-kerinandro no mivarotra ny vokatra. Ankoatr’izay dia afaka mikarakara sakafo ho amina fanasana (traiteur) sy manamboatra mofomamy isan-karazany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny MAMRE ireo. Voalaza fa manodidina ny Ar 50.000 ka hatramin’ny 80.000 eo ho eo ny vola miditra amin’ny fikambanana.

2. fijo ( 21/10/2008 19:36)
"voalaza ao fa:"izay manokan-tena tsy hanambady fa hiaina ao anatin’ny fahadiovam-piainana" hay ve maloto fiainana ny manambady e???koa maninona no hamasinina any ampiangonana ny fanambadiana maloto?
3. ikaretsaka ( 21/10/2008 19:38)
le definition an'ilay maloto aloha no tsara ho fantatra ary
4. rakaroka ( 21/10/2008 20:29)
Hay va re misy izany! 'zay vao fantatro;misaotra nizara!
Ny maloto dia ny mifanohitra @ madio e :-P
(tadidinareo v ilay hoe "jereo anie ramatoa ô
madio dia madio ny lamba
madio ihany no ampiasao
vovon-tsavony madio ô!!!
salama izay madio ô
mitolona @ loto ô :D )
5. ikaretsaka ( 21/10/2008 20:40)
za ko aza vao izoa no nahalala. fa ny tsy azoko ange le hoe toherina le rafitra kay misy antsiokosoko ihany kay e
toa anisan'ny notoherin'ny reformiste fahizany ny resaka fikambanan-drelijiozy....kanjo siekle vitsivitsy taty aoriana... izy ihany no nanangana fikambanan-drelijiozy ...
dia miverina @ le resako atsy ambadika hoe..fa ahoana ihany e?
6. rakaroka ( 21/10/2008 21:00)
Heu.... :roll: :-w :-$ Ka ny soa fianatse kosa anie ry Ika e!
Ny Kato anie efa "plus avancé kosa raha resaka rafitra no resahina" .
'Ntsssss 'za tsy kato fa "nahita , naaraka tsara ny "concept' sasantsasany mikasika ny "structuren'i Vatican" d'autant plus avec esprit d'empereur Romain niara-dalana => Matotra.
Ka ny FJ KM koa mbola vao zaza taty aoriana, miana-mamindra. Tsy haharaka avy hatrany ny fandroasoana aty am-pita!
Asa aloha
:roll: :roll: :roll: mety ho diso koa ny hevitro a.
7. fijo ( 21/10/2008 21:24)
efa ela no fantatro fa misy ny masera protes ka,fa ity filazana hoe "fiainana madio" ity no tsy azokazoko.inona no fiainana maloto??????ary raha maloto izany,nahoana no ekena ofisialy.ary ahoana ilay "teny filamatry ny krispijo nalain atao anaty boky hoe "miteraha ka mamenoa ny tany"

de ity koa.izay eto frantsa hafaka manaraka azy ao amin'ny "canal +" fandaharana "effet papillon" jereo fa any "menphis USA izao dia misy pasitera antsoina hoe "spencer" io rapasy io,dia manao resak a"sex" any ampiangonana.ampianariny antsipirihany ny fanaovana firaisana,ny pozitio sns ary asiany varotra DVD koa.ka maloto tokoa ve ny inona???
8. rakaroka ( 21/10/2008 21:29)
Ny resaka "sexe" fa inn 'ndray aza :?:
9. fijo ( 21/10/2008 21:30)
ka rah amaloto ve,nahoan ano hamasinina ny fanambadiana??efa hay anie fa rah amivady di ahiray izay e
10. rakaroka ( 21/10/2008 21:41)
Ka nisy ilay "tabernacle" izay anie ry Fijo, dia misy toerana masimasina "accessible" ihany ho an'ny sarababem-bahoaka nilaina hasinina fa misy toerana "masina kokoa" dia 'zé tena virjiny am-po,saina sy fanahy sy
...............V A T A N A koa e :wink: Dia 'nefa 'zareo te mbô ho tafiditra @ io toerana masina kokoa io. M A Z A V A :?:
11. fijo ( 21/10/2008 21:45)
hay misy fanavahan aizany le finoan ako.tsy milay raha izany;aiza ko misy hoe masina sy masina kokoa???
12. rakaroka ( 21/10/2008 21:48)
Adray hivereno jerena ny baiboly fa misy 'zany koa . Sady na any am-piangonana aza, ery amin'ny pilopitra ery 'zao masina kokoa dia tsy azon'ny rehetra andehanana! :-D :-D :-D
13. fijo ( 21/10/2008 21:49)
tssss tsy mamely e,aleo any amin'ny BAR rah aizany,any afaka miteny aby
14. rakaroka ( 21/10/2008 21:52)
dia raha te hanitsaka ilay tany masina i Fijo, ilay faritra masina , dia tsy misecsex 'zany e. => rehefa mankany am-piangonana dia tsy tokony manao akanjo sexy : TSY MMMEEETYYY : :wink: :-P :-D :-D :-D
15. fijo ( 21/10/2008 21:55)
hayyyyyyyyy loza,rah avao misy fameran aizany wa dia ratsy.avelao ny pokona halalaka
16. rakaroka ( 21/10/2008 22:01)
oadray any ampianarana aza 'zao efa haverina hono 'zany koh!
'ndrao ilaozanareo misex bomb ftsn! :-D :-D :-D
17. ikaretsaka ( 21/10/2008 22:03)
fijo:

tssss tsy mamely e,aleo any amin'ny BAR rah aizany,any afaka miteny aby



any ialahy raja kelikely sandry nefa avo vava de vakin'ny olona ny vavan'ialahy ko
18. fijo ( 21/10/2008 22:05)
an an,ao afaka mitabataba daholo ka,ny bar any mada ngamba io lazain'ialahy io,fa aty samy hafaka miteny aby ka.
19. rakaroka ( 21/10/2008 22:06)
ka na any am bar koa aza efa hiha hakan-drizareo vola koa hono ny pub mamoafady koh!
20. fijo ( 21/10/2008 22:07)
ka hisotro no aleha any fa tsy hijery pub ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079