fa maninona foana e?

1. ikaretsaka ( 20/10/2008 19:13)
gazety tribune:


Hatramin'izao, tsy mbola nivaha ny olana ao amin'ny FJKM Ampotaka-Mangamila. Vao mainka aza nihamafy izany satria raikitra ny fitokonan'ireo mpivavaka sasany eo anoloan'ny tokontanim-piangonana.
Nirentirenty ny soraba-venty naneho ny tsy fanka-hasitrahana ny mpitandrina sy ny fitarainana amin'ny sinodam-paritany : « Aiza ny fanapahan-kevitry ny sinodam-paritany ?, Mpitandrina tsy mihaino feon'ny vahoaka mpino, mialà tsy ho mpitan-drina eto intsony ianao, ny maro an'isa ve no ekena sa ny didy jadona ?, voninahitr' olombelona sa ny voninahitr' Andriamanitra ? ... »



toa lasa fomba ao mihitsy ity mitokona ity na mpivavaa na mpiangona e???
novalian'i fijo ny 31/10/2008 21:50
2. rakaroka ( 20/10/2008 21:24)
Ilay izy ry Ika "sehatra" nolalovako ny "eglizy". Ny "blem" ireo mpitandrina matetika dia "conservateur" Bbbe, ary asany koa moa ilay izy dia sahala amin'ny zé itiavany azy, ivalamparany tsy am-piheverana ny fandrosoan'ny fiainana, sy ny contrainte maro 'tsony lé mitondra fiangonana. Misy "aspect" maro vitsy foana ny mpitandrina mahatandrina izany: ohatra ny fifehezana ny fotoana, ny mba fanomezana anjara fitenenana na sehatra na échange @ mpiangona, fa dia tahaka ny "faly hiseho hanao kabary tsara lahatra ery ambony polipitra ery izany " dia faly te hiseho ho mpitarika koa e! :wink:
3. ikaretsaka ( 20/10/2008 21:29)
le izy hoe manao tsy mety dia tsy maka fanapahan-kevitra hentitra sy rapide ny any @ foibe no tsy mety azoko mihitsy hoe fa maninona?
dia avy eo ny cas mitranga dia na lasa manorina fiangonana kely any an-kafa ...
dia miha mipatitaka miha mipatitaka

4. rakaroka ( 20/10/2008 21:49)
Ka ilay "foibe" mihitsy no te handio tena e! tsy te homba ny atsy na ny arioa izy sady mbola tombontsoany koa aza raha mivaky fa miampy ny tafo ho an-drizareo koa. Dia hitombo ny cotisation hiditra :-D :-D :-D
mitovy tsara @ tranga niainako taty mihitsy dia nizara koa lé fiangonana, dia zarako aza vaky ny rindrina nisy nivoahako tao :wink: ka "sarotra be lé mampiombona rehefa misy "impasse" izay satria samy mihevitra hatrany fa manana ny mety sy tokony arahina e!
5. ikaretsaka ( 20/10/2008 22:01)
azafady fa tsy haiko tsara le rafitra any fa raha misy manazava bebe okoa dia isaoerana manokana an!
nga moa izy ireny tokoa tsy misy ohatran'ny karazana communaute hoe provencal na superieur toy ny fikambanan-drelijiozy?
fa tonga de hoe "foibe" de zay?
6. naritsimba ( 21/10/2008 05:33)
Raha ny olana ho a'ny FJKM dia olana ho an'ny mpitarika, manana fianakaviana Pasitera ao ny tenako, ary rehefa tafaresaka aminy dia tsotra.
Tsy antson'Andriamanitra no tena betsaka ho an'ireo manao asan'ny Mpitandrina fa fitadiavan'asa, fialana @ maha tsy an'asa. Maro ny tratran'io ary ny mahavariana dia sarotra ny manavaka azy.
Ny tena olana ihany koa rehefa hita fa mandroso ny fiangonana iray dia esorina ny mpitandrina fa soloina mpitandrina akamakama satria betsaka ny fanomezana omen'ny mpivavaka.
Ireo Birao foibe mpitantana ny FJKM ireo mihitsy no difotry ny fitadiavam-bola ary tsy manana toetran'ny fahamarinana sy fahamasinana araka an'Andriamanitra.
7. fahamarinana ( 21/10/2008 05:52)
:arrow: oh là là ,tsy lasa kosa raha izay tranga lazain'ny naritsimba izay tokoa no miseho. :( (l)
8. rakaroka ( 21/10/2008 06:18)
Marina mihitsy io fijerin'i Naritsimba io!
9. lolabe ( 21/10/2008 09:56)
Ny tena marina koa asa ra voamarikareo tsara fa h@ naha teo @ fitondrana an'i ra-8 de tena namapalahelo mintsy ny FJKM satria dia tena nampidirina loatra tao ny resaka politika; maro ireo fiangonana no lasa mifandrafy ny mpiangona sy ny mpitandrina, ao @ FJKM Anosipatrana koa zao dia nasorin'itony mitonona oe Zanaky ny fiangonana itony ilay Pasitera tao ary dia nahagaga fa neken'ny Foibe izany ary dia nahazo Pasitera vaovao nefa ny mpiangona sasany tsy manaiky le vaovao fa ilay taloha iany no tiany de lasa mamorona fivavahana eo antokotanim_piangonana. Ny milaza fa zanak'io fiangonana io no matetika mahatonga ny fikorontanana ao @ fiangonana. Simban'i Ra-8 ny FJKM. Za zay miteny dia FJKM fa tena malahelo za maheno etsy sy eroa oe mizara rao ndray ny fiaingonana FJKM atsy sy aroa. Mahamenatra le izy ka mba hitaomako ny mpiangona @ FJKM mba aoka re ny fivavahana no aleha any ampiangonana fa tsy ny fifandrafihana oe tsy tianay iry sy zary
10. dalie ( 21/10/2008 12:48)
Marina mihitsy ny teninao lolabe aoka ny fivavahana mba tsy hidiran'ny politika ary aoka ny mpitondra fivavahana mba tsy hanao politika fa mampisy fifandrafiana eo amin'ny samy mpiangona.
11. dalie ( 21/10/2008 12:53)
Fa maninona ny valin-kevitro no tsy miseho eto nefa za efa nandefa!!!!!!
12. naritsimba ( 21/10/2008 13:34)
Izaho dia FJKM fa saingy tsy tia ny zavatra miseho toy ny @ izao fotoana izao.
Raha tsy hilaza aminareo fotsiny aho fa mody anaovana filazana tolotr'asa izay ho sekretera jeneraly ao @ foibe FJKM, nefa andao iarahantsika mahita eo fa Pasitera efa maty vady izay no hitana io toerana io. Ary dia ny Filoha sy ny Filoha mpanampy Ra8 mihitsy no manao io cinema io.
Aza gaga isika raha toa ka @ fotoana tsy haha filoha an'i Ra8 dia hisy korontana mihoatra lavitra noho ny @ izao fotoana ao @ FJKM.
Raha afindra toerana ny mpitandrina iray tsy asiako olana fa ilay resaka ambadika no manahirana. ny akamakama ihany no mahazo mitondra fiangonana an-tanan-dehibe.
13. ikaretsaka ( 21/10/2008 14:26)
raha ny fahitao azy (tsy FJKM aho aloha) dia ankoatran'io resaka polifika io dia eo oa ilay fisainana protestanta hoe hi protester hatrany! Ohatran'ny foana ao @ Protestanta le obedience io (tsy haiko hoe ahoana... indrindra ny eto M/kara) lasa titre fotsiny ilay hoe foibe sy sinaoda e, zao aho zao e, fa tsy arahana ilay arifenitra.

Ekena fa misy ilay kolkioly ao ambony ao ary misy tena tsy rariny mihitsy , fa le fisainana hoe lasa toherina aby fotsiny rehefa tsy mifandraika @ ilay ze tsy metimety no hitako koa fa toe-tsaina tsy dia ao loatra ary mainka mampisaraka aza!

Firifiry moa ireny mompera vazaha misionera ireny ohatra, na katolika na mormon, na finoana hafa, eny fa na mpampianatra sy mpanasoa antsika tsotra fotsiny (tsy voatery misy resaka fivavahana) ohatra akaiky toy ny peace corps, medecins sans frontieres .... aza, no mamy hoditra @ mpiangona sy ny mpiara monina taminy ary nahavita be tany @ ze nisy azy tany aza, no rehefa vita ny andraiiny dia indreny fa lasa nody na nalefa'ny foibeny nody na nifindra toerana, fa toa tsy misy romoromo sy taraina loatra na eo aza ilay tsy fahafaliana?
14. tywa68 ( 21/10/2008 15:23)
Ika : tsara nofaritana mazava teo alohan'ny mpiangona h@voalohany hoe i ranona d eto h@izao, ary miara-miasa @ndrakoto sy rabe ary rasoa ! d wain zay manivaka eo raha tsy manaraka ny règlement ! tsy vao hoe mitokona ny mpandoa rakitra d adaboka ny règlement sy hamorona fiangonana hafa...misy hanao business no tena tanjony ao :lol:
15. ikaretsaka ( 21/10/2008 15:34)
angaha tokoa moa ny amin'ireny tsy misy resaka mazava aloha hoe izy no pasitera ranona notendren'ny foibe hiasa ato mandra-piovan'ny status?
Ohatran'ilay fiambanan-drelijiozy iray izay izao dia milaza mazava hoe i anona lasa any ananona mianatra manditra ny izao taona ophatra.. dia sady mianatra izy no miandraikitra an'izao... dia vita iny de miandry ny status manaraka..de lasa izao!
16. fijo ( 21/10/2008 21:30)
io le resak arafitra sy fifehezana efa nolazain atany ambadika tany.efa tsapako io resak aio tamin'ny fiangonana pros,ary efa tsikaritra koa ,fa tafiditra lalina ao ny resaka kil;mba tsy hilazako hoe resabola.ka rehefa ny andriamanitra roa" vola sy zanahary "no mifangaro,dia tsy hay intsony ny lohany so fitombenany.
17. ikaretsaka ( 21/10/2008 22:29)
na misy saosy na tsisy saiosy nge le rafitra kosa tokony hapetraka sy hajaina na misy inona na misy inona e
18. fijo ( 21/10/2008 22:42)
i ndrema aza letsy pasitera be iny ,nihaiky fa tsy lavorary ny rafitra pros.ny olan adia izao,tsapa fa tsy lavorary le izy ,nefa tsy asiana dinika fanovana.
19. ikaretsaka ( 21/10/2008 23:22)
inona no antony?
20. naritsimba ( 22/10/2008 05:01)
Tena ny rafitra ifehezana no tsy mazava ao @ FJKM, raha apetraka mazava fa tsy mahazo mihoatra ny 4 taona ny Mpitandrina ao @ toerana iray dia izay no tsara, ny manahirana mantsy ary izay izao mitranga izao dia ny mpitarika manao ny ataony, ilay Mpitandrina ihany koa manao ny ataony.
Ny hiafarany dia toa ilay Mpitandrina na ilay Pasitera no toa lasa ivavahana fa tsy ilay Andriamanitra. Tadidio fa irak'Andriamanitra ny Pasitera.
Hain'ny Pasitera izay efa niasa naharitra tao @ fiangonana anankiray ny manentana ny olona hanaraka azy sy hiaro azy raha miala ao izy na alàna ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0649