triipe

1. ssendra ( 12/10/2008 15:34)
Mba hatoroy ilay fandrahoina tripe any madagasikara ireny hoe izay mahalala na ilay miaraka amin'ny tsaramaso... misaotra mialoha.
novalian'i ni81 ny 19/10/2008 16:37
2. ssendra ( 12/10/2008 15:34)
marihiko fa tripe efa madio an! fa ny fandrahoina azy fotsiny no ilaiko....
3. Noue ( 12/10/2008 16:37)
ny ahy aloha ny fanaovako azy dia henakisoa sy tripy aaaaa

tripy
henakisoa
tongolo gasy
sakamalaho

mixéna ny tongolo gasy sy sakamalaho dia afangaro @ tripy , dia andrahoana aloha io satria somary mafy .

Rehefa akaiky masaka iny ny tripy , endasiko kely aloha ny henakisoa , tsy atao mendy io aaaa ! dia hafagaroko daholo @ zay ! dia miaraka andrahoana. Ridritra iny izy tena milay be eeeeee

ilay nahandro tena gasy indray dia andrahoana ny tripy ilay mbola maintimainty ve ? ilay fotsy manko no mba ataoko. Raha io dia asiana menaka dia andrahoana dia ritina tsara !
4. ssendra ( 12/10/2008 16:48)
merci nou ah!;-)

de lay sakamalao sy lay mixé ve afangaroina avy hatrany am lay tripy (andrahoina am rano sa endasina aloha miaraka ireo)???


ary ny saosy gasy toy ny tongolo sy votabia angaha tsy misy???? ;-) :P
5. Noue ( 12/10/2008 19:05)
iéééé ! avy dia afangaro satria ny tripy na dia madio tsara aza misy fofona zay foana :^) :^) :^) :-D :-D :-D avy dia afangaro ka ! dia rehefa raha kokotu minute no ampiasaina dia eo @ 15-20 mn eo dia arotsaka ny henakisoa fa raha tsy hasiana henakisoa dia 20-30mn eo ho eo aaaaa ! dia tsy atao ritra beeee fa ridtritra iny.

ny saosy gasy tongolo sy voatabia indray dia lasa saosy be anieeeee io avy eo eeeee ! fa azo atao tsara aaaaa ! dia ny voatabia sy tongolo harotsaka miaraka @ ilay henakisoa fa ny tongolo gasy sy sakamalaho ihany no ampiarahana @ tripy @ voalohany
6. haritianah ( 12/10/2008 20:17)
Nenah indray dia masahako alou ny tripe, refa ho masaka iny izy lé efa ridritra iny ny ranony de tetitetehana ny sakamalaho sy tongologasy sy voatabia ary tongolo bé dia arotsaka ao dolo, ts mila menaka fa efa matavy ny tripe.
Avela ao jusque ritra tsara de zay, rà atao @ tsaramaso dia na iey efa ridritra iny no arotsaka ao ny tsaramaso efa masaka dia atokona kelikely ao na koa rà mahay mi calcule ny fahalemeny tripe sy tsaramaso ianao dia lemena andrahoina miaraka ireo de arotsaka ao dolo ireo karazana tongolo sy voatabia ireo dia avela ho ketsaketsa ao.

7. ssendra ( 12/10/2008 20:46)
tena harotsaka fotsiny amzao ve lay votabia sy tongolo de mampatsiro azy.....????

izany hoe raha ny fahazahoako azy dia lemena tanteraka mitsy aloha ny tripy izay vao manaraka ny fangarony rehetra sy ny fikarakarana azy avy eo...?

misaotra namaly an!
non! ilay izy tsy misy ofona tsony ary efa madio be mitsiny...f a lay nahandro azy no tsy de haiko loatra aloha e!
8. jemimah ( 13/10/2008 06:05)
hs kely zah aloa tany dago zah teo dia nanararaotra nihinana be dia zao mihetsika ny goutte tena tsy afa-mamindra kay hono fady toy ny anadahy reny rehefa misy goutte ;zao tia matiny tenda
9. ni81 ( 13/10/2008 06:20)
non! ilay izy tsy misy ofona tsony ary efa madio be mitsiny...f a lay nahandro azy no tsy de haiko loatra aloha e!
na madio be aza ireny dia midofaka be foana ny fofony rehefa mangotraka ao anaty vilany (fa tsy mitovy @ ilay fofony mbola manta tsy voadio iny an), fa rehefa misy ny saosy isan-karazany izy dia miova.
hs kely zah aloa tany dago zah teo dia nanararaotra nihinana be dia zao mihetsika ny goutte tena tsy afa-mamindra kay hono fady toy ny anadahy reny rehefa misy goutte ;zao tia matiny tenda
Tena tsy tsara ho an'ny olona voan'ny goutte mihitsy ny taovan-kena rehetra.
10. Noue ( 13/10/2008 06:44)
ni81:

Tena tsy tsara ho an'ny olona voan'ny goutte mihitsy ny taovan-kena rehetra.
tena marina ioo aaa ! dia tsy ho an'olona voan'goutte ihany fa mahavoa ny goutte ny abats rehetraaaaa! ouille ! ouille !

fa raha mihinana dia ohatra hoe 1/mois???????? raha be indrindra io aaaa

:^) :^) :^) :^)
11. sakaizakely ( 13/10/2008 09:04)
tena tsy tafiditra ambavako mits ny ahy ny vorivorinkena :{ :{ :{
bon app ssendra :-D
12. booboo ( 13/10/2008 10:34)
ny ahy vao ny masoko fotsiny mahita ilay izy dia efa mihidy ny vavony :°)
13. ssendra ( 13/10/2008 12:05)
jemimah:

hs kely zah aloa tany dago zah teo dia nanararaotra nihinana be dia zao mihetsika ny goutte tena tsy afa-mamindra kay hono fady toy ny anadahy reny rehefa misy goutte ;zao tia matiny tenda

ka natsiro loatra izay ilay nahandro asiana an'inreny cube cube ireny...
raha olona misy goute mitsy anie tsy tsara ny mihinana zvtr be filiron fa zvtr matsatso ihany hanina e!
tsy hoe nihinana an'io kou dia hoe nihetsika fa refa voan'ny goute dia mihetsika foana izy ireny refa hiestika indrindra mihinana zvtr matsiro
fa izaho aloha tsy mbola voan'ny goute izany fa zà aza tsy de homakanina fa ny griniôtazy aneklakelany no mahavoa ahy ohatra gatô fruits sokola

14. ssendra ( 13/10/2008 12:07)
na madio be aza ireny dia midofaka be foana ny fofony rehefa mangotraka ao anaty vilany (fa tsy mitovy @ ilay fofony mbola manta tsy voadio iny an), fa rehefa misy ny saosy isan-karazany izy dia miova.

ka izy alou dia tsy maitsy hoe hanome fofona refa mangotraka e! fa tsy haiko hoe fofona maimbo sa mampanoana :-D
izay no tsara anasiana sakamalaho sy tongolo lay azy angamba....
tsy izany fa nande marché ngedabe dia nisy abatoara ngeda be izay sendra nahita an'ilay izy aho de te hihinana be fa efa madio tsara no somary efa nandrahoinjareo fotsibe mahitsy ilay izy alou k'asa....
15. ssendra ( 13/10/2008 12:08)
Noue:

ni81:

Tena tsy tsara ho an'ny olona voan'ny goutte mihitsy ny taovan-kena rehetra.
tena marina ioo aaa ! dia tsy ho an'olona voan'goutte ihany fa mahavoa ny goutte ny abats rehetraaaaa! ouille ! ouille !

fa raha mihinana dia ohatra hoe 1/mois???????? raha be indrindra io aaaa

:^) :^) :^) :^)


izaho aloha tsy dia tia mihinana taovakena loatra fa sendra nahita ity tripy ity dia nividy raikilao be izao....te hihinana mafy aho anefa tsy de haiko ny miangaly azy ambilany....
ny takorobabon'akoho ireny no mba tiko sa inona moa ilay filaza azy....?


16. ssendra ( 13/10/2008 12:10)
sakaizakely:

tena tsy tafiditra ambavako mits ny ahy ny vorivorinkena :{ :{ :{
bon app ssendra :-D


hummmm slurppppppp


:miam: zà klou tia fa lay nahandro gasy iny no itiavako azy fa
ny espagnole koa mahandro an'io fa tsary tiko ny nahandrondry zareo....
atao malemy be aky ry sakazakely miaraka am votsaramaso hummmmmm vary roa lovia be izao :-D lazaiko ndry refa handrahoiko io de asiko sary mitsiny :°)
17. ssendra ( 13/10/2008 12:13)
booboo:

ny ahy vao ny masoko fotsiny mahita ilay izy dia efa mihidy ny vavony :°)





:-D :-D :-D :-D
lay izy alou c pa bô à voir fa ilay mihinana azy vita no tena huùùùùùùm :-D :-D :-D otran'ny lamba bafota velours be ireny ny mijery azy alou fa na izany aza efa voadio madio tsara ilay hamidy no fotsy be hoy aho hoe io ve tsy hatsatso be io fotsy madio be io hihihih
18. fahamarinana ( 13/10/2008 15:22)
ssendra:

marihiko fa tripe efa madio an! fa ny fandrahoina azy fotsiny no ilaiko....

:arrow: tsy homeko andry zany ny fanaovako azy fa ny ahy tripa tsy voadio fa mainty no tena tiako.. :wink:
Sahala amin'ny fanaon'ny noue ihany koa ny fahandroko azy fa ny mahagaga ahy dia rehefa any amin'ny sinoa aho no mividy dia malemy tsara fa rehefa eny amin'ny g surface dia lasitika be nefa samy tripa ihany ireo..
Pour info : any amin'ny tsena tavaratra misy tripe mainty fa mi-commande aloha dia tsy dioviny fa bonjour ny fofony,hummm manentoento ery mampahatsiaro ny eny analakely.. :D (l)
19. ssendra ( 13/10/2008 15:49)
tsy mba misy tripe izany aky am grande surface aty aminay ah!
d lay any am sinoa ve tsy anaty boite! zà tsy tia rha vao anaty boite izany ...
ilay hitako omaly io misy tsena be izay de misy tsena be otran'ny eny anosibe mpivarokena isakarazany de teo no nahitako azy de nividy aho handramko ny tsirony, fa tsy mitovy ihany ve ny nahandro azy na efa voadio na mbola maity e! :wink: :-D
ataoko mitelindrora anie indriko raha masaka e! :-D
20. haritianah ( 13/10/2008 16:14)
ssendra: ny maha nahandro gasy azy dé lé miaraka arotsaka ao doly ny tongolo sy ny voatabia ka.
Dé ts asiana menaka tsony fa efa matavy bé ny trippe fa raha trondro no atao dia asiana menaka tonga dia mirotsaka miaraka @ tongolo sy voatabia sy rano kely.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.197