Ampy hanafoanana ny krizy erantany ve ny fivavahana??

1. badboy ( 08/10/2008 14:33)
Mahazatra ny tsirairay ny miteny tahaka izao manaraka izao rehefa misy trangan'olana 1 : "mivavaha fa tsisy zavatra tsy vitan'Atra"!!

Vavaka ve izany dia ampy hanafoanana ny krizy erantany??? :-o
répondu par fijo le 15/10/2008 20:30
2. Noue ( 08/10/2008 15:23)
ary raha manandrana ny olombelona rehetra????? miaraka daholo???? :^)
3. ikaretsaka ( 08/10/2008 16:39)
arakarak'ilay "typen'ilay atao hoe mivavaka" io amiko!
vavaka le mipentsopentsona sy mitanisanisa baiboly fotsiny ve sa le vavaka manasoa ny mpiara monina toy ny eny @ akamasoa sy ny sehatra maro isankarazany toy ny fonja mamokatra, .....sy ny sisa?

amiko ny vavaka dia tsy mihanona le ouahouah any am-piangonana sy fitanisana zavatra tsy fantatra akory fotsiny fa miantefa kokoa indrindra indrindra @ fiainana andavanandro sy ny fanasoavana io fiainana io sy ny tontolo manodidina an' io
za pour an'ilay vavaka arahin'asa araka ny tenin'i Md Jakoba e
"vavaka:tolona fa tsy sento" e!
4. simplex ( 08/10/2008 18:43)

badboy,
ny krizy mandalo fotsiny ka, izay no maha krizy azy :)
tsy maintsy tafavoaka foana ra tsy hoe tonga nga ny fara andro :^)
5. fijo ( 08/10/2008 20:27)
tsy efa nivavaka ve ra lobolobo "bush"izay,fa io mbola mikorontana io foana ny any aminy e?????
aza hadino,fa ny zavatra nataon'ny mpilalao vola ihany no mahatonga izao,ka ry zareo ihany koa izany no hafaka mamoaka azy ao.na hivavaka izy na handihy,na hiasa.
6. arialy ( 09/10/2008 08:28)
"ny vavaka tolona fa tsy sento" hoy ikaretsaka
tena marin'izany ! asiana action-réaction foana ny fiainana fa tsy mitandrevaka mivavaka fotsiny.
:)
7. tywa68 ( 09/10/2008 14:22)
misy mihitsy ny mivavaka hoe tsy ho vizaka ny harenany :D

Ilay finoana arahin'asa no tena porofo mivaingana fa mpanara-dia an'i Tompo enao, na d manao vavaka mipentsopentsona aza :-D :-D
8. xxx ( 09/10/2008 15:01)
I badboy nga moa mino fa misy ny fara andro , fa raha ny fahazoako io krizy io de ohatra ny fanahiniana natao mitsy io ka misy zavatra tian'ny matanjaka ho tratrarina ndray ao ka aiza no izay firenena lehibe rehetra tonga de krizy daholo tsa haiko aloha e !
9. rijadolly ( 09/10/2008 17:23)
Ao anatin\\\\\\\'ny vavaka ny finoana araka ny hevitro,noho izany tsy afaka miala ny vavaka ny mpino,izay misy hery lehibe azony avi@ zany ka entiny hanantanteraka ny asa izay mbola hanomezamboninahitra Ilay nivavahany ihany
:arrow:
Vavaka ve izany dia ampy hanafoanana ny krizy erantany???
Anisany sakana iray lehibe hampitranga ny krizy ny tsy Fivavahana na dia matanjaka be hanao asa aza ianao.Ny vavaka no hery lehibe ahazoana vokatra tsy takatrao heverina.
Aleo afaka mivavaka nefa tsy afaka mias toy izay afaka miasa fa tsy afaka mivavaka.
Vavaka mampitombo ny Finoana ary ny Finoana maniraka hanao asa.
10. fijo ( 09/10/2008 19:48)
dia mivavaha ary ianareo,fa aleo ny sasany hiasa.fa rehefa milamina io,aza miteny indray hoe ny "vavakay" n onandamina sao voa.....eo an
tywa an,iza indray izoa no tsindromina antsy eo??hihihi
11. tywa68 ( 10/10/2008 04:58)
fijo : hiara-hivavaka v isika dahy e :lol: :-D
12. fahamarinana ( 10/10/2008 06:32)
fijo:
dia mivavaha ary ianareo,fa aleo ny sasany hiasa.fa rehefa milamina io,aza miteny indray hoe ny "vavakay" no nandamina sao voa.....eo an

:arrow: :-D,raha ny ahy aloha sady miasa no mivavaka ,miaraka foana ireo...koa na Mpitandrina aza mandray karama ohatra raha hitarina ihany. :?
badb:
Ampy hanafoanana ny krizy erantany ve ny fivavahana??

:arrow: Manafoana angamba aloha tsy dia inoako loatra fa ahazoana fankaherezana sy ahafahana manaiky azy sy miononona amin'izao no tena marina,amiko aloha an..satria raha zay fahoriana,fahantrana,krizy etsy sy eroa,fijaliana sns tsy voatanisa dia efa tokony tsy hisy intsony satria miha-maro ihany koa ny mpivavaka sy lasa Xna..(l)
13. badboy ( 10/10/2008 06:50)
ahazoana fankaherezana sy ahafahana manaiky azy sy miononona amin'izao no tena marina


Ka io ange ilay lazaiko hoe ampy hanafoana ny krizy erantany ve ny fivavahana!!! Dia ny valiteny izany eto hoe afaka hampiononana!! Ny dikan'izany dia hoe ny hafa no aleo ho reraka hihetsika hiasa hitady ilay vahaolana fa isika andao hivavaka fa io no vahaolana tsara indrindra!!!

Mbola ilay fomba fijery nolovaina t@ fanjanahantany ihany izany no endrik'ilay valiteny eto!! Miandry ny sasany hiasa dia rehefa hitan'izireo ny vahaolana, dia lazaina fa izay ilay valimbavaka nataon'ireo nivavaka!!! Haitsika gasy mihitsy io mampandroso vahaolana tsotra io (raha tena vahaolana marina) mba hialana @ ilay mitady ilay tena vahaolana maharitra!! Sa mandany andro izany mitady vahaolana @ fiainana antany izany fa ny fanjakan'ny lanitra ao aorian'ny fahafatesana no tena izy?? Koa raha izany tsy aleo tonga dia foanana ny fiainana :evil: :evil: :evil:
14. fahamarinana ( 10/10/2008 07:39)
:arrow: o ry badb a ! ito soritako eto ambany ito no nolazaiko ary nomarihiko fa hvtro izay fa ny an'ny hafa tsy haiko....Mahavaly ny fanontaniana napetrakao io fa tsy nanambara aho akory fa manafoana an...vakio tsara aloha ny voalazako e !
hoy aho tery ambony:
Manafoana angamba aloha tsy dia inoako loatra fa ahazoana fankaherezana sy ahafahana manaiky azy sy miononona amin'izao no tena marina,amiko aloha an..satria raha zay fahoriana,fahantrana,krizy etsy sy eroa,fijaliana sns tsy voatanisa dia efa tokony tsy hisy intsony satria miha-maro ihany koa ny mpivavaka sy lasa Xna..
(l)
15. badboy ( 10/10/2008 09:07)
Manaiky izay tranganjavatra ary tsy mihetsika no tsy mitady hevitra na lalana hafa intsony no atao hoe mionona!! Izany hoe mila mijanona tsy mampivoatra ilay toejavatra iray fa io no eo de io no misy ary tsy mila miasa mampiova azy!! Raha izany dia adala izany ny mainty nogejaina raha niady sy niala ny fanandevozana, adala koa ireo niady ny fanjanahantany sns sns. Ilay fivavahana eto izany dia atao lalana tsy hiasana fa hanaikena ny zavamisy!! Ka na dia misy tokony azo atao aza dia tsy ilaina izany fa ny mionona @ alalan'ny fivavahana no tena tsara indrindra!! Fa inona loatra izany fivavahanana tsy mampitady vahaolana izany fa mampionona sy mamapanaiky ny misy fotsiny???? 8O 8O 8O
16. naughtyboy ( 10/10/2008 14:05)
misy zv afangarony badboy ndray eto fa tonga de koboko,reto izy reo..
-fivavahana de fanjakany lanitra zay vitsy no resy lahatra fa manana fahefana afaka manapaka sy manova ny fanjakan'olombelona,doctrine arapinoana anefy ny fitaizana arapanahy
-politika de rafitra itondrana ny fanjaka'olombelona ze tsy miorina @ antokompivavahana fa manana doctrine hafa itantanana ny fitondrany sy ampanjakana reo ideology samihafa ifehezana ny olona
tsy natao ifanaraka ny lalany fa ifameno arakaraky ny ts1/1 nefa ny fahefana sy ny hery rehetra ampandehanana ny fiainany zanak'olmbel de miodina @ politika (manapaka sy mandidy)na de misy mpivavaka ny sasany @ mpitondra...
17. pissoa ( 10/10/2008 15:04)
Mbola misy mametraka fanontaniana tahaka izao foana ve ? :-D :-D :-D :-D :-D
18. fahamarinana ( 10/10/2008 15:16)
:arrow: mifangaro bodaka tokoa ry naughty,krizy sy fivavahana,dia fanandevozana sy mainty dia miafara amin'ny fanjanahantany koa....inona ary zao no tena tokony ho valiana amin'ireo rehetra ireo...efa manana idée ianao amin'ny tianao atao,raha zà badboy manao izay mety vitanao,ny an'ny hafa azy izay na hionona na hanao inona...rehefa mipoera any aminao izy avy akeo nefa tsy nahefa raha dia velezo,asio mafy mihintsy..ho afaka ny fonao raha ho afaka koa!! (l)
19. badboy ( 10/10/2008 15:16)
Tsy azoko ny tian'i naughtyboy ahatongavana, sa hoe tokony ho sarahana ny fiainambatana sy fanahy dia rehefa mafy ny ataky dia ampiafamenoana???
20. cutie ( 10/10/2008 16:25)
badboy [ Valio ] 08-10-2008 16:33:04
Lohateny : Ampy hanafoanana ny krizy erantany ve ny fivavahana??
Mahazatra ny tsirairay ny miteny tahaka izao manaraka izao rehefa misy trangan'olana 1 : "mivavaha fa tsisy zavatra tsy vitan'Atra"!!

Vavaka ve izany dia ampy hanafoanana ny krizy erantany???

koa raha tsinona lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0777