Cheville nipika

1. pinouch ( 06/10/2008 08:29)
Slt, dhl mba ampio a ry reto fa nipika ny cheville-ko omaly de mivonto be ny tongotro ,inona ny tsara ataoko?
2. ni81 ( 06/10/2008 08:56)
Mandehana @ Dr; nefa maka aloha rano mafana izay zaka dia asio sira dia atsoboy aho sady ory malefadefaka eo, dia avy eo fonosy hafàna.
3. harybe ( 06/10/2008 11:50)
aza orina zany fa matoa mivonto ilay cheville de misy hemoragie zany!!!
ny mety de atao anaty rano mafana be misy sira de immobiliser_na tsy hietsika mandritra ny 3 semaines eoeo!!
raha makany @ dokotera enao de tonga de platrény io!!
4. booboo ( 06/10/2008 12:53)
Euh...Tena fadio tanteraka ny manotra an'izany raha avy nipitsoka izany !! :^) :^) :^) :^) . Ny antony dia sao vao maika manimba izay efa nipitsoka tao ilay hotra, na vao maika manaparitaka ilay rà efa niangona tao raha toa ka mangana ilay faritra, na koa tsy nipitsoka fotsiny fa nisy raha tapaka koa ao sns. Dangereux beee zany manotra² izany rehefa mbola tsy avy nozahan'ny doko !!

Dia koa ny tokony atao tsy rano mafana mihitsy no ampiasaina raha efa mivonto izany ilay faritra !!! Lomy anaty rano mangatsiaka beeeeeeeee na asiana glaçons na raha mangatsiaka fotsiny isaka ny 10 na 15 min eo ho eo mandritra ny adiny 4. Tsy atao maharitra beee satria lasa main'ny hatsiaka indray ny hoditra.
Dia aza ahetsiketsika na ampiasaina beee loatra ilay tongotra.
Raha mahay manao bandage dia atao bandage ilay cheville ( tsy voatery ho plâtrer-na izany fa araka² ny radio ), raha tsy mahay manao bandage dia manatona doko dia ataony ilay bandage.

Repos repos repos no tena fanafany....
5. booboo ( 06/10/2008 12:57)
Ilay hoe asiana bande ny cheville tsy hampafana azy mihitsy no tanjona fa hi-limiter-na ny mangana sy tsy hampihetsika² be loatra ilay faritra voa !
6. pinouch ( 06/10/2008 13:25)
Misaotra betsaka dhl t@ le conseil, fa mifanohitra be dhl le hvtr apart anle mandè an@ dok, inona no tena tsara atao fa voamaika mivonto le izy ? rano mafana sa rano mangatsiaka ? fonosina sa tsy fonosina?
7. ni81 ( 06/10/2008 14:31)
Izay hevitra mety aminao fa ny nolazaiko tery ambony dia efa in-3 no nanjo ny cheville-ko fa dia rano mafana izay zakako, nasiako sira no nanaovako azy. Ilay nolazaiko hoe orina moramora, dia aleo angaha ovaina hoe safosafoina moramora izany fa tsy otra toy ireny ataon'ny mpanotra ireny tsinona. Dia ny ampitso aho vao namonjy Dr t@ ilay farany. Tsy hevitra avy @ Dr io fa ady gasy fanaoko (fa nampitony ny fanaintainako) t@ ireo 2 voalohany dia mbola nataoko t@ ilay faha-3.
8. simplex ( 06/10/2008 15:25)

zay ve mbola tsy tonga any @ dokotera ihany ee?? :-w
9. booboo ( 06/10/2008 16:09)
Tena fadio ny manotra na misafo² fotsiny ilay faritra aza raha tsy efa fantatra ny diagnositic hoe misy mioritra na tapaka sy misy hémorragie na tsisy. Ny antony, tsy fantatra mihitsy sao vao maika mampivonto ilay hozatra nioritra ilay fikitikitahana an'azy, na vao maika hampiviaka zay taolana niova plasy tao sns.
Ny rano mafana koa fadio ( na manala ilay fanaintanana aza ) rehefa vao avy nipika iny ilay tongotra fa ny tokony hatao dia petahana avy hatrany raha mangatsiaka tsy hampivonto beee loatra ny lalan-drà madinika rehetra sy tsy hampivonto ilay hozatra nihoritra. Mi-anesthésier koa ny hatsiaka.
Ilay fonosina indray, tsy fonoponosina fahatany ilay izy fa misy fanaovana azy. raha tsy mahay manao bandage dia aleo tsy ahetsiketsika² fotsiny ilay tongotra mandra-pijerevan'ny doko azy.

Ireo raha teneniko ireo tsy resaka ady gasy fa gestes basiques tokony ho hay @ premiers secours :wink:
10. booboo ( 06/10/2008 16:14)
Hiverenako ilay hoe " izay mety aminao hatao ", hitako loza kely ihany ny manao an'izay satria misy gestes tena farak'izay tsotra dia tsotra tokony ho hay rehefa tratran'ny raha tampoka ohatra zany, izay matetika dia mifanohitra tanteraka @ ilay raha eritreretina hoe " mety "....
11. ni81 ( 06/10/2008 16:29)
Tena fadio ny manotra na misafo² fotsiny ilay faritra aza raha tsy efa fantatra ny diagnositic hoe misy mioritra na tapaka sy misy hémorragie na tsisy. Ny antony, tsy fantatra mihitsy sao vao maika mampivonto ilay hozatra nioritra ilay fikitikitahana an'azy, na vao maika hampiviaka zay taolana niova plasy tao sns.
Ny rano mafana koa fadio ( na manala ilay fanaintanana aza ) rehefa vao avy nipika iny ilay tongotra fa ny tokony hatao dia petahana avy hatrany raha mangatsiaka tsy hampivonto beee loatra ny lalan-drà madinika rehetra sy tsy hampivonto ilay hozatra nihoritra. Mi-anesthésier koa ny hatsiaka.
Ilay fonosina indray, tsy fonoponosina fahatany ilay izy fa misy fanaovana azy. raha tsy mahay manao bandage dia aleo tsy ahetsiketsika² fotsiny ilay tongotra mandra-pijerevan'ny doko azy.

Ireo raha teneniko ireo tsy resaka ady gasy fa gestes basiques tokony ho hay @ premiers secours
misaotra fa dia tsy hanaonao foana intsony @ manaraka.
12. harybe ( 07/10/2008 05:42)
zah mpihoritra cheville matetika fa mpanao foot!! misy fotoana aza mioritra ny hakavia de platré_na de avy eo mihoritra ny hakavanana refa miverina manao foot de platré_na ko!!
raha makany @ dokotera enao de asainy makany @ hopitaly de raha makany @ hopitaly de tonga de platré na tsisy tapaka aza fa ozy zareo oe "immobilisé"_na ilay cheville fa matoa mivonto de misy hemoragie zay!!
zay aloha ny mapahazo anah de taty aoriana moa tsy makany tsony fa raha vô mihoritra ka mivonto be de asiko atelle(==>tsy aiko raha zao no fanoratra atelle:wink: ) fotsiny zay vidina eny @ pharmacie de mihinana doliprane de pendant 2 à 3 semaines eo anaty atelle!!
zao moa tsy voa tsony satria efa naka retraite t@ foot :wink: :wink:
13. Ralay ( 07/10/2008 08:52)
Araky ny voalaza eo ambony ireo dia ny voalazan'i booboo no marina Ny fombantsika malagasy mantsy dia ny otra, ranomafana, ravinkazo sns.. nefa tena mifanohitra @ zavatra tokony atao mihintsy ireo ary tokony ho fadina mihintsy aza raha vao vantany vao voa sy mivonto izany ny cheville.
Ny zavatra tokony atao dia:
1: Raha vao nioritra dia asiana (vessie de glaçon) na rano mangatsiaka, izany dia manala ny douleur.
2:Raha toa ka alavitra ny hopital dia immobiliser-na (Atao izay tsy dia hietsehany) bandage strapping.
3: Mandeha any @ hopital manao radio tarafina sao misy tapaka dia any ianao no mahazo ny torohevitra hafa avy @ mpitsabo.
Ny otra dia azo atao rehefa manao réeducation.
:lol:
14. niryna ( 09/10/2008 17:46)

misy vessels kely tapaka no antony iray mahatonga ilay cheville mivonto .

Ny fahalalako azy dia fonosina zavatra ilay izy aloha tsy hihetsiketsika,
fa misy miafara amin'ny fandidiana azy mihitsy.Ny olona manao sport no tena betsaka voan'io.Izaho taloha nanao basket sy volley dia voa foana.Tsy fantatro aloha raha efa misy ultrasound ireny raha makany amin'ny therapy koa .

Fa ny azo atao ao an-trano fonosina,maka rano mangatsiaka na glacee dia apetraka eo amin'ilay faritra marary(15-20 mn),
Mila mipetraka maka aina kely koa aloha a, dia maka ondana ary atao avo ny tongotra
Rehefa manomboka mihena dia ampamadivadihana mafana( 3-5mn) sy mangatsiaka(15-20mn .Ny antony dia mba hampihena ilay mivonto ary mba hiaraovana ilay cheville ho afaka hihetsiketsika avy eo





(l) niryna
15. diamondra27 ( 10/10/2008 18:00)
dray dray dray marary be ve le izy?

ento any am dr tarafna fa aza manao toa ahy milalao aretina

ny hany azoko lazaina dia raha ratsy tsabo io dia misy fiatraikany

Nankany am dr za de nomeny ketum fotsiny ahosotra taminy , de nilaza za15j apres ny consultation sy ny radio we mbola marary ilay izy de nalefany tany am orthopediste, de io ndray nandefa ahy tany am kine mba hanao physio sns
efa tam 20 mai ny ahy no nioritra de recidive 3fois ary mbola manao kine foana hatramin'izao.

Dia nomeny ultimatum za we raha tsy sitran'ilay kine ilay izy 2 na 3 mois apres les 10 sceances nomeny dia asiana trou hono jerena we inona no tena marary ao dia mety atao operation

Mbola vao 4 zao no vita fa nisy fiovana kosa ilay izy, asa na matahotra atao operation de sitrana ho azy fa efa afaka manao talon amin'izay izao le tongotra fa mila mitandrina tsara fotsiny
16. Ralay ( 11/10/2008 15:18)
diamondra27> Raha zah njy miova dokotera fa fopla be izany doc njy zany miteny hoe asiana trou vao afaka jerena :lol:.
Radio na scanner, na echograohie, na IRM dia azo ahitana ny tena mahazo anjy fa tsy izany trou izany.
:snif:
17. diamondra27 ( 11/10/2008 21:41)
Ralay: raha tsy mbola sitrana dans 3 mois nge hono e
fa na zany azatsy entiko any ny ahy fa ahoana no asiana trou zany , nolazaiko le kine fa efa tena henjana hono vao miditra am zany fa tsy ataotao foana io ka.hiiii, saotra Ralay am le hevitra a :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2934