torohevitra momba ny tokantrano

1. enika ( 06/10/2008 07:51)
manao ahoana daholo,
zaho dia olona manambady ary efa niteraka 2 miandry ny zanakay faha3 aho zao.Ny problemoko dia izao ny zanako 1 de ts taminy fa efa nanambady za tam faha 22taona de nisaraka ary tam faha 27 taonako de nanambady aho ary niteraka 1 zahay .Aminizao anefa de bevohoka aho ny zanakay iraisana 1 io de 1an2mois nefa za am fin novembre no teraka.Izy dia zandriko 2 taona zany hoe izy zao 27an za 29an .Asa anefa izay nahazo azy fa nandritry ny volana maro zay ts mampidimbola intsony izy samy miasa zay izy ts mody lava manambanimbany ny teniteny foana etsy andaniny zaho anefa efa ho teraka lasa farofy lava noho ny ataony .Indraindray za dia kivy mihtsy hoe handeha hiverina any am ray amandreniko any ambanivohitra aho fa ts ho zakako intsony ny ataony efa za efa imbetsaka nisintaka
mba valio azafady
2. ni81 ( 06/10/2008 08:05)
manao ahoana daholo,
zaho dia olona manambady ary efa niteraka 2 miandry ny zanakay faha3 aho zao.Ny problemoko dia izao ny zanako 1 de ts taminy fa efa nanambady za tam faha 22taona de nisaraka ary tam faha 27 taonako de nanambady aho ary niteraka 1 zahay .Aminizao anefa de bevohoka aho ny zanakay iraisana 1 io de 1an2mois nefa za am fin novembre no teraka.Izy dia zandriko 2 taona zany hoe izy zao 27an za 29an .Asa anefa izay nahazo azy fa nandritry ny volana maro zay ts mampidimbola intsony izy samy miasa zay izy ts mody lava manambanimbany ny teniteny foana etsy andaniny zaho anefa efa ho teraka lasa farofy lava noho ny ataony .Indraindray za dia kivy mihtsy hoe handeha hiverina any am ray amandreniko any ambanivohitra aho fa ts ho zakako intsony ny ataony efa za efa imbetsaka nisintaka
mba valio azafady
Ny zavatra tokony ataonao voalohany indrindra dia mifanazavà ianareo roa mba ahalalana izay zavatra tsy mampilamina anareo ao. Dia asaivo lazainy izay heviny momba anareo sy ny zanakao. Rehefa izany dia ataovy izay ahatomombana ny fahaterahanao dia karakarao ny zaza. Ary ilay trano hipetrahanareo an'iza? Toa tsy dia tsara mantsy ilay hoe hianao ho any @ RAD-ny. Dia tsy hiasa intsony izany ianao? Dia ahoana no fomba hivelomanareo? Diniho daholo ny zavatra mety hiseho fa aza entin'ny hafanam-po aloha amin'izao. Mirary soa.
3. Noue ( 06/10/2008 09:41)
enika:

Indraindray za dia kivy mihtsy hoe handeha hiverina any am ray amandreniko any ambanivohitra aho fa ts ho zakako intsony ny ataony efa za efa imbetsaka nisintaka

aza misintaka zany ianao aaaaa ! io indray ilay nolazaiko ary averiko anao eto hoe manaova ianareo carte sur table arak'io lazain'i ni io aaaaa

ny zanakao jerena, raha tsy miasa intsony ianao dia ahoana?????? ho vitan'i dada sy neny daholo ny fikarakarana anareo??????


4. MMS ( 06/10/2008 10:20)
Diniho tsara aloha ,fa sao kosa avy @ nataonao kosa no nahatonga azy niova ,
aza misaraka avy hatrany fa sao manome zara ho an'na hafa eo!
5. myaina ( 06/10/2008 13:49)
aza eritreretina be aloha izay ataony f izay hahateraka anao soa amantsara tsinjovy... rehefa milamindamina io d aatanjaho tsara ny saina sy ny fo aloha ny hanaovana carte sur table aminy... sao hivadika lava eo ind1 ny nono....d miova koa aloha ianao: aza mikizintina aminy, itsikitsikio foana izy... fa sao d avy aminao marina no tsy mahatamana azy... d mety izy indray o hanontany... ny misintaka tsy vahaolana aloha hatreto...vita soratra? mariage? d mivavaha mafy fa TSY MISY TSY HAINY ATAO.mirary soa
6. simplex ( 06/10/2008 15:27)

andramo mitomany eo imasony hoe jerena ny effet-ny :)
7. ikaretsaka ( 06/10/2008 15:46)
sitra-po aby izany e
8. kalm ( 06/10/2008 17:07)
Sarotra ny mamorona tokatrano,zany hoe sarotra ny mahita vady, raha vita soratra ianareo de tokony hitady hevitra ianao mba hahazahoanao ny karamany ( raha toa ka foctionnaire lery).
Mifandamina ianareo, miresaha milamina, tokony hiaritra ianao satri ianao efa niteraka tsy manambady teo aloha, de sao mba fitsapana ho anao le izy.
Ento ambavaka isanan'andro ,amanalina ny tokatrano nareo fa hanampy anareo Zanahary.
Dia mahereza.


9. kalm ( 06/10/2008 17:13)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m48b090999bb80
mitovy problem
10. Noue ( 06/10/2008 17:28)
MMS:

Diniho tsara aloha ,fa sao kosa avy @ nataonao kosa no nahatonga azy niova ,
aza misaraka avy hatrany fa sao manome zara ho an'na hafa eo!
marina zany!
ny tokony atao ko angamba dia ny manao carte sur table?????? resaka milamina io aaaaaa fa tsy gidragidra tsy ahitana vaha-olana aaaaa


11. nathie86 ( 07/10/2008 07:45)
Miezaha aloha mitady oe inona marina no tena olana misy ka mahatonga azy manao izany toetra tsy zaka izany. Tsy maintsy responsable ho @ zany mantsy ianareo mivady. Anontanio izy eh, inona no mahatonga anao, tsy manome vola tsy mody an-trano.
Enao ko anie vadiny tokony mba mahalala kely ny toetrany sy izay tsy zakany d tonga d teneno oe, sao d ilay za manao an'zao ary no tsy tianao eh, na tsy aiko, fa tsy misy afatsy ny serasera iany no vahaolana @ io.
Mahereza.
12. haritianah ( 07/10/2008 11:05)
torohevitra ny ahy; raha tapakevitra isitaka ka efa vonona ny @ rehetra dé azo heritreretina ihany fa raha tapakevitra ny isitaka kosa de iverina @ RAD na iraitampo na ipetraka aman'olona da problèmes miteraka problèmes hafa koa.
Anio sy ampitso enao mbola mampalahelo ny olona fa refa ho lava dé teraka koa ny disadisa samihafa.Dé eo @ zay manjary milaza owé ratsy vitana ao fa zay aleha retra maneno sahona.
Diniho tsara ihany, miresaha, raha tsapanao fa mbola ilainao izy sy mbola tinao dé ianao no manao prèmière pas sy mitady fika retra iverenany sainy aminao zany owé mandefitra.Ts solution ny mitabataba azy.
13. zoara ( 07/10/2008 12:16)
tandremo dia tandremo ny hiala ao antrano,aleo izy no roahana rehefa tsy te-hiaraka mimpetraka @nao,na dia mbola manana RAR aza ianao,mety ho vita izany mandritra ny volana vitsivitsy noho ny maha zanany anao fa kosa tsy haharitra,indrindra miaraka @ zazakely,mba mila fiala-tsasatra koa ry zareo noho ny t@ fitaizana antsika......
asa na aiza ianao no mimpetraka,fa raha eto france,aza avela hiadana @ fitiavan-tenany izy,avelao izy no hiady @ fitadiavan-trano,izy irery ts'inona,ianao miaraka @ na zaza 3 ????na @ anarany aza,ka rehefa mitady ho kizitina sy be vava de azavao @ juge,"jouer la carte psychologique"
fa mialoha izany de tsisy afa tsy le carte sur table aloha hahalalana ny tena izy. mety kosa faibe izy @ fahatongavan'ilay zaza.ataoko fa zaza no-irina la izy????
14. Ratoa ( 07/10/2008 14:26)
Aza misintaka ary aza mitabataba. Manaova lao-bary an_dasy. Tsy milaza izany fa ho kizintina ianao na hitabataba. Betsaka ny lehilahy no mampitamby. Aza manaiky ny horohoro ataony fa toneho ny saina sy ny fonao. Hatreo ny fahaterahan'ny zanakao dia beazo araky ny fahamarinana sy ny fitiavana ireo zaza ireo.
Aza miraharaha izay volany. ary asehoy fa mahavita tena ianao. Tsy tantin'ny lehilahy izany.
I dada sy i neny, efa vita ny anjarany aminao na dia eo aza ny maha ray amandreny mpiaro azy.
Aoka izy mba hihanina @ ny fahanterany amin'izay.
Mafy dia mafy ny zavatra atoroko anao, anefa tsy misy mahalamina an'io hafa tsy ny toetra sy fietsika tony avy aminao, mi-"transcender" ny adalàna sy fampifilafilàna ataony.
Izany hoe, misehoa ianao ho mahery saina sy mahatsinjo ny lavitra fa tsy enti-po.
Mahereza!
15. tsiambaratelo ( 15/10/2008 12:55)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m48b090999bb80 mitovy problem misy ho saitsaininireo vhv mbola tsy manambady mintsy iz zan, :-P raha dependante zany tonga de feu rouge foana,fa raha mahaleontena dia milamina ny tokan-trano!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1441