alika i deba fa ity no mbola alika noho izy

1. bazylou ( 30/09/2008 00:03)
Biby sa olona
lundi 29 septembre 2008, par RAW

Hisy orinasa lehibe hamokatra sakafom-biby am-polo-taonina isan’andro hatsangana eo Andohatapenaka. Eo amin’ireo tanimbary sy tany nisy tranon’olona an-dalan’ny ho tototra no hanaovana izany. Nanazava ny anton’ny ilana izany ny filoha Ravalomanana tamin’ny alin’ny zoma lasa teo raha vao tonga avy nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana.

Araka ny fahazoana azy dia mifaninana mafy loatra ny sakafom-biby sy ny sakafon’ny olona hany ka saozanina foana ny biby fiompy. Raha tsy ampy ny sakafon’ny olona dia tsy maintsy miafy na tsy mihinana mihitsy ny biby. Mampahatsiahy ny ohatra miendrika fanontaniana nataon’izy filoha ihany izy ity raha niresaka momba ny fiompina sy ny fampianaran-janaka izy, indray andro. Hoy izy nanontany hoe : tsy fantatra intsony na ilay zaza no ambesan’ny omby, na ilay omby iray na roa no andrasan’ilay zaza. Kanefa io zaza io dia tokony hianatra, saingy indrisy.

Ho an’ny tokantrano malagasy any ambanivohitra dia tena marina izany. Mifampiankina na mifampiditra mihitsy ny fiainan’ny biby sy ny olona. Izay ambin-tsakafo eo no omena ny biby fiompy. Tsy misy loatra ny sakafo atokana ho an’ny biby fiompy, hafa tsy ny vilina isan-karazany sy ny mololo ary ny kolikoly na solofo dimbin’ny vary. Ireo no tena voatokana ho an’ny biby. Ny sisan’izay, tahaka ny mangahazo, ny katsaka, ny karaoty, ny saozaha, ny vomanga sy saonjo, dia hifampizaran’ny olona amin’ny biby. Ankoatry ny tamin’ny andron’ny "barieran’ny SINPA", tany amin’ny taona 1981-1982 tany afovoany andrefana, ka nanatavizana kisoa ny vary, satria tsy nahaleo ny sarany ny vidiny raha namidy tamin’ny fanjakana sy ireo orinasa miankina taminy.

Ity orinasa ho eo Andohatapenaka ity, izay efa nahitana vola avy any ivelany ny hanorenana sy hampandehanana azy dia hamokatra sakafo ho an’ny biby fotsiny na "praovandy" izany. Ny filoha moa tsy nilaza na angamba nihevitra fa tsy ilaina ho fantatry ny be sy ny maro hoe biby inona avy no voakasik’izany fa ny tena mandany vola koa ange, indrindra vola vahiny, dia ny sakafon’ny "crevette" na makamba na patsa be, izay fantatra fa ny ampahany betsaka dia hafarana avy ao Maorisy.

Ny fantatra aloha dia efa misy orinasa lehibe mamokatra sakafo ho an’ny kisoa, akoho, bitro sy ny hafa koa. Misy koa ny orinasa madinidinika any antsefantsefany any. Fa hatreto dia tsy mbola misy tena mpamokatra sakafo ho an’ny trondro atao hoe "saumon" sy "truite". Ireo dia vokatra be mpitady ary azo inoana fa hanondrana an’io isika rehefa tototra ny tanimbarin’i Betsimitatatra.

Raha tsorina ny tian’ny filoha lazaina dia hamelona ny toekarena malagasy no antony hanotofana io faritra io. Raha ny ahiahy mikasika ny tondra-drano aty amin’ny manodidina ny tatatra GR sy C3 (Ampefiloha, Manarintsoa, Isotry, Ankasina, Antohomadinika, Ankazomanga) dia tsy anjarany fa anjaran’ny teknisiana ny misoroka izany. Ny voamarika aloha tamin’ny resaky ny filoha teny Ivato ny zoma alina teo, dia tsy niteny momba ilay tany voalaza fa hananganana trano fonenana eo Andohatapenaka izy. Asa, fanadinoana sa hoe efa mazava iny fa ny biby fanondrana no tena maika etsy an-daniny fa ankilany ny olona koa... sao adino.

HAnamboatra sakafo hoan'ny saumon hoe, .... mba afaka milaza eto ve hoe aiza ho aiza ao mada nomisy saumon e ??? reakeh be, le ...
répondu par andrywui le 10/12/2008 10:19
2. nanas ( 30/09/2008 16:47)
bazylou:

Zay angaha ianao vao nahalala ny tena marina amin izy io. Zao no atao hoe fitondrana loham-boto
3. anjaro ( 01/10/2008 06:25)
Henjana ry zalahy é! Bizna io. Io fitiavankarenan' ny mpitondra io foana no tsy mahatafavoaka ny gasy. Hamokatra sakafom-biby an'ilay ferme ngeza dia ngeza efa miandry any Andranomanelatra angamba? Ny olontsotra tsy hahazaka hanao ferme be ka hila provandy be izanny! Sa lasa président-n' ny biby fiompy indray fa tsy président-n' ny Malagasy intsony? Maro anie ny olona tsisy sakafo, tsisy trano, tsisy tany volena.........nefa izay nanao kely teo nesorina! Tsy hita intsony izay fijerena ny mahaolona.......Naninona moa raha nikisaka kely fa mbola betsaka anie ny tanim-panjakana malalaka miala kely an'Antananarivo fotsiny é; ny fofona avoakan'io ho zaka ve? Ahoana lay fampanantenana é? Dia rahoviana? Toa resaka taitaitra fotsiny ity asa rehetra atao ity (autoroute, fampianarana, provenderie.....). Inona indray afaka iray volana eo?????
4. rafitia ( 01/10/2008 17:16)
Bold textka atao toy ny an'i texas ange hono eto ry zalahy e noho izany de orinasa goavana sy trano goavana no atsangana ary mandeha ny paikady fanitarana ny ville e sady io koa ange an'ny fanjakana fa tokony hitady vahaolana ny tompon'andraikitra ao cua fa tsy avela @ izao ny vahoaka ambany fiadidiany. ho hita eo ihany manaraka e
5. kidoropamba ( 02/10/2008 07:41)
hin!hin!hin!hin!
Vitan'i filoha Ravalomanana indray ny mponina ao madagasikara. Miseho lany izany zao fa ny "biby" no misy lanjany be be kokoa toy izay ny malagasy be konetaka, mitomany lava sy mangata-dava. Ny biby mba mitondra "hena", "ronono", "atody" sy ny sisa. Ny gasy dia mitondra jaly, menomeno, taraina lava...

Han'inona anefa izay tsy faly? Hibontsina? ho vaky eo fa tandremo.

amboary ny taratasy vazA hoy ingahy iray izay fa ny anay aloha efa vita ny pasipaoro andehanana ao kaomAoro raha mivadika ny raharaha.
Mandrapihandry an'izany dia ndao hanao fihetsika sy fiainana biby amin'izay mba misy manome sakafo.

Ra...valomanana 8O 8O 8O 8O
6. karavasy ( 03/10/2008 15:32)
"alika i deba fa ity no mbola alika noho izy" fa i bazylou alika masiaka =))
7. bazylou ( 03/10/2008 22:35)
marina izany ry karavasy :-D :-P :roll:
8. penguin ( 06/10/2008 11:45)
Tsy misy alika sahalan'i bazylou :-D :-D :-D :-D
9. kidoropamba ( 06/10/2008 12:51)
Misehoa eto izany alika izany fa omeko "kou de tEty" dia samy miala.

Ra..valo 8O 8O 8O 8O
10. andrywui ( 10/12/2008 10:19)
mis filoham pirenena mahery vaika zay efa maty izy no nilaza tam8, fa ra te ho tafajanon ela amin'ny fitondrana de misy methode telo tsy maintsy fidina:
-1°-tsy maintsy tapahana ny lohan'izay mpanohitra na fikambanana maherihery fihetsika (gadraina)
-2e-atao izay hampahantra tanteraka ny oul entinao mba tsy ahatraka ijery ze fomba itondranao ny firenena
-3e -tsy azo asiana oul tsotra na mpanao politik maro manana vola(-de milliards) fa tsy maintsy ahena ny fananany
-4e-vao manohitra na tsy manaraka ordre de tsy maintsy liquide na physiquement direct(io no nataonle raikala voahantona in)------IZA AMINIREO
METHODES IREO ARY HAMPIHARINA AMIN'NY TANINDRAZANTSIKA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1984