TAXIBE 133 MAMO TAMPONA

1. kofbay ( 25/09/2008 09:42)

MITANDREMA : TAXIBE 133 ITAOSY MAMO TAMPONA

Ny alarobia harivan’ny 24 Septembre 2008, tamin’ny 18h20 raha avy nandeha ‘Spécial’ (hoy ny mpamily sy ny receveur) ny Taxibe Ambinintsoa 133 Itaosy mitondra ny laharana 8984 TAG. Tena MAMO TAPONA izy mirahalahy, na ny mpamily izany na ilay receveur, kanefa dia mbola sahy maka olona teo Ampefiloha ihany (ho any Itaosy io), samy maika hody anefa ny olona ka avy hatrany dia nirohotra niditra, ka izay tafiditra ka nahita ity mpamily efa zara raha maharay tena kanefa mbola mikiry hitondra ilay fiara ihany, dia avy hatrany dia nitsoaka nivoaka avokoa ! Tezitra tamin’izany ilay mpamily efa mamo tampona ka avy hatrany dia natroatrany ny fiara, nidoboka sy nitrosona tamin’ny tany ny sasany tamin’ireo mpandeha izay nivoaka ! Fantatry ny olona moa fa an’ny Président-ny Koperativa ilay fiara, ka asa izay ho fepetra ho raisiny amin’izany
novalian'i moi ny 02/12/2008 04:57
2. ni81 ( 25/09/2008 10:52)
:roll:
3. ravatorano ( 25/09/2008 10:59)
reko tokoa io zava niseho omaly io satria aho dia teo amin io station io tamin 'iny fotoana iny mihitsy saingy ny olona mivoaka sy mitabataba no hitako fa tsy tena azoko izay fandehany hay moa ka izany
amiko dia tokony esorina amin 'ilay mpamily aloha ny fahazahaoan-dalana mitondra fiara ary koa ampiana sazy hafa izay mifandraika amin'ny sata mifehy manokana ny koperativa 133
ilay resevera indray dia tsy tsara raha mbola handray izany toerany izany intsony fa ny mety aminy dia mitady asa hafa fa izany ihany no mahatonga ny tsy filaminana amin ireny zotra taxi be ireny.
4. fahamarinana ( 25/09/2008 11:16)
:arrow: dadany koa zany :( (l)
5. booboo ( 25/09/2008 11:45)
ravatorano > hihihihihihihihi, tsy ilay soratanao no mampihomehy anà fa ilay avatarar-nao hihihihihihi.
6. vale ( 25/09/2008 12:10)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D booboo!!!!!! :-D
Ravatorano> tsy misy afenina mihintsy izany an! hihihihi :wink:
7. ari.malala ( 25/09/2008 13:14)
loza kou zany! d nisy naratra v?
8. hery ( 25/09/2008 13:31)
Ka indraindray tsy hitan'ny fanjakana izany fa tsy haiko hoe izay mahita no tokony miteny any @ polisy?
9. Noue ( 25/09/2008 13:51)
na ny mpandeha tao aza ve dia tsy mba nisy niantso ny polisy akory nilaza hoe mamo tampony ny mpitondra fiara ? :^) :^) :^) :^)
10. tsiambaratelo ( 25/09/2008 15:57)
kofbay:
MITANDREMA : TAXIBE 133 ITAOSY MAMO TAMPONA Ny alarobia harivan\'ny 24 Septembre 2008, tamin\'ny 18h20 raha avy nandeha \'Spécial\' (hoy ny mpamily sy ny receveur) ny Taxibe Ambinintsoa 133 Itaosy mitondra ny laharana 8984 TAG. Tena MAMO TAPONA izy mirahalahy, na ny mpamily izany na ilay receveur, kanefa dia mbola sahy maka olona teo Ampefiloha ihany (ho any Itaosy io), samy maika hody anefa ny olona ka avy hatrany dia nirohotra niditra, ka izay tafiditra ka nahita ity mpamily efa zara raha maharay tena kanefa mbola mikiry hitondra ilay fiara ihany, dia avy hatrany dia nitsoaka nivoaka avokoa ! Tezitra tamin\'izany ilay mpamily efa mamo tampona ka avy hatrany dia natroatrany ny fiara, nidoboka sy nitrosona tamin\'ny tany ny sasany tamin\'ireo mpandeha izay nivoaka ! Fantatry ny olona moa fa an\'ny Président-ny Koperativa ilay fiara, ka asa izay ho fepetra ho raisiny amin\'izany
Zay lay tsy fitsinjovana ny hoavy,na ny asa na ny fiainana iray mantolo.Fa vao misy sôsy kely de mikôsôme,kou maninona zao rah any an-trano refa mba vita ny asa.=D=D=D
11. ikaretsaka ( 25/09/2008 16:38)
alefaso kidaona maraina sy ogahogay any (gazety sns...) fa heno ihany ny zava misy sy ny fanapaha-kevitra rehefa ela ny ela e
12. Herimiafina ( 26/09/2008 02:10)
Ohatry ny any Inde sy Bangladesha izany. Avy any angamba ny razambean'izy mitsam. :-D
13. Papoose ( 26/09/2008 21:08)
aaa tsy kidaona maraina fa MBS :lol:
14. tsiambaratelo ( 02/10/2008 11:47)
[quote=Herimiafina]
Ohatry ny any Inde sy Bangladesha izany. Avy any an
15. Rafahafahana ( 01/12/2008 15:11)
Tsy mahagaga alou zany é, tsy misy sazy omena azy ka aiza izy no tsy hanaonao foana, mahita ialana foana izy, ry mpandeha ô, mahimahina hatrany é
16. moi ( 02/12/2008 04:57)
Taitra be aho fa ny lohateny dia hoe taxibe mamo tampona !
Hay ve ka ilay saofera sy resevera e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2211